21/09/2026
Fizaham-pahasalamana maimaim-poana tao Mahitsihazo
Taminโny 18 Septambra, dia nokarakaraina tao Mahitsihazo ny hetsika ara-pahasalamana maimaim-poana, izay nahafahanโny olona 140 nahazo tolotra ara-pahasalamana. Samy hafa taona ireo olona nisitraka izany, nanomboka taminโny zaza 3 volana ka hatraminโny olona 75 taona.
Ireo mpitsabo avy ao Maromandia sy Ankitsika no nanatanteraka izany, niaraka taminโny ekipa Mikajy Natiora.
Anisanโny tanjonโity hetsika ity ny hanampiana ireo mponina any aminโny faritra lavitra hahazo tolotra ara-pahasalamana, indrindra fa mbola voafetra ny fahafahanโizy ireo manatona toeram-pitsaboana.
Mifamatotra akaiky ny fahasalamanโny olona sy ny fiarovana ny zavamananaina. Rehefa salama sy mahazo tolotra ara-pahasalamana ny vondrom-piarahamonina miaina manodidina ny ala, dia afaka mandray anjara bebe kokoa aminโny fiarovana ny ala sy ny harena voajanahary. Noho izany, ny fanohanana ny fahasalamanโny mponina dia ampahany manan-danja aminโny ezaka maharitra ho anโny fiarovana ny zavamananaina sy ny tontolo iainana.
Taorianโny hetsika dia nisy ny fiaraha-misakafo niarahanโireo mpitsabo sy ny ekipa Mikajy Natiora, fotoana iray nanehoana fisaorana sy fifampizarana.
Mankasitraka ireo mpitsabo sy ireo rehetra nandray anjara taminโny fanatanterahana izao hetsika izao izahay.
๐ฟ Ny fiarovana ny natiora dia manomboka aminโny fiarovana ny olona sy ireo vondrom-piarahamonina miara-miaina aminy.
๐ฟ Bringing Healthcare to Mahitsihazo ๐ฉบ
On 18 September, a free community health outreach was organised in Mahitsihazo, providing healthcare services to 140 people. The beneficiaries ranged in age from a 3-month-old baby to a 75-year-old person.
The outreach was carried out by healthcare professionals from Maromandia and Ankitsika, together with the Mikajy Natiora team.
The initiative aimed to support people living in remote communities by improving their access to essential healthcare services, particularly where access to medical care remains limited.
๐ฑ Human health and biodiversity conservation are closely connected. Healthy communities living alongside forests are better able to participate in the protection of their forests and natural resources. Supporting the health and well-being of local communities is therefore an important part of long-term efforts to protect biodiversity and the environment.
Following the outreach, the healthcare professionals and the Mikajy Natiora team shared a meal together, providing an opportunity to thank everyone involved and strengthen this important partnership.
We warmly thank all the healthcare professionals and everyone who contributed to making this initiative possible.
๐ฟ Protecting nature also means supporting the people and communities who live alongside it.