Andiany Waingunga XèA

Andiany Waingunga XèA Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Andiany Waingunga XèA, Youth Organization, Antananarivu.

✨✨FANEKENA MPIANDRAIKITRA & FANOLORANA TONIA✨✨"𝑨𝒕𝒂𝒐𝒗𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒂𝒏𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒓𝒆𝒏𝒆𝒏𝒂 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒕𝒓𝒂" 𝑴𝒂𝒕𝒊𝒐 28/19𝒃-----------------------...
08/04/2026

✨✨FANEKENA MPIANDRAIKITRA & FANOLORANA TONIA✨✨
"𝑨𝒕𝒂𝒐𝒗𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒂𝒏𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒓𝒆𝒏𝒆𝒏𝒂 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒕𝒓𝒂" 𝑴𝒂𝒕𝒊𝒐 28/19𝒃
--------------------------------------------------------------------------
Am-pifaliana no hanasana antsika rehetra hifanotrona amin'ireo zandry sy zanatsika hanatanteraka "Fanekena Mpiandraikitra & Fanolorana Tonia".

📅𝐀𝐥𝐚𝐡𝐚𝐝𝐲 19 Aprily 2026
⏰09 ora maraina
💒FJKM Amparibe Famonjena
--------------------------------------------------------------------------
Andeha isika hahatsiaro sy hitondra am-bavaka azy ireo amin'izao antso sy fikasana tsara izao 😇.
Mirary soa ho azy ireo ihany koa ho tonga soa ny fotoana.

‎📣𝗟𝗔𝗦𝗬 𝗙𝗜𝗧𝗢𝗥𝗜𝗔𝗡𝗔 𝗙𝗜𝗟𝗔𝗭𝗔𝗡𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔 📣‎‎Ry Fianakaviamben'ny Fivondronana Herin'ny Famonjena 10eA, andao isika hiara hientana h...
23/03/2026

‎📣𝗟𝗔𝗦𝗬 𝗙𝗜𝗧𝗢𝗥𝗜𝗔𝗡𝗔 𝗙𝗜𝗟𝗔𝗭𝗔𝗡𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔 📣

‎Ry Fianakaviamben'ny Fivondronana Herin'ny Famonjena 10eA, andao isika hiara hientana hanatanteraka ny 𝗟𝗔𝗦𝗬 𝗙𝗜𝗧𝗢𝗥𝗜𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗟𝗔𝗭𝗔𝗡𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔 , hiarahatsika atao ny :
‎📅 01-02-03 Mai 2026 izao
‎📍FJKM Antoby Avaratra - Antanetibe Mahazaza, izay fiangonana miara-mandroso amitsika.

‎Tian'ise hoe fantatra ve hoe aiza tsara Ilay FJKM Antoby Avaratra ? inona no homanintsika mialoha ? 🤔 ..... araho eto hatrany ary fa entinay ise hiaina sahady ao anatin'ny Lasy ise.

Sabotsy 13 Desambra 2025, Christmas Craft 🌲Tatitra an-tsarin’ny sahan’asa notanterahin’ny Andiany Waingunga anio : Hazo ...
13/12/2025

Sabotsy 13 Desambra 2025, Christmas Craft 🌲

Tatitra an-tsarin’ny sahan’asa notanterahin’ny Andiany Waingunga anio : Hazo Noely vita @ baoritra 🌲☺️


🎊🎁🎄VEILLÉE DE NOËL 2025🎄🎁🎊-----------------------------------------------"Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tan...
05/12/2025

🎊🎁🎄VEILLÉE DE NOËL 2025🎄🎁🎊

-----------------------------------------------

"Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan'i Davida, dia Kristy Tompo" Lioka 2:11

-------------------------------------------------

🥳Ho fiarahana mankalaza ny fahatsiarovana ny nahatongavan'i Jesoa Kristy ho nofo dia faly manasa an'ise Ray aman-dReny, Sakaiza sy Mpanohana, Komity, Tranainy, Tonia sy MPiandraikitra, Beazina, ny Fianakaviamben'ny Fahafolo A rehetra amin'ny Veillée de Noël🥰.

📅Daty: 19 - 20 Desambra 2025

📍Toerana: Green Park Antsampandrano Ilafy

⏰Fiaingana: amin'ny 6ora latsaka fahefany hariva eo amin'ny Saint Michel Amparibe

💵Fandraisana anjara: 12 000Ariary

⚠️Fara-fisoratana anarana sy fandraisana ny sarany: Alahady 14 Desambra 2025 any amin'ireo Mpandrindra Kanto Niaina sy Tsilavina Robel.

-------------------------------------------------

🎄🎄🎄🎄🎄🎄🎄🎄🎄🎄🎄🎄🎄🎄🎄🎄🎄🎄🎄

"Sous les projections de Noël...La vraie étoile c'est JÉSUS"

🤩Hitondra seho miavaka sy mahafinaritra be ho antsika ireo zandry sy zanantsika koa manantena ny fahatongavan'ise ary eeeh🤩😍

29 Novambra 2025, FJKM Andrainarivo Fahasoavana.Misokatra amin'ny fomba ofisialy ny Fankalazana an’Andriamanitra ny @ fa...
29/11/2025

29 Novambra 2025, FJKM Andrainarivo Fahasoavana.

Misokatra amin'ny fomba ofisialy ny Fankalazana an’Andriamanitra ny @ faha-90 taonan'ny Sampana Mavo. 🐺💛


😇HERINANDROM-BOKATRA 😇-----------------------------------------------------Isaorana lehibe Andriamanitra fa afaka hiatri...
10/11/2025

😇HERINANDROM-BOKATRA 😇

-----------------------------------------------------
Isaorana lehibe Andriamanitra fa afaka hiatrika ny herinandron-bokatra isika SAMPATI amin'ity taona 2025 ity🌿

Ao anatin’izany, dia entanina sy antsoina isika Fianakaviambe ny Herin'ny Famonjena hanatrika ireo hetsika rehetra tanterahina :
----------------------------------------------------
📅 1. Fotoana hiarahana amin’ny AFF
🗓 Alatsinainy 10 Novambra 2025 – 18:00
📍 Hiomanantsika fianakaviamben’ny SAMPATI HERIN’NY FAMONJENA
➡️ LASY FITORIANA FILAZANTSARA – 01, 02, 03 Mai 2026
📍 ANTOBY AVATRATRA

-------------------------------------------------------
🙏 2. FANOMPOAM-PIVAVAHANA ZOMA HARIVA
🗓 Zoma 14 Novambra 2025 – 18:00
📍 FJKM Amparibe Famonjena

-------------------------------------------------------
🥗3- RIZ CANTONAIS & BROCHETTE SKOTO
📆Sabotsy 15 Novambra 2025 - 10:00
💒FJKM Amparibe Famonjena
🍕🍔Hisy ny petite table izay manomboka amin'ny 10ora maraina🍟

-------------------------------------------------------
💒IVON'NY HERINANDROM-BOKATRA
📆Alahady 16 Novambra 2025
📌Amin'ny 9ora maraina

😇Mirary an'ise hiara-hankalaza ny herinandrombokatra ho fanomezam- boninahitra ho an'Andriamanitra 😇

« Ataovy mpianatra ny firenena rehetra » Matio 28:19b👦🏻Zazalahy handray 6 taona na mihoatra ise ?👦🏻Manan-janaka lahy na ...
29/10/2025

« Ataovy mpianatra ny firenena rehetra » Matio 28:19b

👦🏻Zazalahy handray 6 taona na mihoatra ise ?
👦🏻Manan-janaka lahy na namana 6 taona na mihoatra ise?

⚜️’NDAO HANAO TILY hiaraka aminay ato Amparibe eh!⚜️

⛺️ Lalao, fianarana fiainana manampy @ fitomboana ara-panahy, ara-tsaina, ara-batana, ara-panahy, ara-piarahamonina, ara-pihetseham-po ary ara-moraly no hita ao, ahazoana « experiences » marobe fa indrindra koa namana be dia be 🥰

Rahoviana ary?

🗓 Daty: Sabotsy 01 Novambra 2025
🕘 Ora: 1 Ora sy 15 min atoandro
📍Toerana: Parc Tsimbazaza

🎒Mila entina: Fanamiana ara-dalana (raha mbola tsy manana ise dia tenue de sport dia mety), Baiboly sy Fihirana, Goûters hifampizarantsika, Verre à jetter, Fitaovam-panoratana, Satroka sy aro orana, Vola 3.000 Ar.

Raha misy fanontaniana na fanazavana fanampiny dia aza misalasala mandefa hafatra miafana @ pejy na miantso ireto laharana ireto:
🐺Tily Mavo na Lovitao 6-11 taona: 0346860529
🌱Tily Maitso 12-16 taona: 0389552598
🏃🏻‍➡️Tily Mena na Mpiandalana 16 taona +: 0321782690

@ Sabotsy ary eh! 😉

✉️ 📣ANTSO HO AN’IZAY TE HIDITRA HO MPIKAMBANA VAOVAO 📣✉️ --------------------------------------------------😊👣🎵🎶Iza no ho...
19/09/2025

✉️ 📣ANTSO HO AN’IZAY TE HIDITRA HO MPIKAMBANA VAOVAO 📣✉️
--------------------------------------------------
😊👣🎵🎶Iza no ho namanay, iza no ho namanay...🎶🎵👣😊
😍'Ndao ho namanay, hanao Skoto😍
--------------------------------------------------

👉 Nahoana ary no hiditra ho SKOTO eh⁉

🌟Hianatra fiainana mirindra sy fifanajana

🏅Hahazo fahaiza-manao ilaina isan’andro (fahaizana mitantana tena, vonjy taitra, fahaizana miara-miasa anaty vondrona)

🙌🙋Hahita namana vaovao sy hiaina "aventure" samihafa ⛰🏜🏕

😇Indrindra fa hahazo fanabeazana ara-panahy sy ara-tsaina izay hanampy be amin’ny fiainana manontolo

✅Ny fanabeazana eo anivon 'ny Skotisma tokoa mako dia miompana amin'ny sehatra maro:

🏅Saina – fahakingana sy fahalalana

💪🏼Vatana – fanatanjahan-tena sy fahasalamana

😇Fanahy – fampianarana ara-panahy sy soatoavina kristiana

👌Moraly – fahitsiana, fanajana, fahaizana mandray andraikitra

❤Fihetsem-po ,fifehezana fihetseham-po, faharetana

👨‍👩‍👧‍👧Fiaraha-monina – fiaraha-miasa, fifanampiana, fanajana ny hafa

⁉Rahoviana ary ny fotoana😊

🗓 Daty: Alahady 21 Septambra 2025
🕘 Ora: 2 ora tolakandro
📍 Toerana: FJKM Amparibe Famonjena

👧👦 Sokajy azon’ny ankizy idirana⁉

1. Fanabeazana zazavavy – MPANAZAVA :
🐥Mpanazava Mavo na Voronkely: 5-11 taona 📞Contact Mpiandraikitra :
Cheftaine TSIOKY Mientetse 0344027065

🍀Mpanazava Maitso: 12-15 taona
📞Contact Mpiandraikitra :
Cheftaine Toky 0381795395

🔥Mpanazava Mena na Afo: 16 taona miakatra📞Contact Mpiandraikitra :
Cheftaine Koloniavo 0327261237

2. Fanabeazana zazalahy – TILY

🐺Tily Mavo na Lovitao: 6-11 taona
📞Contact Mpiandraikitra :
Cheftaine Ionty 0346860529

🌲Tily Maitso: 12-16 taona
📞Contact Mpiandraikitra :
Chef SIOTRA Matsioka 0389552598

👣Tily Mena na Mpiandalana
📞Contact Mpiandraikitra:
Chef SIROTSY Mahatsangy 0321782690

🌟 Raha te hanatevina ny sampana ianao dia tongava ary ento ny namana😊

📣🔔FIVORIAMBE & FANOKAFANA TAOM-PANABEAZANA 2025-2026🔔 📣✉️ FANASANA HO AN’IREO REHETRA MANIRY HANATEVINA NY SAMPANA, NY B...
18/09/2025

📣🔔FIVORIAMBE & FANOKAFANA TAOM-PANABEAZANA 2025-2026🔔 📣

✉️ FANASANA HO AN’IREO REHETRA MANIRY HANATEVINA NY SAMPANA, NY BEAZINA, RAY AMAN-DRENY, MPIANDRAIKITRA, KOMITY, TRANAINY, MPANOHANA ✉️

" Ataovy mpianatra ny firenena rehetra" Matio 28:19

👉 Fifaliana lehibe ny manasa an’ise hanatrika Ny Fivoriambe II & Fanokafana ary Fitondrana am-bavaka ny Taom-panabeazana 2025-2026 eto anivon’ny Sampana Mpanazava sy Tily, Fivondronana Herin’ny Famonjena faha-10A.

Toy izao ary mahakasika izany:

🗓 Daty: Alahady 21 Septambra 2025
🕘 Fahatongavana: @ 2ora tolakandro
📍 Toerana: FJKM Amparibe Famonjena

🥞🍿🥤 Samy hivatsy tsakitsaky sy jus isika rehetra.

Koa alao hery ary 💪🏼
Samia hitondra ambavaka izany fotoana izany isika ary hifampitaona hanokatra indray ity taom-panabeazana vaovao ity. 🌟✊

Address

Antananarivu

Opening Hours

14:00 - 17:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Andiany Waingunga XèA posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share