04/07/2026
Tsy ho tara ny famonjena anao.
Na mety tsy hitanâny olona aza ny tombambidinao
Na ahoana koa na ahoana fijerinâny hafa anao
Ny fijerinâAndriamanitra anao dia izao:
Malala eo imasony ianao.
Be voninahitra ianao Aminy
Eny, tena tiany ianao.
Ka iza no ifantohanao,
Izay fijerinâny olona sy izay lazainy
Sa izay fijerinâAndriamanitra sy izay nambarany?
Ny Tompo tia anao.
Tsy handao na hafoy anao Izy
Indro avy Izy hamonjy anao