WWF Madagascar

WWF Madagascar Building a future in which humans live in harmony with nature. These characteristics have led some scientists to dub Madagascar the "seventh continent”.

The island of Madagascar separated from the African continent some 165 million years.1 Since then, a unique array of plants and animals have evolved, including many endemics species which are found nowhere else in the world. You say lemurs? All 99 known species and subspecies of these small primates are found only on this island and on the Comoros where they were likely to be introduced. These inc

lude the indri, the largest living lemur; black lemurs, which feed on ripe fruit, leaves, insects and flowers; and the hairy-eared dwarf lemur that has long wavy hair around its ears. The eastern, or windward side of the island is home to tropical rainforests, while the western and southern sides of the island are covered by tropical dry forests, thorn forests, and deserts and xeric shrublands. Dry forests support hundreds of endemic plant and animal species - for example, 7 species of baobab trees as compared to only one in all of Africa. The islands surrounding Madagascar are equally diverse as are the countless reefs, home to whales, sharks and marine turtles amongst many other species. WWF MDCO (Madagascar Country Office) works in six different fields: terrestrial, marine, footprint, sustainability, species and climate change. We are passionate about nature and leaders in community based conservation work. This group welcomes all people who are interested in our work, who want to read about the latest news and want to share their passion for this corner of the globe.

Avy amin’ny fiarovana ny ala honko no iavian’ny tantely sy ny harena an-dranomasina: mandray anjara amin’ny Fier Mada ir...
05/08/2026

Avy amin’ny fiarovana ny ala honko no iavian’ny tantely sy ny harena an-dranomasina: mandray anjara amin’ny Fier Mada ireo vondron’olona ifotony avy ao Menabe

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany ny Fier Mada, hetsika mampiranty sy mampiroborobo ireo vokatra avy amin’ny faritra samihafa eto Madagasikara. Ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana no nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ity foara ity. Hanomboka anio ny hetsika ary haharitra hatramin’ny alahady 9 Aogositra, ao amin’ny Kianjan’ny Maki Andohotapenaka.

Ao anatin’izany, mandray anjara ireo kaoperativa sy fikambanana vondron’olona ifotony avy ao amin’ny faritra Menabe, mpiara-miasa amin’ny WWF, izay mampiranty sy mivarotra ireo vokatra vokarin’izy ireo.

Ireo mpandray anjara ireo dia tsy mpamokatra fotsiny, fa mpiaro ny harena voajanahary ihany koa, indrindra ny ala honko. Ny vokatra amidiny dia porofo fa afaka miara-dalàna ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina. Amin’ny alalan’ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary dia mahazo fidiram-bola izy ireo, sady manome lanja sy miaro ireo loharanon-karena iankinan’ny fivelomany.

🌿 Tsidiho ny tranohevan’izy ireo ary ankafizo ireo vokatra mampiavaka ny faritra (akaikin'ny podium)
🍯 Tantely ala honko avy ao amin’i Delta Tsiribihina
🐟 Vokatra an-dranomasina maina, toy ny trondro maina sy thon fumé
🦀 Vokatra avy amin’ny ala honko toy ny Drakala

Tongava manohana ireo vondron’olona ifotony izay mampiseho fa ny fiarovana ny tontolo iainana dia afaka mamorona fivelomana maharitra ho an’ny rehetra.

🇲🇬 Madagasikara misongadina amin’ny alalan’ny tanorany eo amin’ny sehatra panafrikaninaTanora Malagasy roa, Espérance Am...
04/08/2026

🇲🇬 Madagasikara misongadina amin’ny alalan’ny tanorany eo amin’ny sehatra panafrikanina

Tanora Malagasy roa, Espérance Amponga sy MONJA Tombora Tsirokay, no voafidy hisolo tena ny faritry ny Ranomasimbe Indianina ao amin’ny Parlement panafricain des jeunes pour la démocratie.

Faly sy mirehareha izahay mahita an’i Monja, tanora mpitarika ao amin’ny YOUTH Community Toliara, mandray ity andraikitra vaovao ity sy mitondra ny feon’ny tanora Malagasy eo amin’ny sehatra panafrikanina.

Ny Youth Community dia sehatra iray ahafahan’ny tanora mianatra, mifanakalo traikefa, mampivelatra ny fahaiza-mitarika ary mandray andraikitra ho an’ny fiarahamoniny sy ny zavaboary. Amporisihina ao ireo tanora mba hanana fahasahiana haneho hevitra, hanolotra vahaolana ary handray anjara amin’ireo fanapahan-kevitra mahakasika ny hoaviny.

Ny dian’i Monja dia mampiseho fa afaka mitondra lavitra ny firotsahana sy ny asa atao eny ifotony.

👏 Arahabaina indrindra i Espérance sy Monja! Mirary fahombiazana ho azy ireo amin’ity andraikitra vaovao ity izahay, ary mirehareha mahita an’i Madagasikara voasolo tena ao amin’ny Parlement panafricain des jeunes pour la démocratie.

Vakio ato amin’ny lahatsoratr’i 2424.mg ny momba azy ireo 👇

Une nouvelle distinction pour Madagascar. À l’issue du processus électoral organisé en juillet 2026 par la Fondation de l’Innovation pour la Démocratie, deux jeunes Malgaches, Espérance Amponga et Monja Tsirokay, ont été élus pour représenter l’ensemble de la région de l’océan Indien au sein du Parlement panafricain des jeunes pour la démocratie. Leur mandat est de deux ans, à compter du 3 août 2026.

Pour lire l'article : https://cutt.ly/myi2qo3n

🌿 Andro maneran-tany ho an’ny polisinala : Miaro ny alan’i Ranomay, dingana iray isaky ny mandehaVao mangiran-dratsy, re...
03/08/2026

🌿 Andro maneran-tany ho an’ny polisinala : Miaro ny alan’i Ranomay, dingana iray isaky ny mandeha

Vao mangiran-dratsy, rehefa manomboka mifoha ny alan’i Ranomay Amoron’i Onilahy, dia miainga ny ekipa iray ahitana mpanao fisafoana fito avy amin’ny vondron’olona eny ifotony.

Mandritra ny ora maro izy ireo no mamakivaky lohasaha sy havoana, mitondra GPS, ary indraindray miatrika hafanana mafy. Ny andraikitr’izy ireo dia ny mamantatra ireo loza sy asa tsy ara-dalàna, misoroka ny doro tanety ary miaro ny iray amin’ireo toerana sisa manankarena zavamananaina ao amin’ny faritra Mahafaly.

Anisan’izy ireo i Elahimanoro, polisinala avy amin’ny vondron’olona eny ifotony ao Ranomay sady mpitsabo nentim-paharazana mampiasa zava-maniry fanao fanafody. Mandeha isanandro izy mba hiarovana ity ala ity sy hampitana azy ho lova ho an’ny taranaka ho avy.

Mitondra vokatra azo tsapain-tanana ny asan’izy ireo. Nohon'ny fisafoana tsy tapaka, ny fanaraha-maso nohamafisina ary ny fiaraha-miasa eo amin’ny vondron’olona eny ifotony sy WWF Madagascar, dia voaaro kokoa ankehitriny ny ala. Voafehy kokoa ireo tsindry mihatra amin’ny harena voajanahary ary mitombo tsikelikely ny isan’ny varika hita amin’ny faritra sasany.

Teo anelanelan’ny taona 2022 sy 2026:
➡️ efa ho nitombo avo roa heny ny isan’ny Maky hita isaky ny hektara;
➡️ nitombo ihany koa ny isan’ny Sifaka hita isaky ny hektara.

Ao ambadik’ireo vokatra ireo dia misy ora an’arivony lanin’izy ireo amin’ny fandehanana, fanaraha-maso ary fiambenana. Maneho izany fa rehefa mandray anjara feno amin’ny fiarovana ny natiora ny vondron’olona eny ifotony, dia mahazo toerana indray ny zavaboary mba hiverina sy hiroborobo.

Ho fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny mpanao fisafoana, WWF Madagascar dia manome voninahitra ireo vehivavy sy lehilahy izay manatanteraka isanandro, matetika lavitry ny mason’ny besinimaro, asa tena ilaina amin’ny fiarovana ny lova voajanahary ananantsika.

Ao amin’ny ranty ny rohy raha hamak feno ny lahatsoratra ianao.

🌊 Andro maneran-tany ho an’ny faritra arovana an-dranomasina 🌊 Toerana velona izy ireny, iarahan’ny vondrom-piarahamonin...
01/08/2026

🌊 Andro maneran-tany ho an’ny faritra arovana an-dranomasina 🌊

Toerana velona izy ireny, iarahan’ny vondrom-piarahamonina, ny manam-pahefana ary ireo mpisehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana miasa, mba hiarovana ny haran-dranomasina, ny sokatra an-dranomasina ary ireo harena iankinan’ny mponina amorontsiraka.

Ao Nosy Hara, harena miavaka no arovana: 6 235 hektara haran-dranomasina sy 332 karazana haran-dranomasina. Any Mahafaly kosa, tafiditra ao anatin’ny fiarovana ny famerenana amin’ny laoniny ireo haran-dranomasina simba, amin’ny alalan’ny toeram-pitomboan’ny haran-dranomasina, ny famindrana ireo sombiny ary ny fanaraha-maso iarahana amin’ny vondrom-piarahamonina.

Ny fiarovana ny faritra an-dranomasina dia manampy ny natiora hiverina ho salama, sady manamafy ny fahafahan’ireo mponina miankina amin’ny ranomasina miatrika ny fiovana sy mitahiry ny fivelomany.

Amin’ity andro natokana ho an’ny faritra arovana an-dranomasina ity, andao hankalaza ireo rehetra miasa isan’andro ho fiarovana ny ranomasintsika.

💬 Araka ny hevitrao, nahoana no zava-dehibe ny fiarovana ny faritra an-dranomasina eto Madagasikara?

31/07/2026

🌿 Andro maneran-tany ho an’ny polisinala | Solofo, POLISINALA feno fanoloran-tena

Nandritra ny 10 taona, i RAZANAKOLONA Solofo Andriatimanavaka, na Solofo, avy ao Betania, distrikan'i Morondava, faritra Menabe, dia nirotsaka ho POLISINALA, mpiaro sy mpiambina ny ala honko izay tantanan'ireo vondron'olona ifotony ao amin'ny faritra misy azy.

Ny fiarovana ny harena voajanahary sy ny tontolo iainana no manosika azy hanohy ny asany isan'andro. Ho azy, zava-dehibe ny ala honko satria iankinan'ny fivelomany amin'ny maha mpanjono azy sy ireo Vezo mitovy aminy.

🎥 Ao anatin'ity horonantsary ity, mizara ny zavatra niainany izy: ny fiovan'ny ala honko vokatry ny ezaka fisafoana sy fanaraha-maso ny ala honko, ny asa ataon'ireo mpiambina isan'andro, ary ireo fanamby atrehin'izy ireo eny an-kianja.

🌱 Ao ambadik’ireo tontolo voajanahary voaaro tsirairay dia misy ireo vehivavy sy lehilahy manolo-tena hiaro ny hoavin’ny faritra misy azy ireo.

🌍 Androany 30 jolay no Andron’ny fihoaran’ny fampiasana ny harena azon’ny Tany havaozina.Tsy tahiry tsy mety ritra ny za...
30/07/2026

🌍 Androany 30 jolay no Andron’ny fihoaran’ny fampiasana ny harena azon’ny Tany havaozina.

Tsy tahiry tsy mety ritra ny zavaboary! Efa lanin’ny olombelona sahady izay harena rehetra azon’ny Tany havaozina ao anatin’ny herintaona. Manomboka izao, dia toy ny mitrosa amin’ny zavaboary isika.

Tsy anisan’ireo firenena mandany harena voajanahary be indrindra i Madagasikara. Na izany aza, rehefa mihena ny ala, mihasimba ny tany na mihavitsy ny harena an-dranomasina, dia mahatsapa mivantana ny vokany ny vokany isika.

Mampahatsiahy antsika ity andro ity fa misy safidy tokony hatao: hampandroso ny firenentsika nefa tsy handany ireo harena iankinan’ny fiainantsika.

💬 Araka ny hevitrao, inona no hetsika tokony hatao laharam-pahamehana eto Madagasikara?

🌊 Vahoaka, zavaboary ary toetrandro: hetsiky ny firaisamonim-pirenena ao Atsimo AndrefanaAo amin’ny faritra  Atsimo-Andr...
29/07/2026

🌊 Vahoaka, zavaboary ary toetrandro: hetsiky ny firaisamonim-pirenena ao Atsimo Andrefana

Ao amin’ny faritra Atsimo-Andrefana, fianakaviana maro no mivelona amin’ny jono sy ny harena an-dranomasina. Saingy mihasimba ireo harena ireo ary mihamafy ny vokatry ny fiovan’ny toetrandro.
Ho fiatrehana izany, WWF Madagascar sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy dia manatanteraka mandritra ny telo taona ny tetikasa « Hetsiky ny firaisamonim-pirenena ho an’ny vahoaka, ny zavaboary ary ny toetrandro », vatsian’ny NORAD vola.

Hanohana ny vondrom-piarahamonina sy ny fikambanana eny ifotony ny tetikasa mba:
✅ hitantana tsara kokoa ny harena an-dranomasina, amin’ny fanamafisana ny LMMA, ny fisafoana ary ny fanaraha-maso ny jono;
✅ handray anjara bebe kokoa amin’ny fanapahan-kevitra, amin’ny alalan’ny fiofanana sy ny fanohanana ny Fédération Milanoriake ary ny fikambanan’ny tanora;
✅ hanatsara ny fivelomana, indrindra ho an’ny vehivavy sy ny tanora, amin’ny fanofanana sy fanohanana ny koperativa ary ny fanamorana ny fivarotana ny vokatra;
✅ hiomana tsara kokoa amin’ny loza ateraky ny fiovan’ny toetrandro, amin’ny fametrahana rafitra fampitandremana sy fandraisana andraikitra haingana.

Ny fanombohana tamin’ny fomba ofisialy natao tao Toliara no manamarika ny fiandohan’ity fiaraha-mientana ity. Eny ifotony kosa no handrefesana ny vokatra, amin’ny fiainan’ny mponina sy ny fitantanana ny harena an-dranomasina.

🌿 Vina iombonana hiarovana maharitra ny honko eto Madagasikara 🇲🇬Manana anjara toerana lehibe ho an’ireo vondrom-piaraha...
28/07/2026

🌿 Vina iombonana hiarovana maharitra ny honko eto Madagasikara 🇲🇬

Manana anjara toerana lehibe ho an’ireo vondrom-piarahamonina amorontsiraka ny honko. Mandray anjara amin’ny fiarovana ny morontsiraka izy ireo, amin’ny fitahirizana ny karbaona, amin’ny fiarovana ny harena voajanahary ary koa amin’ny fanohanana ireo asa fivelomana ara-toekarena, indrindra ny jono.

Mba hiantohana ny fiarovana sy ny fitantanana maharitra ny honko, dia nanolo-tena i Madagasikara tamin’ny famolavolana ny Paikady nasionaly ho an’ny fitantanana iombonana ny rohivoahary honko ho an’ny taona 2022–2032, izay natao hanamafisana ny fandrindrana sy ny fitarihana ireo asa ataon’ireo mpisehatra samihafa.

Eo ambany fitarihan’ny Ministère de l'Environnement et du Développement Durable ary ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, ny Paikady nasionaly ho an’ny fitantanana mitambatra ny rohivoahary honko, izay nankatoavina tamin’ny taona 2023, dia lasa fototra lehibe hanamafisana ny firindran’ireo asa tanterahina eny amin’ny sehatra nasionaly, isam-paritra ary ifotony.

Ao anatin’ny tetikasa Mangroves for Community and Climate, ny WWF sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy dia nandray anjara tamin’ity dingana ity tamin’ny alalan’ny fanohanana ara-teknika, ny fizarana ireo traikefa azo teny ifotony ary ny famokarana ireo fahalalana ilaina.

Ny fanatanterahana ity paikady ity dia miankina amin’ny fiaraha-mientan’ireo mpisehatra rehetra : ny andrim-panjakana, ny vondrom-bahoakam-paritra, ny vondron'olona eny ifotony, ny mpikaroka, ny fikambanan’ny fiarahamonim-pirenena ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola.

Satria ny fiarovana ny honko dia mitaky vina iombonana sy hetsika mirindra.

🔗 Araho ao amin'ny ranty ny rohy raha hijerena ny antontan-taratasy momba ny Paikady nasionaly ho an’ny fitantanana mitambatra ny honko ianao.

👥 Mandray anjara amin’ny Fihaonambem-paritry ny LMMA any Nosy Be ireo vondrom-piarahamonina tohanan’ny WWF Madagascar 🌊N...
27/07/2026

👥 Mandray anjara amin’ny Fihaonambem-paritry ny LMMA any Nosy Be ireo vondrom-piarahamonina tohanan’ny WWF Madagascar 🌊

Ny 27 Jolay 2026, nosokafan’ireo solontenan’ny Lamina enti-Mitantana ny Morontsiraka sy Andranomasina (LMMA) avy any amin’ny faritra Avaratra-Andrefana, ireo mpandray anjara ary ireo mpiara-miombon’antoka tamin’ny alalan’ny diabe fanentanana nanerana ny araben’i Hell-Ville, Nosy Be, ny fihaonambem-paritra.

Nampahatsiahy ny mponina ny maha-zava-dehibe ny fiarovana ny tontolo an-dranomasina sy amorontsiraka ity hetsika iarahan’ny vondrom-piarahamonina ity. Nasongadina tamin’izany ihany koa ny anjara toerana fototra raisin’ireo vondrom-piarahamonina eo an-toerana amin’ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina.

Mandray anjara amin’ity fihaonana ity ny WWF Madagascar amin’ny alalan’ireo solontenan’ny vondrom-piarahamonina tohananay any amin’ny faritra avaratr’i Madagasikara. Manome sehatra azy ireo hizarana ny traikefany eny ifotony, hampitana ny laharam-pahamehany ary hanamafisana ny fifanakalozana amin’ireo vondrom-piarahamonina hafa mitantana LMMA ny fandraisany anjara.

Atao any Nosy Be ny 27 hatramin’ny 30 Jolay 2026 ny Fihaonambem-paritry ny LMMA Avaratra-Andrefana. Manangona ireo vondrom-piarahamonina avy amin’ny faritra Diana, SAVA, Sofia ary Boeny, miaraka amin’ireo manam-pahefana sy mpiara-miombon’antoka, izany.

Mandritra ny efatra andro, hifampizara traikefa sy fanamby ary vahaolana ireo mpandray anjara, mba hanamafisana ny fitantanana ny harena an-dranomasina sy amorontsiraka tarihin’ny vondrom-piarahamonina.

Satria miankina indrindra amin’ny fitarihana, ny fahalalana ary ny fahavononan’ireo vondrom-piarahamonina miaina sy mifandray isanandro amin’ireo harena ireo ny fahombiazan’ny fiarovana maharitra.

📸 Réseau Mihari - Mihari Network

🌱 Ny famerenana amin’ny laoniny ny honko dia tsy fanatsatohana zanakazo fotsiny, fa famerenana ihany koa ireo harena ana...
27/07/2026

🌱 Ny famerenana amin’ny laoniny ny honko dia tsy fanatsatohana zanakazo fotsiny, fa famerenana ihany koa ireo harena anaty rano sy ireo zavamananaina miankina aminy 🦀

Nandritra ny fotoana ela, ny famerenana amin’ny laoniny ny honko dia matetika no nampifandraisina tamin’ny fanatsatohana zanakazo honko. Kanefa, samy manana ny toetra ara-tontolo iainana, ara-pikorinan’ny rano ary ara-tsosialy mampiavaka azy ny toerana tsirairay.

Noho izany, ny famerenana amin’ny laoniny maharitra dia manomboka amin’ny fahafantarana ireo antony nahatonga ny fahasimban’ny honko : ny fiovan’ny fivezivezen’ny rano, ny tsindry ateraky ny asan’olombelona, ny fiovan’ny toetry ny tany, ny fitrandrahana ny harena voajanahary, na ny fahaverezan’ireo fepetra ahafahan’ny honko miverina voajanahary.

Arakaraka ny toe-javatra misy, ny vahaolana dia mety ho famerenana ny fikorianan’ny rano, fanarenana ny firafitry ny toerana, fampihenana ireo tsindry manimba, na fanohanana ny fahafahan’ny honko miverina voajanahary. Ny famindrana zana-kazo dia atao ihany rehefa tena ilaina ary mifanaraka amin’ny toe-javatra misy eo an-toerana.

Ireo traikefa novolavolaina tao anatin’ny tetikasa Mangroves for Community and Climate dia nandray anjara tamin’ny fanamafisana ny fandinihana sy ny famokarana ireo fitaovana ara-teknika hanohanana ny famerenana amin’ny laoniny ny honko eto Madagasikara.

Eo ambany fitarihan’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Maharitra ary ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, ny Drafitra nasionaly famerenana amin’ny laoniny ny honko dia mikendry ny hanatsara ny kalitao, ny firindrana ary ny faharetan’ireo hetsika fanarenana tanterahina.

Ny famerenana amin’ny laoniny ny honko dia tsy mikasika ny fambolena hazo fotsiny, fa indrindra ny famerenana ireo fepetra ahafahan’ity tontolo iainana ity miverina sy mivelatra maharitra.

Address

BP 738 Lot Près II 85 Ter Antsakaviro
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00

Telephone

+261344988804

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when WWF Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to WWF Madagascar:

Shortcuts

Share