Association pour la promotion du livre et l'écrit à Madagascar-APLEM

Association pour la promotion du livre et l'écrit à Madagascar-APLEM C'est une association qui oeuvre pour l'accès de tous les enfants malagasy aux savoirs et aux connaissances par la lecture.

31/12/2025

Mirary soa antsika rehetra hahatratra ny farany.

20 novambra, andro iraisam-pirenana ho an'ny zon'ny ankizy. Averinay eto ity horonantsary nataonay ity hilazana fa zon'n...
20/11/2025

20 novambra, andro iraisam-pirenana ho an'ny zon'ny ankizy. Averinay eto ity horonantsary nataonay ity hilazana fa zon'ny ankizy koa ny msitraka fahalalana.

Ce petit publi reportage montre l'activité bibliothèque des rues dénommée Boky Mitety Vohitra au coeur des quartiers où vivent les enfants défavorisées de la...

Vita ny tetikasa nataon’ny Aplem 2024/2025 izay novatsian’ny Fondation Illis Monaco. Raha ny sehatra niasanay dia tena m...
18/11/2025

Vita ny tetikasa nataon’ny Aplem 2024/2025 izay novatsian’ny Fondation Illis Monaco. Raha ny sehatra niasanay dia tena miroborobo ny famakiana boky ary tratra ny tanjona nokasaina tratrarina satria niara-nisalaha ny mpanentana, ny ankizy, ny ray aman-dreny, ny Fokontany, ny hopitaly, ny sekoly ary ny mpampianatra.
Hita eo amin’ireo takelaka 3 ny ambangovangon’ny asa vita sy ny isan’ireo ankizy nisitraka azy.
Asa masina sy andraikitra lehibe izany manome fahalalana izany. Miato kely anefa ny asa satria tsy nahazo famantsiambola amin’izao fotoana sarotra handalovan’ny firenena izao. Ny hanina hohanin’ny ankizy, ny toerana ipetrahany ary ny fahasalamany no laharam-pahamehana rehefa toy izao.
Manantena ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena izahay hanohy ny asa efa natomboka mba tsy ho maty momoka ny ezaka rehetra natao sy ny fahazotoan’ireo ankizy mamaky boky.
Misaotra ny Fondation Illis Monaco sy ireo namana mpanohana izahay tamin’ny fatokisana nomena anay.
Mirary soa ny rehetra.



Namaly ny fanasan'ny Fikambanana AMADEA ny Aplem androany ka nanatontosa Boky Mitety Vohitra nandritra ny Tsenaben'ny ta...
08/11/2025

Namaly ny fanasan'ny Fikambanana AMADEA ny Aplem androany ka nanatontosa Boky Mitety Vohitra nandritra ny Tsenaben'ny tantsaha tao Mahazaza.
Maro ny ankizy namaky boky ary maro ihany koa ireo olon-dehibe liana.
APLEM mamporisika foana ny famakiana boky hivohizana fahalalana.
Misaotra ny AMADEA.




Androany 11 oktobra, andro iraisam-pirenana ho an'ny ankizivavy.Ny Aplem dia nilofo hatramin'ny nisiany ny hisitrahan'ny...
11/10/2025

Androany 11 oktobra, andro iraisam-pirenana ho an'ny ankizivavy.
Ny Aplem dia nilofo hatramin'ny nisiany ny hisitrahan'ny ankizivavy ny famakiana boky ary nahatafita izany satria dia ny 50% ny ankizy mamaky boky amin'ny Boky Mitety Vohitra dia ankizivavy. Mitandro hatrany io zo io izahay amin'izay tetikasa ataonay.




Mission de l'Aplem à Befandriana Nord.
09/10/2025

Mission de l'Aplem à Befandriana Nord.

Misaotra ny Fikambanana Un enfant par la main sy ny Dren Sofia izahay manampy anay amin'ny fampitiavana sy fampitaovana ...
02/10/2025

Misaotra ny Fikambanana Un enfant par la main sy ny Dren Sofia izahay manampy anay amin'ny fampitiavana sy fampitaovana boky ny sekoly any ambanivohitra lavitra any.

Tao Anosibe no fokontany farany nizarana ireo mari-pankasitrahana ho an'ny ankizy nanatrika BMV 10 tamin'ity tetikasa 20...
20/09/2025

Tao Anosibe no fokontany farany nizarana ireo mari-pankasitrahana ho an'ny ankizy nanatrika BMV 10 tamin'ity tetikasa 2024 2025 ity. Tena faly ny ankizy sy ireo ray aman-dreny nanatrika. Zava-dehibe ho azy ireo ny fampirisihana azy ireo hamaky boky hatrany.
Na kely na lehibe dia mahazo daholo. Misy tokoa manko ireo bitika kely izay manattika n'a dia mbola tsy mahay mamaky aza.
Mazotoa mamaky boky foana rankizy.
Misaotra ireo mpamokatra boky manohana ny asanay.
Misaotra ny mpamatsy vola Illis Monaco sy ireo tanora mpanentana ny ankizy.
Editions Jeunes Malgaches
Mpariaka Boky Madagasikara - MBM
Editions Ambozontany
Editions Loterana




Notanterahana androany maraina ny fanomezana ireo mari-pankasitrahana ho an'ny ankizy nanatrika BMV 10 teny Manarintsoa ...
13/09/2025

Notanterahana androany maraina ny fanomezana ireo mari-pankasitrahana ho an'ny ankizy nanatrika BMV 10 teny Manarintsoa Isotry. Nanatrika ny BMV ny solotenan'ny mpamatsy volanay Illis Monaco, Mme Marie-Josée ary isaorana azy nahafoy fotoana nanotrona anay. Teo ihany koa ny filoha lefitry ny fikambanana, Joelle Razafindrafito sy ny ekipan'i Atoa Patrick Rabeony, mpanao horonantsary documentaire malagasy monina any ivelany.
Misaotra azy ireo ny tamin'ny androany ary manosika foana ireo ankizy hanohy mamaky boky.





Address

Lot VI3/48, Lalana Printsy Ratefinanahary Ambatovinaky
Antananarivo
101

Telephone

+261386659281

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Association pour la promotion du livre et l'écrit à Madagascar-APLEM posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Association pour la promotion du livre et l'écrit à Madagascar-APLEM:

Share

L’accès pour tous les enfants malgaches aux savoirs et aux connaissances.

L’association oeuvre pour l’accès des enfants des familles défavorisées aux savoirs et aux connaissances par la lecture.