28/03/2026
Mitohy hatrany ny asa ho an'ny Fanorenana sy ny Fahaleovan-tena ataon'ny Vovonana ANTAFA Faritra VATOVAVY.
Notanterahina tao amin'ny Fokon-tany Ampasimbola kaominina ANDONABE Distrikan'i MANANJARY tamin'ny Alakamisy 26 Mars lasa teo ny fampiofanana ireo tanora misehatra amin'ny fiompiana kisoa sy akoho amam-borona ary ny voly akondro. Ny tanjona moa dia ny hahatonga an'ireo tanora Malagasy hazaka-tena amin'ny fivelomanana ka tsy vesatra intsony ho an'ny fiaraha-monina.
R.Com ANTAFA Faritra VATOVAVY.