05/10/2026
🌍 Niara-nanadio ny teo akaikin'ny tetezana Andranomaimbo tamin'ny Move Up Vakinankaratra sy ny Association Hazo Kely ny ankizy ato amin'ny Grandir à Antsirabe ny sabotsy teo.
Toerana falehany isan'andro rahateo io. Mendrika hiaina anaty tontolo madio kokoa izy ireo. 🥹
Rehefa vita izay dia niara-naka sary kely sy nifampizara tato aminay ny rehetra. Misaotra ireo fikambanana nandray tsara ny ankizy. 🥰🤝
👉 Tsy vita iray andro moa ny fitandroana ny fahadiovana.
Fa ndao hiara-hientana isan'andro, tsy hanary fako eny rehetra eny, haneho ohatra amin'ny ankizy. 🌱