EYES . ny lalana?

Directions

EYES . ny lalana? EYES (se lit "aɪz", signifie "yeux", Aiza = où?). Ouvrir les yeux pour observer et apprendre pour savoir où est-ce qu'on souhaite aller...

Cette page éducative est destinée à toute personne qui croit et souhaite contribuer au développement de Madagascar.

-25 septambra 2025 💶 1 Euro = 5 150 Ariary -25 septambra 2026 💶 1 Euro = 5 032 Ariary 1 taona aty aoriana, miarina ve ny...
26/09/2026

-25 septambra 2025 💶 1 Euro = 5 150 Ariary
-25 septambra 2026 💶 1 Euro = 5 032 Ariary

1 taona aty aoriana, miarina ve ny toekarena malagasy? Anisan’ny fomba fandrefesana ny fivoaran’ny ekonomia, dia ny lanjan’ny vola malagasy 💰💰💰. Raha ny fivoarany tao anatin’ny erin-taona dia azo lazaina fa misy fihatsarana, na dia mbola ambany dia ambany aza ny lanjan’ny Ariary.

Moa ve fantatrao hoe ahoana no mampidina na mampiakatra ny sandan’ny Ariary manoloana ny vola vahiny toy ny Euro?

Fanazavana amin’ny fomba tsotra 👇👇

Zarao raha nahasoa anao.

⚠️Ceci n’est pas un hommage, mais matière à réflexion ... Enfant, il rêvait du FC Barcelone. Son nom a finalement fait l...
01/09/2026

⚠️Ceci n’est pas un hommage, mais matière à réflexion ...

Enfant, il rêvait du FC Barcelone. Son nom a finalement fait la une pour une tout autre raison...

Nix, présenté comme l’un des meutriers de Stéphanie et Haingotiana, était autrefois connu à 67 Ha comme un enfant doué au football, souriant, serviable, aimé de ses proches.

Alors une question dérange : que s’est-il passé entre l’enfant qui rêvait de devenir footballeur et l’homme associé aujourd’hui à cette tragédie ?

Quels chemins a-t-il empruntés ?
Quelles rencontres a-t-il faites ?
Quelles blessures, quelles frustrations, quelles mauvaises décisions, quelles influences ont progressivement détourné sa trajectoire ?

⚠️⚠️ Comprendre ne signifie pas excuser. Les victimes et leurs familles doivent rester au centre de notre pensée.🕊

Mais cette histoire doit aussi nous interroger : combien de jeunes autour de nous sont en train de s’égarer pendant que nous regardons ailleurs ?

Car personne ne naît avec écrit sur le front : « futur criminel ».
Nous commençons presque tous avec une âme d’enfant, des rêves simples, une certaine innocence et cette conviction naïve que le monde nous appartient. Mais cette innocence est fragile. Elle ressemble à une fleur : abandonnée trop longtemps, privée d’attention, de repères, d’éducation, de présence et d’espérance, elle peut finir par se faner.

Parents, école, famille, amis, associations, églises, quartier : nous avons tous un rôle à jouer.

OBSERVONS AUTOUR DE NOUS au moment de lire ces mots. Un petit frère, un cousin, un neveu, un ami....Nous avons peut-être tous un “Nix” autour de nous : un adolescent , un jeune qui hier encore était un enfant avec des rêves, mais dont la trajectoire commence à basculer.

Prenons soin d’eux avant que la rue, la violence ou le désespoir ne leur en proposent d’autres.

🙏 Faisons circuler

30/08/2026



Indro sombiny amin’ireo fakana an-tsary ny fanadiadiana natao ireo nahavanon-doza. Rentsika eto ny nanomanan’izy 4 dahy ilay tetika. Marihina moa fa i Sitraka, Aldo sy Larry no tratra voalohany dia nohenoina. Tratra avy eo kosa i Nix (rasta) ary nohenoina mitokana.

Tsy mpanao enquête aho, tsy milaza ho mahafantatra ny marina, fa izay hananako no zaraiko.

Averiko ihany, ny tanjon’ny partage eto dia:
1️⃣Hanala izay ahiahy mety diso toerana ka vao maika hanakorontana ny sain’ny vahoaka malagasy (ohatra hoe: complice ny fitondrana, olona tsy nisy akory ireny fa nokaramaina dia mody natao flou, na hoe tsy maty akory zareo)
2️⃣Hitondra fampieritreretana ho an’ireo mijery izany indrindra ireo tanora mba hakana lesona

Raha ny voalazan’izy ireo no marina, ny anatra azo raisina :
✳️Mampieritreritra antsika (indrindra tovovavy) hitandrina amin’ny zavatra asehontsika amin’ny réseau ary indrindra ny olona hizarantsika izany. Niainga tamin’ny fiheverana hoe manam-bola be i Stéphanie ilay teti-dratsy
✳️Mampieritreritra antsika (indrindra tovovavy) ho mailo raha misy mitondra amina toerana hafahafa na mitokantokana (indrindra raha misy olona tsy fantatra na efa hita fa hafahafa)
✳️Tena misy tokoa ilay lazain’ny ray aman-drenintsika hoe tandremo ny naman-dratsy : ao ireo izay mahavita manao ratsy anao (i Aldo naman’i Stephanie) na ireo izay mitarika anao amin’ny fahaverezana (i Larry notarihin’i Sitraka)
✳️Mba hajanony hatreo ny hoe "mahazaka rongony", tsy misy olona mahazaka rongony izany raha tsy izany izy io tsy hofohana. Ny effets an’io mihitsy no antony hifohana azy. Ny effets fotsiny no samihafa : ao no lasa maranin-tsaina be, ao no mahazo inspiration, ao ny mivanitika be, ao no lasa biby mamono olona sns. Ka rehefa ilay effets manimba ny hafa no mitranga aminao dia aza fohana re!
✳️Mampieritreritra antsika mba hijoro amin’ny hevitsika na misy mitarika aza, rehefa tsy resy lahatra. Ilay hoe i Nix tsy nahafantatra akory hoe iza i Sitraka (ilay sofera no niantsoany azy) nefa dia noho ny hena-maso te ho bandibandy dia nanaraka ilay action teny. I Haingotiana izay efa naika tsy handeha fa hoe lavitra loatra ilay Ambohimanga Rova.
✳️Ho antsika ray aman-dreny, aza lany rora mananatra sy manoro ireo zanantsika, mba zaharo amin’ny lalana tokony aleha ny ankizy (activité, association, sport, asam-piangonana, sns ) fa rehefa tsy ianareo na ny fikambanana no hitaiza aza, dia tsy maintsy ny arabe no hanabe azy. Ary raha mbola ambany tafonao ny zanakao , aza reraka mandinika sy manadihady azy raha misy zavatra tsy mazava aminao fa aza mionona fotsiny hoe misakafo sy matory ao an-trano izy fa tsy hotely ny tokantrano.
✳️Ry tanora malagasy, aza manahaka fatany izay hita any ivelany fa isika malagasy manana fahendrena sy rindram-piarahamonina mampiavaka antsika
✳️Farany, indraindray koa isika mety solafaka, aza mba manao hoe "tsy maintsy faranana izay natomboka" fa azo atao foana ny miova hevitra

Sns.

Mazava kokoa ankehitriny ny fizoratran’ny tantara.

Misy zavatra mbola tsy mazava na izany aza:
⚠️Tsy mazava ilay Sitraka, tsy mba hoe hanendaka no tao an-tsainy fa tonga dia hamono (sao dia nisy naniraka)
⚠️Tsy mazava ilay hoe Ambohimanga Rova no nosafidiny izay tena lavitra an’Ambodivona (resaka sorona?)
⚠️Tsy mazava ilay Sitraka naka oronan-tsary ilay maty: toy ny hoe nisy naniraka ka manaporofo hoe vita ny mission
⚠️Tsy mazava ilay hoe nanao reconstitution dia olona menottés, malemy avy natao audition adin’ny firy sady tsy misy fitaovana nefa nahavita nanohitra ireo zandary
⚠️Tsy mazava ilay hoe tsy mba "neutralisé-na" ireto izy ka ambany no notifirina, fa tonga dia tifitra mahafaty daholo (misy marina tsy tiana hivoaka?)

✴️ Inoana fa tsy ho soratra miakatra hatreo iny raharaha iny fa mba hitohy ny fanadiadiana ary hivoaka ny marina.

⚜️ Ho an’ny ankamaroan’ny malagasy nahita ity sarin’ny minisitry ny fitsarana frantsay sy ny minisitry ny fitsarana mala...
25/02/2026

⚜️ Ho an’ny ankamaroan’ny malagasy nahita ity sarin’ny minisitry ny fitsarana frantsay sy ny minisitry ny fitsarana malagasy ity dia tsy maintsy tonga ao an-tsaina voalohany ny hoe ahoana no hifanampiana mba hitsarana an’i Rajoelina izay olompirenena frantsay ? Raha ny vaovao farany dia tsy voaresaka ny momba an’izay.

MADAGASCAR 🇲🇬 X RUSSIE 🇷🇺FITSINJOVANA NY MALAGASY SA FITSINJOVANA AN’I SITENY ❓️❓️👉👉 ALEO ASINA HISTORIQUE KELY, DIA NY ...
22/02/2026

MADAGASCAR 🇲🇬 X RUSSIE 🇷🇺
FITSINJOVANA NY MALAGASY SA FITSINJOVANA AN’I SITENY ❓️❓️

👉👉 ALEO ASINA HISTORIQUE KELY, DIA NY TSIRAIRAY NO AVELA HAMALY NY FANOTANIANA

Vantany vao nandray ny fitondrana ny colonnel Mickael Randrianirina, dia hita nahazo vahana i Siteny Randrianasoloniaiko. Naniry ary voafidy ho filohan’ny antenimeram-pirenena avy hatrany izy. Marihina moa fa ny filohan’ny antenimeram-pirenena dia manana toerana lehibe eo amin’ny lafiny ara-diplomatika. Andao tsiahivina ny tantara :

▶️ 2018: fifidianana filoham-pirenena. Fantatra fa nisy candidats maromaro nantonin’i Wagner (milice russe) mba omena famatsiana. Ohatra: Pasteur Mailhol, Omer Beriziky, samy nanaiky izy ireo fa nisy russe niantso sy namatsy azy.

▶️ 2023: fifidianana filoham-pirenena. Tsy nanaiky fa nitady candidat vaovao hovatsiana ny russe. Nandeha ny resaka fa tsy mazava ny famatsiam-bolan’ny candidat Siteny. Fantatra nefa fa nisy fifandraisana akaiky tamin’i Marius Vizer, teretany roumain, izay président an’ny fédération internationale de judo ary naman’ny président russe Vladimir Poutine akaiky. Ny zanak’i Marius Vizer, antsoina hoe Marius Vizer Jr , dia manana orinasa "Liberty Madagascar" mpitrandraka mines izay hiarahany mitantana miaraka amin’i Siteny efa mihoatra ny 10 taona izao raha ny vaovao mandeha.

▶️ 2023-2025: fitondrana Rajoelina. Nafana fo mihitsy ny député Siteny nitarika ny fanoherana momba ny tetikasa "Base Toliara" izay hiombonan’ny australiana sy amerikana. Nitarika ireo vahoaka nanohatra ity tetikasa ity izy, satria ahina hisy voka-dratsy amin’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana izany, nefa tsy nisy fifampiresahana tamin’ny vahoaka akory.

‼️ Fantatra moa fa mahaliana mafy ny russe ny fitrandrahana mines ao Madagasikara indrindra ity tetikasa ity, izay tokony hamokatra isan-taona: ilménite 800 000 tonnes, rutile 54 000 tonnes, zircon sy monazite sns., ireo singa ireo dia ilaina mafy amin’ny fampandrosoana ny angovo azo avaozina sy ny voiture électrique manerantany.

🤔🤔 Tena fitsinjovana ny vahoaka ve no nijoroan’i Siteny sa fiarovana ilay tetikasa tsy ho azon’ny firenena hafa ?

▶️ 2025: voafidy ho filohan’ny antenimeram-pirenena i Siteny . Avy hatrany dia nitondra délégation parlementaire tany Russie ny 5-10 Novembre 2025 ary nikarakara fihaonana tamin’ny filoha Mickael sy ny diplomatie russe tao Madagasikara. Votoatin-dresaka ny fiaraha-miasa: i Russie hanampy amin’ny resaka angovo sy fitaovam-piadiana, Madagasikara hanome vahana ny russe amin’ny fitrandrahana mines

▶️ Février 2026: fihaonan’ny filoha malagasy Mickael sy ny filoha russe Vladimir Poutine, manamafy ireo fiaraha-miasa voalaza teo aloha

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when EYES . ny lalana? posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share