09/04/2026
🖊️📗🌿Penina, Kahie, hira, lalao, tsiky, hehy, torohevitra, teknika, torolalana, fifanampiana, trano lay ... Ankalamanjana.
✅ Rehefa ireo izay no hita, dia fantatra avy hatrany fa lasy Fiofanana izy izany. ✨❤️
🔴 Lasy Fiofanana Mpiandraikitra?
- Eny r'ise an! Miofana anie ireny "Chef" sy "Cheftaine" ireny e! 🎯
✅ Ity izao, ho an'ny Mpiandraikitra Tily izay karakarain'ny Faritany Vakinankaratra Antsirabe ao amin'ny KOKOA Antsirabe. Nanomboka tamin'ny Alatsinainy 06 avrily lasa teo, hifarana ny Sabotsy 11 avrily 2026.
FANOMANANA sy FANANTERANA ary RANTSANA🥰
✅ Misy Mpiandraikitra telo (03) avy ato amin'ny Tily Fiv 01 - FLMAA manatrika izany lasy fiofanana izany.
Alefa Chef a! ⚜
Alefa Cheftaine a! ⚜
Alefa Tonia⚜
Miandry zava-baovao avy any amin'ise izahay an! ... 😋❤️
📷
Tily Fiv 01 - FLMAA