01/10/2026
PLACES TRES LIMITEES, MP Tafasiry pour inscription
Evenement co-organisé avec l'equipe : Rafahafahana Tafasiry TOLONA. Zana Bahoaka
đœïžFijerena horonantsary sy adihevitra: "Ă l'assaut du ciel" (Cuba) sy ny zava-misy iainantsika eto Madagasikara
â Inona no fiantraikan'ny olana ara-jeopolitika maneran-tany (ety "Atsimo", noho ny fanamparan-kery ataon'ireo firenena vaventy, imperialisma) amin'ny fiainantsika andavanandro eto Madagasikara? Ndao hijery ny horonantsary fanadihadiana "Ă l'assaut du ciel" novokarin'ny fikambanana La BrĂšche. Hitohy amin'ny adihevitra malalaka izany mba hampifandraisana ny tolona iraisam-pirenena amin'ny toe-javatra iainantsika eto an-toerana.
Fandaharam-potoana:
14:00 : Fandraisana sy fametrahana ny mpandray anjara am-pifaliana.
14:30 : Fampisehoana ny horonantsary fanadihadiana "Ă l'assaut du ciel".
16:45 : Lahateny momba ny jeopolitika ankehitriny.
17:15 : Adihevitra misokatra ho an'ny rehetra. Ahoana no hampifandraisana ireo lohahevitra iraisam-pirenena (Palestine, fiandrianam-pirenena, sns.) amin'ny tolona ataontsika momba ny tany, ny asa, ary ny fahamendrehana eto Madagasikara?
đšIty hetsika ity dia natao ho sehatra hifanakalozana malalaka, hihainoana ary hifampizarana eo amin'ny samy olom-pirenena. Ao anatin'ny firaisankina sy ny fomba mampiavaka antsika Malagasy (izany hoe ao anatin'ny "revĂœ"), dia manasa ny tsirairay izahay hitondra ny kely izay azo tsaingohana sy sotroina mba hifampizarana (mofomamy, voankazo, rano, ranom-boankazoâŠ). Fotoana ifanakalozan-kevitra malalaka izao, hahafantarana olona vaovao ary hiarahana manorina hevitra mifototra amin'ny zava-misy iainantsika.
đ€đŸMisokatra ho an'ny rehetra: mpianatra, tanora mpiasa, manampahaizana, ary na iza na iza maniry hahatakatra sy handray andraikitra manoloana ny zava-misy amin'izao andro izao.
TRAD FR âŹïž