15/05/2026
😳 “Bonjour groupe, marina ve fa mitsabo ny tranon-jaza ny sakamalaho atsofoka any?…anonyme azafady!”
Mbola salama daholo ve? (i Peta indrindra indrindra)💃
Raha tsy salama na koa hoe tsapanao tsy tomombana dia aleo manantona mpitsabo mahalala tsara an'i Petakely na Petabe🫵
🍀 Satria isika moa niresaka izay mbola zakan'ny fivaviana, dia ndeha hiaraka hijery ireo fitaovana hoentin'ny mpitsabo mijery an'i Peta isika
❌tsy mampiasa suppositoire sakamalaho mihitsy aloha hatreto ry zareo fa:
🔴 Ny spéculum (na ilay antsointsika hoe vavangisa). Ie ilay fitaovana toa vavan-gisa mihitsy👀
Atsofoka any mba:
👉🏻 hanokafana kely ny fivaviana
👉🏻 hahitana ny vozon-tranonjaza
👉🏻 hanaovana contrôle na dépistage
🔴 Ny touché vaginal
Ie… rantsan-tanana misy gant (rehefa hiteraka indrindra indrindra)
Ampiasain’ny mpitsabo izy io mba:
👉🏻 hijerena ny toerana sy état-n’ny tranonjaza
👉🏻 hahitana raha misy fanaintainana na zavatra tsy normal ao anatiny ao
🔴 Ny échographie endopelvienne
Ilay sonde manify misy gel atsofoka any anaty fivaviana.
👉🏻 hijerena ny tranonjaza
👉🏻 ny ovaire
👉🏻 na hijerena vohoka sy olana sasany
Caméra kely fotsiny izy io fa tsy zavatra mampatahotra akory fa manao live ao anaty tranon-jaza. 🤭
🌱Fitaovana zakan'i Peta tsara ireo ary manaraka ny fenitra ara-pahasalamana ka tsy tokony hampatahotra antsika.
Ary ianareo inona no tena nanamarika anareo tamin'ito karazana fitaovana itony? 🫨