Centre Joyeux

Directions

Centre Joyeux Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Centre Joyeux, Nonprofit Organization, Bel'Air Ampandrana, Antananarivo.

Centre d'éveil précoce et classe adaptée pour enfant trisomique🎨📚
| Des activités ludiques et essentielles au développement de nos petits bambins |
✨La différence est une richesse✨ Ensemble pour le meilleur d'un enfant trisomique ✨

🎒 Mbola misokatra ny fisoratana anarana ato amin'ny  ! Tontolo mifanaraka sy miahy ny hoavin'ny zanakao.Ny ankizy rehetr...
19/08/2026

🎒 Mbola misokatra ny fisoratana anarana ato amin'ny ! Tontolo mifanaraka sy miahy ny hoavin'ny zanakao.

Ny ankizy rehetra dia samy manana ny talentany sy ny fahaizana mampiavaka azy. Eto amin'ny - Madatriso na Madagascar Trisomie 21, dia vonona hifampitantana amintsika Ray amandreny, hanampy ny ankizy sy tanora mitondra ny mba hisitraka fanabeazana, hivoatra, ary ahita fifaliana amin'ny fianarana.
Ireto ary ny tolotra misy eto Centre Joyeux amin'ity 2026-2027 ity:
🧠 Fanabeazana mifanaraka amin'ny filany: Mampiasa ny Méthode Montessori mba hanampiana azy andeha ho an'ny @ fahaleovan-tena, hifantoka, ary hanana fahatokisan-tena.
🩺 Fandraisana an-tanana therapeutique: Kinésithérapie, ergothérapie, ary rééducation du langage.
📚 Médiathèque & Fivoaran'ny saina: Toerana natokana ho an'ny fahaiza-mamorona, ny kanto, ny famakian-boky, ary ny fiarahamonina.
🌈Matihanina, nianatra manokana momba ny fandraisan-tanana ny ankizy hafakely no misehatra ato Centre Joyeux, (éducateurs spécialisés, personnel multidisciplinaire pour la petite enfance, kinésithérapeute).
🚌 Fa misy ihany koa ny NAVETTE DE L'INCLUSION izay natolotry ny manao ny transport scolaire ho an'ny ankizy.

🌈 Satria moa eo ambany fiahian'ny Association na Madagascar Trisomie 21 ny dia miezaka izahay mba ho mirary ny fandraisana anjara alohan'ny Ray amandreny. Ny tanjona dia ny mba hisitrahan'ny zanantsika izany fanabeazana izany; izay anisan'ny zo fototra maha-olona.
💬 « Ny fahasamihafana dia harena. Miara-miasa isika hanome ny tsara indrindra ho an'ny zanatsika! »
❓ Inona no sakana na tahotra anananao momba ny fianaran'ny zanakao? Soraty ao amin'ny fanehoan-kevitra na alefaso amin'ny hafatra ao amin'ny Messenger (MP), vonona hanampy anao izahay.

🌈 CENTRE JOYEUX – LES INSCRIPTIONS SONT OUVERTES !
Parce que chaque enfant mérite d’être accompagné selon ses besoins et à son propre rythme, a créé le Centre JOYEUX, un espace d’accompagnement dédié aux enfants porteurs de trisomie 21.

Au Centre JOYEUX, nous proposons notamment :
🧩 accompagnement éducatif spécialisé
🧠 activités d’éveil et de stimulation
❤️ accompagnement vers l’autonomie
🤸‍♀️ accompagnement en kinésithérapie
📚 activités pédagogiques adaptées
🤝 un environnement bienveillant favorisant la socialisation

📲 Raha hanao fisoratana anarana na hitsidika ny Centre Joyeux: 0343061132
📞 Téléphone / WhatsApp : +261388770387
📍 Toerana : Centre Joyeux Bel Air Ampandrana

02/07/2026

Ensemble pour le meilleur de nos enfants trisomiques 🫶💛💙

Ry ray aman-dreny manan-janaka hafakely,🥰Amin-kafaliana no anambarana fa efa misokatra ny fisoratana anarana ho an'ny za...
29/06/2026

Ry ray aman-dreny manan-janaka hafakely,🥰
Amin-kafaliana no anambarana fa efa misokatra ny fisoratana anarana ho an'ny zanatsika ao Centre Joyeux ho amin'ity taom-pianarana 2026-2027 ity! 🎨
💛Fahatokisan-tena sy fitiavana: Eto, ny zanakao dia tsy mpianatra fotsiny fa ampahany manan-danja amin'ny fiaraha-monina.
💛Fampianarana mifanaraka amin'ny filany: Mampiasa ny Méthode Montessori izahay mba hanome vahana ny fahaiza-manao manokana sy ny fahavitan-tena (autonomie).
💛Tontolo iray miahy: Ny ekipanay dia manome lanja ny fanabeazana mampiaty izay manome sehatra ny fanabeazana mifanaraka amin'ny filan'ny tsirairay.
🍀Satria ny tsirairay dia samy manana ny talentany, ary ny fahasamihafana no hery mampivoatra antsika.

💬 Ndao ary hiresaka malalaka isika: inona no mety ho sakana tsy handefasanao azy hianatra?
👉Tahotra ve? Fitaterana? Sa olana ara-pitaovana? Soraty ao amin'ny fanehoan-kevitra, fa eto izahay sy ny na Madagascar Trisomie 21, hihaino, hanampy, ary hiara-hitady vahaolana aminao. Tsy irery ianao!
🤝 Mifampitantana isika ho @ fiainana tsara kokoa ho azy ireo sy miaraka amin'izy ireo





Tratry ny Fety daholo ooo
25/06/2026

Tratry ny Fety daholo ooo

26 Jiona 2026 – Fetin'ny Fahaleovan-tena🥳
Ankalazain-tsika anaty Fitiavana sy ny Firaisan-kina izany!

Amin'izao fankalazana ny Fahaleovantenan'i Madagasikara izao, dia manasa antsika ahatsiahy fa ny tena hery sy voninahitry ny Firenen-tsika dia ny firaisan-kina sy ny fifanajana🫶.

Ny Fahaleovantena dia tsy ho an'ny sasany ihany, fa ho an'ny rehetra – na iza na iza isika, na inona na inona ny maha-samihafa antsika, dia samy mendrika hanana fiainana tsara, hisitraka fiarovana, fitiavana, fitsaboana, fanabeazana.

🥰Andao isika hanohana ireo olona hafakely sy ireo manana fahasembanana,
🥰 Andao isika hiezaka hanalavitra ny fanilikilihana,
🥰Andao isika hifampitantana ho an'ny fampiatiana

Samia ho tahian'Andriamanitra daholo o!!🇲🇬


🚨 HO ANTSIKA REHETRA: TOLOTRA HAFAKELY ENY AMIN'NY   🚨Ho antsika rehetra sahirana mitady toeram-pianarana ho an'ireo zan...
18/06/2026

🚨 HO ANTSIKA REHETRA: TOLOTRA HAFAKELY ENY AMIN'NY 🚨
Ho antsika rehetra sahirana mitady toeram-pianarana ho an'ireo zanantsika ho an'ny taom-pianarana 2026-2027,
Ny Centre Joyeux dia faly mizara amintsika ray aman-dreny fa mahazo fihenam-bady -50% 🎁amin'ny saram-pisoratana anarana rehefa misoratra anarana mivantana eny amin'ny EVENT'21 ny Asabotsy 20 jona ho avy izao
👉 Aza misalasala!! Manatòna ny trano heva (stand) an'ny Centre Joyeux eny amin'ny Kianja Barea P2 mandritra ny
📅 Daty: 20 Jona 2026
📍 Toerana: Kianja Barea P2
Eny an-toerana ihany io tolotra io ka aza tara! Andao hifanohana ary hiara-hifaly, ary hiaraka hampiaty ireo zanaka ireo! 🌟

02/04/2026

Miarahaba o,
Ho fiaraha-mientana @ fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an'' ny Autisme dia antsoina isika rehetra hifanotrona amin'izy ireo eny Centre Joyeux Vohibola Bel'Air androany 02 Aprily @ 09 ora maraina.
Manao polo Madatriso izay afaka o!
Mankasitraka hatrany @ fiaraha mientana e!

Miarahaba oo, Araky ny fanambarana avy @ DREN dia tsy mianatra ny ankizy eto Centre Joyeux rahampitso.Dia samia tahian'A...
10/02/2026

Miarahaba oo,
Araky ny fanambarana avy @ DREN dia tsy mianatra ny ankizy eto Centre Joyeux rahampitso.
Dia samia tahian'Andriamanitra hatrany o,

Miarahaba antsika rehetra indray oo, 🥰Mino sy manantena fa salama daholo isika ary vonona indray hiatrika ny taona vaova...
08/01/2026

Miarahaba antsika rehetra indray oo, 🥰
Mino sy manantena fa salama daholo isika ary vonona indray hiatrika ny taona vaovao 2026! ☺️
Araky ny efa fantan-tsika dia mitohy ny fandraisan-tanana ny ankizy eto Centre Joyeux,
🌈Misy éducateurs mandray ny ankizy, ny tanjona dia ny hampivelatra sy hampivoatra, hifangaro @ ankizy hafa, fa indrindra koa dia ny ahavitany mikarakara ny tenany, mba tsy ho vesatra izy ao aoriana.
✅Manao lahasa isan-karazany ny ankizy, ary @ alalan'ny activités ludiques no tena hampitàna ny fampianarana,
Koa misy ihany koa ny matihanina, ny Kinésithérapeute, izay mandray ny ankizy isaky ny Talata sy Zoma,
🧩Ary afaka misitraka ny activité ao @ Médiathèque ihany koa izy ireo,
🎨Koa ho antsika mbola manana zanaka tsy misy fandraisan-tanana, dia manentana antsika hanantona ny Centre Joyeux eo Bel'Air, ao @ EPP Manarapenitra Vohibola fa vonona handray ny ankizy izahay,
Dia misaotra antsika mampisitraka ny ZO fototra ho an'ireo zanantsika ireo hatrany o, 🥰🥰
Samia ho tahian'Andriamanitra hatrany,




Madatriso

Address

Bel'Air Ampandrana
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Centre Joyeux posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share