Association ZDAM

Association ZDAM Fikambanana niorina ara-dalana ara-panjakana tamin'ny volana jolay taona 2021.

💡 Mpikambana ato amin’ny ZDAM aho, inona no manaraka? Andao hiasa! 🚀Rehefa mpikambana ao amin’ny Zanaky ny Distrikan’Ant...
17/04/2026

💡 Mpikambana ato amin’ny ZDAM aho, inona no manaraka? Andao hiasa! 🚀

Rehefa mpikambana ao amin’ny Zanaky ny Distrikan’Antanifotsy Maneran-tany ianao, dia ianao no hery mampihetsika ny fampandrosoana!

Ny herin’ny ZDAM dia miorina amin’ny fahavitrihana isam-paritra. Na any Antananarivo ianao, na any Mahajanga, na any Moramanga, na any ivelany: malalaka sy mahaleo tena ny rantsana tsirairay!

🔹 Fahalalahana hanao hetsika : Afaka mikarakara hetsika manokana ny vondrona isan-toerana: fiofanana, lalao ara-panatanjahantena, na asa sosialy. Ianareo no mahalala tsara izay ilain’ny zanak’Antanifotsy eo amin’ny faritra misy anareo!
🔹 Fahaleovan-tena : Tsy mila miandry baiko avy any ambony vao mihetsika isan-kerinandro.
🔹 Fitsipika tokana : Mila manaraka ny sata sy ny fitsipika anaty (règlement intérieur) mifehy ny fikambanana. Raha mbola hetsika tsy miankina amin’ny pôlitika, mampiroborobo ny firaisankina sy ny fihavanana, dia afaka miroso isika! 🟢

Andao hifanome tanana isam-paritra, hampandrosoana ny Distrikan’Antanifotsy malalantsika!

🤝 Te ho mpikambana ato amin’ny ZDAM? Ireto ny dingana arahina:Zanaky ny Distrikan’Antanifotsy ve ianao ary te handray an...
10/04/2026

🤝 Te ho mpikambana ato amin’ny ZDAM? Ireto ny dingana arahina:

Zanaky ny Distrikan’Antanifotsy ve ianao ary te handray anjara amin’ny fampandrosoana? Mora ny manatevin-daharana ny fianakaviambe ZDAM:

1️⃣ Ny fepetra : Mila zanaky ny Distrikan’Antanifotsy avy amin’ireo kaominina 14 (monina eto Madagasikara na any ivelany).
2️⃣ Ny fifandraisana : Mifandraisa amin’ny Mpandrindra akaiky anao indrindra na mandefasa hafatra mivantana (MP) eto amin’ny pejy Facebook.
3️⃣ Ny fisoratana anarana : Omeo ireo mombamomba anao (Anarana, kaominina niaviana, laharana finday, talenta ananana) hidirana ao anatin'ny rejistra.
4️⃣ Ny latsakemboka : Aloa ny latsakemboka isan-taona 6 000 Ar (izany hoe 500 Ar isam-bolana), natokana hampihodinana ny fitantanan-draharaha ato amin’ny fikambanana.

✨ Andao hifanome tanana ho an'ny fampandrosoana ! ✨

Misokatra ho an'ny rehetra ny fikambanana, tsy manavaka fivavahana na loko pôlitika. MP ary! 😉

🌟 ZDAM : Firaisankinan’ny zanak’Antanifotsy ho an’ny fampandrosoana ! 🌟Nahoana no natsangana ny fikambanana Zanaky ny Di...
03/04/2026

🌟 ZDAM : Firaisankinan’ny zanak’Antanifotsy ho an’ny fampandrosoana ! 🌟

Nahoana no natsangana ny fikambanana Zanaky ny Distrikan’Antanifotsy Maneran-tany (ZDAM)? 🧐

Ny 17 jolay 2021 no niforona ny fikambanantsika. Ny tanjona dia ny hanambatra ny hery sy ny fahaiza-manaon’ny zanak’Antanifotsy rehetra avy amin’ireo kaominina 14, na ny eto an-toerana izany na ny any ivelany.

🎯 Ny mampiavaka anay :

Fifarimbonana : Mifanome tanana amin'ny fotoan-tsarotra sy ny fotoan-tsara.

Fiaraha-mientana : Mandray anjara amin’ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena ny Distrikantsika.

Fitsinjovana : Manamafy ny fihavanana sy ny fifankatiavana eo amin'ny samy zanak'Antanifotsy.

🚫 Ny fitsipika mifehy anay :
Araka ny sata mifehy ny fikambanana, ny ZDAM dia tsy miankina amin’ny pôlitika ary tsy momba ny fivavahana na inona na inona. Ny soa iombonana ho an’ny Distrika irery ihany no imasoantsika.

Isika rehetra mitambatra no hery! 🤝

Avy amin'ny kaominina iza ianao ato amin'ny Distrikan'Antanifotsy ? ☺️

RASOHANITRINIALA Herilalaina AnnieMpandrindra ao amin'ny Commune Ambohimandroso Contact: 033 87 777 77Inona ny anjara an...
02/04/2026

RASOHANITRINIALA Herilalaina Annie

Mpandrindra ao amin'ny Commune Ambohimandroso
Contact: 033 87 777 77

Inona ny anjara andraikitr'ireo Mpandrindra ao anatin'ny Fikambanana?

Izy no mifampiresaka amin'ireo olona liana hiditra ho mpikambana, ary manadihady ireo olona raha toa ka tena Zanaky ny Distrika tokoa ilay olona.
Izy no miandraikitra sy maka antoka fa voaray ao anaty lisitra firaketana avokoa ny mombamomba ireo mpikambana manatrika ny zavatra rehetra eo anivon'ny fikambanana
Izy no manatanteraka ny fihaonana handraisana ireo olona liana hiditra ho mpikambana.
Izy koa dia mampahalala ireo mpikambana tsy mampiasa ny facebook amin'ny alalan'ny hafatra fohy (sms) ireo hetsika sy ny zavatra hatao rehetra eo anivon'ny fikambanana, izay mifanandrify amin'ny faritra iandraiketany.

Ny mpanorina na ny mpanolontsainy na ny filohan'ny fikambanana na ny mpiandraikitra ireo mpandrindra no manendry izay ho mpandrindra.

MPANDRINDRA IREO MPANDRINDRAManoro hevitra sy manampy ny mpandrindra mikasika ny paikady tokony hatao sy ny lamina rehet...
02/04/2026

MPANDRINDRA IREO MPANDRINDRA
Manoro hevitra sy manampy ny mpandrindra mikasika ny paikady tokony hatao sy ny lamina rehetra mifandraika amin'ny fampivondronana.
Manendry mpandrindra any @ faritra misy azy, izay arahan'ny fankatoavan'ny mpandrindra nasionaly na ny filoha mpanorina na ireo mpanolotsaina ny filoha mpanorina.
Solontenan'ny fikambanana any amin'ny faritra misy azy raha tsy eo ny filohan'ny fikambanana.

SEKRETERA JENERALYIzy no tompon'andraikitra ny fanatanterahana ny fandaharam-potoan'ireo hetsika atao.Izy no tompon'andr...
02/04/2026

SEKRETERA JENERALY
Izy no tompon'andraikitra ny fanatanterahana ny fandaharam-potoan'ireo hetsika atao.
Izy no tompon'andraikitra ny fampandehanana ny zavatra rehetra amin'ny ankapobeany.
Izy no mandamina ireo tatitra voaray rehetra.

FILOHA
Izy no misolo tena ny Fikambanana eo anatrehan'ireo rafitra sy vondrona hafa ivelan'ny Fikambanana.
Mandrindra sy mitarika ny fivoriambe.
Manao sonia ny vola miditra sy mivoaka miaraka amin'ny mpitahiry vola sy ny tompon'andraikitra misahana ny lasim-pandaminana sy ny momba ny vola.
Manendry olona apetraka amin'ireo andraikitra fanampiny misy eo anivon'ny Fikambanana.

MPITAHIRY VOLA
Manokatra kaonty any amin'ny banky ary mandrotsaka ny volan'ny Fikambanana ary maka vola any koa raha misy izany.

NY MPANORINA Ny Mpanorina dia miahy ny faritra rehetra, manoro hevitra sy mandray tatitra, ary miaro ireo fitsipika ijor...
02/04/2026

NY MPANORINA

Ny Mpanorina dia miahy ny faritra rehetra, manoro hevitra sy mandray tatitra, ary miaro ireo fitsipika ijoroan'ny Fikambanana rehetra.
Ny faritra rehetra dia mahaleo tena amin'ny hetsika izay atao, fa tsy voatery miandry ny torohevitra avy @ Mpanorina, satria izy dia Mpanorina miahy sy manohana fotsiny ihany.
Rehefa tsy mivaona amin'ny fitsipika ijoroan'ny Fikambanana ny zavatra atao rehetra dia tsy mitsabaka @ fanatanterahana izany mihitsy izy, fa manohana sy miandry tatitra fotsiny

📢 Andao hifankahalala amin’ireo manana andraikitra ato amin’ny ZDAM ! 🤝Ny fampandrosoana ny Distrikan’Antanifotsy dia mi...
25/03/2026

📢 Andao hifankahalala amin’ireo manana andraikitra ato amin’ny ZDAM ! 🤝

Ny fampandrosoana ny Distrikan’Antanifotsy dia miankina amin’ny fahavononana sy ny firaisankinan’ny zanany rehetra. Faly izahay manolotra anareo ireto tompon'andraikitry ny mpandrindra (Responsables Coordinateurs), izay manome ny heriny sy ny fotoanany hampiroboroboana ny Fihavanana manerana ny Nosy:

📍 Antananarivo : ANDRIAMIHAJA Tsiky Mandresy & VOLOLOMIAINA Ando Cathia Minou
📍 Moramanga : RAMANAMAHEFA HERIMALALA Sylvia
📍 Mahajanga : ANDRIAMIRANTO Seheno Valerie
📍 Ambatolampy : TOJOHERY Valérien
📍 Vavatenina : RANDRIAMBOLOLO Heriniaina Theophile

Inona no andraikitr’izy ireo? Ny mandrindra ny asa sosialy sy ny manamafy ny fihavanana eo amin’ny zanak’Antanifotsy rehetra. Miara-miasa isika, tsy misy fanavakavahana fa ao anatin’ny fanahy maha-olona tanteraka, ho an’ny fampandrosoana ny faritra niaviana. 🇲🇬

Mankasitraka azy ireo amin’ny fahavononany!

Ary ianao, avy aiza amin'ireo tanàna ireo? Teneno ao amin'ny commentaire ny toerana misy anao 😄

Arahaba nahatratra ny taona vaovao 2026! Mirary taona feno fahombiazana, fahasambarana ho anareo izahay eto amin'ny Asso...
21/02/2026

Arahaba nahatratra ny taona vaovao 2026! Mirary taona feno fahombiazana, fahasambarana ho anareo izahay eto amin'ny Association ZDAM.

Misaotra anareo tamin'ny fanarahana hatrany ny pejy tamin'iny taona lasa iny na dia somary nangina aza noho ny toe-javatra teto amin'ny firenena, izay tsy mahakasika ny fototra ijoroan'ny Fikambanana.

Manantena izahay fa ity taona vaovao ity no hitondra fahombiazana lehibe ho antsika.
Ka noho izany, rehefa nisy ny laha-dinika sy ny lamin-dresaka tamin'ireo tompon'andraikitra ato amin'ny Fikambanana dia:
**Hisokatra ny taom-pikatrohana 2026.
**Mitohy ny fandraisana mpikambana vaovao.
**Ny fanamafisana ihany koa ireo efa tao hatramin'izay.

Tanjona amin'izany ny hampiarana ny lalĂ na voarafitra ao amin'ny Fikambanana.

Hivoaka tsikelikely eto amin'ny pejy ny fotoana izay ihaonana isam-paritra. Ary ny faritra manao izany voalohany dia hotsidihan'ny Filoha Mpanorina ny Fikambanana.

Mirary soa daholo. Ho ela velona ny firaisan-kina.

Ho ela velona ny firaisan-kina 🥰Tongava soa 🥰EPP Manakambahiny Antananarivo
03/02/2026

Ho ela velona ny firaisan-kina 🥰

Tongava soa 🥰

EPP Manakambahiny Antananarivo

Aiza daholo isika aty am-pielezana eh😃 alamio dieny izao ny fotoananao☺️ dia ilazao ihany koa ny tapaka sy namana 🤗

𝐀𝐧𝐲 𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲 𝐦𝐢𝐡𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐞𝐡 ❤️

Address

Antanifotsy
109

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Association ZDAM posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Association ZDAM:

Share