Sambirano Tsimagnavaka

Sambirano Tsimagnavaka Association apolitique fondée en 1991 à Antananarivo par des natifs du Sambirano. Nous œuvrons pour la solidarité, l’entraide et le développement du Sambirano.

Chocolaterie Robert Madagascar
04/06/2026

Chocolaterie Robert Madagascar

✨ Sambirano | La douceur absolue
Un biscuit cuillère cacao ultra léger sublimé par deux couches de mousses onctueuses (chocolat au Lait et chocolat blanc à la vanille de Madagascar), une douceur fondante et légère en bouche.

👉Prix: 19.000 Ar

Nosy Iranja: Vakoka sarobidin’ny distrikan’Ambanja, voafidy ho tora-pasika faha-4 tsara indrindra eran-tanyNivoaka ny fi...
17/05/2026

Nosy Iranja: Vakoka sarobidin’ny distrikan’Ambanja, voafidy ho tora-pasika faha-4 tsara indrindra eran-tany

Nivoaka ny filaharana 2026 momba ireo tora-pasika 50 tsara indrindra eran-tany. Ny tora-pasik’i Nosy Iranja eto Madagasikara dia laharana faha-4.

Any amorontsirak’i Madagasikara kaominina ambanivohitra Bemaneviky Andrefa distrikan’ny Ambanja faritry DIANA no misy an’i Nosy Iranja, toerana miavaka ahitana nosikely roa : Nosy Iranja Be sy Nosy Iranja Kely. Ny tena mampalaza azy dia ilay lalan-tany fasika mampitohy ireo nosy roa rehefa misava ny ranomasina, ka mamorona tontolo tena tsy fahita firy sy mahatalanjona.

Io lalan-tany fasika mirefy 2 kilometatra io dia difotry ny rano tsikelikely rehefa miakatra ny ranomasina, ka rakotry ny rano manga mangatsakatsaka sy mazava tsara ilay fasika fotsy madio. Toerana fiarovana ny zavamananaina an-dranomasina ihany koa i Nosy Iranja, indrindra fa ireo sokatra an-dranomasina izay tonga matetika manatody eny.

Toerana mahagaga i Nosy Iranja, ahafahan’ny mpizaha tany milomano, manao snorkeling ary mitsidika ny zavamaniry maitso manodidina ireo nosy.

©️ LINFO.RE – nivoaka tamin’ny 17.05.2026 tamin’ny 14:48 - Matthieu Patou Parvedy

Fahatsiarovana an’i Fatima ACHIMO, Sénatrice voalohany teto Madagasikara zanaka SambiranoFatima ACHIMO, vehivavy nanana ...
13/05/2026

Fahatsiarovana an’i Fatima ACHIMO, Sénatrice voalohany teto Madagasikara zanaka Sambirano

Fatima ACHIMO, vehivavy nanana tarehy roa.

Fatima ACHIMO dia vehivavy nampiely fandrosoana tamin’ny manodidina azy. Niasa mafy tamy raharaha sosialy izy. Izy no sénatrice voalohany teto Madagasikara tamin’ny andron’i Philibert Tsiranana. Vehivavy mpitondra fanjakana malagasy izy sady olo-marina, mendrika fitokisana ary tompon’andraikitra. Noho zay, maro tamy vehivavy malagasy tamin’ity taonjato faha-21 ity no naka azy ho modely.

Zanak’andriana Said ACHIMO avy any Ambanja, i Fatima ACHIMO. Teraka tamin’ny 8 Janoary 1931 izy. Avy tamy fianakaviana nitana fomba amam-panao sady nahita fianarana, ka mora taminy ny nifandray tamy fiarahamonina tamin’ny andron’ny fanjanahantany. Tsy toy ny ankizivavy maro tamin’izany fotoana izany, izy dia nahazo vintana hianatra tsara.

Tena nahira-tsaina tamy fianarana Fatima mbola tanora. Tamin’ny 1949, raha vao 18 taona monja izy, dia nahazo ny Certificat du Second Degré (CSD). Taorian’io, azony koa ny Certificat d’Aptitude à l’Enseignement (CAE). Tamin’ny 1963, nahazo mari-pahaizana momba ny fitantanana fampianarana ambaratonga fototra tao amin’ny Institut des Hautes Études d’Outre-mer tany Paris, Frantsa, izy ka lasa mpampianatra.

Avy any Nosy Be hatrany Sambava, nitety ny faritra avaratr’i Madagasikara izy nanatanteraka ny asany maha-mpanabe.

Reny mpanabe

Vehivavy malala-tanana izy, vonona hanampy amin’ny zavatra rehetra nananany. Tia zaza be izy sady niaro azy ireny. Hoy ny zanany lahy Jacob Andriampanjava :
“Zava-dehibe tamin’ny reninay ny fanabeazana.”

Mpampianatra, commissaire général misahana ny fiarovana ny zaza, secrétaire d’État miandraikitra ny fiarovana ny ankizy, Fatima ACHIMO dia tena nanolo-tena ho an’ny ankizy malagasy. Noho izany, maro ny fiofanana sy stage nataony.

Tamin’ny 1964, nanao fiofanana momba ny sakafo mahavelona ho an’ny ankizy sy ny zon’ny vehivavy tany United States izy. Tamin’ny 1968, nandray anjara tamin’ny kongresy iraisam-pirenena momba ny vehivavy afrikanina tany Kinshasa. Avy eo izy nanatrika ny kongresy iraisam-pirenena momba ny vehivavy sosialista tany Strasbourg. Tamin’io taona io ihany koa dia nankany United Kingdom izy noho ny iraka momba ny zon’ny vehivavy sy ny ankizy.

Rehefa avy nampianatra sy nanao fanofanana nandritra ny folo taona izy dia niditra tamy sehatra politika.

Vehivavy mpanao politika

Hoy Jacob Andriampanjava zanany lahimatoa :
“Mpialoha làlana ny reninay.”

Fatima Achimo dia vehivavy nahay nandaha-teny sady nanana talentan’ny fifampiraharahana. Angamba avy tamin-drainy izany fahaiza-manao izany, satria mbola kely izy dia efa nihaino an’i Said ACHIMO nanao kabary tamin’ny vahoakany nandritra ny lanonana samihafa. Raha ny marina dia taminy no nianarany zavatra maro.

Mpiaro ny fomba “Sakalava”, mpitarika ary olona nanan-kaja tany amin’ny faritra nisy azy, Said ACHIMO dia mentor sy mpanabe lehibe ho an’ny zanany vavy. Ankoatra ny ady nataony ho an’ny zon’ny vehivavy sy ny fiarovana ny ankizy, Fatima ACHIMO koa dia isan’ny vehivavy mpanao politika tamin’ny Repoblika Voalohany ary akaiky an’i Philibert Tsiranana.

Nanomboka tamin’ny 1947 ka hatramin’ny 1960, avy eo 1972 hatramin’ny 1991, ary 2002 hatramin’ny 2009, Fatima ACHIMO dia vehivavy nandalo vanim-potoana maro teto Madagasikara. Vavolombelona nahita maso ny tantara sy ny zava-nitranga teto amin’ny firenena izy. Anisan’ny vehivavy namela marika lehibe tamin’ny taonjato faha-20 malagasy i Fatima ACHIMO.

Nodimandry tamin’ny 13 Mey 2011 izy.

Ambanja faha 08 Mey 2026Ao anatin’ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny Prix d’excellence Éducation Sambirano andiany...
08/05/2026

Ambanja faha 08 Mey 2026

Ao anatin’ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny Prix d’excellence Éducation Sambirano andiany voalohany, dia nivory tao amin’ny CISCO Ambanja ny fikambanana Sambirano Tsimagnavaka, notarihin’ny Filohany Toly ZIDANE, niaraka tamin’ny Lehiben’ny CISCO sy ireo lehiben’ny sekoly manerana ny distrikan’Ambanja.

Natao ity fihaonana sy fifanakalozan-kevitra ity mba handinihana sy hamaritana miaraka ireo mason-tsivana hifantenana ireo sokajy telo lehibe amin’ny loka, dia ny : Sekoly mendrika indrindra, Mpampianatra mendrika indrindra, ary Mpianatra mendrika indrindra. Nandritra ny dinika dia nisongadina ny finiavana iraisan’ny rehetra hampiroborobo ny kalitaon’ny fanabeazana, ny fahombiazana ara-pianarana ary ny fanomezana lanja ireo ezaka ataon’ny sekoly sy ny mpisehatra rehetra eo amin’ny fanabeazana.

Ankoatra ny lafiny teknika sy fandaminana, dia fotoana lehibe nampivondrona sy nampiray hina ireo tompon’andraikitra rehetra ihany koa ity fihaonana ity, ho fanohanana ny fampandrosoana ny fanabeazana eto Sambirano.

Nandritra ity fotoana ity ihany koa no nametrahana ireo vaomiera samihafa misahana ny fanamarinana sy fanekena ny valin’ireo loka, mba hiantohana ny mangarahara anatin’ny fahitsiana.

Amin’ny alalan’izao hetsika izao dia manamafy ny fanoloran-tenany ny Fikambanana Sambirano Tsimagnavaka amin’ny fanohanana ny fanabeazana sy ny fampiroboroboana ny fahatsarana, ho antoky ny fampandrosoana ny tanora sy ny fiarahamonina manontolo eto Sambirano.

Sambirano Tsimagnavaka
« Atsika jiaby mitambatra mahavita raha »

✝️ Amin’ny alahelo lehibe no anolorana ny fiaraha-miory feno ho an’ny fianakaviana sy Ray aman-dreny niteraka i Tompokol...
06/05/2026

✝️ Amin’ny alahelo lehibe no anolorana ny fiaraha-miory feno ho an’ny fianakaviana sy Ray aman-dreny niteraka i Tompokolahy Narson Joselitto Zidane, izay nodimandry omaly vokatry ny vono sy tifitra nahazo azy, voalaza fa nataon’ny zandary tao Ambanja.

Ny fikambanana Sambirano Tsimagnavaka, tarihin’ny filohany, dia maneho ny fanohanana sy firaisankina amin’ny fianakaviana tra-pahoriana.

Manaraka akaiky ity raharaha ity ny fikambanana, ary miantso ny fitondram-panjakana mba handray fepetra mazava sy ara-drariny manoloana izao tranga izao.

Sambirano Tsimagnavaka

🎓✨ ASANDRATRA NY FAHOMBIAZANA ! ✨🎓  Faly izahay ato amin’ny fikambanana Sambirano Tsimagnavaka manambara ny fanombohana ...
05/05/2026

🎓✨ ASANDRATRA NY FAHOMBIAZANA ! ✨🎓

Faly izahay ato amin’ny fikambanana Sambirano Tsimagnavaka manambara ny fanombohana ny PRIX D’EXCELLENCE ÉDUCATION 2026 (andiany voalohany) ao amin’ny Distrikan’Ambanja.

📚 Satria ny fanabeazana no fanalahidin’ny ho avy, dia tianay hasongadina sy hankasitrahana ireo tena mendrika :
🏆 Ireo mpianatra mendrika indrindra (CEPE / BEPC / BACC)
👩‍🏫 Ireo mpampianatra mendrika indrindra
🏫 Ireo sekoly mendrika indrindra

📅 Taom-pianarana : 2025 – 2026

Ny lanonana fanomezana loka dia hotanterahina aorian’ny famoahana ny valin’ny fanadinana Baccalauréat 2026.

Manandratra ny fahombiazana, manentana ny ho avy !

« Atsika jiaby mitambatra mahavita raha »

✝️Amin’ny alahelo lehibe no anolorana ny fiaraha-miory feno ho an’ny fianakavian’i RENE JULIEN  zanaka Sambirano izay no...
03/05/2026

✝️Amin’ny alahelo lehibe no anolorana ny fiaraha-miory feno ho an’ny fianakavian’i RENE JULIEN zanaka Sambirano izay nodimandry taty Antananarivo.

Amin’izao fotoan-tsarotra izao, ny fikambanana Sambirano Tsimagnavaka, notarihin’ny filohany, dia maneho ny fanohanana sy firaisankina amin’ny fianakaviana tra-pahoriana. Nanao famangiana, fisaonana izahay mba hizara ny alahelo sy hanome hery azy ireo.

Mandria am-piadanana ny fanahiny.
Hahita hery sy fiononana anie ny fianakaviana.

Sambirano Tsimagnavaka

Mba hanamafisana ny fihavanana sy ny fifandraisantsika, dia hisy iraka avy amin’ny Sambirano Tsimagnavaka hanao fitsidih...
01/05/2026

Mba hanamafisana ny fihavanana sy ny fifandraisantsika, dia hisy iraka avy amin’ny Sambirano Tsimagnavaka hanao fitsidihana am-panajana ny mpikambana tsirairay ato anatin’ny andro vitsivitsy ho avy. Fotoana iray koa izany hanavaozana ny latsakemboka isan-taona.

Mankasitraka anareo amin’ny fanohananareo lalandava ny fikambanana.

Address

Antananarivo

Telephone

+261377567127

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Sambirano Tsimagnavaka posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share