20/03/2025
**✅ FANAKATONANA NY TETIKASA "TONTOLO LOVAINJAFY AMIN'NY ILANY ATSINANAN'I MADAGASIKARA " : FIARAHA-MIASA NAHOMBY SY FIJERY HO AMIN’NY HO AVY**
🏡Notanterahina ny alarobia 19 mars teo, tao amin’ny Colbert Antananarivo ny fanakatonana ny tetikasa “Tontolo Voajanahary Lovainjafy amin’ny Ilany Atsinanan’I Madagasikara” izay vatsian’ny Green Climate Fund ary tantanan’ny Conservation International ary eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny fandrosoana lovainjafy amin’ny alàlan’ny BNCCREDD+. Ity hetsika ity dia nampivondrona ireo mpisehatra lehibe amin’ny sehatra nasionaly sy isam-paritra, anisan'izany ny solontenan’ny fanjakana, ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, ny ONG mpiara-miombon'antoka, ary ireo vondrom-piarahamonina nisitraka ny tetikasa. Noderain’ny rehetra ny ezaka niombonana izay nahafahana nanatsara ny fahazakan-tenan’ny tokantrano miisa 23 800 izay miatrika ny fiovan’ny toetr’andro, ary nahatonga fihenan’ny entona CO₂ hatramin’ny 8,3 tapitrisa taonina, tamin’ny alalan’ny fitantanana mahomby ny ala sy ny tontolo fambolena.
Ankoatra ireo vokatra azo tsapain-tanana, dia nanamafy ny fizakan-tena ara-tsakafo sy ny fidiram-bolan’ny mponina eo an-toerana ity tetikasa ity, sady nampiroborobo ny fahatsiarovan-tenan’ny tanora amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Ny fandraisan’anjaran’ny sekoly sy ireo mpisehatra eny ifotony dia nanjary andry lehibe ho fiantohana ny faharetan’ny voka-tsoa azo. Tsy midika fiafarana ho an’ny hetsika ny fahavitan’ny tetikasa, fa fanombohana vaovao hampaharetana ny fomba fiasa mahomby sy hanamafisana ny tolona amin’ny fiovan’ny toetr’andro ho an’ny fampandrosoana maharitra ny tontolo voajanahary voakasik’izany.🌳🌳🌳
’nyHoAvy