Faravohitra Avaratra

Faravohitra Avaratra Pejy Ofisialy - Faravohitra Avaratra

⚠️ FILAZANA ⚠️NOHO NY FISIAN'NY OLONA MAROMARO VOAKAIKITRY NY ALIKA DIA ENTANINA ISIKA REHETRA MANANA ALIKA MBA SAMY HAM...
27/05/2026

⚠️ FILAZANA ⚠️

NOHO NY FISIAN'NY OLONA MAROMARO VOAKAIKITRY NY ALIKA DIA ENTANINA ISIKA REHETRA MANANA ALIKA MBA SAMY HAMATOTRA IZANY FA HISY
FAMONOANA IREO ALIKA 🐶 MIRENIRENY MBA HISOROHANA NY LOZA

MISAOTRA TOMPOKO

📢 FAMPANDRENESANA HO AN’NY MPONINA REHETRA MOMBA NY IDENTITÉ BIOMÉTRIQUE 📢🔷 INONA NY “IDENTITÉ BIOMÉTRIQUE”?Ny identité ...
13/05/2026

📢 FAMPANDRENESANA HO AN’NY MPONINA REHETRA MOMBA NY IDENTITÉ BIOMÉTRIQUE 📢

🔷 INONA NY “IDENTITÉ BIOMÉTRIQUE”?

Ny identité biométrique dia rafitra ahazoana ny NIU (Numéro d’Identité Unique).

⚠️ Marihina fa TSY fanamboarana kara-panondro izy ity.
👉 Ny kara-panondro (CIN) dia atao hatrany rehefa feno 18 taona, amin’ny alalan’ny fanatonana ny Kaominina miaraka amin’ireo antontan-taratasy ilaina.

👉 Raha manao duplicata, dia manatona ny Kaominina ihany koa.
👉 Noho izany, tsy misy ifandraisany amin’ny fanamboarana kara-panondro ny identité biométrique, fa manampy sy manamora ny rafitra.

"IDENTITÉ BIOMÉTRIQUE"

📌 Mampiasa teknolojia avo lenta izy ity, ka ahitana:
• 📷 Sary (photo)
• 🖐️ Dian-tanana (empreintes digitales)
• 🧾 Ny mombamomba anao rehetra

🔷 INONA NO TANJONA?

🎯 Hiadiana amin’ny hosoka sy ny doublon
🎯 Hanamora ny fanamarinana ny olona
🎯 Hanatsara ny fandaminana ara-panjakana

🔷 IZA NO TOKONY HANAO AZY?

👤 Olona 18 taona no ho miakatra (teraka 2008, 2007, sns.)

🔷 INONA NO TARATASY ILAINA?

📄 Kopia nahaterahana (acte de naissance) na CIN
📘 Carnet fokontany (fanamarinana fa monina ao amin’ny fokontany)

🔷 AIZA NO ANAOVANA AZY?

📍 Any amin’ny biraon’ny fokontany na toerana voatokana, izay hambara mialoha eny amin'ny Fokontany misy anao .

🔷 HAFATRA HO AN’NY MPONINA REHETRA

👉 Zava-dehibe ny fananana identité biométrique
👉 Manamora ny fiainana andavanandro
👉 Manamora ny fanaovana taratasy ara-panjakana rehetra

🇲🇬
🔷 Fanisana ireo olona 18 taona no ho mihoatra mba hampidirana azy ao anatin’ny angona (base de données) an’ny Ministeran’ny Atitany.

👉 Tanjona ny hananana antontan’isa mazava sy hanatsarana ny fandaminana ara-panjakana.
👉 Manampy amin’ny fanamorana ny raharaham-panjakana sy ny fanamarinana ny mombamomba ny olom-pirenena.

𝐅𝐢𝐡𝐚𝐨𝐧𝐚𝐦𝐛𝐞𝐧’𝐧𝐲 𝐓𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚𝐡𝐚 𝐀𝐯𝐚𝐫𝐚𝐝𝐫𝐚𝐧𝐨 𝟐𝟎𝟐𝟔 🌾🟢 𝐓𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐡𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝟐𝟑 𝐤𝐚 𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝟐𝟔 𝐚𝐩𝐫𝐢𝐥𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟔 𝐞𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐫𝐚𝐯𝐨𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚, 𝐀𝐧𝐨𝐬𝐲 𝐀𝐯𝐚𝐫𝐚𝐭...
23/04/2026

𝐅𝐢𝐡𝐚𝐨𝐧𝐚𝐦𝐛𝐞𝐧’𝐧𝐲 𝐓𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚𝐡𝐚 𝐀𝐯𝐚𝐫𝐚𝐝𝐫𝐚𝐧𝐨 𝟐𝟎𝟐𝟔 🌾

🟢 𝐓𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐡𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝟐𝟑 𝐤𝐚 𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝟐𝟔 𝐚𝐩𝐫𝐢𝐥𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟔 𝐞𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐫𝐚𝐯𝐨𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚, 𝐀𝐧𝐨𝐬𝐲 𝐀𝐯𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚, 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐤𝐚𝐥𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐬𝐚𝐧𝐭𝐚-𝐛𝐚𝐫𝐲 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐤𝐚𝐨𝐦𝐢𝐧𝐢𝐧𝐚 𝟏𝟔 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐝𝐢𝐬𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚𝐧'𝐀𝐯𝐚𝐫𝐚𝐝𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐤𝐚. 𝐒𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐲 𝐧𝐨 𝐦𝐢𝐬𝐲 𝐢𝐳𝐚𝐨 𝐡𝐞𝐭𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐨 𝐞𝐭𝐨 𝐚𝐧-𝐭𝐨𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚.

👌 𝐀𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐦𝐛𝐚𝐧-𝐝𝐫𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲, 𝐧𝐲 𝐬𝐚𝐧𝐭𝐚-𝐛𝐚𝐫𝐲 𝐝𝐢𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐥𝐨𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐯𝐨𝐚𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧𝐲 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚 𝐦𝐛𝐚 𝐡𝐨 𝐦𝐚𝐫𝐢𝐤𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐣𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐤𝐚𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚. 𝐍𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐢𝐭𝐲 𝐡𝐞𝐭𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐢𝐭𝐲 𝐝𝐢𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐨𝐥𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐨𝐚𝐥𝐨𝐡𝐚𝐦-𝐛𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐭𝐨𝐧𝐝𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐫𝐢𝐡𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐊𝐨̂𝐥𝐨̂𝐧𝐞𝐥𝐲 𝐑𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐈𝐑𝐈𝐍𝐀 𝐌𝐢𝐜𝐡𝐚𝐞̈𝐥, 𝐧𝐨𝐬𝐨𝐥𝐨𝐚𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐌𝐩𝐚𝐧𝐨𝐥𝐨𝐭𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐀𝐯𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐯𝐚𝐨𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐢𝐫𝐚𝐡𝐚𝐥𝐚𝐡𝐲 𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐭𝐞𝐭𝐨 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨𝐚𝐧𝐲 𝐧𝐲 𝐬𝐨𝐥𝐨𝐧𝐭𝐞𝐧𝐚𝐧'𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐭𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚𝐡𝐚 𝐚𝐯𝐲 𝐞𝐭𝐨 𝐀𝐯𝐚𝐫𝐚𝐝𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐡𝐨 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐚𝐫𝐢𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲.

✅ 𝐍𝐲 𝐌𝐩𝐚𝐧𝐨𝐥𝐨𝐭𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐀𝐯𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐯𝐚𝐨𝐳𝐚𝐧𝐚, 𝐌𝐞́𝐝𝐞𝐜𝐢𝐧 𝐆𝐞́𝐧𝐞́𝐫𝐚𝐥 𝐝𝐞 𝐁𝐫𝐢𝐠𝐚𝐝𝐞 𝐙𝐀𝐅𝐈𝐓𝐀𝐒𝐎𝐍𝐃𝐑𝐘 𝐌𝐚𝐫𝐜𝐞𝐥𝐥𝐢𝐧 𝐬𝐲 𝐆𝐞́𝐧𝐞́𝐫𝐚𝐥 𝐑𝐀𝐁𝐄𝐀𝐑𝐈𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐋𝐮𝐜𝐢𝐞𝐧 𝐧𝐨 𝐧𝐢𝐬𝐨𝐥𝐨 𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐚𝐳𝐲 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲.

👉 𝐈𝐬𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐲 𝐥𝐞𝐡𝐢𝐛𝐞𝐧'𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐯𝐚𝐨𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐯𝐢𝐭𝐚𝐧-𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐭𝐬𝐚𝐤𝐚𝐟𝐨 𝐤𝐚 𝐢𝐬𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐢𝐫𝐚𝐲 𝐥𝐞𝐡𝐢𝐛𝐞 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐭𝐨𝐝𝐫𝐚𝐟𝐢𝐭𝐫𝐚𝐬𝐚, 𝐢𝐧𝐝𝐫𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐥𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚, 𝐦𝐛𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐦𝐨𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐤𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚. 𝐍𝐨𝐡𝐚𝐦𝐚𝐟𝐢𝐬𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐌𝐩𝐚𝐧𝐨𝐥𝐨𝐭𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐀𝐯𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐯𝐚𝐨𝐳𝐚𝐧𝐚, 𝐧𝐲 𝐉𝐞𝐧𝐞𝐫𝐚𝐥𝐲 𝐑𝐀𝐁𝐄𝐀𝐑𝐈𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐋𝐮𝐜𝐢𝐞𝐧, 𝐟𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐧𝐣𝐚𝐫𝐚 𝐭𝐨𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐥𝐞𝐡𝐢𝐛𝐞 𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐊𝐨𝐥𝐨𝐧𝐭𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐬𝐲 𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐞𝐤𝐚𝐫𝐞𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐫𝐲 𝐚𝐫𝐲 𝐢𝐬𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐥𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐡𝐚𝐦𝐞𝐡𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐭𝐨𝐧𝐝𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐧𝐤𝐞𝐡𝐢𝐭𝐫𝐢𝐧𝐲 𝐤𝐨𝐚 𝐧𝐲 𝐚𝐝𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐭𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐣𝐚𝐫𝐢𝐚𝐧-𝐭𝐬𝐚𝐤𝐚𝐟𝐨. 𝐍𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚𝐡𝐚 𝐧𝐨 𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐟𝐨𝐭𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐯𝐨𝐚𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧𝐲 𝐡𝐚𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲.

➡ 𝐍𝐚𝐦𝐩𝐚𝐡𝐚𝐭𝐬𝐢𝐚𝐡𝐢𝐯𝐢𝐧𝐲 𝐚𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲 𝐧𝐲 𝐦𝐚𝐡𝐚 𝐳𝐚𝐯𝐚-𝐝𝐞𝐡𝐢𝐛𝐞 𝐧𝐲 𝐡𝐚𝐦𝐨𝐤𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐫𝐲 𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐤𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐞𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐭𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚𝐡𝐚 𝐡𝐢𝐝𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐬𝐞𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐚𝐭𝐢𝐡𝐚𝐧𝐢𝐧𝐚 𝐤𝐨𝐤𝐨𝐚 𝐢𝐳𝐲, 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐞𝐤𝐢𝐧𝐢̀𝐤𝐚 𝐟𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐞𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐤𝐚𝐢𝐤𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐭𝐨𝐫𝐨𝐡𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐨𝐦𝐞𝐧’𝐧𝐲 𝐭𝐞𝐤𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐚𝐧𝐢𝐧𝐚.

👉 𝐍𝐚𝐦𝐛𝐚𝐫𝐚𝐧𝐲 𝐟𝐚 𝐦𝐚𝐫𝐨 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐫𝐚-𝐦𝐢𝐨𝐦𝐛𝐨𝐧𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐚 𝐢𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐦𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐥𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐬𝐞𝐡𝐚𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐞𝐧𝐚, 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨𝐬𝐨𝐚𝐧𝐚, 𝐡𝐨𝐲 𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚𝐧𝐲 𝐢𝐳𝐲.

🔥 “ 𝙏𝙨𝙮 𝙢𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖 𝙛𝙖𝙝𝙖𝙫𝙖𝙡𝙤 𝙖𝙛𝙖-𝙩𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙢𝙤𝙨𝙖𝙧𝙮 𝙞𝙨𝙞𝙠𝙖! “ 𝐈𝐨 𝐭𝐞𝐧𝐲 𝐧𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚𝐦𝐢𝐧𝐲 𝐢𝐨 𝐧𝐨 𝐧𝐞𝐧𝐭𝐢𝐧𝐲 𝐧𝐚𝐦𝐩𝐢𝐫𝐢𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐕𝐚𝐡𝐨𝐚𝐤𝐚 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐦𝐛𝐚 𝐡𝐢𝐚𝐫𝐚-𝐡𝐢𝐬𝐚𝐥𝐚𝐡𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨𝐬𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐡𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐢𝐤𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐬𝐚𝐭𝐫𝐢𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲 𝐧𝐨 𝐡𝐞𝐫𝐲 𝐦𝐚𝐧𝐨𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨𝐬𝐨𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚.

▶️ 𝐍𝐨𝐟𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐭𝐬𝐢𝐝𝐢𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐭𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐡𝐞𝐯𝐚 𝐦𝐨𝐚 𝐢𝐭𝐲 𝐥𝐚𝐧𝐨𝐧𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐧𝐨𝐤𝐚𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐨̂𝐟𝐢𝐬𝐢𝐚𝐥𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐡𝐚𝐨𝐧𝐚𝐦𝐛𝐞𝐧’𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚𝐡𝐚 𝐢𝐭𝐲.

̈𝐥

🇲🇬 🌾✨ 𝙁𝙄𝙃𝘼𝙊𝙉𝘼𝘽𝙀𝙉'𝙉𝙔 𝙏𝘼𝙉𝙏𝙎𝘼𝙃𝘼 𝘼𝙑𝘼𝙍𝘼𝘿𝙍𝘼𝙉𝙊 2026 ✨🌾🚜🌱 Hetsika lehibe momba ny fambolena sy fiompiana ary ny jono ho atao eto...
13/03/2026

🇲🇬 🌾✨ 𝙁𝙄𝙃𝘼𝙊𝙉𝘼𝘽𝙀𝙉'𝙉𝙔 𝙏𝘼𝙉𝙏𝙎𝘼𝙃𝘼 𝘼𝙑𝘼𝙍𝘼𝘿𝙍𝘼𝙉𝙊 2026 ✨🌾

🚜🌱 Hetsika lehibe momba ny fambolena sy fiompiana ary ny jono ho atao eto Avaradrano !

📍 Toerana : Faravohitra, Kaominina ambanivohitra Anosy Avaratra

📅 𝘿𝙖𝙩𝙮 : 23 – 24 – 25 – 26 aprily 2026

Ensemble, faisons grandir l’agriculture et l’elevage a Madagascar. 🇲🇬🌱

🤝 Aza misalasala miantso ny laharana
+261 38 42 510 65 na koa mandefa message eto 👉 Fihaonamben’ny Tantsaha 🙂

✍️
Fihaonamben’ny Tantsaha

𝐈𝐙𝐀𝐘 𝐕𝐎𝐊𝐘 𝐧𝐨 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐀𝐍𝐘Fandraisana ny sakafo ho an'ny mpianatra hanatanterahana ny fampisakafoana an-tsekoly eny...
12/03/2026

𝐈𝐙𝐀𝐘 𝐕𝐎𝐊𝐘 𝐧𝐨 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐀𝐍𝐘

Fandraisana ny sakafo ho an'ny mpianatra hanatanterahana ny fampisakafoana an-tsekoly eny amin'ny 𝐄𝐏𝐏 𝟒 eto amin ny Commune Anosy Avaratra androany.

Nanatrika ny fitsinjarana izany ny ben'ny tanana Anosy Avaratra , ny Chef ZAP , ny talen-tsekoly , ny Birao FEFFI , izay samy tafiditra ao anatin ny komity mpitantana izany .Marihina fa 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝟏𝟎𝟑𝟔 𝐧𝐨 𝐦𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲.

✍️,📸 Kaominina Anosy Avaratra

Tratry ny taona 2026 ! 🎆Mirary taona feno fahasalamana sy fahombiazana ary fifaliana ho anao.
31/12/2025

Tratry ny taona 2026 ! 🎆
Mirary taona feno fahasalamana sy fahombiazana ary fifaliana ho anao.

Ny FJKM eto Faravohitra Avaratra harivarivan'ny herinandro sambatra 🎄📷 Haja Mic
23/12/2025

Ny FJKM eto Faravohitra Avaratra harivarivan'ny herinandro sambatra 🎄

📷 Haja Mic

‼️🔴𝗩𝗜𝗡𝗔𝗩𝗜𝗡𝗔𝗜𝗡𝗔 𝗛𝗢  #𝗢𝗥𝗔𝗠𝗕𝗘 𝗥𝗔𝗛𝗔𝗠𝗣𝗜𝗧𝗦𝗢Raha ny vinavinan'ny Foibe famantarana ny toetry ny andro dia ho avy be kokoa ny or...
21/12/2025

‼️🔴𝗩𝗜𝗡𝗔𝗩𝗜𝗡𝗔𝗜𝗡𝗔 𝗛𝗢 #𝗢𝗥𝗔𝗠𝗕𝗘 𝗥𝗔𝗛𝗔𝗠𝗣𝗜𝗧𝗦𝗢
Raha ny vinavinan'ny Foibe famantarana ny toetry ny andro dia ho avy be kokoa ny orana rahampitso alatsinainy ary nahazo miloko mavo ny faritra Analamanga, Itasy, Fenoarivobe, Maevatanana ary Tsaratanana.
📌Noho izany dia ahiana hiakatra ny renirano ary hiangona ny rano amin'ireo toerana voakasika ireo

©️ Météo Madagascar

18/10/2025
09/10/2025

Address

Antananarivo Avaradrano
Antananarivo
103

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Faravohitra Avaratra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Faravohitra Avaratra:

Share