SIF: Sehatra Iombonana hoan'ny Fananantany

Call Directions Website Contact the organization

SIF: Sehatra Iombonana hoan'ny Fananantany Plateforme de la société civile malgache, œuvrant dans le domaine du foncier.

Plate-forme de la société civile œuvrant dans le domaine du foncier, ayant pour objectif de faciliter l’accès à la propriété foncière de la population, particulièrement les couches vulnérables, pour arriver à une souverainneté alimentaire.

26/08/2026

✅ TOROMARIKA Tsara ho fantatra mba hiarovana ny taninao !
Manasa anao hanaraka ny horonan-tsary hatramin'ny farany.

‼️Arovy ny fanananao !✅ Ataovy mazava tsara ny taratasy rehetra mba hisorohana ny hosoka.
19/08/2026

‼️Arovy ny fanananao !
✅ Ataovy mazava tsara ny taratasy rehetra mba hisorohana ny hosoka.

SIF_FCI Mirohy.
14/08/2026

SIF_FCI Mirohy.

🌿 WEBINAIRE | Ny rafitry ny fananan-tany eto Madagasikara

Ahoana ny fomba fiasan’ny rafitry ny fananan-tany eto Madagasikara? Inona avy ireo zo mifandraika amin’ny fananan-tany, ary ahoana no hiantohana azy?

Manasa antsika hanaraka webinar iarahana amin’ireo manam-pahaizana avy amin’ny SIF, Sehatra Ifoton’ny Fananan-tany, ny Initiative MIROHY.

📅 Talata 18 Aogositra 2026
🕙 10:00 – 11:00
💻 Google Meet: https://vist.ly/5er2z

🎙️ Ireo mpandray anjara:

• Soavinalahatra Harijery, Coordonnateur National SIF
• Anthrinha Soafilira, Chargée des affaires juridiques
• Rasamoelina Rojo, Chargée des affaires communautaires

📌 Ho dinihina mandritra ny webinar:
• Ny rafitry ny fananan-tany eto Madagasikara
• Ireo zo fananan-tany sy ny fomba hiantohana azy
• Fanazavana sy fifanakalozan-kevitra mivantana miaraka amin’ireo manam-pahaizana

Tongava maro ary zarao amin’ireo olona liana amin’ny resaka fananan-tany sy ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary. 🌱

👉 Lohahevitra fahadimy : TANY SY NY TONTOLO IAINANAIreto avy ireo fehin-kevitra :Apetraka amin’ny Fokonolona ny fahefana...
07/08/2026

👉 Lohahevitra fahadimy : TANY SY NY TONTOLO IAINANA

Ireto avy ireo fehin-kevitra :
Apetraka amin’ny Fokonolona ny fahefana fototra mikasika ny tontolo iainany :

● Miainga amin’ny fifampiraharahana tsara, teny ierana, fangaraharana ary ny fisitrahana atotam-baovao, ahafahany milaza hevitra eo amin’ny Fokonolona voakasiky ny tetikasa rehetra mikasika ny tontolo iainana (tetikasa fampiasam-bola na/sy tetikasa fiarovana/fanavaozana tontolo iainana).

● Hamafisina ny « sécurisation juridique » ny tanim-pokonolona, ny faritra arovana ary ny faritra misy famindram-pitantanana ny harena voajanahary amin’ny alalan’ny fandraketana azy ao anaty drafi panajariana, Dina na fitaovana hafa.

● Fifandridran’ny asa mahakasika ny fandrarahan’ny tontolo iainana sy ny fananantany amin’ny alalan’ny fanamorana ataon’ny Firaisamonimpirenena.

✅ Entano ny namana hanaraka ny pejy fa mbola maro be ny zava-tsoa hozaraina eto, ary zarao amin'ny manodidina anao ity ranty ity.
Mankasitraka indrindra !

👉 Lohahevitra fahaefatra : FANAJARIANA NY TANY SY FAMPIASAM-BOLAIreto avy ireo fehin-kevitra:➢ Fametrahana ny Fokonolona...
06/08/2026

👉 Lohahevitra fahaefatra : FANAJARIANA NY TANY SY FAMPIASAM-BOLA

Ireto avy ireo fehin-kevitra:
➢ Fametrahana ny Fokonolona ho mpisehatra tsy azo ihodivirana amin’ny fametrahana tetikasa manomboka amin’ny famolavolana sy fanatanterahana, fanarahamaso hatramin’ny famaranana ny tetik’asa.

➢ Foanana ny fampanofana sy fivarotana tany hoan’ny mpampiasa vola vahiny ; ary fanomezan-danja kokoa ny tera-tany Malagasy, indrindra ny famokarana tantanam-pianakaviana.

➢ Fametrahana sy fanajana ny lamina sy fanarahana tsy misy fepetra ny drafim-panajariana eo amin’ny kaomina sy faritra mialohan’ny fandraisana fanapaha-kevitra momba na fampiasam-bola.

✅ Rahampitso Zoma no horesahintsika ny lohahevitra farany, manasa anao hatrany hanaraka ny pejy.

👉 Lohahevitra fahatelo : “TANIM-POKONOLONA”Ireto avy ireo fehin-kevitra:Fanomezan-danja ny rafitra Fokonolona avy amin’n...
05/08/2026

👉 Lohahevitra fahatelo : “TANIM-POKONOLONA”

Ireto avy ireo fehin-kevitra:
Fanomezan-danja ny rafitra Fokonolona avy amin’ny alalan’ny :
● Famaranana ny fizotry ny fandrafetana sy ny fananganana ary fandaniana ny lalàna
momba ny zo amin’ny tany iombonan’ny vondrom-piarahamonina sy ny tanim-pokonolona.
● Famerenana ho vondrombahoakam-paritra ny Fokontany, hampiharana ny fitsinjaram-pahefàna ary omena ny fahafahana mitantana ny ao an-toerana.
● Famaritana mazava ny Fokonolona sy ny fipetrany ara-joridika, mba hanoritsoritana
tsara kokoa ny andraikiny sy ny fahefàny eo amin’ny fitantanana ny tanim-pokonolona sy ny tany iombonan’ny vondrom-piarahamonina

✅ Aza miala fa horesahina rahampitso indray ny lohahevitra manaraka, aza adinoina ny mizara
ity ranty ity.

👉 DISADISA SY OLANA AMIN’NY  FANANANTANY, io indray no lohahevitra faharoa noresahina nandritry ny fikaonan-doha nasiona...
04/08/2026

👉 DISADISA SY OLANA AMIN’NY FANANANTANY, io indray no lohahevitra faharoa noresahina nandritry ny fikaonan-doha nasionaly momba ny fananantany lasa teo ka ireto avy ary ireo fehin-kevitra :
Famahana haingana ny olan’ny fananantany rehetra eto Madagasikara amin’ny alalan’ny :
- Fanamorana ny dingana amin’ny fanoratana ny tany sy ny fahazoana taratasy manamarina izany.
- Fandraisana didim-pitsarana manaraka ny rariny sy ny hitsiny, sy ny fitovian-jon’ny olompirenena rehetra ary ny fahamarinana.
- Fanomezana sy fiarovana ny zon’ny malagasy izay nanajary sy nivelona ela be teo amin’ny tany, mifototra amin’ny rariny sy ny hitsiny.
- Fanamafisana ny fitsinjaram-pahefana eo amin’ny fitantanana ny fananantany amin’ny fomba tsy azo hozongozonina.

✅ Hojerentsika rahampitso indray ny lohahevitra fahatelo.
Araho tsy tapaka ny pejy 🙏.

Miarahaba atsika rehetra 👋,Amin'ity herinandro ity dia hiverina hijery ireo fehin-kevitra nivoaka tamin'ny fikaonan-doha...
03/08/2026

Miarahaba atsika rehetra 👋,

Amin'ity herinandro ity dia hiverina hijery ireo fehin-kevitra nivoaka tamin'ny fikaonan-doha nasionaly momba ny fananantany, izay nokarakarain'ny SIF tamin'ny volana aprily lasa teo isika, izay niarahana tamin'ireo Firaisamonim-pirenena miasa eo amin'ny sehatry ny fananan-tany sy ireo sehatra mifandraika aminy. Nivondrona teo ambanin'ny lohahevitra hoe « Fitantanana ny fananan-tany mifototra amin'ny olona, ho toy ny andry iankinan'ny fanavaozana maharitra ny firenena ».

👉 Ho amin'ny androany aloha dia ny
lohahevitra " FISITRAHANA TANY " no ho jerentsika voalohany.

Ireto ary ireo fehin-kevitra :

Ny zo fisitrahana ny tany dia mitaky:

● Fanafainganana ny fitiliana sy fanajariana ny tany azo hamokarana, indrindra ny tanim-panjakana.

● Fananganana, fankatoavana ary fampiharana haingana lalàna miantoka fahazoan-tany ara-drariny sy velaran-tany mahavelona, izay hiantoka antom-pivelomana mendrika sady maharitra ho an’ny mpamokatra malagasy.

● Fanamafisana sy fampidirina anaty rafitra ofisialy ny komity momba ny fananan-tany isan’ambaratongany. (fokontany, kaomina, distrika, faritra) mba hanamafisana ny anjara andraikiny sy ny lanjany ao anatin’ny rafitra nasionaly misahana ny fitantanana ny fananan-tany) .

● Fampitsaharana ny ZIA (Zones d’Investissement Agricoles : faritra fandraharahana fambolena ataon’ny mpampiasa vola), ary fametrahana politika mazava,mangarahara ary andraisan’ny rehetra anjara momba ny fanomezana tany ho an’ny tantsaha, ny vehivavy ary ny tanora.

Hojeretsika rahampitso indray ny lohahevitra faharoa.

Salama e👋!Satria maro aminareo no tsy afaka manatona mivantana ny biraonay, kanefa te hifandray syhitafatafa momba ny fa...
28/07/2026

Salama e👋!

Satria maro aminareo no tsy afaka manatona mivantana ny biraonay, kanefa te hifandray sy
hitafatafa momba ny fananan-tany, na manana olana mikasika ny fananan-tany, na koa mila
torohevitra, dia efa azonareo atao manombok’izao no mifandray aminay amin'ny alalan'ny laharan-tariby etsy ambany:

📞 0380235170

Azo antsoina amin'ny ora fiasana, Alatsinainy hatramin'ny Zoma 👌.

Mirary soa 🙏!

Address

Logement 99-0. Ambohijanahary Antehiroka
Antananarivo
105

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when SIF: Sehatra Iombonana hoan'ny Fananantany posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to SIF: Sehatra Iombonana hoan'ny Fananantany:

Shortcuts

Share