Jhpiego Madagascar

Jhpiego Madagascar Jhpiego Madagascar, a Johns Hopkins University affiliate, we are saving lives, improving health and transforming futures.

🇲🇬 Ny fanamafisana ny sehatra ara-pahasalamana tsy miankina dia singa fototra amin'ny fananganana rafitra ara-pahasalama...
30/07/2026

🇲🇬 Ny fanamafisana ny sehatra ara-pahasalamana tsy miankina dia singa fototra amin'ny fananganana rafitra ara-pahasalamana matanjaka sy maharitra.

📅 Ny 21 ka hatramin'ny 28 Jolay 2026, ny tetikasa MOMENTUM Country and Global Leadership, vatsian'ny Governemantan'i Etazonia vola amin'ny alalan'ny Departemantam-panjaka (U.S. Department of State), ary tanterahin'i Jhpiego miaraka amin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, dia nanofana mpiasan'ny fahasalamana miisa 15 avy ao amin'ny OMSI Toamasina, hopitaly tsy miankina iray, momba ny Fandidiana Obstetrika Azo Antoka (Chirurgie Obstétricale Sécurisée – COS).
Ity hetsika ity dia hanampy amin'ny fanitarana ny fahafahan'ny reny sy ny zaza vao teraka mahazo tolotra ara-pahasalamana manara-penitra sy kalitao, mifototra amin'ny porofo, ka hiantoka tolotra azo antoka sy mamonjy aina ho an'ny maro.

▶️ Ity fiofanana ity no dingana voalohany amin'ireo hetsika hotanterahin'ny MOMENTUM Country and Global Leadership hanamafisana ny fahaiza-manaon'ireo mpiasan'ny fahasalamana, na eo amin'ny sehatra miankina amin'ny fanjakana izany na eo amin'ny sehatra tsy miankina, sy hanatsarana maharitra ny kalitaon'ny tolotra ara-pahasalamana ho an'ny reny sy ny zaza vao teraka.

_____________________________________________________
🇺🇸 Strengthening the private health sector is essential to building a resilient and sustainable public health system.

📅 From July 21–28, 2026, MOMENTUM Country and Global Leadership, funded by the U.S. Department of State and implemented by Jhpiego in partnership with the Ministry of Public Health, trained 15 healthcare providers from OMSI Toamasina, a private hospital, on Safe Obstetric Surgery (SOS).
This initiative will help expand access to standardized, high-quality maternal and newborn care, ensuring that more women and newborns benefit from safe, evidence-based, and lifesaving services.

▶️ This training marks the first in a series of activities that MOMENTUM Country and Global Leadership will implement to strengthen the skills of healthcare providers in both the public and private sectors, contributing to sustainable improvements in the quality of maternal and newborn health services.

17/07/2026

🇲🇬 Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny Jhpiego sy ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fanamorana ny fanaovana vaksiny eny anivon’ny fiarahamonina ao anatin’ny tetikasa VAKsiny Antoky Ny Aina (VAKANA). Ny distrikan’i Antalaha dia anisan’ireo misitraka izany fanohanana, izay vatsian’ny Gavi, the Vaccine Alliance vola, izany.
________________________________________________
🇺🇸 Through the VAKANA project, Jhpiego continues to collaborate with the Ministry of Public Health to facilitate access to vaccination in communities. The Antalaha district is one of the areas benefiting from this Gavi, the Vaccine Alliance-funded support.

🎥 RNA SAVA

📢 FIANTSOANA TOLO-BIDY MISOKATRA (APPEL D'OFFRES OUVERT) - OPEN CALL FOR BIDSHo fanatanterahana ny asany mahakasika ny f...
07/07/2026

📢 FIANTSOANA TOLO-BIDY MISOKATRA (APPEL D'OFFRES OUVERT) - OPEN CALL FOR BIDS

Ho fanatanterahana ny asany mahakasika ny fahasalamam-bahoaka, ny Jhpiego dia manasa ireo matihanina handefa ny tolo-bidiny ho amin'ny FIVIDIANANA FITAOVANA ARA-PITSABOANA mifanaraka amin'ity lisitra eto ambany ity :

Lot 1: Boîte césarienne
Lot 2: Assistance obstétricale de base
Lot 3: Surveillance et assistance néonatale
Lot 4: Soins néonatals et réanimations
Lot 5: Diagnostic et mesure médicale
Lot 6: Mannequin et simulation
Lot 7: Équipements et mobiliers néonatals
Lot 8: Équipements de respiration
Lot 9: Dispositifs de monitoring, diagnostic néonatal et mannequin de simulation
Lot 10: Équipements obstétricaux

Ny antontan-taratasy mikasika ny tolo-bidy dia azo angatahina amin'ny alalan'ny mailaka amin'ny adiresy :
📧 [email protected]

Ny tolotra dia atao anaty valopy mihidy ary aterina
🗓 ny 20 jolay 2026 @ 4 ora hariva farafahatarany,
📌 ao amin'ny biraon'ny Jhpiego :
Immeuble Santa Antanimena Lot II, 3ème étage, Antananarivo 101
❗️miampy ny fanamarihana : "Acquisition Matériels Médicaux - Lot ...." AOO/05/JHPIEGO/2026 " A n'ouvrir qu'en séance d'ouverture des plis"❗️

🇲🇬 'Ndeha hamaky ny tantaran'i Germinah, vehivavy be finiavana, milofo ho an'ny fanaovam-baksiny ho famonjena aina.Araho...
02/07/2026

🇲🇬 'Ndeha hamaky ny tantaran'i Germinah, vehivavy be finiavana, milofo ho an'ny fanaovam-baksiny ho famonjena aina.
Araho ny rohy : https://www.gavi.org/vaccineswork/madagascar-midwife-delivers-doses-hope-her-home-village

Jhpiego dia manohy hatrany ny fanohanana ireo mpisehatra sy vondron'olona miasa ho an'ny fahasalaman'ny fianakaviana sy ny fiarahamonina, amin'ny alalan'ny tetikasa VAKsiny Antoky Ny Aina (VAKANA), izay iarahana amin'ny Fikambanana Tanora Kristianina Miatrika Ny Ho Avy (FTKMA) sy ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, ary vatsian'ny Gavi, the Vaccine Alliance vola.
_________________________________________

🇺🇸 Read the story of Germinah, a woman whose determination alone was enough to help catch up on vaccinations and save lives.
Follow the link : https://www.gavi.org/vaccineswork/madagascar-midwife-delivers-doses-hope-her-home-village

Jhpiego continues to support communities in their efforts to protect the health of their loved ones, in collaboration with Fikambanana Tanora Kristianina Miatrika Ny Ho Avy (FTKMA) and the ministry of Public Health through the VAKsiny Antoky Ny Aina (VAKANA) project, funded by Gavi, the Vaccine Alliance.

In remote Antsohihy, Midwife Germinah is playing a one-woman game of vaccine catch-up.

FILAZANA MANJO | OBITUARY🇲🇬Amin’alahelo lehibe no ampandrenesanay anareo havana, namana ary mpiara-miasa rehetra ny fodi...
09/06/2026

FILAZANA MANJO | OBITUARY

🇲🇬Amin’alahelo lehibe no ampandrenesanay anareo havana, namana ary mpiara-miasa rehetra ny fodiamandrin’i Rakotonomenjanahary Sahondra Irenée.

Sahondra Irenée no nitantana ny asan’ny fikambanana tao amin’ny distrikan’i Befandriana nanomboka ny volana janoary 2026, fotoana nidirany tato anatin’ny fianakaviamben’ny Jhpiego.
“Olona tsotra sy manana fanetre-tena” hoy ny sasany, “feno fitiavana sy nanatanteraka ny asany tamin’ny fo” hoy ny hafa.

Miondrika am-panajana sy maneho fankasitrahana eo anoloan’ny fahatsiarovana azy izahay noho ny fanoloran-tenany sy ny asa lehibe nentiny ho fampandrosoana ny fahasalamam-bahoaka teto Madagasikara.
Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany izahay mpiara-miasa taminy.

Mandria am-piadanana, Sahondra Irenée.
____________________________________________
🇺🇸 It is with heavy hearts that we announce the passing of our dear colleague, Sahondra Irenée Rakotonomenjanahary.

Sahondra Irenée had served as the District Technical Officer in Befandriana since January 2026, the month she joined the Jhpiego family.
“An upright and humble person,” say some; “full of love and worked with her heart,” say others.

We pay tribute to her dedication and the work she accomplished in support of public health in Madagascar.
We extend our deepest condolences to her family.

Rest in peace, Sahondra Irenée

🇲🇬Nanomboka omaly, 5 mey ka hatramin’ny 12 mey ho avy izao, ny fankalazana ny herinandro natokana ho an’ireo Rasazy. I T...
06/05/2026

🇲🇬Nanomboka omaly, 5 mey ka hatramin’ny 12 mey ho avy izao, ny fankalazana ny herinandro natokana ho an’ireo Rasazy. I Taolagnaro no toerana voafidy anatanterahana izany amin’ny fomba ofisialy amin’ity taona ity.

Manana andraikitra sy toerana lehibe eo amin’ny sehatry ny fahasalamana eto Madagasikara ireo Rasazy noho izy ireo mifandray mivantana amin’ny vahoaka eny anivon’ny fiarahamonina. Matetika tokoa dia izy ireo no mitantana ny Tobimpahasalamana sady manatanteraka ny asa fandraisana an-tanana.

Efa an-taonany maro no nanohanan’ny Jhpiego, niaraka tamin'ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka, ireo Rasazy manerana ny nosy tamin’ny alalan’ny fiofanana sy fampitaovana isan-karazany.
Ankehitriny, manavao ny fijoroany ho isan’ireo mpiara-miombon’antoka manome lanja manokana ny asan’ny rasazy ny Jhpiego Madagascar.

🎆 Miarahaba anareo Rasazy rehetra manerana an’i Madagasikara, ary mirary soa hatrany amin’ny asa sy adidy iandraiketanareo.

_______________________________________
🇺🇸 Midwives Week began yesterday and will end on May 12. The city of Fort-Dauphin is hosting the official celebration this year.

Midwives play a vital role and bear a huge responsibility in Madagascar’s health sector, as they are the frontline workers in direct contact with communities. They very often manage primary health centers while providing care.

For many years, Jhpiego, in close collaboration with the Ministry of Public Health, has supported midwives across the island through training and equipment. Currently, Jhpiego Madagascar is renewing its commitment as a partner to promote the work of midwives.
🎆 Congratulations to all the midwives of Madagascar ! We send you our best wishes as you carry out your duties and responsibilities.

🇲🇬 Fikambanana misehatra @ tontolon’ny fahasalamam-bahoaka ny Jhpiego. Fantatra amin'ny sehatra maro, indrindra amin'ny ...
05/05/2026

🇲🇬 Fikambanana misehatra @ tontolon’ny fahasalamam-bahoaka ny Jhpiego. Fantatra amin'ny sehatra maro, indrindra amin'ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza, fa tsy diso anjara ao anatin'izany ny fianakaviana manontolo.
Manoloana ny valan'aretina vaovao Mpox izay mirongatra eto amintsika dia miara-mientana amin'ny ezaka ataon'ny ministeran'ny fahasalaman-bahoaka amin'ny fisorohana amin'ny alalan'ny vaksiny ny Jhpiego. Noho izany indrindra dia manomboka eo anivon’ireo mpiasa ny fitandrovana izany fahasalamana izany.

💉Araka izany dia nisitraka ny andiany voalohany amin’ny fanaovana vaksiny miaro amin’ny Mpox ny teto amin’ny birao foibe, Antananarivo, ny alakamisy 30 aprily teo, izay notarihan’ny mpitantana narahin'ireo mpiasa eo anivon'ny Jhpiego.
Izany no tanteraka dia noho ny fiaraha-miasa teo amin'ny fitaleavamparitry ny fahasalamam-bahoaka eto analamanga sy ireo ratsa-mangaika ao aminy, izay isaorana feno etoana.

❗️Tadidio : Aleo misoroka toy izay mitsabo, ary ny vaksiny no fisorohana azo antoka indrindra hiarovana anao sy ny ankohonanao amin'ny areti-mifindra tahaka ny Mpox. Tsy natao hoan'ny mpiasan'ny fahasalamana irery ihany ity vaksiny ity fa natao ho antsika rehetra !

Ny tombontsoa azo amin’ny fanaovana vaksiny :
🛡️ Miaro amin’ny aretina na mampihena ny mety ho fahasarotany
👨‍👩‍👧‍👦 Miaro ny hafa amin’ny fiparitahan’ny aretina
🏢 Miantoka tontolo iasana salama
💪 Mampitombo fahatokisana sy filaminana

👉Ary ianao ? Rahoviana no hanao vaksiny ?

_____________________________________
🇺🇸 Jhpiego is an organization dedicated to public health. It is known for its wide range of activities, particularly in the areas of maternal and child health, as well as the health of all family members.
In response to the new Mpox outbreak, Jhpiego is working closely with the Ministry of Public Health to vaccinate the population as a preventive measure. It goes without saying that the first steps are being taken among the staff.

💉The first round of Mpox vaccinations took place on Thursday, April 30, for staff at the central office, with a session led by senior management.
This was made possible through collaboration with the Analamanga Regional Public Health Directorate and its entire team, to whom we extend our gratitude today.

❗️Remember: prevention is better than cure, and vaccination is the best way to protect yourself and your family against diseases such as Mpox. Vaccination is not just for healthcare workers, but for everyone !

The benefits of vaccination :
🛡️ Protects against disease / reduces the risk of complications,
👨‍👩‍👧‍👦 Helps prevent the spread of disease,
🏢 Ensures a healthy work environment,
💪 Builds trust and peace of mind.

👉What about you ? When are you going to get vaccinated ?

🇲🇬 Ny Jhpiego Madagascar dia mirary Krismasy sambatra sy taona vaovao 2026 feno fifaliana sy fiadanana ary Fahasalamana ...
24/12/2025

🇲🇬 Ny Jhpiego Madagascar dia mirary Krismasy sambatra sy taona vaovao 2026 feno fifaliana sy fiadanana ary Fahasalamana ho anao ! 🎄🎆
_________________________
🇺🇲 Jhpiego Madagascar wishes you a Merry Christmas and a New Year 2026 full of joy, prosperity and Health ! 🎄🎆

Address

Immeuble Santa, Lot II 3è étage Antanimena
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Jhpiego Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share