Tily Vakinankaratra Antsirabe

Call Directions Website Contact the organization

Tily Vakinankaratra Antsirabe Ny Tily dia fanabeazana tanora skoto protestanta zazalahy, sady mamolavola azy handray anjara hanorina tontolo tsara kokoa

Ireo Talenta azon'ise Beazina trandrahana mandritra ny hetsika JOTA JOTI 😉SAMPANA MAVO🏅 Talenta tia teknolojia ( https:/...
21/09/2026

Ireo Talenta azon'ise Beazina trandrahana mandritra ny hetsika JOTA JOTI 😉
SAMPANA MAVO
🏅 Talenta tia teknolojia ( https://www.scout.mg/talenta/loup-teknolojia/ )
🥇 Talenta tenim-pirenena vahiny ( https://www.scout.mg/talenta/loup-teny-vahiny/ )

SAMPANA MAITSO
🥇 Talenta teknokojia sy teknika
🥇 Talenta mpiserasera
🥇 Talenta mpanentana tambazotra ( https://www.scout.mg/talenta/maitso-community-manager/
)
🥇 Talenta telefaonista ( https://www.scout.mg/talenta/maitso-telefaonista/ )
🥇 Talenta informatika ( https://www.scout.mg/talenta/maitso-informatika/ )

SAMPANA MENA
🏅 Talenta teknolojia sy teknika (
https://www.scout.mg/talenta/mena-mpiatrika-teknolojia-teknika )

Aza adino misoratra anarana ato www.jotajoti.info😙

12/09/2026

Tily eto Madagasikara

12/09/2026

Tily Eto Madagasikara

🚨FANDAMINANA🚨Manoloana ny trangana fisolokiana malaza be amin’izao fotoana izao dia indro zaraina amin’ise ny lamina vao...
07/09/2026

🚨FANDAMINANA🚨

Manoloana ny trangana fisolokiana malaza be amin’izao fotoana izao dia indro zaraina amin’ise ny lamina vaovao ato amin’ny vondrona:

Manomboka eto, ireo rehetra izay manao ranty fitadiavana fanampiana manao FANAMIANA TILY dia tokony hisy ireto informations ireto raha kely indrindra :

1️⃣Anaran'ny Fiangonana niavian’ilay Tily voalaza fa mila fanampiana
2️⃣ Anaran'ny Fivondronana niavian’ilay Tily voalaza fa mila fanampiana
3️⃣ Laharan'ny Filohan'ny KP (hahafahana manamarina ny tranga)
4️⃣ Ordonnance hita mazava ny anarana sy ny daty nanomezana azy
5️⃣ Pejin'ny Faritany na Fivondronana no mandefa ny antso avo

Raisina ity fepetra ity mba hahazahoan’ny Tily rehetra vaovao mari-pototra sy mazava, ary hahafahan’ny tsirairay mitondra ny anjara biriky ho fanohanany amin’ny maha-mpirahalahy antsika❤️

Sources : Tily eto Madagasikara

Fifaliana ho an’ny Komity Lehibe Mpanazava sy Tily Eto Madagasikara (MTEM) no manasa an’ise hanatrika ny fanompoam-pivav...
07/09/2026

Fifaliana ho an’ny Komity Lehibe Mpanazava sy Tily Eto Madagasikara (MTEM) no manasa an’ise hanatrika ny fanompoam-pivavahana ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra, ho fisaorana ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo ekipa mpikarakara rehetra noho ny fahavitan’ny LASY 90 TAONA SAMPANA MAVO sy ny LASY 90 TAONA SAMPANA MENA.

📆 Sabotsy 12 Septambra 2026
📍Chapelle Militaire Ampahibe
🕝 Manomboka amin’ny 02 ora sy sasany tolakandro
✅ Manao fanamiana ara-dalàna


03/09/2026

🤔Omeo kely hoe n'y hevitr'ise
👉Ataovy mazava

02/09/2026

Tadidin’ise ve hoe nisy antso natao ho an’ny Tanora Tily manana tetikasa natao teto amin’ny Pejy❓

Hanatrika sahady ny BootCamp izy ireo amin’ity herinandro ity.
📆 Ny 04 hatramin’ny 06 Septambra 2026
📍Tranombitsika Antsahamarofoza
✅ Fitaovana entina: lamba fiarakotra, fitaovam-piofanana, Solosaina, Prise multiple

‼️Andiany voalohany izy ity ho an’ny Zone Centre, ho avy tsy ho ela ny an’ny Zone Nord sy Zone Sud‼️

ℹ️Fanampim-panazavana :
☎️Haja Tiana 034 76 180 36
☎️Lova Mauricette 038 65 303 03
☎️ WhatsApp 032 72 610 50


Aiza daholo ireo Tanora Mahatsangy??
14/08/2026

Aiza daholo ireo Tanora Mahatsangy??

🚀Hirika fanararaotra‼️

🚀 Ny Tily eto Madagasikara (TEM), amin'ny alalan'ny LeadAho, dia manatanteraka fandaharan'asa mikendry hanamafisana ny fitarihana vehivavy, ny fahasalamana sy fahadiovana, ny fitovian-jo eo amin'ny lahy sy ny vavy ary ny fampandrosoana ara-toekarena ho an'ny tanora eto Madagasikara.

✅ Ao anatin'izany dia mikasa ny hisafidy tanora 120 mitondra tetikasa manerana an'i Madagasikara ny LeadAho, mba hahafahan'izy ireo mahazo fiofanana, fanohanana ara-teknika, fanoroana lalana ary fanatsarana ny tetikasany. Aorian’ny fiofanana dia tanora 25 amin’ireo 120 no hisitraka tohana ara-bola entina hanantanterahany ireo tetikasa.

💡 Noho izany dia asaina hirotsaka amin’izany ny tanora mahafeno ireto fepetra manaraka ireto :
✅ Tanora 16 ka hatramin’ny 35 taona vonona hanatrika ireo tohana ara-piofanana rehetra ary manana fotoana hiatrehana izany;
✅ Manana vinavina tetikasa na manana tetikasa eo an-dalam-panombohana misehatra amin’ireo manaraka ireto : Fambolena, fiompiana, Fanodinana vokatra, Asa tanana, Varotra, Tolotra ara-barotra, Teknolojia sy nomerika, Tontolo iainana, Fahasalamana, Fanabeazana, Fahadiovana sy rano fisotro madio, Fampandrosoana eny ifotony, Asa fivelomana;
✅ Amporisihana manokana ny : Vehivavy tanora, Tanora avy any ambanivohitra, Tanora mavitrika amin’ny fampandrosoana ny fiarahamonina

⌛️Fandraisana ny fisoratana anarana : 11 Aogositra2026 hatramin’ny 22 Aogositra 2026 (amin’ny 12 ora alina)
📩 Fanombanana ireo antontan-taratasy : 22 Aogositra hatramin’ny 24 Aogositra 2026
🚀 Famoahana ny lisitry ny tanora 120 voafantina : 25 Aogositra 2026
📍Atrikasa Lead’Aho Zone Nord (Ambilobe) : 27 Aogositra 2026 hatramin’ny 29 Aogositra 2026
📍Atrikasa Lead’Aho Zone Central (Analamanga) : 4 septambre 2026 hatramin’ny 6 septambre 2026
📍Fanombanana ireo tetikasa : 06 septambra 2026 hatramin'ny 08 septambra 2026
📍Famoahana ny lisitr’ireo tetikasa 20 voafantina :10 septambra 2026

ℹ️ 𝐀𝐳𝐨𝐧’𝐢𝐬𝐞 𝐣𝐞𝐫𝐞𝐧𝐚 𝐚𝐭𝐨 𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐢𝐧𝐢𝐧𝐝𝐢𝐧𝐢𝐧𝐲 𝐫𝐞𝐡𝐞𝐭𝐫𝐚: https://drive.google.com/drive/folders/1cgY0Gymqxc2KDXpqnLsUZI4i4fOux0Xf?usp=sharing

🌐 𝐀𝐭𝐨 𝐤𝐨𝐬𝐚 𝐧𝐨 𝐡𝐚𝐦𝐩𝐢𝐝𝐢𝐫𝐚𝐧'𝐢𝐬𝐞 𝐧𝐲 𝐓𝐞𝐭𝐢𝐤'𝐚𝐬𝐚𝐧'𝐢𝐬𝐞 : https://forms.gle/42Mp8pnNCvFR9NfJ6

11/08/2026

👉🏻🤗 Menafify

11/08/2026

FIFITI

Address

Antsirabe

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tily Vakinankaratra Antsirabe posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Tily Vakinankaratra Antsirabe:

Shortcuts

Share