09/09/2026
🧵🪡NY ASA TANANA SY NY FIAROVANA NY ALA 🇲🇬
Ny 31 Aogositra ka hatramin'ny 3 Septambra 2026, dia notanterahana tao Ankarana, tanàna iray manodidina ny alan'i Efatsy-Manombo ny fiofanana momba ny petakofehy andiany faharoa.
😍Tanora vehivavy 20 no mpandray anjara, ary tena navitrika sy liana nandritra ny fiofanana izy ireo. Nianatra sy nampihatra teknika samihafa momba ny petakofehy, ka anisan'ny nisongadina ny famoronana endrika maneho ireo Haihay sy ny voninkazo.
Ity fiofanana ity dia manampy amin'ny fanamafisana ny fahaiza-manaon'ireo vehivavy, sady manokatra fahafahana hahazoana fidiram-bola amin'ny alalan'ny asa tanana, ho fanohanana ny fiarovana ny ala sy ny harena voajanahary ao Efatsy-Manombo.
Lemurs ..................................................................................................
🧵🪡CRAFTS AND FOREST CONSERVATION 🇬🇧
From August 31 to September 3, 2026, the second embroidery training session was held in Ankarana, a village located around the Efatsy-Manombo forest.
Twenty young women participated in the training and showed great enthusiasm and active participation throughout the sessions. They learned and practiced different embroidery techniques, with a particular focus on creating designs inspired by Haihay lemurs and flowers.
This training contributes to strengthening women's skills while creating opportunities to generate income through handicrafts, supporting the conservation of the forest and natural resources of Efatsy-Manombo.
Empowered women, creative hands, protected forests! ????