10/08/2026
𝗩𝗜𝗧𝗔 𝗜𝗡𝗗𝗥𝗔𝗬 𝗡𝗬 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔 𝗙𝗔𝗛𝗔-𝟮! 🎉💚
🙏 Misaotra an’Andriamanitra lehibe indrindra noho ny fitantanany sy ny fitahiany ny Faritany Tily Analamanga Andrefana nandritra izay taom-panabeazana izay.
🤝 Misaotra ny KOPA
💚 Misaotra ny KP isam-pivondronana
🫶 Misaotra ny Ekipa mpiray Dia rehetra
🔥 Misaotra ireo Mpiandraikitra sy Mpandrindra ary Tonia Tily Analamanga Andrefana rehetra, izay nanao ny ainy tsy ho zavatra tamin’ny fanomanana sy fanatanterahana ireo fandaharam-panabeazana sy hetsika ho an’ireo Beazina. 👏
🌱 Misaotra indrindra ireo 𝑩𝒆𝒂𝒛𝒊𝒏𝒂 rehetra tamin’ny fandraisana anjara, ny fahavononana ary ny hafanam-po! 💚
🙏 Ary tsy adino ireo mpanohana rehetra any ambadika, izay nanampy sy niara-nisalahy taminay tamin’ny fomba maro. 🤍
Mety mbola misy koa ny any anaty lasy sy fihaonambe isan-karazany na miomankomana ho amin izany, mirary anareo ahatontosa izay kinasa✨
✨ Izay indray aloha no vita!
Mbola maro ny zavatra azo hatsaraina, mbola lavitra ny lalana, fa rehefa jerena ireo fotoana mamy niarahana, ireo tsiky, ireo ezaka ary ireo fahatsiarovana maro, dia tsapa fa natao tamin’ny fo feno Fitiavana tokoa izany rehetra izany. 🥹💚
🌟 Mbola hiatsara hatrany, mbola hiezaka hatrany, ho an’ny Fanabeazana Tily eto Madagasikara! 🇲🇬💚
“Mandroso hatrany, miaraka, ho amin’ny fanabeazana tsara kokoa!” ✨💚