WWF Madagascar

Call Directions Website Contact the organization

WWF Madagascar Building a future in which humans live in harmony with nature. These characteristics have led some scientists to dub Madagascar the "seventh continent”.

The island of Madagascar separated from the African continent some 165 million years.1 Since then, a unique array of plants and animals have evolved, including many endemics species which are found nowhere else in the world. You say lemurs? All 99 known species and subspecies of these small primates are found only on this island and on the Comoros where they were likely to be introduced. These include the indri, the largest living lemur; black lemurs, which feed on ripe fruit, leaves, insects and flowers; and the hairy-eared dwarf lemur that has long wavy hair around its ears. The eastern, or windward side of the island is home to tropical rainforests, while the western and southern sides of the island are covered by tropical dry forests, thorn forests, and deserts and xeric shrublands. Dry forests support hundreds of endemic plant and animal species - for example, 7 species of baobab trees as compared to only one in all of Africa. The islands surrounding Madagascar are equally diverse as are the countless reefs, home to whales, sharks and marine turtles amongst many other species. WWF MDCO (Madagascar Country Office) works in six different fields: terrestrial, marine, footprint, sustainability, species and climate change. We are passionate about nature and leaders in community based conservation work. This group welcomes all people who are interested in our work, who want to read about the latest news and want to share their passion for this corner of the globe.

🌍 Androany no hamoahan’ny WWF ny Rapport Planète Vivante 2026. Mampiseho zava-misy mampanahy ity tatitra ity: nihena 73 ...
08/10/2026

🌍 Androany no hamoahan’ny WWF ny Rapport Planète Vivante 2026.

Mampiseho zava-misy mampanahy ity tatitra ity: nihena 73 % nanomboka tamin’ny taona 1970 ny salan’isan’ny haben’ireo vondron-bibidia (espèces sauvages) araha-maso maneran-tany.

Midika izany fa mbola mafy ny tsindry mahazo ny zavaboary. Saingy misy hafatra iray hafa lehibe koa ao anatin’ilay tatitra: afaka miverina amin’ny laoniny ny zavaboary.

Rehefa mihena ny loza manambana azy ary mitohy mandritra ny fotoana maharitra ny ezaka fiarovana, dia misy karazana sy vondron-biby afaka miverina indray.

Eto Madagasikara, mandritra ny herinandro ho avy, dia hojerentsika akaiky kokoa ny dikan’izany eto amintsika:
✅ ireo karazana bibidia sy toeram-ponenany arovana,
✅ ireo vondrom-piarahamonina miasa isanandro ho fiarovana azy ireo,
✅ ireo vahaolana efa mandeha eny ifotony,
✅ ary koa ireo fiovana mbola mila haingana kokoa eo amin’ny fomba famokarana, fanjifana, fampiasana angovo ary famatsiam-bola.

Satria ao ambadik’ireo tarehimarika dia misy ihany koa tantara sy traikefa avy eny ifotony mampiseho fa azo atao ny manova ny zava-misy.

Miara-mientana isika, afaka mamerina amin’ny laoniny ny planetantsika velona.

🔗 Ao amin’ny ranty ny rohy makany amin’ny lahatsoratra feno mahakasika izany sy ny rohy ahafahanao mamaky ny tatitra “Rapport Planète Vivante 2026”.

🌿 Amoron’i Onilahy: fiaraha-mitantana ho fiarovana maharitra ny zavaboaryNy fiarovana ny Faritra Arovana Amoron’i Onilah...
07/10/2026

🌿 Amoron’i Onilahy: fiaraha-mitantana ho fiarovana maharitra ny zavaboary

Ny fiarovana ny Faritra Arovana Amoron’i Onilahy dia tsy mijanona amin’ny fiarovana ny zavaboary fotsiny. Mifamatotra amin’ny fiainan’ireo vondron'olona ifotony sy ny harena voajanahary iankinan’izy ireo ihany koa izany.

🤝 Androany, ny Ministère de l'Environnement et du Développement Durable(MEDD) sy ny WWF Madagasikara dia nanao sonia sy nanamafy tamin’ny fomba ofisialy ny fifanarahana momba ny fanomezam-pahefana hitantana ny Faritra Arovana Amoron’i Onilahy.

Dingana lehibe izany amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fitantanana iaraha-mandray anjara.

« Andao isika rehetra hifanome tanana, mba ho faritra arovana fitaratra ho alai-tahaka i Amoron’i Onilahy, na ao anatin’ny fikajina sy fiarovana ireo zava-manan’aina sy ny valan-javaboary voakasika, na ihany koa eo amin’ny fampandrosoa ifotony izay tokony imasoan’ny rehetra mba hahitana fahombiazana » Hoy ny tale jeneralin’ny hai-tondra ara-tontolo iainana eo anivon’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy.

Nohamafisin’ny talen’ny WWF ihany koa izany : « Efa 11 taona mahery no nandrasana izao fanaovan-tsonia izao. Tsy fanaovan-tsonia fifanarahana fotsiny izy ity, fa maneho ny fahavononantsika hiara-hiasa amin’ny fiarovana sy fitantanana maharitra ny Faritra Arovana Amoron’i Onilahy, mba ho lova ho an’ny taranaka faramandimby. Ny vokatra efa azo nandritra izay fotoana izay dia vokatry ny fiaraha-mientana sy ny fandraisan’anjaran’ireo mpisehatra rehetra, ary izao dingana vaovao izao dia manamafy indray ny fanoloran-tenantsika hanohy izany fiaraha-miasa izany amin’ny fitantanana mahomby, mangarahara ary iaraha-mandray anjara. »

🤝 Izany indrindra no maha-zava-dehibe ny fiaraha-mitantana : ny fanjakana, ny manam-pahefana nentim-paharazana, ny vondron'olona ifotony ary ireo mpiara-miombon’antoka dia miara-mientana ho amin’ny tanjona iray : ny hitandrovana maharitra ny harena voajanahary ao Amoron’i Onilahy, sady mandray an-tanana ny filàna sy ny zava-misy iainan’ireo vondron'olona ifotony miankina amin’izany.

🌱 Satria rehefa iaraha-manorina ny fitantanana, dia maharitra kokoa ny fiarovana.

Andron’ny VOI 2026 - Fenoarivo Atsinanana | Fikambanana Vondron’Olona Ifotony fito tohanan’ny WWF no notolorana fankasit...
06/10/2026

Andron’ny VOI 2026 - Fenoarivo Atsinanana | Fikambanana Vondron’Olona Ifotony fito tohanan’ny WWF no notolorana fankasitrahana noho ny fandraisan’izy ireo andraikitra amin’ny fiarovana ny harena voajanahary 🌎

Nahazo fankasitrahana avy amin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD) ireo fikambanana Vondron’Olona Ifotony (VOI) fito tohanan’ny WWF.
57 no isan’ny rehetra nahazo fankasitrahana manerana an’i Madagasikara, noho ny traikefany sy ny ezaka ataony amin’ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary.
Avy any Ambiky sy Ranomay any amin’ny faritra Atsimo Andrefana; Ambodihasina sy Ambodivohitra Kobahina avy any amin’ny faritra SAVA; Kivalo, avy ao amin’ny faritra Menabe; Ankazomborona avy any amin’ny faritra DIANA; ary ny VOI Soatiry avy any amin’ny faritra Melaky izy ireo.

Maro ny fandraisana andraikitra ataon’izy ireo isanandro mba hitantanana ny harena voajanahary izay iankinany. Izy ireo no miara-manapa-kevitra amin’izay tokony hatao hiarovana ireo harena ireo. Izy ireo no mandamina ny fampiasana azy mba tsy ho lany tamingana, manarina ireo faritra efa simba, ary mandray anjara amin’ny fanaraha-maso. Eo ihany koa ny ezaka atao mba hahafahan’ny fiarovana ny tontolo iainana mitondra soa ho an’ny mponina eny an-toerana.
Izany anjara asa izany indrindra no asongadin’ny fankasitrahana nomen’ny MEDD. Ny Andron’ny VOI dia fotoana iray hanomezana lanja bebe kokoa ny anjara toeran’ireo VOI amin’ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary sy amin’ny fampandrosoana eny ifotony. Fotoana iray ihany koa izy io hanomezana sehatra azy ireo hizarana ny traikefany sy ny vahaolana hitany avy eny anivon’ny fiarahamoniny.

Tsy haharitra ny ezaka fiarovana raha tsy mandray anjara mivantana ireo olona monina eny an-toerana, miaina miaraka sy manodidina ireo harena voajanahary ireo ary mandray andraikitra amin’ny fitantanana azy isanandro.
Izany koa no hafatra entin’ny lohahevitr’ity Andron’ny VOI andiany fahatelo ity: mametraka ny VOI ho eo anivon’ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary sy ny fampandrosoana eny ifotony.

Nomena sehatra manokana handraisana fitenenana ihany koa ireo VOI nandritra ity andiany ity. Ny VOI FMTIA ao Ambodivohitra Kobahina, Andapa, izay tohanan’ny WWF, dia isan’ireo nasaina nizara ny traikefany nandritra ny “Les VOI parlent” (Mandray fitenenana ireo VOI).

Arahabaina ireo fikambanana VOI rehetra manerana an’i Madagasikara izay manao ny ainy tsy ho zavatra ho fiarovana ny tontolo iainana. Satria tsy mpanampy fotsiny amin’ny asa fiarovana izy ireo fa tena andrin’ny fiarovana ny harena voajanahary mihitsy.

Faritra fito, vondrom-piarahamonina fito, samy manana ny fomba iarovany ny harena voajanahary 🌿Avy any Ambiky sy Ranomay...
05/10/2026

Faritra fito, vondrom-piarahamonina fito, samy manana ny fomba iarovany ny harena voajanahary 🌿

Avy any Ambiky sy Ranomay any Atsimo Andrefana, Ambodihasina sy Ambodivohitra Kobahina any SAVA, Kivalo any Menabe, Ankazomborona any DIANA ary Soatiry any Melaky, samy manana ny zava-misy iainany sy ny harena tantaniny ireo VOI fito tohanan’ny WWF.
Misy miaro ala maina sy ala mando, misy mikajy honko sy faritra mando. Ao koa ireo manao fambolen-kazo, mamerina amin’ny laoniny ny faritra simba, manao fisafoana, mitantana ny jono, mampiroborobo ny fizahantany iarahan’ny vondrom-piarahamonina tantanana, na mamorona asa sy fivelomana mifanaraka amin’ny fiarovana ny natiora.
Samy hafa ny fomba fiasan’izy ireo, saingy iray ny fototra : ny vondrom-piarahamonina eny an-toerana mihitsy no mandray anjara amin’ny fanapahan-kevitra sy ny fitantanana ireo harena voajanahary iankinany.
Izany no antony anohanan’ny WWF ireo VOI. Satria ireo olona miaina akaiky indrindra amin’ny harena voajanahary no mahalala ny fiovana mitranga ao amin’ny faritra misy azy, ary izy ireo ihany koa no anisan’ny manana anjara lehibe amin’ny fitadiavana vahaolana maharitra.

👉 Fantaro ato amin’ity karôzely ity ny FIMITOA, TSIFA, VMTA, FMTIA, Ala Maitso tsy ho Gnanolo, ANKAMEVA ary Soatiry, ny faritra misy azy ireo ary izay mampiavaka ny asa ataon’ny tsirairay.

Satria tsy haharitra ny fiarovana ny natiora raha tsy manana toerana, andraikitra ary fahefana handray fanapahan-kevitra ireo vondrom-piarahamonina miaina miaraka aminy.

🐟 Ny fitantanana tsara ny jono anio no ahafahana mitahiry ireo harena iankinan’ny vondrom-piarahamonina rahampitso.Any a...
03/10/2026

🐟 Ny fitantanana tsara ny jono anio no ahafahana mitahiry ireo harena iankinan’ny vondrom-piarahamonina rahampitso.

Any amin’ny Baies d'Ampasindava, Tsimipaika, Ambaro, et Nosy Be, izay antsoina hoe faritra BATAN, dia tena zava-dehibe amin’ny fiveloman’ny mponina maro ny jono.

Mba hahafahan’ireo harena an-dranomasina ireo mbola mamelona ny taranaka ankehitriny sy ny ho avy, dia ilaina ny fitantanana iaraha-manana: fitsipika mazava, andraikitra voafaritra tsara, ary hetsika iarahan’ireo mpisehatra rehetra mamolavola.

Izany no tanjon’ny Plan d’Aménagement des Pêcheries de la zone BATAN – PAP BATAN. Ity drafitra ity no ho rafitra iombonan’ireo mpisehatra amin’ny fitantanana maharitra ny jono mandritra ny dimy taona ho avy.

Ny 1 sy 2 oktobra 2026 tao Nosy Be, dia niara-nivory ireo mpisehatra manodidina ny enimpolo avy amin’ny sehatry ny jono sy ny toekarena manga mba hamita ity asa ity. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany ny Direction Générale de la Pêche et de l’Aquaculture (DGPA) ao amin’ny Ministère de la Pêche et de l’Économie Bleue (MPEB), ny Région DIANA, ireo solontenan’ny mpanjono, ny ONG ary ny fiarahamonim-pirenena.

Ireto no anisan’ny vokatra lehibe tamin’ny fifanakalozana :

☑ ireo hetsika hotanterahina ao anatin’ireo "unité de gestion" telo ao amin’ny PAP BATAN ;
☑ ny Plan de Mise en Œuvre (PMO), izay mamaritra ireo asa sy hetsika tokony hotanterahina ;
☑ ny Plan d’Action pour la Restriction d’Accès (PARAR), izay mamaritra ireo fepetra mikasika ny famerana ny fahafahana miditra na mampiasa ireo harena, ary koa ny fanohanana ireo olona na vondrom-piarahamonina mety ho voakasik’izany ;
☑ ny Plan de Gestion Environnementale et de Sauvegarde Sociale (PGESS), izay mamaritra ireo fepetra entina misoroka, mampihena ary mitantana ireo fiantraikany mety hisy eo amin’ny tontolo iainana sy ny fiarahamonina.

Ireo antontan-taratasy ireo dia natao indrindra mba hananana rafitra iaraha-manana amin’ny fitantanana ny jono, hiarovana ny harena an-dranomasina ary handraisana an-tanana ireo vondrom-piarahamonina miankina amin’izany.

Taorian'ny fametrahana ity PAP BATAN ity dia ny fampiharana ireo fepetra sy hetsika voafaritra ao anatiny eny ifotony no dingana manaraka. Araka ny nambaran’ny Directeur général de la Pêche et de l’Aquaculture ao amin’ny MPEB, dia mila ny fandraisan’anjaran’ireo mpisehatra rehetra voakasika ny fanatanterahana izany.

🌎 Ao Andrahangy, faritra Menabe, ny fiarovana ny ala honko dia miankina betsaka amin’ny fandraisan’anjaran’ireo vondron'...
01/10/2026

🌎 Ao Andrahangy, faritra Menabe, ny fiarovana ny ala honko dia miankina betsaka amin’ny fandraisan’anjaran’ireo vondron'olona ifotony.

Anisan’ireo tena mandray anjara amin’izany i Fihevera, raim-pianakaviana tanora manan-janaka roa, filoha lefitry ny VOI « Soamiray » ary mpitarika mavitrika ireo Polisinala. Mandray anjara amin’ny fanaraha-maso, ny fanentanana ary ny fiarovana ny ala honko izy.
Amin’ny maha-mpanjono azy, dia mahatsapa mivantana ihany koa izy ny fiovan’ny harena an-dranomasina sy ny lanjan’ny ala honko amin’ny fiainan’ny vondrom-piarahamonina.
Ho an’i Fihevera, tsy fiarovana ny ala honko fotsiny no atao, fa fiarovana ihany koa ny loharanom-piveloman’ny fiarahamonina.

🔗 Ao amin'ny ranty ny rohy raha te hahafantatra bebe kokoa momba ny tantaran’i Fihevera sy ny fandraisan’anjaran’ny vondrom-piarahamonina ao Andrahangy ianao.

🕊️ Aujourd’hui, nous pleurons une des nôtres. 🕊️Nous pleurons une collègue, une mentore, une femme qui a profondément ma...
30/09/2026

🕊️ Aujourd’hui, nous pleurons une des nôtres. 🕊️

Nous pleurons une collègue, une mentore, une femme qui a profondément marqué le WWF Madagascar, autant par son travail que par la personne qu’elle était.

Valencia était exigeante, rigoureuse, attentive aux détails. Elle tenait à ce que les choses soient bien faites, dans les délais, avec sérieux et avec soin. Beaucoup se souviennent encore de cette phrase qu’elle répétait souvent : « Nous sommes WWF, il faut faire attention à la qualité de nos rapports et de notre travail. »
Mais derrière cette exigence, il y avait surtout une femme profondément humaine, joyeuse, généreuse et pleine d’humour. Elle aimait transmettre, raconter les anecdotes du terrain, partager un conseil ou un fananarana. Elle savait écouter, encourager, rassurer, et pousser chacun à aller un peu plus loin.
Elle croyait beaucoup aux jeunes, et particulièrement aux jeunes femmes. Elle les encourageait à croire en elles, à s’affirmer, à garder leurs principes et à rester fidèles à leurs valeurs. Elle croyait aussi profondément à Madagascar, et à la responsabilité de chacun dans son avenir.

Au WWF Madagascar, Valencia a joué un rôle important dans la façon dont nous planifions nos actions, suivons nos projets, évaluons nos résultats et apprenons de notre travail. Elle a aussi accompagné de nombreux collègues, ici à Madagascar et dans d’autres bureaux du WWF à travers le monde.

Aujourd’hui, ce qu’elle nous laisse ne se résume pas à des méthodes ou à des outils.
Son héritage vit dans les personnes qu’elle a accompagnées, dans les exigences qu’elle nous a transmises, dans la confiance qu’elle a donnée aux autres et dans cette manière de toujours chercher à faire mieux, sans perdre de vue l’humain.

Nous continuerons à faire vivre ce qu’elle nous a appris et ce qu’elle a semé au sein du WWF Madagascar.

Merci, Valencia Ranarivelo, pour tout ce que tu as été pour nous.

Mandria am-piadanana. 🕊️

🌍  Fankalazana nasionaly ny 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗼 𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗶𝘀𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗱𝗼𝘁𝗼𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝘁𝘀𝘆 𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝘀𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗮𝗿𝗼𝗻𝗮 𝗽𝗹𝗮𝘀𝘁𝗶𝗸𝗮 sy ny 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗺𝗮𝗻𝗲𝗿𝗮𝗻-𝘁𝗮𝗻𝘆 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗻𝘆...
29/09/2026

🌍 Fankalazana nasionaly ny 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗼 𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗶𝘀𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗱𝗼𝘁𝗼𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝘁𝘀𝘆 𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝘀𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗮𝗿𝗼𝗻𝗮 𝗽𝗹𝗮𝘀𝘁𝗶𝗸𝗮 sy ny 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗺𝗮𝗻𝗲𝗿𝗮𝗻-𝘁𝗮𝗻𝘆 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗱𝗶𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 ( #𝗪𝗼𝗿𝗹𝗱𝗖𝗹𝗲𝗮𝗻𝘂𝗽𝗗𝗮𝘆)

Ao Ambohidratrimo no fotoana ny 9 sy 10 oktobra 2026 miaraka amin'ireo tanora avy ao amin'ny Move Up Madagascar sy HARP - Helping Ambohidratrimo by Recycling Plastics.

Tongava maro. Andao hiray hina.
Andao hanadio.
Andao hampihena ny fako.
Andao hiaro ny tontolo iainana.
Andao hiara-hiasa ho an’ny fiovana maharitra.

🌍 « 𝗔𝗡𝗗𝗔𝗢 𝗛𝗔𝗡𝗔𝗗𝗜𝗢! »

♻️🧹Ao anatin’ny fankalazana nasionaly ny 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗼 𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗶𝘀𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗱𝗼𝘁𝗼𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝘁𝘀𝘆 𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝘀𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗮𝗿𝗼𝗻𝗮 𝗽𝗹𝗮𝘀𝘁𝗶𝗸𝗮, ny 09 sy 10 Oktobra 2026, ary ny fanamarihana ny 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗺𝗮𝗻𝗲𝗿𝗮𝗻-𝘁𝗮𝗻𝘆 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗱𝗶𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 ( #𝗪𝗼𝗿𝗹𝗱𝗖𝗹𝗲𝗮𝗻𝘂𝗽𝗗𝗮𝘆), dia miara-mientana ny rehetra amin’ny ady amin’ny fandotoana sy ny fiarovana ny tontolo iainana.

♻️🏡Ny 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗲𝗿𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗧𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼 𝗜𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗟𝗼𝘃𝗮𝗶𝗻𝗷𝗮𝗳𝘆 (𝗠𝗘𝗗𝗗), miaraka amin’ny 𝗠𝗼𝘃𝗲 𝗨𝗽 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗰𝗮𝗿 sy ny 𝗛𝗔𝗥𝗣, dia hanatanteraka hetsika fanentanana sy fanadiovana ho fampiroboroboana ny fandraisana andraikitra iombonana.

📍 09 𝗢𝗸𝘁𝗼𝗯𝗿𝗮 2026 : Kianjan’ny Barea Mahamasina
📍 10 𝗢𝗸𝘁𝗼𝗯𝗿𝗮 2026 : Ambohidratrimo

♻️🏡Ankoatra ny fanadiovana toerana, ny hetsika dia mikendry ny hampiroborobo ny 𝗳𝗮𝗻𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗮𝗵𝗮𝘇𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮, 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗵𝗲𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗸𝗼 𝗮𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝘁𝗮𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗵𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗸𝗼, ho fikajiana ny tontolo iainana ho an’ny tombontsoan’rehetra.

♻️ 𝗔𝗻𝗱𝗮𝗼 𝗵𝗮𝗺𝗽𝗶𝗵𝗲𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗸𝗼!
🌱 𝗔𝗻𝗱𝗮𝗼 𝗵𝗶𝗮𝗿𝗼 𝗻𝘆 𝘁𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼 𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮!
🤝 𝗔𝗻𝗱𝗮𝗼 𝗵𝗶𝗮𝗿𝗮-𝗵𝗶𝗲𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗵𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮!
🧹« 𝗔𝗡𝗗𝗔𝗢 𝗛𝗔𝗡𝗔𝗗𝗜𝗢! »


🌍 WWF Manambolo-Tsiribihina : fahafahana vaovao ho an’ny tanora Ny 25 sy 26 septambra, nandray anjara tamin’ny Salon de ...
28/09/2026

🌍 WWF Manambolo-Tsiribihina : fahafahana vaovao ho an’ny tanora

Ny 25 sy 26 septambra, nandray anjara tamin’ny Salon de l’étudiant et de l’emploi tao Morondava ny WWF Manambolo-Tsiribihina, tamin’ny alalan’ny tranoheva fampahafantarana sy fihaonambe natokana ho an’ny tanora.

Tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny WWF sy ny Oniversiten’i Menabe ity fandraisana anjara ity. Tanjona ny hanamafy ny fifampizaràna fahalalana, ny fanofanana ary ny fanentanana, indrindra momba ny fiarovana ny zavaboary sy ny fampandrosoana maharitra.

Nandritra ny Salon, ny WWF dia naniry ny hampahafantatra bebe kokoa ny tanora ireo hetsika tanterahina ao amin’ny faritra Manambolo-Tsiribihina, ary indrindra hampiseho fa ny fiarovana ny zavaboary dia afaka mitondra fahafahana hianarana, hahazoana traikefa, hampivelarana fahaiza-manao ary hidirana tsikelikely eo amin’ny tontolon’ny asa.

Nandritra ny fihaonambe « WWF Manambolo-Tsiribihina : ireo fahafahana mifandraika amin’ny hetsika ho an’ny tanora », dia nizara tamin’ny tanora ny Landscape Manager momba ireo asa lehibe tanterahin’ny WWF ao amin’ny faritra sy ireo fomba ahafahan’izy ireo mandray anjara.

Nisongadina tao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ny fahafahana mifandraika amin’ny fandraisana andraikitra eo anivon’ny fiarahamonina, ny fanofanana, ny fanamafisana fahaiza-manao ary ny fanohanana ireo hetsika ho an’ny zavaboary sy ny vondrom-piarahamonina eny ifotony.

Nandritra ireo roa andro ihany koa, maro ireo mpianatra sy tanora nitsidika ny tranohevan’ny WWF, niresaka mivantana tamin’ny ekipa ary nahafantatra bebe kokoa ireo tetikasa sy hetsika tanterahina ao amin’ny faritra.

Satria tsy mpijery fotsiny ny tanora. Afaka mandray andraikitra izy ireo, mampivelatra ny fahaiza-manaony ary mandray anjara amin’ny fananganana hoavy maharitra kokoa.

Ny tanjona dia ny hahatonga ny tanora ho tena mpiara-miombon’antoka amin’ny fiarovana ny zavaboary, sady hanampy azy ireo hahita fahafahana manan-danja ho an’ny hoaviny sy ny faritra misy azy.

Des opportunités à WWF Madagascar : ✅Appel d'offres : travaux de construction/réhabilitation des 3 bureaux de VOI dans l...
27/09/2026

Des opportunités à WWF Madagascar :
✅Appel d'offres : travaux de construction/réhabilitation des 3 bureaux de VOI dans le paysage Manambolo tsiribihina
✅ Appel D'offres - Achat et livraison de matériels/équipements de plongée pour le paysage MahafalyManambolo-tsiribihina
✅ Appel D'offres - Achat et livraison de matériels/équipements de plongée pour le paysage MMahafaly
✅ 4 Socio-organisateurs - Haute Terres du Nord (Un à Ambodiadabo, district de Bealanana, un à Anjialavabe, deux à Sambava
Les liens de chaque offre en commentaires.
Bonne chance !

Address

BP 738 Lot Près II 85 Ter Antsakaviro
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00

Telephone

+261344988804

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when WWF Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to WWF Madagascar:

Shortcuts

Share