Tontolo Ambanivoitra Mandroso

Tontolo Ambanivoitra Mandroso Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Tontolo Ambanivoitra Mandroso, Amboronomby, Antsirabe.

AFAKA OMENA ODY KANKANA VE NY OMBY BEVOHOKA?Nisy nanontany tato aminy pejy izany ka hovaliantsika eto aminy pejy1- Tsy o...
05/01/2026

AFAKA OMENA ODY KANKANA VE NY OMBY BEVOHOKA?
Nisy nanontany tato aminy pejy izany ka hovaliantsika eto aminy pejy
1- Tsy omena amin’ny fiandohan’ny fitondrana vohoka:
amin’ny 3 volana voalohany (trimester 1), satria marefo ny zanak’omby ao an-kibo.

2- Azo omena tsara amin’ny tapany afovoany sy farany
Azo antoka kokoa amin’ny:
volana faha-4 ka hatramin’ny faha-7
na 1–2 volana alohan’ny hiterahana

3- Antony mahatonga ilaina ny odikankana
Miaro ny fahasalamana sy tanjaky ny reny
Manampy amin’ny fivoahan’ny ronono tsara
Mampihena ny loza amin’ny:
fahalemen’ny zaza
fahaverezan-dronono aorian’ny fiterahana

Fintina 📌
✔️ Afaka omena odikankana ny omby vavy bevoka
❌ Tsy amin’ny 3 volana voalohany
✅ Tsara indrindra: 1–2 volana alohan’ny hiterahana
💊 Misy fanafody azo ampiasana ka mananotania ny TEKNISIANINA

22/12/2025
Efa manomboka miabetsaka ny   noho izany dia misy ny manotany hoe AZO OMENA NY   BE RONONO VE NY RAVIN’OVY?Anomezana fah...
01/12/2025

Efa manomboka miabetsaka ny noho izany dia misy ny manotany hoe AZO OMENA NY BE RONONO VE NY RAVIN’OVY?
Anomezana fahafahampo izay nametraka io fanontaniana io dia ho valiantsika eto aminy pejy izany.
Eny azotsika omena ny ny ravin’ovy fa tsara raha manaraka ireto torohevitra manaraka ireto:

Tsara fantatsika aloha oe hoana ny fomba marina fanomezana ravin’ovy?Avela ho maina tsara 2–3 androTapatapahina kelyAfangaro amin’ny ahitra maina na raokandro

Aza atao mihoatra ny 10–20% amin’ny sakafon’ny omby isan’andro
👉 Ohatra: omby 300 kg → 500–800 g ravina maina isan’andro dia efa ampy.

🐄 Fanamarihana ho an’ny omby vavy bevohoka sy be ronono
Azo omena, fa fatra kely ihany.
Raha be loatra dia mety hiteraka fidinan’ny ronono na fivalanana.
Aza avala ho very intsony ary ny ravin’ovy ntsika fa araho ireo toromarika eo ambony dia Mirarisoa hatrany

Afaka mihinana izay laniny ve ny omby vavy iray ?Misy fomba fitenin-tsika izay milaza manao hoe : Kibon’omby izany dia m...
30/11/2025

Afaka mihinana izay laniny ve ny omby vavy iray ?
Misy fomba fitenin-tsika izay milaza manao hoe : Kibon’omby izany dia mety mamaly ilay fanotaniana etsy ambony,na izany aza dia ho valiana mivantana etsy ambany ihany izany.

Eny, afaka mihinana izay laniny (à volonté) ny omby raha toa ka fototsakafo no resaka ( ahitra na herana),Fa tsy tokony atao “à volonté” kosa ny fanampitsakafo na ny concentré.
Miankina aminy lanjany omby tsirairay izany ny sakafo mety ho laniny noho izany.
➤ Ireto no azo hoaniny malalaka:

Ahitra maitso

Ahitra maina (foin)

Rano

Minéral (bloc)

➤ Ireto kosa tsy azo hoaniny be loatra:

Concentré (son, mais, provende) satria mety hahatonga acidosis, aretin-kibo, fivalanana, aretin-tongotra

Ny fary (betsaka siramamy loatra)

Déchets alimentaires( mety hanimba kibo)
Koa dia mirarisoa antsika mpiompy izahay
Nb: amin’izao fotoam pahavaratra izao dia fotoana fanomanana ny sakafon’omby ny maintany

Fananganana     mandritry ny 4 TaonaNotontosaina anio teto aminy foibe   vatofotsy ,niarahana taminy  # fflp
20/03/2025

Fananganana mandritry ny 4 Taona
Notontosaina anio teto aminy foibe vatofotsy ,niarahana taminy # fflp

KOPERATIVA FIHERENANA Izahay dia koperativa eto aminy district ny faratsiho ,kaominina Vinaninony.Ka mamokatra fromage @...
09/02/2025

KOPERATIVA FIHERENANA
Izahay dia koperativa eto aminy district ny faratsiho ,kaominina Vinaninony.
Ka mamokatra fromage @ alehibeny izay ilainao.Koa aza misalasala miantso anay raha hanao ’’komandy’’ na hametraka fiaraha miasa eny na hitsidika ny fikambananay ihany aza.
Nb:afaka mandefa aminy faritra izahay
Contact: 034 87 394 61
0331324435

Address

Amboronomby
Antsirabe
110

Telephone

0348739461

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tontolo Ambanivoitra Mandroso posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share