25/06/2025
🇫🇷 Version en français en seconde partie 🇫🇷
🇲🇬 Tratry ny Fetin’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara, ry Malagasy rehetra! 🇲🇬
Amin’ity 26 jona ity, mankalaza am-pireharehana sy am-pifaliana ny fahaleovantenan’ny Tanindrazantsika isika, lova soa nentin’ny tantara sy natsangan’ny firaisankina.
Ny fikambanana TCDM — Traditions et Cultures du Monde izay eo am-pamolavolana ao Toamasina, Antsiranana ary Antananarivo, sy ireo TCDM maneran-tany 🌍, dia mirary amin’ny fo manontolo fety feno hafaliana sy firaisam-po ho an’ny Malagasy rehetra, na aiza na aiza toerana misy azy.
🌾 Aoka izao andro izao ho fotoana hampifohazana ny maha-Malagasy, ho fankalazana ny kolontsaina sy soatoavina iombonana, ary ho hery entina hananganana ho avy mamiratra.
🤝 Miray hina isika, ao anatin’ny Fanajàna, Fitoviana ary Fifanomezan-tanana, hanorina fiaraha-monina mirindra sy maharitra, mifototra amin’ny hasin’ny maha-olona.
🔥 Ho ady sarobidy eo am-pelatanantsika ny fiainam-pirenena. Andao isika hitondra fanilo ho amin’ny fanantenana sy fanavaozana.
🎉 Arahaba tratry ny Fety! Viva Madagasikara! Viva ny Firaisam-pirenena!
🇲🇬 Joyeuse Fête de l’Indépendance, Madagascar ! 🇲🇬
En ce 26 juin, nous célébrons avec fierté la liberté, la culture et la richesse de notre belle île rouge 🌺
Les associations TCDM — Traditions et Cultures du Monde, actuellement en création à Toamasina, Antsiranana et Antananarivo, ainsi que les antennes TCDM à travers le monde 🌍, unissent leurs voix pour souhaiter à tous les Malgaches du monde entier une magnifique fête de l’indépendance !
💫 Que cette journée soit un symbole d’unité, d’héritage culturel et d’espoir partagé. Nos racines sont profondes, nos traditions vivantes, et notre avenir se bâtit main dans la main.
🤝 Ensemble, dans le Respect, l’Égalité et la Solidarité, nous œuvrons pour un monde meilleur, ancré dans nos valeurs et ouvert à la diversité.
🔥 Que cette fête soit une étincelle de renouveau et de fierté pour chaque cœur malgache, où qu’il soit.
🎶 Vive Madagascar ! Vive la culture, vive la paix et l’unité !