26/09/2026
𝟮𝟬 𝘀𝗲𝗽𝘁𝗮𝗺𝗯𝗿𝗮: 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗠𝗮𝗻𝗲𝗿𝗮𝗻-𝘁𝗮𝗻𝘆 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗻𝗮𝗱𝗶𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮
Niaraka tamin'ireo tompon'andraikim-panjakana, mpiara-miombona antona, fiarahamonim'pirenana, fikambanana sy mpirotsaka an-tsitrapo maro izahay ny zoma 19 Septambra 2026 no nanamarika izany andro maneran-tany izany tao amin’ny Lycée d'Enseignement Général Tsiroanomandidy.
Fanentanana momba ny fitantanana ny fako sy ny fahadiovana ara-tsakafo, fanadiovana faobe, ary fandavahana toerana natokana hanariana ny fako no nanamarika izany andro izany.
𝗦𝗮𝗶𝗻𝗴𝘆 𝘁𝘀𝘆 𝗵𝗼 𝗲𝘇𝗮𝗸𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗱𝗮𝗹𝗼 𝗳𝗼𝘁𝘀𝗶𝗻𝘆 𝗶𝘇𝗮𝗻𝘆!
Nametraka tanjona ny Lycée d'Enseignement Général mba ho lasa Sekoly Sakaizan’ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana (Ecole amie de WASHl). Ho fanohanana izany tanjona izany, ny WaterAid dia nitondra fanatsarana sy nanambotra ireo fotodrafitrasa, toy ny kabone, toerana fanasana tanana, do**he ary toerana fakana rano, ary koa ny fampitaovana ho amin’ny fanadiovana sy ny fanamafisana ny fanentanana sy fampiofanana momba ny rano, fanadiovana sy fidiovana.
Izany dia tafiditra ao anatin’ny tanjon’ny tetikasa Tsiroarano - Water for Life, izay mikendry ny hanatsara ny fahazoan’ny rehetra rano, fanadiovana sy fidiovana, ary hampiroborobo ny fiovan’ny fomba amam-panao ara-pahasalamana sy maharitra.
Fahazarana sy andraikitra iombonana izy ny fahadiovana, izay manampy amin’ny fiarovana ny fahasalamana sy ny tontolo iainana.
Raha ny hevitrao, inona ny maha zava-dehibe ny hisian'ny fanentanana momba ny fahadiovana sy ny fanadiovana? Lazao aminay ao amin’ny commentaires. 👇
Tsiroanomandidy Commune Urbaine Cut
Dreah Bongolava