AVITA Association VIavy TAvandraigna

Toutes nos pensées pour toi, Hortancia Befety, SG de AVITA 🎉 ( Happy Birthday)Que cette nouvelle année de vie t’apporte ...
08/04/2026

Toutes nos pensées pour toi, Hortancia Befety, SG de AVITA 🎉 ( Happy Birthday)

Que cette nouvelle année de vie t’apporte joie 😊, succès et de merveilleux moments ✨.

Ton engagement et ton leadership 💼 sont une véritable source d’inspiration 🌍 — que de belles opportunités 🌱 et de grandes réussites t’accompagnent dans tout ce que tu entreprends.

Nous te souhaitons santé ❤️, force 💪 et beaucoup de bénédictions 🙏.

🌸 Mirary P***a 2026 🗓️sambatra ho antsika rehetra! Ny AVITA (Association ny Viavy Tavandraigna) dia mirary soa sy fahasa...
05/04/2026

🌸 Mirary P***a 2026 🗓️sambatra ho antsika rehetra!

Ny AVITA (Association ny Viavy Tavandraigna) dia mirary soa sy fahasalamana ho anareo rehetra amin’izao fotoana feno fanantenana sy fiainam-baovao izao.

🙏Enga anie ny P***a hitondra fiadanam-po, hafaliana ary fitahiana ho an’ny tsirairay.

Aoka ihany koa izy ho fotoana hanamafisana ny firaisankina, ny fifankatiavana ary ny fifampitsinjo.🌻

✨ “Ny P***a dia mampahatsiaro antsika fa na dia eo aza ny fahasahiranana, dia mbola misy foana ny fanantenana sy fiainam-baovao.”

P***a sambatra ho anareo sy ny ankohonanareo! 🕊️

Mifanohantohagna Tsy ho lavo 📍 AVITA 🌻
05/03/2026

Mifanohantohagna Tsy ho lavo 📍 AVITA 🌻

  "Fanontogna tsy ho Lavo 📍
23/02/2026


"Fanontogna tsy ho Lavo 📍

Ny AVITA (Association Ny Viavy Tavandraigna) , tarihin-dRamatoa RABESOAFARA Jessica 👩🏽‍💼, dia tonga teo amin’ny Lapan’ny...
20/02/2026

Ny AVITA (Association Ny Viavy Tavandraigna) , tarihin-dRamatoa RABESOAFARA Jessica 👩🏽‍💼, dia tonga teo amin’ny Lapan’ny Tanàna ny Alarobia faha 18 Febroary 2026 ,nandray anjara amin’ny fanomezana fanampiana 🎁🤝 ho an’i Toamasina 📍, taorian’ny fahasimbana nateraky ny rivodoza GAZANIE .

📍Fanontogna tsy ho lavo ⚜️

🎉 Ny AVITA dia miarahaba sy maneho fankasitrahana an’i Atoa MANANTAFY Ismaël Dino, coordinateur ny AVITA.🔵Mirary fahombi...
13/01/2026

🎉 Ny AVITA dia miarahaba sy maneho fankasitrahana an’i Atoa MANANTAFY Ismaël Dino, coordinateur ny AVITA.

🔵Mirary fahombiazana feno ho azy amin’ny fanatanterahana ny andraikiny.

🥏Izany dia manaraka ny fanendrena azy ho Tale Paritra misahana ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ao amin’ny Faritra DIANA 🌍

🎉🎊 Arahabaina tratry ny Taom-baovao 2026 🎊💐 Amin-kafaliana lehibe no anoloràn’i Mme RABESOAFARA Jessica, Présidente de l...
31/12/2025

🎉🎊 Arahabaina tratry ny Taom-baovao 2026 🎊

💐 Amin-kafaliana lehibe no anoloràn’i Mme RABESOAFARA Jessica, Présidente de l’AVITA, ny fiarahabana sy firariantsoa ho antsika rehetra amin’izao Taom-baovao 2026 izao 🤝

🙏✨ Enga anie ity taona vaovao ity hitondra fitiavana 💕 sy filaminana 🕊️, hanamafy ny firaisankina 🤝, ary ho dingana vaovao 🚀 feno fanantenana sy fiadanam-po 😌 ho antsika rehetra

Tratry ny Taom-baovao! Mirary soa sy fahombiazana ho antsika rehetra! 🥳

✨🎄 Mirary fety Krismasy sambatra sy feno fifaliana ho antsika rehetra, hoentin’ny fiadanana 🕊️, ny fitiavana ❤️ ary ny f...
25/12/2025

✨🎄 Mirary fety Krismasy sambatra sy feno fifaliana ho antsika rehetra, hoentin’ny fiadanana 🕊️, ny fitiavana ❤️ ary ny fanantenana ✨ ao am-po.🎄✨

AVITA ❤️

Ny herisetra atao amin’ny vehivavy 😔 dia mbola olana lehibe manimba ny fiainan’izy ireo ara-tsaina 🧠, ara-batana 🩺 ary a...
11/12/2025

Ny herisetra atao amin’ny vehivavy 😔 dia mbola olana lehibe manimba ny fiainan’izy ireo ara-tsaina 🧠, ara-batana 🩺 ary ara-tsosialy 👥.

Araka ny tatitra iraisam-pirenena 🌍, vehivavy no tena tratran’ny herisetra mifototra amin’ny lahy sy vavy, ka maro no mila fanohanana sy fiarovana ❗️.

Mbola manamafy ny olana ny fitongilanana ara-pananahana 🚫 izay mampiverina hevitra diso sy manilika ny vehivavy, na dia tokony hanana zo mitovy sy fahafahana tanteraka aza izy ireo ⚖️✨.

Zava-dehibe ny fanabeazana sy fampahafantarana ny vehivavy momba ny zony, ary koa ny fanohanana azy ireo mba hahafahany miaro tena sy mitaky rariny 📚💪.

Aoka isika hiara-hitsangana handà ny herisetra rehetra atao amin’ny vehivavy ! ✊💜
— AVITA 🌺

**Feon’ny Fo – Miara-mientana isika hanome fanantenana ho an’ny zaza kamboty 💫❤️(AVITA – Association ny Viavy Tavandraig...
11/12/2025

**Feon’ny Fo – Miara-mientana isika hanome fanantenana ho an’ny zaza kamboty 💫❤️

(AVITA – Association ny Viavy Tavandraigna 🤝💛)**

👶🏽
🤝

🌍
💖

“Association VIAVY TAVANDRAIGNA (AVITA)” 🌟📚 “Manohagna sy mamporisika ny zaza hianatra, satria ny taranaka anio no ho av...
01/12/2025

“Association VIAVY TAVANDRAIGNA (AVITA)” 🌟

📚 “Manohagna sy mamporisika ny zaza hianatra, satria ny taranaka anio no ho avin’ny firenena rahampitso.”

❤️ Ny AVITA dia fikambanana manana fo lehibe ho an’ny zaza kamboty 👶💔, ireo be antitra 👵👴 sahirana, ary ireo ankizy mila fanohanana mba hahazoan’izy ireo manatanteraka ny nofinofiny 🌈.

✨ “Tsy misy harem-be mihoatra noho ny fanomezana fanantenana.” ✨

👩‍💼 Notarihin’i Madame RABESOAFARA Jessica, AVITA dia mijoro ho “tanana misokatra 🤝, fo mitsinjo ❤️ ary fitiavana mamelona aina.”

📖 Ny iraka dia tsotra nefa lalina ny dika :
💡 “Zaza entina mianatra, fiainana entina miova.”

Address

Antsiranana
201

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when AVITA posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share