Dispositif anti-corruption

Dispositif anti-corruption "Nandositra anjombona ka sendra angaroa, nandositra ny loza ka sendra ny atambo." "Tsy adidiko izaho samy irery, fa adidiko izaho sy ianao".

Ny ANGAROA dia vondrona natsangan'ny BIANCO tamin'ny fomba ôfisialy ny 15 okt 2019, tao amin'ny Trano fivorian'ny Région Vakinankaratra. Ny fandraisana andraikitra amin'ny ady amin'ny kolikoly no tanjona iombonana ka isan'ireo paik'ady ampiarina amin'izany ny "fampanaovana", ny fanabeazana sy fisorohana ary ny angom-baovao.

31/05/2025

HOZY IZY I MAÎTRE TODY ARNAUD TAO AMIN'NY PEJINY

" Zao vo miditra ny trano avy niasa, otrany tsy misy Ilana azy izany ny tenako, niaro olona Taty amin'ny fitsarana gratuitement satria mampalahelo, satria eritreretina fa innocent,resaka endrikendrika, fa nalefa amponja ilay olona satria baiko, ampahafantarina anao mpiaro mihitsy fa tsy misy ny charge fa baiko, kivy aho no sady malahelo,menatra ny asako aho, te handoro ny akanjoko aho, tsy mety zatra an'ilay fomba aho,lasa ny saiko mandinika sy manontany hoe manao ahoana ny vady amanjanak'ireo olona ireo, very koa kay ny asany, manao ahoana ny mety hiafaran'ny fitsarana Malagasy ity e? raha ny torimaso aloha mety ho sasatra an'io Alina.Aleo aho handatsaka ny ranomasoko aloha..."

Manavao ny paik'ady iadiana amin'ny kolikoly ny rafitra manokana na STAC momba izany eo anivon'ny JIRAMA Vakinankaratra....
15/04/2025

Manavao ny paik'ady iadiana amin'ny kolikoly ny rafitra manokana na STAC momba izany eo anivon'ny JIRAMA Vakinankaratra. Mitan-tsoroka izany ezaka izany ny ANGAROA izay sady iraky ny BIANCO no maso sy sofin'ny daholobe ka nidinika savaranon'ando niaraka tamin'ny tompon'andraikitra voalohany teny ifotony. Hita fa efa maro ireo ezaka sy fepetra hentitra ampiharina eo anivon'ny JIRAMA Vakinankaratra saingy ny fampahafantarana ny mpanjifa no tsinjo fa tsy ampy ka zary miasa irery izy ireo. Eo am-pandinihina ankehitriny ny fidiran'ny JIRAMA amin'ny onjam-peo satria ny mangarahara dia manamora ny tena fiarahan'ny rehetra misalahy amin'ny ady amin'ny kolikoly. Koa manentana sahady ireo onjam-peo eto an-toerana hitondra ny anjara biriky ho fanabeazana ny olom-pirenena araka ny lalàna. Marihina fa ny fandaharana "aok'izay ny kolikoly" izay vokarin'ny BIANCO dia efa mandeha isan'andro ao amin'ny RNM.

Address

Imm. Eton'n Avenue De L'indépendance
Antsirabe
110

Opening Hours

Monday 14:30 - 17:00
Tuesday 14:30 - 17:00
Wednesday 14:30 - 17:00
Thursday 14:30 - 17:00
Friday 14:30 - 17:00

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Dispositif anti-corruption posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share