14/07/2026
🌟 FANOKANANA ANKARAMALAZA : TAON-JOBILY SY FIZAHANTANY IFOTONY 🌟
⏳ Antomotra ny fotoana! Isan’ny hetsika ara-pinoana lehibe indrindra mampalaza ny departemantan'Ambahive (Distrikan’i Manakara, Faritra Fitovinany) ny "Fanokanana" izay fanao isan-taona ao Ankaramalaza.
✨ Amin’ity taona ity dia miavaka tokoa ny fotoana satria fankalazana ny Taon-jobily! ✨
Hisarika mpino sy mpizahatany maro avy eto an-toerana sy maneran-tany ity hetsika ity. Hamakivaky tanàna maro isika, izay hitondra vokatsoa ara-tsosialy sy ara-toekarena lehibe ho an’ireo mponina. Mba hanamorana ny dianao, ireto misy toromarika sy soso-kevitra tsara ho fantatra :
🚗 1. Ny Dia : Antananarivo ➡️ Manakara
Efa tsara ny lalana miala eto Antananarivo mankany Manakara ary azo atao indray andro ny dia!
💡 Soso-kevitra: Aza adino ny mijanona mitsidika ny Valan-javaboarin’i Ranomafana 🐒🍃 mba hiala sasatra kely sy hankafy ny zava-boahary.
🌊 2. Ny fijanonana ao Manakara sy ny manodidina
Maro ireo toerana mahaliana miandry anao ao an-toerana :
🎣 Ny fiainan'ireo mpanjono ao Ampilao.
🚤 Ny lakandranon'i Pangalana (tsidiho ny tanànan’i Andranodaro sy ny distillerie d’Ambodimanga).
🚶♂️ Tsidiho ny tanàna amin’ny alalan'ny fandehanana an-tongotra na mitaingina posy.
🏖️ Ny tora-pasik’i Manakara.
🏨 Maro ireo trano fandraisam-bahiny afaka mandray anao. (Aza misalasala manatona ny ORT Fitovinany raha mila fanampim-panazavana).
🛤️ 3. Ny zotra mankany Ankaramalaza
🙏 Isaorana manokana ny fitondram-panjakana tamin’ny fanamboaran-dalana, satria tsara dia tsara ny lalana miala ao Manakara mahazo an'i Sakoagna, Lokomby, Nato, ary Vatana.
🛶 Safidy hafa: Afaka mandeha lakana ihany koa ianao miala ao Lokomby mandra-pahatonga any Ankaramalaza.
🚙 Fanofana fiara: Raha mitady fiara hofaina hiainga avy aty Antananarivo ianao, dia misy safidy maromaro toy ny Ramartour Madagascar, Roadtrip Madagascar, ary Soavam. Marihina fa misy amin'ireo fiara ireo no efa misy tranolay miorina eo ambony mihitsy! 🏕️
🏡 4. Fandraisam-bahiny sy Fampiantranoana ifotony
Tsy manana trano eny an-toerana? Aza manahy! Maro amin'ireo mponina ao amin'ny faritr'Ambahive no efa niofana manokana amin’ny fandraisam-bahiny ary vonona ny handray anao am-pitsikiana 😊 (Chez Stephanie ao Lokomby, Tohan’Aina Lokomby, na tranon’olon-tsotra ao Vatana, Andranomavo, ary Andranotsara).
⛺ Tranolay: Afaka manofa tranolay (tente) hiatrehana ny hetsika ihany koa ianao miaraka amin’ny Ramartour Madagascar.
🌍 5. Kolontsaina sy Fizahantany ifotony (Tourisme communautaire)
Araraoty ny dianao hiainana ny tena fizahantany ifotony! Aza adino ny mitsidika ireto toerana ireto:
💦 Ny riandranon’Isahia, ny tanànan’Ambohitrova, Manambotra, ary Vohibazimba.
🏛️ Ireo toerana manan-tantara ao Nato, Nameha, Vatana, ary Andranomavo.
🛶 Midina an-dakana manaraka ny reniranon’Ambahive sy Matitanana (Matatagna) hitsidika an'i Mahasoabe sy Vohipeno.
✨ Mirary dia sambatra sy soa aman-tsara ho an'ny rehetra, ary tongasoa eto Ambahive! ✨
🤝 Ny Fikambanana Ambahive Miray
👇 Aza misalasala mizara (partager) ity vaovao ity amin'ny namana sy fianakaviana ho avy any an-toerana! 👇