19/08/2026
💒Vatikana : notendren’i Papa Léon XIV ho Eveka mpanampy ao Toamasina i Mompera Mariusz Kasperski
Notendren’i Papa Léon XIV ho Eveka mpanampy ao amin’ny Arsidiosezin’i Toamasina i Mompera Mariusz Kasperski, araka ny fanambarana nivoaka avy any Vatikana androany.
Tonga teto Madagasikara tamin’ny 1995 i Mompera Mariusz Kasperski. Nitarika ny Fikambanan’ny Missionnaires Oblats teto an-toerana ihany koa izy, nanomboka tamin’ny taona 2015 ka hatramin’ny 2022.
Talohan’izao fanendrena izao, dia pretra tompom-paritany tao amin’ny EKAR Tsarahonenana, Toamasina, i Mompera Mariusz Kasperski.
Arahabaina i Mompera Mariusz Kasperski amin’izao andraikitra vaovao izao, ary arahabaina ihany koa ny Arsidiosezin’i Toamasina.
info