SIF: Sehatra Iombonana hoan'ny Fananantany

SIF: Sehatra Iombonana hoan'ny Fananantany Plateforme de la société civile malgache, œuvrant dans le domaine du foncier.

Plate-forme de la société civile œuvrant dans le domaine du foncier, ayant pour objectif de faciliter l’accès à la propriété foncière de la population, particulièrement les couches vulnérables, pour arriver à une souverainneté alimentaire.

🌿🌍 ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TONTOLO IAINANA 🌍🌿Nandritra ny Fikaonan-doham-pirenena momba ny Fananan-tany, izay na...
05/06/2026

🌿🌍 ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TONTOLO IAINANA 🌍🌿

Nandritra ny Fikaonan-doham-pirenena momba ny Fananan-tany, izay nampivondrona ireo fikambanan’ny Fiaraisamonimpirenena misehatra amin’ny fananantany sy sehatra mifandraika aminy notanterahina tamin’ny volana Aprily 2026 teo, dia anisan’ireo lohahevitra lehibe nodinihina ny fifandraisan’ny fananantany sy ny tontolo iainana.

📌 Ho fampahatsiahivana, ireto avy ireo hevi-dehibe nivoitra sy naroso mikasika izany:

👥🌱 Apetraka amin’ny Fokonolona ny fahefana feno mahakasika ny tontoloiainany :

🔹 Tokony hanome toerana sy andraikitra lehibe ho an’ny Fokonolona eny ifotony, amin’ny fitantanana ny tontolo iainana, amin’ny alalan’ny fampiharana ireo foto-kevitra fototra momba ny fandraisana anjara, ny mangarahara ary ny tamberin’andraikitra.

🔹 Tokony hapetraka ho fomba fanao mahazatra ny fifampidinihana mialoha, ny fanekena iarahan’ny rehetra, ny mangarahara ary ny fahazoan’ny Fokonolona vaovao feno sy ara-potoana momba ireo tetikasa rehetra misy fiantraikany amin’ny tontolo iainana.

🔹 Mila hamafisina ny fiarovana ny zon’ny Fokonolona amin’ny taniny, ny faritra arovana ary ireo faritra iharan’ny famindrana fitantanana ny harena voajanahary. Izany dia azo tanterahina amin’ny alalan’ny fampidirana azy ireo ao anatin’ny antontan-taratasy fandrindrana ny fampiasana ny tany, ny Dina ary ireo fitaovana ara-dalàna sahaza hafa.

🔹 Ilaina ny fanamafisana ny fifamenoana sy ny firindrana eo amin’ny sehatry ny tontolo iainana sy ny fananan-tany, miaraka amin’ny fanohanana sy fanentanana ataon’ireo fikambanan’ny Firaisamonimpirenena, mba hahazoana antoka fa maharitra sy mahomby ny fitantanana ny harena voajanahary sy ny tany.

🌿🤝 Ny Fokonolona no ivon’ny fiarovana sy fitantanana maharitra ny tontolo iainana. 🌍

TOROLALANA KELY INDRAY!FANORATANA NY FANDOVANA ENY AMIN’NY “DOMAINE”, INONA AVY NY TARATASY ILAINA ?Ny fandovana dia fom...
04/06/2026

TOROLALANA KELY INDRAY!

FANORATANA NY FANDOVANA ENY AMIN’NY “DOMAINE”, INONA AVY NY TARATASY ILAINA ?

Ny fandovana dia fomba iray famindrana fananana avy amin’ny olona maty mankany amin’ny olona atao hoe mpandova.
Ny lova dia ireo fananana rehetra navelan’ny maty. Ireo lova ireo dia mety ho tany, trano, fanaka, fitaovana na koa vola mipetraka any amin’ny banky na dia ireo trosa navelan’ny maty koa.
Ny fandovana dia manomboka amin’ny fahafatesan’ny olona lovaina ka hamarinina amin’ny taratasy fanamarinana ny fahafatesana na acte de décès.

Iza ary no mahazo mandova?
- Ny olona efa hary eo amin’ny fotoana hisokafan’ny fandovana
- Ny olona tsy voarara tsy handova araka ny lalàna na didy navoakan’ny fitsarana

1️⃣ Ireo taratasy fototra entina manamarina ny fandovana:
• Fanamarinam-pahafatesana (Acte de décès): Omen’ny mpiandraikitra ny soram-piankohonana ao amin’ny kaominina nahafatesan’ilay olona (nalaina tao amin’ny rejisitry ny kaominina).
• Fanamarinana ny maha mpandova (Acte de notoriété): Taratasy sora-toavina natao teo anatrehan’ny Notera na ny Solontenam-panjakana mpitoa (officier public authentificateur). Izy io no mitanisa ireo mpandova ara-dalàna na ny olona notendren'ny maty ao anatin'ny didim-pananana.
• 💰 Fanamarinana ny fandoavana hetra amin'ny lova (Droit de succession): Tsy maintsy manao fitanisana sy fanombanana ny sandan'ny fananana navelan'ny maty ny mpandova. Avy amin'io fanombanana io no hakan'ny sampan-draharahan'ny hetra ny vola tokony haloa.
• 📜 Didim-pananana (Testament): Raha nanao izany ilay maty fahavelony.

2️⃣ Ny antontan-taratasy ilaina amin’ny famindrana dia hapetraka ao amin’ny biraon’ny”domaine” misy ireo tany afindra ka ireto avy izany:
• ✍️ Fangatahana famindrana (Demande de mutation): Natao sora-tanana, mitokana isaky ny mpandova.
• 📂 Ny taratasy fandovana feno: Ahitana ilay fanamarinam-pahafatesana, ny maha mpandova, ny porofo nandoavana hetra, ary ny didim-pananana (raha misy).
• 📑 Dika mitovy amin'ny rejisitra (Expédition): Avy amin'ny Notera na ny solontenam-panjakana mpitoa nanao ny fanamarinana ny maha mpandova.
• 📖 Ny bokin'ny tany (Titra na Kadasitra): Ilay tany atao fizarana na famindrana.
• 🤝 Fanekena handray andraikitra (Acte de soumission): Taratasy manambara fa mbola handray andraikitra ny mpandova raha mbola misy olana eo amin'ny fahamarinan'ny taratasy napetraka.

Aza misalasala manoratra ao amin'ny fanehoan-kevitra raha misy fanontaniana.
Manasa anao hizara ity ranty ity amin'ny namana sy izay olona mety mila izany 🙏 .

TOROLALANA KELY INDRAY ARY!Fantatrao ve ireo karazana Taratasy ara-dalàna manaporofo ny fananan-tany?Mba hisorohana ny a...
22/05/2026

TOROLALANA KELY INDRAY ARY!

Fantatrao ve ireo karazana Taratasy ara-dalàna manaporofo ny fananan-tany?

Mba hisorohana ny ady tany sy hiarovana ny fanananao, dia zava-dehibe ny fahafantarana ireto taratasy telo ireto:

🔹 Ny Titra (Titre foncier) Izy io dia taratasy ara-dalàna farany ambony manaporofo ny zo fananantany avy amin’ny fanoratana tanim-panjakana. Eny amin’ny sampandraharahan’ny fananantany (Services fonciers) no mikarakara sy mangataka azy.

🔹 Ny Karatany (Certificat foncier)
Ny karatany dia Fitaovana ara-dalana entina manamarina ny fananan-tany amin’ireo tany efa nohajariana sy nampiasaina nefa tsy mbola vita titra.
Eny amin’ny Kaominina manana Birao Ifoton’ny Fananantany (B.I.F) no mikarakara sy mangataka azy.
Azo ampiasaina amin’ny famindram-pananana, fandovana, fivarotana, ary entina miady amin’ny fanohitohinana ny tany.

🔹 Ny Kadasitra (Cadastre)
Izy ity kosa dia fanaovana "Titra faobe" amin’ny tany ao anatin’ny faritra iray voatondro. Ny dingana rehetra atao amin'izany dia tokony hiafara amin’ny famoahana Titra ho an’ireo olona voakasika rehetra.

Raha misy fanontaniana dia aza misalasala manoratra izany ao amin'ny fanehoan-kevitra.

✅TOROLALANA Kely indray! Hividy tany ve ianao? Ireto misy dingana lehibe tsy maintsy arahina.Mba hisorohana ny fisolokia...
13/05/2026

✅TOROLALANA Kely indray!

Hividy tany ve ianao? Ireto misy dingana lehibe tsy maintsy arahina.

Mba hisorohana ny fisolokiana sy ny olana ara-pitsarana, dia indreto misy teboka maromaro tsy maintsy arahina mialohan’ny hividianana tany:
Angataho amin'ilay mpivarotra ireto taratasy manaraka ireto:
● Titra na Karatany: Ny Duplicata, raha vita titra io tany io. Karatany raha vita karatany ilay tany.
● Fanamarinana ny satan'ny tany: Certificat de situation juridique nomena latsaky ny 3 volana, raha tany vita titra, ary Attestation de propriété certifiée
(APC) raha tany vita karatany
● Sarin’ilay tany: Plan topographique.

Ny fanamarinana tokony hataonao:
● Makà CSJ vaovao: Aza mionina amin'izay omen'ny mpivarotra fa makà vaovao eny amin'ny sampan-draharahan'ny fananan-tany mba hanamarinana ny tena tompony marina.
● Mandehana eny an-toerana: Mila miaraka amin'ny olona mahay mijery sarin-tany (Géomètre) hanamarina fa mifanaraka amin'ny sarin-tany ny tany jerena.
● Fanadihadiana ifotony: Anontanio ny manodidina momba ny tantaran'ilay tany sy ny mpivarotra.

✅ Rehefa afa-po amin'ireo rehetra ireo ianao vao miroso amin'ny fifampivarotana.

Manasa anao hatrany hanaraka ny pejy raha te hahazo fanazavana sy torohevitra mahasoa momba ny Fananantany.

Miarahaba antsika rehetra Faly izahay mizara aminareo ny fehin-kevitra nivoitra taorian’ny Fikaonandoham-pirenena nataon...
05/05/2026

Miarahaba antsika rehetra

Faly izahay mizara aminareo ny fehin-kevitra nivoitra taorian’ny Fikaonandoham-pirenena nataon’ny Firaisamonimpirenena misehatra amin’ny fananantany sy ny sehatra mifandraika aminy, izay notanterahina ny 27 sy 28 aprily 2026.

Ity fikaonandoha ity dia sehatra iray nanamafisana ny fifanakalozan-kevitra sy ny fiaraha-mandinika ireo fanamby ary ny vahaolana maharitra amin’ny sehatry ny fananantany.

Ho zaraina miandalana eo ihany ireo soso-kevitra sy paikady lehibe nivoitra nandritra izany.

👉 Manasa antsika rehetra hanaraka hatrany ny pejy ary hizara izany.

Misaotra antsika rehetra, Firaisamonimpirenena, olontsotra, izay nandray anjara, nizara soso-kevitra ary niara-nikaondoh...
01/05/2026

Misaotra antsika rehetra, Firaisamonimpirenena, olontsotra, izay nandray anjara, nizara soso-kevitra ary niara-nikaondoha nandritra ny fikaonandoham-pirenena tamin’ny 27 sy 28 Aprily lasa teo. Isaorana manokana ny Minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny Raharahan-tany ary ny avy ao amin'ny Ministera misahana ny fanavaozana tonga nanome voninahitra. 🙏

Dingana iray lehibe no vita tamin’ireo andro ireo, saingy mbola mitohy hatrany ny asa, indrindra amin’ny fanamafisana ny fandraisana anjara ho fanatsarana ny fitantanana ny fananantany eto Madagasikara. Ny tanjona dia mazava: ny hahafahan’ny Malagasy rehetra misitraka sy manana zo amin’ny tany.

Hozaraina miandalana eto ihany ny vokatra sy ny tohin’ny fikaonandoha.

Ho an’ireo rehetra naniry handray anjara nefa tsy afaka noho ny antony samihafa, misokatra hatrany ny SiF handray ny soso-kevitrareo. Aza misalasala mifandray aminay na manatona ny birao.

Mankasitraka indrindra.

Nosokafana androany  faha-27 Aprily ny fikaonandoham-pirenena ho an'ny Firaisamonimpirenena misehatra amin'ny Fananantan...
27/04/2026

Nosokafana androany faha-27 Aprily ny fikaonandoham-pirenena ho an'ny Firaisamonimpirenena misehatra amin'ny Fananantany izay karakarain'ny Sehatra Iombonana ho an'ny Fananantany (SIF)

Tonga nanokatra izany tamin'ny fomba ofisialy ny minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny raharahan-tany, Jeneraly Lylyson René de Rolland, amin'ny maha tompon'andraikitra voalohany azy amin'ny resaka Fananantany. Teo ihany koa ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny avy.

Maharitra roa andro moa ity fihaonana ity ka ho faranana amin'ny fanolorana fehin-kevitra hanampiana ny fitondram-panjakana mba ahafahana manatsara ny fitantanana ny fananantany eto Madagasikara izany.

Miarahaba atsika rehetra,Azonao arahina afaka fotoana fohy amin'ny alalan'ny rohy izay mipaingotra etsy ambany ny fampit...
27/04/2026

Miarahaba atsika rehetra,
Azonao arahina afaka fotoana fohy amin'ny alalan'ny rohy izay mipaingotra etsy ambany ny fampitana mivantana ilay fikaonandoham-pirenena momba ny fananan-tany, izay karakarain’ny Firaisamonimpirenena miasa eo amin’ny sehatry ny fananan-tany sy ireo sehatra mifandray aminy izay tanterahina manomboka anio 27 Aprily 2026 katramin’ny rahampitso 28 Aprily 2026.

https://us02web.zoom.us/j/83703529690?pwd=rRVrCuaXOhKMKbhdN6l0VqghITARtX.1

Mankasitraka indrindra tompoko.

Miarahaba antsika rehetra mpanaraka ny pejy ,Ampahafantarina isika fa nifarana omaly, Alarobia 22 Aprily 2026, ny fisora...
23/04/2026

Miarahaba antsika rehetra mpanaraka ny pejy ,

Ampahafantarina isika fa nifarana omaly, Alarobia 22 Aprily 2026, ny fisoratana anarana ho an’ilay Fikaonandoham-pirenena momba ny fananan-tany, izay karakarain’ny Firaisamonimpirenena miasa eo amin’ny sehatry ny fananan-tany sy ireo sehatra mifandray aminy. Hotanterahina ny 27 sy 28 Aprily 2026 izao izany, eny amin’ny hôtel Panorama Andrainarivo.

Isaorana manokana isika rehetra izay efa nisoratra anarana 🙏. Marihina fa tokony efa naharay antso fanamafisana avy amin’ny SIF ianareo mikasika ny fanatrehana izany 👌.

✅Ho an’ireo izay liana amin’ny resaka fitantanana ny fananan-tany, na te ahafantatra betsaka kokoa ny Sehatra Iombonana ho an’ny Fananantany, na manana soso-kevitra tiana hozaraina nefa tsy tafiditra amin’ireo mpandray anjara, dia manasa anareo hatrany izahay hitsidika eny an-toerana mandritra ireo andro ireo. Hisy tranoheva fampirantiana eny an-toerana, ahafahana mahazo vaovao sy torolalana momba ny fananan-tany ary mifandray mivantana amin’ny SIF.

Tongava maro ary ☺️!
Mankasitraka indrindra tompoko 🙏.

Address

Logement 99-0. Ambohijanahary Antehiroka
Antananarivo
105

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when SIF: Sehatra Iombonana hoan'ny Fananantany posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to SIF: Sehatra Iombonana hoan'ny Fananantany:

Share