09/01/2023
⭕⭕TE HANANA FIFANDRAISANA MAHARITRA VE IANAO AMIN'NY OLO-TIANAO , AMIN'NY NAMANAO , AMIN'NY MPIARA MIASA ,AMIN'NY ZANAKAO NA RAD?
✅✅Mahasoa anao ity .
📌😘 Ireto toko telo nahamasa-nahandro ireto dia azonao ampiharina amin'ny sehatra rehetra misy anao.
😍Na mpifankatia(couples) ,
❤na fianakaviana ,
➡na anaty orinasa indrindra indrindra dia ampiharo ireto.
🔰ILAINA :
▶ Ataovy tsapan'ilay ekipanao fa ilainao izy , ataovy hitany mihitsy fa mila azy ianao fa ho hitanao fa lasa tia mandray andraikitra iny.
Ny olana mantsy dia matetika isika tsy manome lanja ilay zoera(chacun) sasany fa dia izay eo ihany no ampiasaina , tsy omena andraikitra hiasany izy ka zary lasa manampy isa fotsiny sisa fa na izy aza tsy hainy hoe manao inona ato aho?
Andramo amin'ilay olotianao io anie izany e😊
🔰TIANA
▶ Rehefa nomenao andraikitra izy dia ho hitanao fa hanao izany ary hanana fahazotoana foan raha toa ka asehonao fa tianao sy ilainao ao anaty fiarahana.
Aoka tsy ho adino fa misy olona manome baiko fotsiny ary adidiny ilay baikona ny manantanteraka fa tsy misy fitiavana sy tsy cokatrin'ny fo akory ilay asa.
▶ Misy fiatraikany amin'ny atao foana ny fanehoam-pitiavana.
🔰ANKASITRAHANA
➡ Matoa misy asa iray vita na lafatra na tsia dia tadidio fa nisy nanao io , nisy nandany ny fotoanany tao . Noho izany , dia ankasitrao foana izay vitan'ny ekipanao na kely na be , na mifanaraka amin'ny tanjona tadiavina na tsia.
😍👊Ny zava-dehibe dia nisy finiavana niasa tao.
⭕🚫Raha tsy nahomby ny fibedesa sy ny fanomezan-tsiny hatramin'izay dia ovay indray ny firesahana.
✅✅Ankasitrao aloa izay vita'h ary toroy izay tokony hahitsy.
😍😘 Ho hitanao fa tsy misy fo malahelo eo ary samy hanao izay tratrany ny tsirairay amin'ny fitandroana ny andraikiny.
👊👊 Mankasitraka anao namaky hatramin'ny farany ary manasa anao hizara .🙏