16/06/2026
𝗪𝗲 𝗵𝗶𝗸𝗲 / 𝗪𝗲 𝗿𝗲𝗮𝗱 𝗭𝗼𝗸𝗶𝗻𝘆
Tontosa ny 23 Mey lasa teo ny dian-tongotra nataon’ny vondrona teny amin’ny Rovan’ny Mananjara Mahitsy:
⛰️🌿 Tanjona tamin’izany ny fampitomboana ny firaisankiana eo amin'ny mpikambana, ny fitsidihana ny toerana manantantara sy ny zavatra mampiavaka azy ary ny lehibe indrindra dia firesahana an’ireo lohahevitra izay hiseharan’ny fikambanana sy ireo vaovao malaza tsara ho fantatra eny ampandehanana an-tongotra eny
📚 💧 Nisy ihany koa ny fifampizarana sy vaky boky izay natao tamin’io andro io. “Boomerangs” an’i Pr Guillaume Decocq no noresadresahana tamin’izany. Ny hafatra fototra ampitain’ny boky moa dia fampatsiahivana ny olombelona amin’ny fiarovana ny tontolo iainana satria ny tsy fanaja ny natiora sy ny rohy voahary ihany no hiteraka zava-doza ho an’ny fahasalaman’ny olombelona
__________________________
Le 23 mai dernier, l'association a réalisé une randonnée au Rovan’ny Mananjara Mahitsy:
⛰️🌿 Cette activité avait pour objectifs de renforcer la cohésion entre les membres, de découvrir un site historique ainsi que ses particularités, et surtout d’échanger sur les thématiques portées par l’association ainsi que sur des sujets d’actualité intéressants tout au long de la marche
📚💧 Une séance de partage et de lecture a également été organisée au cours de cette journée. Le livre "Boomerangs" du Pr Guillaume Decocq a fait l’objet des discussions. Le message principal de cet ouvrage est de rappeler l’importance de la protection de l’environnement, en soulignant que le non-respect de la nature et de l'écosystème ne peut qu’engendrer des conséquences néfastes pour la santé humaine