EYES . ny lalana?

EYES . ny lalana? EYES (se lit "aɪz", signifie "yeux", Aiza = où?). Ouvrir les yeux pour observer et apprendre pour savoir où est-ce qu'on souhaite aller...

Cette page éducative est destinée à toute personne qui croit et souhaite contribuer au développement de Madagascar.

⚜️ Ho an’ny ankamaroan’ny malagasy nahita ity sarin’ny minisitry ny fitsarana frantsay sy ny minisitry ny fitsarana mala...
25/02/2026

⚜️ Ho an’ny ankamaroan’ny malagasy nahita ity sarin’ny minisitry ny fitsarana frantsay sy ny minisitry ny fitsarana malagasy ity dia tsy maintsy tonga ao an-tsaina voalohany ny hoe ahoana no hifanampiana mba hitsarana an’i Rajoelina izay olompirenena frantsay ? Raha ny vaovao farany dia tsy voaresaka ny momba an’izay.

MADAGASCAR 🇲🇬 X RUSSIE 🇷🇺FITSINJOVANA NY MALAGASY SA FITSINJOVANA AN’I SITENY ❓️❓️👉👉 ALEO ASINA HISTORIQUE KELY, DIA NY ...
22/02/2026

MADAGASCAR 🇲🇬 X RUSSIE 🇷🇺
FITSINJOVANA NY MALAGASY SA FITSINJOVANA AN’I SITENY ❓️❓️

👉👉 ALEO ASINA HISTORIQUE KELY, DIA NY TSIRAIRAY NO AVELA HAMALY NY FANOTANIANA

Vantany vao nandray ny fitondrana ny colonnel Mickael Randrianirina, dia hita nahazo vahana i Siteny Randrianasoloniaiko. Naniry ary voafidy ho filohan’ny antenimeram-pirenena avy hatrany izy. Marihina moa fa ny filohan’ny antenimeram-pirenena dia manana toerana lehibe eo amin’ny lafiny ara-diplomatika. Andao tsiahivina ny tantara :

▶️ 2018: fifidianana filoham-pirenena. Fantatra fa nisy candidats maromaro nantonin’i Wagner (milice russe) mba omena famatsiana. Ohatra: Pasteur Mailhol, Omer Beriziky, samy nanaiky izy ireo fa nisy russe niantso sy namatsy azy.

▶️ 2023: fifidianana filoham-pirenena. Tsy nanaiky fa nitady candidat vaovao hovatsiana ny russe. Nandeha ny resaka fa tsy mazava ny famatsiam-bolan’ny candidat Siteny. Fantatra nefa fa nisy fifandraisana akaiky tamin’i Marius Vizer, teretany roumain, izay président an’ny fédération internationale de judo ary naman’ny président russe Vladimir Poutine akaiky. Ny zanak’i Marius Vizer, antsoina hoe Marius Vizer Jr , dia manana orinasa "Liberty Madagascar" mpitrandraka mines izay hiarahany mitantana miaraka amin’i Siteny efa mihoatra ny 10 taona izao raha ny vaovao mandeha.

▶️ 2023-2025: fitondrana Rajoelina. Nafana fo mihitsy ny député Siteny nitarika ny fanoherana momba ny tetikasa "Base Toliara" izay hiombonan’ny australiana sy amerikana. Nitarika ireo vahoaka nanohatra ity tetikasa ity izy, satria ahina hisy voka-dratsy amin’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana izany, nefa tsy nisy fifampiresahana tamin’ny vahoaka akory.

‼️ Fantatra moa fa mahaliana mafy ny russe ny fitrandrahana mines ao Madagasikara indrindra ity tetikasa ity, izay tokony hamokatra isan-taona: ilménite 800 000 tonnes, rutile 54 000 tonnes, zircon sy monazite sns., ireo singa ireo dia ilaina mafy amin’ny fampandrosoana ny angovo azo avaozina sy ny voiture électrique manerantany.

🤔🤔 Tena fitsinjovana ny vahoaka ve no nijoroan’i Siteny sa fiarovana ilay tetikasa tsy ho azon’ny firenena hafa ?

▶️ 2025: voafidy ho filohan’ny antenimeram-pirenena i Siteny . Avy hatrany dia nitondra délégation parlementaire tany Russie ny 5-10 Novembre 2025 ary nikarakara fihaonana tamin’ny filoha Mickael sy ny diplomatie russe tao Madagasikara. Votoatin-dresaka ny fiaraha-miasa: i Russie hanampy amin’ny resaka angovo sy fitaovam-piadiana, Madagasikara hanome vahana ny russe amin’ny fitrandrahana mines

▶️ Février 2026: fihaonan’ny filoha malagasy Mickael sy ny filoha russe Vladimir Poutine, manamafy ireo fiaraha-miasa voalaza teo aloha

🤔 LOGICIEL PREDATOR , NANKAIZA ?Ao anatin’ny ny fitakiana ny mangarahara, dia mangataka amin’ny filoha Michael Randriani...
22/11/2025

🤔 LOGICIEL PREDATOR , NANKAIZA ?

Ao anatin’ny ny fitakiana ny mangarahara, dia mangataka amin’ny filoha Michael Randrianirina mba hanao fanambarana momba ny logiciel Predator, izay novidian’ny filoha teo aloha Andry Rajoelina tamin’ny volam-bahoaka nitentina 5 millions d’euros 💶💶💶

1️⃣ Koa satria volam-bahoaka no nividianana azy, mila azavaina ny marina tamin’ny nividianana sy ny nampiasana azy
2️⃣ Lasa aiza ilay logiciel?
3️⃣ Mampiasa azy ve ny fanjakana ankehitriny?

🤔 JIRAMA - Ahoana koa izany hoe mandatsaka orana artifisialy ? Ary angaha tsy afaka atao an’izany koa ny haintany sy ker...
15/11/2025

🤔 JIRAMA - Ahoana koa izany hoe mandatsaka orana artifisialy ? Ary angaha tsy afaka atao an’izany koa ny haintany sy kere any atsimo?

1️⃣ Fa avy aiza aloha ny orana ? 💧
Any anaty rahona dia misy poti-drano na "goutelettes d’eau" madinika an-tapitrisa ka ireo no mitambatra sy mihamitombo habe tsikelikely.
Rehefa lehibe sy mavesatra loatra ny poti-drano dia iny fa milatsaka ho orana

2️⃣ Dia ahoana ny atao rehefa handatsaka orana artifisialy? 🌧
Ampidirina akora manokana (iodure d’argent, sira, sns) anaty rahona mba hanafaingana ny fifangaroana sy fitomboan’ny poti-drano anaty rahona. Na afafy amin’ny alalan’ny fiaramanidina, na tifirina miainga avy ety ambonin’ny tany ireo akora ireo.

3️⃣ Fa iza no namorona izany? 🇺🇸
Ry zareo Amerikana no nanao izany voalohany nandritra ny ady tao Vietnam, nalatsak’izy ireo ny orana mba hatonga ireo miaramila vietnamiana ho sahirana

4️⃣ Inona no manakana tsy hanaovana izany ho an’ny kere any atsimo? 🪾
Tsy maintsy misy rahona , kanefa ny rahona dia tsy miforona raha tsy misy rano eny ambony tany izay mivadika entona rehefa tratran’ny masoandro. Ny any atsimo nefa maina be ny tany.

5️⃣ Inona no vokadratsin’ny orana artifisialy? 🚫
-Tsy ara-pahasalamana ny akora "iodure d’argent" izay anaty orana raha tsy hay ny mandanjalanja ny fatrany.
-Tsy misy mitovy ny rahona na iray aza, ka tsy azo vinavinaina mialoha ny ho vokatra: mety tsy hisy, mety hitarika avandra, mety hitarika tondra-drano sns. Fehiny: Lafo dia lafo nefa tsy azo antoka foana ny mety ho vokatra, izany hoe "maka risque" ny fanaovana azy.

🤔🤔 Inona avy no antony mahavery ny zom-pirenena malagasy? Marihina aloha fa:💡Ny resaka zom-pirenena malagasy dia voafari...
25/10/2025

🤔🤔 Inona avy no antony mahavery ny zom-pirenena malagasy?

Marihina aloha fa:

💡Ny resaka zom-pirenena malagasy dia voafaritra anaty « Code de la nationalité malagasy » (Ordonnance n° 60‑064 du 22 juillet 1960)

💡Misy ny perte de nationalité (very zo noho ny fangatahany na noho ny lalàna) sy ny déchéance de nationalité (sazy omen’ny fanjakana malagasy)

🟥 PERTE DE NATIONALITÉ raha:
1️⃣ Malagasy feno taona, mangataka ary mahazo zom-pirenena vahiny.

2️⃣ Malagasy manao fangatahana hiala amin’ny zom-pirenena malagasy (na zaza tsy ampy taona aza)

3️⃣ Vehivavy malagasy manambady vahiny ka misafidy ny haka ny zom-pirenena an’ny vadiny vahiny

4️⃣ Malagasy manana zom-pirenena vahiny (tsy nangatahany), ary mitondra tena tahaka ny olom-pirenena vahiny (mifidy, miasa ho an’ny fanjakana vahiny)

5️⃣Malagasy miasa amin’ny fanjakana na tafika vahiny ary tsy manaiky hiala amin’izany na dia efa nasain’ny fanjakana aza

🟩 METY HO TRATRAN’NY DECHÉANCE raha:
1️⃣Voaheloka noho ny heloka manohitra ny fiarovana anatiny na ivelan’ny Fanjakana (espionnage, trahison).

2️⃣Manala baraka na manompa ny Lalàmpanorenana na ny andrim-panjakana.

3️⃣Mitsipaka ny adidiny amin’ny fanompoam-pirenena na miaramila.

4️⃣Manao asa manimba ny tombontsoan’i Madagasikara.

5️⃣Voaheloka noho ny heloka bevava mavesatra nahazoana sazy fara-fahakeliny dimy taona an-tranomaizina, na teto an-tanindrazana na any ivelany.

🤔🤔 Ary mbola azo atao ve ny miverina maka zom-pirenena malagasy efa very?
ENY, saingy misy fepetra:
1️⃣ Efa nanana ny zom-pirenena malagasy taloha
2️⃣ Mipetraka ao Madagasikara
3️⃣ Manao fangatahana amin’ny fanjakana malagasy ary izy ireo no manao fanadihadiana hoe feno ve ny fepetra hamerenana anao ny zom-pirenena malagasy

Manasa anao hizara raha nahasoa anao 🙏

🤔🤔 Azonao ve? Manova inona moa ny décret manala ny zom-pirenena malagasy an’i Andry Rajoelina nefa raha ny lalàna dia ef...
24/10/2025

🤔🤔 Azonao ve? Manova inona moa ny décret manala ny zom-pirenena malagasy an’i Andry Rajoelina nefa raha ny lalàna dia efa tsy malagasy intsony izy vao naka zom-pirenena frantsay?

💡 Ny code de la nationalité malgache, art 42 dia milaza hoe "Perd la nationalité malgache, le Malgache majeur qui acquiert volontairement une nationalité étrangère".

➡️ Vantany vao nangataka ny zom-pirenena hafa ny malagasy iray dia very "théoriquement" ny zom-pirenena malagasy ananany

➡️ Saingy raha tsy "constatée" na "opposable" izany hoe raha tsy misy ny décret avoakan’ny fanjakana, dia mbola azo raisina toy ny malagasy rehetra iny olona iny

ℹ️ Raha atao sarisary : misy olona hitanao nangalatra, dia azonao lazaina hoe mpangalatra iny olona iny, saingy raha tsy didim-pitsarana tsy afaka managadra azy fa mety mbola hitanao mivezivezy eny rehetra eny iny mpangalatra iny toy ny olona tsy nangalatra.

⚠️ ️ Raha hitarina kely ?
1️⃣ Tsy ilay Andry Rajoelina filoha no tsy ara-dalàna, fa ilay décret tsy nivoaka nanala ny maha-malagasy azy ka lasa namela azy ho filoha. Nefa moa nony fantatra ilay izy dia ny gouvernement nentiny no tokony namoaka ilay décret, mission impossible ? Ny HCC koa nijery fotsiny...

2️⃣ Manomboka androany vao tsy afaka mirotsaka ho filoha intsony i Andry Rajoelina

3️⃣ Fitsarana ny heloka vitany raha misy: Raha toa ka ivelan’i Madagasikara i Andry Rajoelina, dia mila manao "demande d’extradition" an’izay firenena misy azy ny fanjakana malagasy, izany hoe mangataka mba hamerenana azy ao Madagasikara hotsarain’ny fitsarana malagasy. Maro ny firenena manaiky izany, saingy sarotra kosa raha mitoetra ao Frantsa izy satria i Frantsa dia tsy manao extradition velively ny frantsay (art 696-4 du Code de procédure pénale français) ho ana firenena hafa.

Dia ahoana izany? ➡️ Afaka mangataka ny fitsarana frantsay hitsara azy ny fanjakana malagasy, izay ilay hoe "principe de la personnalité active" (art 113-6 du Code pénal français).

❓️Fanontaniana: handrarana azy tsy hilatsaka ve no antony namoahana izao décret izao? Raha tsy izany, ahoana ireo malagasy marobe naka nationalité vahiny maneran-tany? Décret politique ve izany ity?

Zarao raha mety mahasoa ny hafa

🤔🤔 PUBLICATION FRANC-MAÇONNERIE NOFAFAINA? ‼️ Raha nametraka ahiahy isika anio maraina hoe sao misy resaka franc-maçonne...
21/10/2025

🤔🤔 PUBLICATION FRANC-MAÇONNERIE NOFAFAINA?

‼️ Raha nametraka ahiahy isika anio maraina hoe sao misy resaka franc-maçonnerie izao fanendrena PM vaovao izao, dia nisy ity publication ity koa niparitaka tato. Marihina moa fa franc-maçon tsy miafina ary tena manandratra avo ny franc-maçonnerie ity rangaha naman’i PM vaovao ity. Saingy mahagaga fa nofafainy izao hariva izao ilay publication, efa io nambarany io moa ny antony.

💡Inona moa ilay "Ordre de la Fayette"? Raha anontaniana i Google dia milaza hoe "L’Ordre de la Fayette vise à reconnaître des francs-maçons « méritants » ou engagés dans les valeurs maçonniques (fraternité, service, liberté) et utilise le nom de Marie‑Joseph Paul Roch Yves Gilbert du Motier, marquis de La Fayette (plus simplement «La Fayette») comme symbole."

PM VAOVAO, TSY AZONAY INTSONY, MAHAGAGA ?- Shhh, mankaleo mbola akaman’i **** sy i ****, mifankahalala daholo zareo- I d...
21/10/2025

PM VAOVAO, TSY AZONAY INTSONY, MAHAGAGA ?

- Shhh, mankaleo mbola akaman’i **** sy i ****, mifankahalala daholo zareo
- I député *** aza mpitarika ny fanoherana nefa nanaiky azy kosa e
- Raha te hahazo fankatoavana iraisam-pirenena aingana dia izy no mahavita azy
- Nisy dinosaure politique be izay anie tonga nifampiresaka taminy sy nitso-drano azy e

Dia hoy aho hoe: sao mba misy sehatra iombonan’izy ireo rehetra kosa e? Mety hoy aho an... 😉 Noeriteretinao ve izay ry président Colonnel Mickael rehefa nanoro hevitra anao ireo olona rehetra ireo.

NY MARINA MOMBA NY PROJET TELEPHERIQUE ? TENA ILAY IZY HOE TSY LAHARAM-PAHAMEHANA VE NO OLANA? ✍️Tamin'ny Décembre 2021 ...
18/10/2025

NY MARINA MOMBA NY PROJET TELEPHERIQUE ? TENA ILAY IZY HOE TSY LAHARAM-PAHAMEHANA VE NO OLANA?

✍️Tamin'ny Décembre 2021 dia nanao sonia fifanarahana i Frantsa sy Madagasikara amin’ny famatsiam-bola ilay téléhérique mitentina 152 tapitrisa euros, amin’ny alalan’ny fampindramam-bola frantsay. Orinasa frantsay 2 no nahazo ny marché: Colas sy Poma, tsy nisy fifaninanana na hoe "mise en concurrence" fa tonga dia azon'izy ireo avy hatrany.

Raha fehezina izany:
1️⃣Nindram-bola tamin'i Frantsa i Madagasikara
2️⃣ Iny vola nindramina iny no andoavan'i Madagasikara ny vola entin'ny orinasa Poma sy Colas manao ny asa, izay orinasa frantsay ihany
3️⃣Rehefa vita sy mandeha ilay téléphérique dia entina anoloana ny volan'i Frantsa ny vola miditra aminy (vidina tickets)
😞 Mazava ho azy fa raha ny lafiny ara-ekonomika, dia vola mivoaka tanteraka ho an'i Madagasikara ary vola miditra tanteraka ho an'i Frantsa iny tetikasa iny.

🧿 Rehefa nanontanian'ny parlementaire frantsay i Bruno Le Maire, minisitra tamin'izany fotoana, momba ny famatsiana io téléphérique io, dia toy izao anaty sary izao no navaliny. Mazava be ny valiteniny raha tsorina: nihena ny tetikasa téléphérique an'ireo orinasa ireo noho ny covid 19 ka tsy maintsy naka tetikasa toy izao hitazomana ny orinasa sy ny mpiasa.

🤔Na tiana na tsy tiana, tsy maintsy apetraka izany ny fanontaniana hoe: Tena ho an'ny malagasy tokoa ve iny téléphérique iny saingy tsy laharam-pahamehana fotsiny no naharatsy azy ? Sa ve izao ilay antsoina hoe "conflit 'intérêt" vokatry ny nationalité frantsay an'i Andry Rajoelina ka tena ho an'i Lafrantsa ranoray no anton'iny tetikasa iny?

Ny tsirairay dia mahavaly azy raha ireo voatanisa ireo...

HANDROSO AMIN'IZAY VE I MADAGASIKARA?TEMPS DE LECTURE: 4 MIN MAX🧿 Dingana lehibe ho amin’ny fampandrosoana ny firenena i...
18/10/2025

HANDROSO AMIN'IZAY VE I MADAGASIKARA?

TEMPS DE LECTURE: 4 MIN MAX

🧿 Dingana lehibe ho amin’ny fampandrosoana ny firenena iray ny fialan’ny mpitondra tsy mahomby. Rehefa misolo nefa ve ny mpitondra dia mandroso be amin’izay afaka 1 volana ? Mivaha daholo ny olana afaka 1 volana ?

Andao hazavaina 💡

Tsara aloha ny manavaka tsara ny atao hoe « FIRENENA MIODINA » sy « FIRENENA MANDROSO »

🔁 Raha oharina amin’ny tokantrano iray, MIODINA ny tokantrano rehefa afaka misakafo, mampianatra ny zanaka, mitsabo tena rehefa marary sns. Tsy voatery eto hoe manana be dia be, fa na « besoin minimum » fotsiny aza. MANDROSO kosa ny tokantrano rehefa afaka mitondra fanavaozana sy fanatsarana, ohatra : manampy décoration sy meubles ao an-trano, manorina trano vaovao, mandeha vacances, sns.

Toy izany koa ny firenena iray. Marihina fa afaka sady MIODINA no MANDROSO ny firenena iray, raha MAHAY MANDRINDRA NY MPITONDRA, ny OLANA matetika dia maika HAMPANDROSO (autoroute, téléphérique, stade), nefa MBOLA TSY MIODINA TSARA, ka mahatonga ny fahatezeram-bahoaka sy crise misesisesy. 👎
✅️ ALEO KOKOA aza hoe miodina tsara aloha ny firenena dia manampy amin’ny fampandrosoana ho azy ny vahoaka ao anatiny. 👍

FEHINY :
1️⃣ Raha te hiodina tsara i Madagasikara, tsy voatery manam-bola be, fa mila manana izay ampy ary mila mahay mampiasa sy mitsinjara izay ananana. Ohatra : ampitomboana ny budget an’ny ministera iray (santé, énergie, enseignement), ary ahena na hajanona izay tsy laharam-pamehana (député, sénat, présidence, grands projets de développement,…)

2️⃣ Raha te handroso kosa, dia mila manana vola miditra mihoatra ny vola mivoaka hafahana manatanteraka projets vaovao. Izay ilay antsoina hoe « balance excédentaire ». Mba hatongavana amin’izany dia mila ampitomboina ny vola miditra, ary ahena (na fara-faharatsiny tsy ampitomboina) ny vola mivoaka.

➡️Ny vola miditra 💰: hetra, fizahantany, fanondranana sns… Raha maka ohatra tsotsotra : raha tiana hivelatra ny fizahan-tany dia priorité ny resaka sécurité. Raha tiana hitombo ny fanondranana entana dia mila ampiakarina ny kalitao an’ny entana aondrana (oh : vanille).

⬅️Ny vola mivoaka 💵 dia izay voafaritra anatin’ny budget mandritra ny « loi de finance ». Azo ahena tsara ny vola mivoaka, ohatra : ahena ny fanafarana VARY. Raha tsy te hanafatra vary nefa isika dia mila mampitombo ny vokatra mba haleo tena, mila ampiana ireo tantsaha, ary hatsaraina ny lalana hitaterana ny vokatra. TSY MANDROSO ny firenena rehefa manatsara lalana tompoko fa MIODINA. Izany hoe tokony ampidirina anaty « besoin minimum » ny « fanatsarana » an’izay simba eo am-pelantanana.

🤝 Momba ny vola miditra, azo atao koa ny mitrosa, nefa tena vahaolana ve ? Ndao hojerentsika hoe nahoana ny TROSA no vola miditra anio nefa vola be mivoaka rahampitso.

Toy izao hita anaty sary izao raha atao tsotsotra ny fitsinjaran’ny budget malagasy [source : (Tome 2 du budget, rapport AVD, et publications du ministère des Finances). Nahoana ny « Ministère de l’Economie et des Finances » no manana budget ambony dia ambony, avo 3 heny hatramin’ny avo 10 heny noho ireo fandaniana hafa ? Mihotran’ny 60% amin’ny budget an’io ministera io dia natokana ho an’ny « service de la dette », izany hoe handoavana ny trosan’i Madagasikara. Na io trosa ivelany (BM, FMI, firenena hafa,sns..) na io trosa anatiny (ilay antsoina bon de trésors amin’ny Banky malagasy ohatra). Io trosa io nefa dia tsy maintsy aloha. Marihina fa eo ho eo amin’ny 32 milliards Ariary ny trosa malagasy ankehitriny (84% trosa ivelany)

❌️ Mazava arak’izany fa tsy vahaolana ny trosa, ary mila ajanona hatreto ny fitrosana ary alamina ny trosa eo am-pelantanana. MAHAY NY MPITONDRA IRAY, rehefa mahavita mampihena ny vola aloha amin’ny trosa io ilay antsoina hoe « roulement de la dette » (saingy mitombo ny fotoana andoavana sy ny zana-bola), na manafoana ampahany na tanteraka ny trosa. Tsy midika anefa izany hoe tsy mahazo famatsiana intsony, saingy hainy ny maka izany amin’ny alalan’ny DONS, saingy kosa DONS TSY MISY TAMBINY HAFA IZAY MAMESATRA NY FIRENENA. Ny dons tsy maintsy misy takalony, fa raha ohatra moa ny takalony hoe "mampindrana tafika hanampy anaty ady" na "manome fampiofanana ny teknisiana vahiny" ohatra, inona no olana ?

👍Koa satria vola no resahina, dia laharam-pahamehana N°1 aloha ny fametrahana rafitra mahomby manara-maso ny fampiasana ny vola raha tsy izany dia tsy misy dikany izay kajy atao.

💡 🧿
FEHINY : IZAY MPANAO POLITIKA MILAZA AMINAO FA HANDROSO BE ANATY 5 TAONA I MADAGASIKARA DIA FANTARO FA MPANDAINGA ! RAHA TSY MIODINA NY FIRENENA, MILAMINA NY FANDOAVANA NY TROSA, TSY MIHOAPAMPANA NY TROSA VAOVAO, ARY MIHOATRA NY VOLA MIVOAKA NY VOLA MIDITRA, dia tsy hisy fandrosoana azo eritreretina izany.

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when EYES . ny lalana? posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share