FFKM Ofisialy

FFKM  Ofisialy FIOMBONAN'NY FIANGONANA KRISTIANA eto MADAGASIKARA Niorina tamin' ny taona 1980 io fiombonana io. Ao Anjohy Antananarivo ny foiben-toerany

Ny Fiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM) dia fikambanana ekiomenika iraisan' ny fiangonana kristiana vitsivitsy eto Madagasikara, dia ny Eglizy KatΓ΄lika ApΓ΄stΓ΄lika RΓ΄manina (EKAR) sy ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) sy ny Fiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) ary ny Eklesia Episkopaly Malagasy (EEM).

19/02/2026
14/02/2026
Mivavaka ho azy ireo isika
23/01/2026

Mivavaka ho azy ireo isika

"π‘¨π’π’Œπ’‚ π’Šπ’”π’Šπ’Œπ’‚ π’”π’‚π’Žπ’š π’‰π’Šπ’‡π’‚π’Žπ’‘π’Šπ’‰π’†π’—π’Šπ’•π’“π’‚ π’Œπ’‚ π’‰π’Šπ’‡π’‚π’Žπ’‘π’Šπ’“π’Šπ’”π’Šπ’Œπ’‚ π’‰π’‚π’Žπ’‘π’‚π’π’…π’“π’π’”π’ π’π’š π’‡π’Šπ’•π’Šπ’‚π’—π’‚π’π’‚ π’”π’š π’π’š 𝒂𝒔𝒂 𝒕𝒔𝒂𝒓𝒂" Heb 10:24✨️Notanterahina omal...
19/01/2026

"π‘¨π’π’Œπ’‚ π’Šπ’”π’Šπ’Œπ’‚ π’”π’‚π’Žπ’š π’‰π’Šπ’‡π’‚π’Žπ’‘π’Šπ’‰π’†π’—π’Šπ’•π’“π’‚ π’Œπ’‚ π’‰π’Šπ’‡π’‚π’Žπ’‘π’Šπ’“π’Šπ’”π’Šπ’Œπ’‚ π’‰π’‚π’Žπ’‘π’‚π’π’…π’“π’π’”π’ π’π’š π’‡π’Šπ’•π’Šπ’‚π’—π’‚π’π’‚ π’”π’š π’π’š 𝒂𝒔𝒂 𝒕𝒔𝒂𝒓𝒂" Heb 10:24

✨️Notanterahina omaly 18 Janoary 2026 tao amin'ny EKAR Andohalo ny ivon'ny fankalazana ny faha 45 taonan'ny FFKM sady famindram-pitantanana tamin'ny Filoha teo aloha MGR, RAOELISON Jean de Dieu avy amin'ny EKAR sy ny Filoha vaovao MGR, RANARIVELO Samoela Jaona avy amin'ny EEM.

β›ͺ️Tonga nanatrika izany fotoana izany ny filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika Col. RANDRIANIRINA Michael mivady sy ireo tompon'andraikitra ara-panjakana maro samihafa eto amin'ny firenena ary ireo mpino samihafa.

16/01/2026

HIRA FANEVAN'NY 45 TAONA FFKM

AOKA ISIKA HIFAMPIHEVITRA

Hebreo 10 : 24

"Aoka isika samy hifampihevitra ka hifampirisika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara" Heb 10:24ASAINA ISIKA KRISTIA...
13/01/2026

"Aoka isika samy hifampihevitra ka hifampirisika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara" Heb 10:24

ASAINA ISIKA KRISTIANA REHETRA TSY ANKANAVAKA HIARA-HIOMBONA AMIN'NY FOTOAM-BAVAKA :

🀲 1. HO FANOKAFANA NY HERINANDRO FIARAHA-MIVAVAKY NY MPINO MANERAN-TANY 2026;

πŸŽ—οΈ 2. IVON'NY FANKALAZANA NY FAHA-45 TAONAN'NY FFKM

IZANY DIA HATAO NY ALAHADY 18 JANOARY 2026 IZAO AMIN'NY 03 ORA TOLAKANDRO AO AMIN'NY EKAR KATEDRALY ANDOHALO

"𝑴𝒃𝒂 𝒉𝒐 π’Šπ’“π’‚π’š π’Šπ’‰π’‚π’π’š π’Šπ’›π’š 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒕𝒓𝒂" Jao 17:21Arahabaina nahatratra ny taona vaovao.
01/01/2026

"𝑴𝒃𝒂 𝒉𝒐 π’Šπ’“π’‚π’š π’Šπ’‰π’‚π’π’š π’Šπ’›π’š 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒕𝒓𝒂" Jao 17:21

Arahabaina nahatratra ny taona vaovao.

Amin'ny finoana ny fitsanganan'ny tena amin'ny Maty no ampandrenesana ny rantsamangaikan'ny FFKM rehetra amin'ny fodiama...
28/12/2025

Amin'ny finoana ny fitsanganan'ny tena amin'ny Maty no ampandrenesana ny rantsamangaikan'ny FFKM rehetra amin'ny fodiamandrin'i Vololona izay mpiasa teto amin'ny Foibe FFKM misotro ronono.
Ny fandaminana dia ho ampitaina eto ihany

09/12/2025

DINIKA HO FANAOVAZANA AN'I MADAGASIKARA

"... Indro havaoziko ny zavatra rehetra" Apokalipsy 21, 5

Ry vahoaka Malagasy, tonga ity ilay fotoana hanovana tanteraka an’i Madagasikara.
Ny FFKM dia miantso antsika rehetraβ€”eto an-toerana sy any ivelanyβ€”hifanome tanana amin’ny dinika lehibe ho an’ny fanavaozana.

Ny Alarobia 10 desambra 2025 eny amin'ny CCI Ivato no hanamarihana ny fiantombohan'ny hetsika izay haharitra volana vitsivitsy.

Amin’ity indray mitoraka ity, ny feon’ny vahoaka no fototra. Mihaino izahay. Hangarahara ny dingana rehetra ary havoaka ampahibemaso ny hevitra sy ny vokatra rehetra izay hiainga avy eny ifotony.

"... MiovΓ  amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahina no marina" Romana 12, 2

Address

Lot VQ 06
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FFKM Ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share