15/10/2026
📣 Maherin'ny 300 isika tamin'ny taona 2025 🙌
Maherin'ny 300 isa ny mpandray anjara tonga tany amin'ny QG nandritra ny JOTA-JOTI farany izay nataontsika. Mino aho fa niaraka nandray anjara taminay ihany koa ianareo tany an-trano.
Amin'ity taona ity, antenainay ny hihaona aminareo indray, mba ho maro kokoa, ary indrindra ho tonga mandritra ny 3 andro izay hanatanterahina ny hetsika "Jamboree On The Air - Jamboree On The Internet".
Ny zoma 16 hatramin'ny alahady 18 Oktobra 2026 ny hetsika, hisy ny QG isam-parita ho an'ny faritany Analamanga Andrefana ny:
📅 18 Oktobra 2026
📍QG isam-paritra:
FARITRA MIRAY : LCRBJ Ambohidroa
FARITRA MIRINDRA: Lycée Fanavotana Talatamaty
FARITRA MIKOLO: Akany Avoko Ambohidratrimo
FARITRA MIROSO & MIAINGA: Sekoly FJKM Mahitsy
🔗Aza adinoina ny misoratra anarana mialoha ao amin'ny rohy https://jotajoti.info/
Entano ny enina, sokajy, fokonolona misy an'ise. Antsoy eo amin'ny tariha ireo naman'ise tokony hamonjy ity hetsika ity 😀.
&mampiaty