Fanamby

Call Directions Website Contact the organization

Fanamby Contact: 020 78 636 61

FANAMBY est une association à but non lucratif, qui relève le défi d'un aménagement concerté des espaces terrestres & marins, en partenariat et aux services des femmes et des hommes, pour la conservation durable de la biodiversité. FANAMBY, signifiant « DEFI » en malgache, est une Organisation Non Gouvernementale oeuvrant dans le domaine de l’Environnement, créée en 1997, par un groupe de scientifiques et d’experts en conservation et développement malgache.En intégrant l’engagement de l’Etat malgache lors du sommet de Durban 2003 dans sa vision, FANAMBY entend sécuriser les habitats uniques et la biodiversité de ses sites d’intervention par la mise en place d’Aires Protégées suivant un processus dynamique de concertation et en conformité aux politiques nationales. Le statut de protection permettra une mise en œuvre plus souple et durable de la conservation en alliant à la fois préservation, utilisation durable des ressources naturelles (écotourisme, exploitation des produits agricoles/forestiers) et développement des communautés environnantes : « Humanisation de conservation ».

📸 Fikojakojana sy fanavaozana ny taninjanakazo ao amin’ny Allée des Baobabs🌱 Efa tafaverina miasa indray ny taninjanakaz...
16/10/2026

📸 Fikojakojana sy fanavaozana ny taninjanakazo ao amin’ny Allée des Baobabs

🌱 Efa tafaverina miasa indray ny taninjanakazo ao amin’ny Allée des Baobabs, taorian’ny fanavaozana natao taminy.

🌳 Zanakazo Baobab no ambolena ao, izay natao hampitomboana sy hiarovana ireo hazo ao anatin’ny faritra arovana. Manampy amin’ny famoronana fidiram-bola fanampiny ho an’ireo KMMFA ihany koa ny varotra ireo zanakazo ireo.

🏷️ Afaka mividy zanakazo ireo mpitsidika ny Allée des Baobabs, ary azo asiana anarana eo amin’ny fototra tsirairay ho fahatsiarovana sy ho lova avela ho an’ny taranaka.

🤝 Isaorana manokana ireo viavy KMMFA amin’ny fikojakojana sy ny asa ataon’izy ireo amin’ity taninjanakazo ity.

🌿 Manentana antsika rehetra hividy zanakazo, hamboly Baobab ary hamela lova ho an’ny taranaka.

💡 Mitondra hazavana ihany koa ny ezaky ny KMMFA ao Bekonazy📍 Manodidina ny Allée des Baobabs, ao amin’ny fokontany Bekon...
14/10/2026

💡 Mitondra hazavana ihany koa ny ezaky ny KMMFA ao Bekonazy

📍 Manodidina ny Allée des Baobabs, ao amin’ny fokontany Bekonazy, dia efa misy jiro manazava ny manodidina ary ampiasain’ny mponina.

🌱 Vokatry ny asa sy ny ezaka nataon’ireo KMMFA (Komity Miaro sy Mitantana ny Faritra Arovana) izany. Ireo vondron’olona ifotony ireo dia miandraikitra ny fikarakarana sy ny fiarovana ny Allée des Baobabs, ary manara-maso tsy tapaka ny toerana.

🏆 Tamin’ny taon-dasa, voafidy ho isan’ireo mpandresy tamin’ny Rangers Awards nokarakarain’ny IUCN ny KMMFA. Nampiasaina tamin’ny fanatsarana ny toerana sy ny fiainan’ny mponina manodidina izany loka izany.

☀️ Anisan’ny vokatr’izany ny fametrahana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro, panneaux solaires ary batteries ao Bekonazy.

🤝 Vokatra iray mampiseho fa mitondra tombontsoa ho an’ny fiarahamonina ihany koa ny asa ataon’ireo vondron’olona miaro sy mikarakara ny faritra arovana.

🌿 Miaro ny Allée des Baobabs izy ireo, sady mandray anjara amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny mponina manodidina.

🇲🇬🏥 Trondro 286,5 kg hananganana toeram-pitsaboana iombonana📍 Ambanifilao, Fokontany Antsampilay, Kaominina Ampisikina, ...
12/10/2026

🇲🇬🏥 Trondro 286,5 kg hananganana toeram-pitsaboana iombonana

📍 Ambanifilao, Fokontany Antsampilay, Kaominina Ampisikina, Faritra SAVA

🌱 Mitohy miteraka vokatra ho an’ny fiarahamonina ireo Tahirin-daoko napetraka tao amin’ny Faritra Arovana Loky Manambato.

🐟 Ny Tahirin-daoko dia faritra an-dranomasina na anaty ala honko izay atokana sy tantanan’ny fokonolona ho tahirin-trondro. Rehefa ajanona mandritra ny fotoana voafaritra ny fanjonoana ao amin’io faritra io, dia afaka miteraka sy mitombo ireo trondro sy biby an-dranomasina. Rehefa misokatra indray ny Tahirin-daoko, dia azo jinjaina ny vokatra, kanefa ny tombontsoa azo avy aminy dia tsy ho an’olon-tokana, fa ho an’ny fokonolona manontolo.

🎣 Tao Ambanifilao, nahatratra 286,5 kg ny trondro azo tamin’ny fanokafana ny Tahirin-daoko. Entin’ireo mponina hananganana toeram-pitsaboana ireo tombontsoa azo avy amin’izany.

🏥 Efa misy CSB II ao Ampisikina, saingy nangataka ny mponina ao Ambanifilao mba hisy toerana hahafahan’ny mpitsabo mandray ireo marary ao an-toerana. Noho izany, lasa fotodrafitrasa iray mamaly ny filàn’ny fiarahamonina ihany koa ny vokatra azo avy amin’ny Tahirin-daoko.

🌿 Tahirin-daoko sivy (9) izao no misy ao anatin’ny Faritra Arovana Loky Manambato. Hita taratra amin’izany fa tsy ny fitomboan’ny tahirin-trondro ihany no tanjona, fa ny fampiasana ny vokatra azo avy aminy ho an’ny fampandrosoana iombonana ihany koa.

🏘️ Efa nisy Tahirin-daoko nahafahana nanamboarana:
🏠 Biraon’ny lehiben’ny fokontany tao Antafenovony
💡 Jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro tao Amboronkarato
💧 Fantsakana tao Amboronkarato
🗿 Tsangambato

🤝 Ny vahoaka eny ifotony no mahazo tombontsoa voalohany amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, ary ny vokatra azo avy amin’izany dia mitohy hatrany amin’ny fanatsarana mivantana ny fiainan’ny mponina. Izany no anisan’ny lanjan’ny Tahirin-daoko tantanan’ny fiarahamonina.

---

🇫🇷 🏥 286,5 kg de poissons pour construire un centre de santé communautaire

📍 Ambanifilao, Fokontany Antsampilay, Commune d’Ampisikina, région SAVA

🌱 Dans l’Aire Protégée de Loky Manambato, les Tahirin-daoko, des réserves de pêche gérées par les communautés, continuent de générer des bénéfices pour les populations locales.

🐟 Après une période de fermeture permettant aux ressources halieutiques de se régénérer, 286,5 kg de poissons ont été récoltés à Ambanifilao. Les bénéfices issus de cette récolte serviront notamment à construire un centre de santé communautaire. Une initiative des communautés elles mêmes qui permettra aux habitants d’accéder plus facilement aux soins.

🤝 Neuf Tahirin-daoko sont aujourd’hui présents dans l’Aire Protégée de Loky Manambato. Leurs bénéfices contribuent également à d’autres réalisations communautaires : bureau de fokontany, éclairage solaire, puits ou encore tsangambato.

🌿 Une manière concrète de faire de la conservation une source de bénéfices directs pour les communautés.

📸 Fikojakojana ny aro afo manodidina ny Allée des Baobabs🌿 Nandray anjara tamin’ny fikojakojana ny aro afo mirefy 7 km n...
12/10/2026

📸 Fikojakojana ny aro afo manodidina ny Allée des Baobabs

🌿 Nandray anjara tamin’ny fikojakojana ny aro afo mirefy 7 km ny KMMFA sy ireo vahoaka teny ifotony, mba hiarovana ny Allée des Baobabs.

🤝 Isaorana ireo rehetra niara-nisalahy tamin’ny fanatanterahana ity asa ity.

🔥 Ny tanjona dia ny hisorohana ny afo avy any ivelany tsy hiditra ao anatin’ny faritra arovana, ka hiarovana ny toerana sy ny harena voajanahary ao aminy.

🇲🇬 Nandray anjara tamin’ny Journée Régionale des VOI DIANA ny Association FANAMBY📍 Ambanja, Faritra DIANANotanterahina n...
09/10/2026

🇲🇬 Nandray anjara tamin’ny Journée Régionale des VOI DIANA ny Association FANAMBY

📍 Ambanja, Faritra DIANA

Notanterahina ny 8 oktobra 2026 ny fanokafana ny andiany faha-5 amin’ny Journée Régionale des Vondron’Olona Ifotony (VOI).

🎉 Nanomboka tamin’ny carnaval namakivaky ny tanànan’Ambanja ny hetsika. Nandray anjara mavitrika tamin’izany ny Association FANAMBY sy ireo VOI hafa avy amin’ny faritra DIANA.

🏆 Tamin’ireo mpandray anjara avy amin’ny Distrikan’Ambilobe, dia ny FANAMBY no nahazo ny laharana voalohany noho ny fandraisana anjara sy ny fanentanana natao. Megaphone iray, kahie 5 ary penina 10 no loka azony.

🤝 Nisy ihany koa ny fitsidihana tranoheva sy ny fifampizarana traikefa, niaraka tamin’ny jery todika ny zava-bita nandritra ny taona 2020–2025.

🌱 Tanjona ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo VOI amin’ny fitantanana sy fiarovana ny harena voajanahary.

🇫🇷 Fanamby participe à la 5ᵉ édition de la Journée Régionale des VOI de la DIANA

📍 Ambanja, Région DIANA

La 5ᵉ édition de la Journée Régionale des Vondron’Olona Ifotony (VOI), les communautés locales gestionnaires des ressources naturelles, a été officiellement lancée ce jeudi à Ambanja, dans la région DIANA.

🎉 La journée a débuté par un carnaval à travers la ville d’Ambanja, auquel ont participé activement plusieurs VOI de la région, dont l’Association FANAMBY. Cette mobilisation a rassemblé de nombreux habitants autour de cet événement dédié à la gestion communautaire des ressources naturelles.

🏆 Parmi les participants du district d’Ambilobe, FANAMBY a remporté la première place grâce à la qualité de sa participation et aux actions de sensibilisation menées pendant le carnaval. Cette distinction a été récompensée par un mégaphone, 5 cahiers et 10 stylos.

🤝 Après la cérémonie officielle d’ouverture, les participants ont également visité les stands. L’après-midi a été consacré au bilan de la période 2020-2025 de la JRVOI DIANA et aux échanges de bonnes pratiques entre les acteurs présents.

🌱 Cette rencontre constitue une occasion de renforcer la collaboration, le partage d’expériences et la mobilisation des VOI et de leurs partenaires en faveur d’une gestion durable des ressources naturelles.

🔥 Fanamboarana aro afo hoan'ny faritra arovana Loky Manambato📍 Fokontany Antsampilay, Kaominina Ampisikina, Faritra SAVA...
08/10/2026

🔥 Fanamboarana aro afo hoan'ny faritra arovana Loky Manambato

📍 Fokontany Antsampilay, Kaominina Ampisikina, Faritra SAVA.

🌿 Notanterahina tao amin’ny fokontany Antsampilay ny asa fanamboarana aro afo, ho fisorohana ny fiparitahan’ny afo miditra an-tanàna sy ho fiarovana ny ala ary ireo faritra voajanahary manodidina.

🛠️ Mizara roa ny aro afo novolavolaina :

- 🏠 Ny ampahany voalohany dia natao hiarovana ny tanàna sy ny toeram-ponenan’ny mponina.
- 🌳 Ny ampahany faharoa dia natao hiarovana ny ala sy ireo faritra voajanahary manodidina.

📏 12 metatra ny sakan’ny aro afo namboarina.

🤝 Nandray anjara mavitrika tamin’ny fanatanterahana ny asa ny mponina sy ireo mpikambana ao amin’ny Vondron’olona Ifotony (VOI). Maneho izany fa miara-misalahy ny fiarahamonina amin’ny fisorohana ny afo sy ny fiarovana ny harena voajanahary.

📍 Mitohy any amin’ireo kaominina hafa ao anatin’ny faritra ihany koa ny fanamboarana aro afo, anisan’izany ny Nosy Be, Daraina, Ampisikina ary Maromokotro.

🌱 Ireo asa ireo dia tafiditra ao anatin’ny ezaka iarahan’ny fiarahamonina sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fisorohana ny doro-ala sy doro-tanety, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny haintany izao.

🔥 Fanamboarana sy fanokafana lalana mampitohy an’Anjahankely sy Andrevokely📍 Toerana : Anjahankely – Andrevokely, Kaomin...
07/10/2026

🔥 Fanamboarana sy fanokafana lalana mampitohy an’Anjahankely sy Andrevokely

📍 Toerana : Anjahankely – Andrevokely, Kaominina Ambanivohitra Anivorano Avaratra, Faritra DIANA

🛠️ Mitohy amin’izao fotoana izao ny asa fanokafana sy fanarenana ny lalana mampitohy an’Anjahankely sy Andrevokely, izay tanterahin’ny Association Fanamby amin’ny alalan’ny fomba fiasa HIMO (Haute Intensité de Main-d’Œuvre).

👷 Olona 37 no miasa amin’ny fanatanterahana ity asa ity, mandritra ny 40 andro.

🚜 Rehefa vita ny asa, dia hanatsara ny fivezivezena eo amin’ireo toerana roa ny lalana, ka hahafahan’ny moto, sarety ary fiara mivezivezy tsara kokoa.

💼 Ankoatra ny fanatsarana ny lalana, manome asa vonjimaika sy fidiram-bola ho an’ny mponina ihany koa ity asa ity.

🤝 Ny fanombohana sy ny lanonana fanokafana ny asa dia notanterahina niaraka tamin’ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Ambanivohitra Anivorano Avaratra, Ekipan’ny DREDD DIANA sy ny Association Fanamby, Lehiben’ny fokontany, ary ireo mponina avy ao Andrafiabe sy Andrevokely.

🌱 Asa iray mikendry ny hanatsara ny fivezivezena sy hanohana ny fampandrosoana ara-toekarena eny ifotony, sady mampitombo ny fahafahan’ny mponina mahazo asa mandritra ny fanatanterahana azy.

📅 Mitohy ny asa, ary rehefa vita izany dia hanamora kokoa ny fandehanana moto sy fiara hatrany Andrevokely.

🌿 Maro taminareo no nahafantatra ireo toerana tamin’ny andro maneran-tany hoan’ny fizahan-tany! 🇲🇬📸 Ireto ary ireo toera...
29/09/2026

🌿 Maro taminareo no nahafantatra ireo toerana tamin’ny andro maneran-tany hoan’ny fizahan-tany! 🇲🇬

📸 Ireto ary ireo toerana enina nasehontsika tamin’ilay fanamby napetrakay.

✅ Dimy amin’ireo no tantanan’i Fanamby :

🌿 Andrafiamena-Andavakoera — Faritra DIANA
🌿 Loky Manambato — Faritra SAVA
🌿 Anjozorobe Angavo — Faritra Analamanga sy Alaotra-Mangoro
🌿 Allée des Baobabs — Faritra Menabe
🌿 Menabe Antimena — Faritra Menabe

📍 Pointe à Larée — Faritra Analanjirofo — kosa dia tantanan’ny Missouri Botanical Garden (MBG). Miasa ao amin’io faritra io ihany koa i Fanamby fa mifototra kokoa amin’ny fanatsarana ny velon-tenan’ireo mponina manodidina ny faritra arovana.

👀 Te hahafantatra bebe kokoa momba ireo toerana ireo ve ianao?

👉 Tsindrio fotsiny ny sary tsirairay, dia fantaro izay tena mampiavaka azy! ✨ Ambarao an-tsoratra ny tena nahaliana anao amin’ireo faritra arovana ireo 🌿

🌍 Fantatrao marina tokoa ve i Madagasikara ? 🇲🇬📸 Mankalaza ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Fizahantany isika androany...
27/09/2026

🌍 Fantatrao marina tokoa ve i Madagasikara ? 🇲🇬

📸 Mankalaza ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Fizahantany isika androany amin'ny fanamby kely iray!

👀 Sary 6, toerana 6, faritra arovana 6 no asehonay aminao.

🤔 Hainao ve ny mamantatra hoe aiza avy ireo toerana ireo?

💬 Jereo tsara ny sary ary soraty ao amin'ny commentaire ny valinteninao! 📍

✅ Toerana iray sa dimy no fantatrao?
✅ Iza no efa notsidihinao?
✅ Iza no tianao ho tsidihina indray andro any?

🌿 Andrafiamena
🌿 Loky Manambato
🌿 Anjozorobe Angavo
🌿 Allée des Baobabs
🌿 Menabe Antimena
🌿 Pointe à Larrée

❓ Amin’ireo toerana ireo, dimy no tantanan’i Fanamby, ary iray kosa iarahan’i Fanamby miasa amin’ny Missouri Botanical Garden, indrindra amin’ny fanatsarana ny velon-tena. 👀🌿 Fantatrao ve hoe iza avy izy ireo?

💚 Manana harena voajanahary tsy manam-paharoa i Madagasikara. Ny fizahantany no ahafahantsika mahita sy mankafy izany, ary ny fiarovana no miantoka fa mbola ho hitan'ny taranaka any aoriana koa ireo hakanton-tany ireo.

🌍 **Mirary Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Fizahantany sambatra!**

Address

Lot II M 63 AR Bis
Antsakaviro
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fanamby posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Fanamby:

Shortcuts

Share