16/07/2026
🇲🇬 🎉Omaly 15 Jolay 2026, notanterahina tamin'ny fomba ofisialy ny fitokanana ny trano vaovao izay misy efitrano fianarana telo ho an'ny ambaratonga fototra ao amin'ny 𝐄𝐏𝐏 𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨𝐬𝐨𝐚. 🎉
Nanomboka tamin'ny taona 2019, niara-niasa akaiky ny fikambanana 𝐊𝐎𝐙𝐀𝐌𝐀 sy ny Fondation AXIAN mba hanomezana tontolo fianarana mendrika hoan’ireo zaza malagasy. Nandritra izany fiaraha-miasa izany dia nahavita nanavao fotodrafitrasa 𝟎𝟐 ary nanorina trano fianarana hoan’ny kilasy fanomanana miisa 𝟑𝟎, ka ankizy maherin'ny 𝟐 𝟏𝟎𝟎 no nisitraka izany.
Ankehitriny dia dingana vaovao indray no tratrarina amin'ity trano voalohany natokana ho an'ny ambaratonga fototra ity, izay maneho ny finiavana hampisy ny fitohizan'ny fanabeazana eo amin'ny kilasy fanomanana sy ny ambaratonga fototra.
Tsy mijanona amin'ny fananganana fotodrafitrasa ihany ny fanohanan'i KOZAMA ny EPP Mandrosoa, fa hanohana ihany koa ireo mpanabe amin'ny alalan'ny fampiofanana sy fanomezana tantsoroka azy ireo. Satria ny tanjon'i KOZAMA dia tsy ny hanatsara fotsiny ihany ny fahafahan'ny ankizy miditra an-tsekoly, fa koa ny hiantohana fa ny ankizy tsirairay dia hahazo fanabeazana tsara kalitao ao anatin'ny tontolo mampiroborobo ny fivelarany sy ny fahombiazany.
Ity zava-bita ity dia tsy tanteraka raha tsy teo ireo mpiaramiombonatoka rehetra izay niara-nisalahy ho an'ny fanabeazana, anisan'izany ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena, ny DREN Itasy, ny CISCO Arivonimamo, ny ZAP Imerintsiatosika, ny Tale sy mpanabe rehetra ao amin'ny EPP Mandrosoa, ny ray aman-drenin'ny mpianatra ary ny mpianatra.
🇫🇷 🎉Hier, le 15 juillet 2026, l'𝐄𝐏𝐏 𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨𝐬𝐨𝐚 a célébré l'𝐢𝐧𝐚𝐮𝐠𝐮𝐫𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐝'𝐮𝐧 𝐧𝐨𝐮𝐯𝐞𝐚𝐮 𝐛𝐚̂𝐭𝐢𝐦𝐞𝐧𝐭 𝐩𝐫𝐢𝐦𝐚𝐢𝐫𝐞 𝐝𝐞 𝐭𝐫𝐨𝐢𝐬 𝐬𝐚𝐥𝐥𝐞𝐬 𝐝𝐞 𝐜𝐥𝐚𝐬𝐬𝐞.🎉
Cette réalisation marque une étape importante dans le partenariat entre 𝐊𝐎𝐙𝐀𝐌𝐀 et la 𝐅𝐨𝐧𝐝𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐀𝐗𝐈𝐀𝐍. Après plusieurs années d'engagement en faveur du développement du préscolaire, cette 𝐩𝐫𝐞𝐦𝐢𝐞̀𝐫𝐞 𝐜𝐨𝐧𝐬𝐭𝐫𝐮𝐜𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐝𝐞́𝐝𝐢𝐞́𝐞 𝐚𝐮 𝐩𝐫𝐢𝐦𝐚𝐢𝐫𝐞 traduit une ambition commune : accompagner les enfants tout au long de leur parcours scolaire, en leur offrant un environnement propice à l'apprentissage.
Depuis 2019, ce partenariat a permis la 𝐫𝐞́𝐡𝐚𝐛𝐢𝐥𝐢𝐭𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐝𝐞 𝟎𝟐 𝐢𝐧𝐟𝐫𝐚𝐬𝐭𝐫𝐮𝐜𝐭𝐮𝐫𝐞𝐬 et la construction de 𝟑𝟎 𝐛𝐚̂𝐭𝐢𝐦𝐞𝐧𝐭𝐬 𝐩𝐫𝐞́𝐬𝐜𝐨𝐥𝐚𝐢𝐫𝐞𝐬, offrant à plus de 𝟐 𝟏𝟎𝟎 𝐞𝐧𝐟𝐚𝐧𝐭𝐬 un environnement d’apprentissage plus adapté et de meilleures conditions pour débuter leur parcours scolaire. Aujourd'hui, une nouvelle étape est franchie avec ce premier bâtiment destiné au primaire, illustrant la volonté de favoriser une véritable continuité éducative entre le préscolaire et primaire.
À l'EPP Mandrosoa, KOZAMA poursuivra son engagement au-delà de cette infrastructure à travers la formation et l'accompagnement des enseignants. Car l'engagement de KOZAMA ne se limite pas à améliorer l'accès à l'éducation, il consiste également à faire en sorte que chaque enfant bénéficie d'un enseignement de qualité, dans un environnement favorable à son développement et à sa réussite.
Cette inauguration témoigne également de la force d'une collaboration entre les acteurs engagés pour l'éducation, notamment le de l'Éducation Nationale, la DREN Itasy, la CISCO Arivonimamo, le ZAP Imerintsiatosika, la communauté éducative de l'EPP Mandrosoa, les parents d'élèves et les élèves.
Merci à tous nos partenaires !
Délégation de l'Union européenne à Madagascar et en Union des Comores Gouvernement Monaco