Brand New Madagascar

Brand New Madagascar Soutenir la population vulnérable à Madagascar : nutrition, santé, éducation, carrière

07/07/2026

Aza ariana ny ray aman-dreny fa izy ireny no loharano nipoirana sy naha-toy izao antsika 🧑‍🧒‍🧒

Vitsy ny tetikasa manohana sy manampy ireo zokiolona satria toa tsy mitondra tombony na « impact » ny fanampiana azy ireo noho izy efa mahazo taona ka tsy afaka manao inona firy intsony.

Samy manana ny tantarany anefa izy ireny, ary mbola betsaka ny zokiolona no mitady vola mba hivelomany sy hamelomany ny hafa.
Maro amin’izy ireny koa no tsy salama anefa tsy mba misy miahy any amin’ny toeram-pitsaboana any.

✅ Ny antom-pisian’ny commission SALAMA ato amin’ny fikambanana Brand New Madagascar dia hitondra fanohanana ara-tsakafo sy ara-pahasalamana ho an’ireo zokiolona.

✅ Asa soa, tsy miandry tambiny, fa fizarana fifaliana, hery sy tanjaka ho an’ireo ray aman-dreny nahitana masoandro.

Henoy anie ny tantaran’i bebe Perline izay anisan’ny mpisitraka eh!

Misokatra hatrany zahay amin’ny tolo-tanana ho fanampiana ireo mpiara-belona ✊🏼

🏡 Manorina ainga vao ho an’ny fianakaviana Malagasy
☎ 037 26 949 10
📧 [email protected]

Mijaly ny ankizy,Mitaintaina ny ray aman-dreny,Mitaraina ny vahoaka,🚩𝗠𝗶𝘁𝘀𝗮𝗻𝗴𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘀𝗮𝗶𝗻𝗮 𝗺𝗲𝗻𝗮 🚩Andao isika vahoaka Malag...
07/07/2026

Mijaly ny ankizy,
Mitaintaina ny ray aman-dreny,
Mitaraina ny vahoaka,
🚩𝗠𝗶𝘁𝘀𝗮𝗻𝗴𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘀𝗮𝗶𝗻𝗮 𝗺𝗲𝗻𝗮 🚩

Andao isika vahoaka Malagasy hiara-hientana hiaro ny zanatsika manoloana izao trangana hala-jaza izao :

❌ AZA AVELA HANDEHA IRERY NY ANKIZY SY NY ZAZA
❌ ARAHO MASO NY ANKIZY RAHA MILALAO ENY IVELANY. RAHA AZO ATAO, AZA AVOAKA ENY IVELANY AKORY AZA
❌ FANTARO FOANA IZAY ALEHAN'NY ANKIZY MIALOHAN'NY HIVOAKA NY TRANO
❌AMPIANARO NY ZAZA TSY HANATONA NA HIRESAKA AMIN'NY OLONA TSY FANTATRA
❌AMPIANARO NY ZAZA TSY HANDRAY ZAVATRA AVY AMIN'OLONA TSY FANTATRA
❌AMPIANARO NY ZAZA HIANTSO VONJEO REHEFA MISY OLONA TSY FANTATRA MIKASIKA AZY

Ry tanora :
❌Fotoanan'ny fialan-tsasatra izao, aza mivoaka ny trano raha mbola azo atao
❌ Raha tena tsy maintsy hivoaka dia ampahafantaro ny ray aman-dreny izay alehanao, ny toerana misy anao, ny ora hiverenanao
❌ Aza mivilivily lalana
❌ Mailo foana rehefa misy olona hafahafa fihetsika

Ho antsika rehetra :
❌ Sahia mijoro sy miray hina rehefa mahita tranga hafahafa
❌ Antsoy ny 147 na 038 18 851 43 raha misy tranga mampiahiahy

𝗔𝗻𝗱𝗮𝗼 𝗵𝗶𝗮𝗱𝘆 𝗵𝗼 𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝘇𝗮𝗻𝗮𝘁𝘀𝗶𝗸𝗮 !
𝗔𝗽𝗮𝗿𝗶𝘁𝗮𝗵𝗼 𝗶𝘁𝘆 𝗿𝗮𝗻𝘁𝘆 𝗶𝘁𝘆 𝗮𝗿𝘆 𝗲𝗻𝘁𝗮𝗻𝗼 𝗻𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗼𝗱𝗶𝗱𝗶𝗻𝗮 𝗮𝗻𝗮𝗼 !

Andao hiara-hientana hiarovana ny zaza Malagasy 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐌𝐩𝐨𝐧𝐢𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐅𝐢𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐧𝐤𝐢𝐧𝐚
04/07/2026

Andao hiara-hientana hiarovana ny zaza Malagasy
𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐌𝐩𝐨𝐧𝐢𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐅𝐢𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐧𝐤𝐢𝐧𝐚

📣𝐀𝐍𝐃𝐀𝐎 𝐇𝐈𝐀𝐑𝐀-𝐇𝐈𝐄𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐅𝐈𝐀𝐑𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐀𝐍𝐊𝐈𝐙𝐘📍

Manoloana ireo tranga zaza very sy zaza tsy hita miseho tato ho ato, dia manentana ny ray aman-dreny sy ny olom-pirenena rehetra ny Minisiteran'ny Mponina sy ny Firaisankina mba hiara-hientana amin'ny fiarovana ny ankizy.

🛡️ Andao hiaro ny zanatsika:

✅ 𝑨𝒛𝒂 𝒂𝒗𝒆𝒍𝒂 𝒉𝒂𝒏𝒅𝒆𝒉𝒂 𝒊𝒓𝒆𝒓𝒚 𝒏𝒚 𝒂𝒏𝒌𝒊𝒛𝒚, 𝒊𝒏𝒅𝒓𝒊𝒏𝒅𝒓𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏'𝒏𝒚 𝒕𝒐𝒆𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒎𝒂𝒏𝒈𝒊𝒏𝒂 𝒏𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏'𝒏𝒚 𝒉𝒂𝒓𝒊𝒗𝒂.
✅ 𝑭𝒂𝒏𝒕𝒂𝒓𝒐 𝒇𝒐𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒕𝒐𝒆𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒍𝒆𝒉𝒂𝒏𝒚 𝒔𝒚 𝒊𝒛𝒂𝒚 𝒐𝒍𝒐𝒏𝒂 𝒎𝒊𝒂𝒓𝒂𝒌𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏𝒚.
✅ 𝑨𝒎𝒑𝒊𝒂𝒏𝒂𝒓𝒐 𝒊𝒛𝒚 𝒕𝒔𝒚 𝒉𝒂𝒏𝒂𝒓𝒂𝒌𝒂 𝒏𝒂 𝒉𝒊𝒅𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒇𝒊𝒂𝒓𝒂 𝒎𝒊𝒂𝒓𝒂𝒌𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏'𝒐𝒍𝒐𝒏𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒕𝒂𝒏𝒚, 𝒂𝒓𝒚 𝒕𝒔𝒚 𝒉𝒂𝒏𝒅𝒓𝒂𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒐𝒎𝒆𝒛𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒗𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏'𝒏𝒚 𝒐𝒍𝒐𝒏-𝒕𝒔𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒕𝒂𝒕𝒓𝒂.
✅ 𝑨𝒓𝒂𝒉𝒐 𝒎𝒂𝒔𝒐 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒎𝒑𝒊𝒂𝒔𝒂𝒏𝒚 𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒎𝒃𝒂𝒋𝒐𝒕𝒓𝒂 𝒔𝒐𝒔𝒊𝒂𝒍𝒚 𝒂𝒓𝒚 𝒎𝒊𝒇𝒂𝒎𝒑𝒊𝒓𝒆𝒔𝒂𝒉𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏𝒚 𝒊𝒔𝒂𝒏'𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐.

🚨 Raha sanatria misy zaza tsy hita:

📞 𝑴𝒊𝒇𝒂𝒏𝒅𝒓𝒂𝒊𝒔𝒂 𝒂𝒗𝒚 𝒉𝒂𝒕𝒓𝒂𝒏𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏'𝒏𝒚 𝑷𝒐𝒍𝒊𝒔𝒚 𝒏𝒂 𝒁𝒂𝒏𝒅𝒂𝒓𝒚.
📸 𝑶𝒎𝒂𝒏𝒐 𝒏𝒚 𝒔𝒂𝒓𝒊𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒓𝒂𝒏𝒚 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒎𝒐𝒎𝒃𝒂𝒎𝒐𝒎𝒃𝒂 𝒂𝒛𝒚 (𝒇𝒊𝒕𝒂𝒇𝒊𝒂𝒏𝒂, 𝒕𝒐𝒆𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒂𝒉𝒊𝒕𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒛𝒚 𝒇𝒂𝒓𝒂𝒏𝒚).
📢 𝑨𝒎𝒑𝒂𝒉𝒂𝒇𝒂𝒏𝒕𝒂𝒓𝒐 𝒂𝒗𝒚 𝒉𝒂𝒕𝒓𝒂𝒏𝒚 𝒏𝒚 𝒔𝒆𝒌𝒐𝒍𝒚, 𝒏𝒚 𝒉𝒂𝒗𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒓𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒐𝒌𝒐𝒏𝒐𝒍𝒐𝒏𝒂.

Ampahan-tsary tany am-piandohan’ny Brand New Madagascar 📚📖 Tamin’ny namoronana azy tamin’ny taona 2020 dia ny hizara fan...
04/07/2026

Ampahan-tsary tany am-piandohan’ny Brand New Madagascar 📚

📖 Tamin’ny namoronana azy tamin’ny taona 2020 dia ny hizara fanampiana an’ireo sahirana ihany no tena tanjon’ny fikambanana.

Hita anefa fa tsy mitondra fiovana firy amin’ny fiainan’ireo olona izany fa mamonjy mandritra ny fotoana fohy ihany.

➡️ Izay indrindra no namoronana ny roa taona lasa izay, mba hitondra fiovana maharitra ary hanampy azy ireo hanatsara ny fari-piainany.

Efa maro ireo ankizy sy olon-dehibe karakarain’ny fikambanana amin’izao, ary isan-taona no fandraisana mpisitraka vaovao.

Mijanona ho fikambanana ihany ny Brand New Madagascar fa tsy ONG na tetikasa akory, ka misokatra hatrany izahay amin’ny fiaraha-miasa sy fanampiana ho an’ireo maniry izany.

🏡 Manorina ainga vao ho an’ny fianakaviana Malagasy
☎ 037 26 949 10
📧 [email protected]

Afaka CEPE izy efatra mianadahy💚 Patricia 💚 Solofo 💚 Rico 💚 PrynciaArahabaina ianareo 4 mianadahy nahavita iny dingana l...
03/07/2026

Afaka CEPE izy efatra mianadahy

💚 Patricia 💚 Solofo 💚 Rico 💚 Pryncia
Arahabaina ianareo 4 mianadahy nahavita iny dingana lehibe iny 🎉

Arahabaina ireo ray aman-dreny tamin’nh ezaka sy fanaraha-maso ireo ankizy 🙏🏼

Roa taona izay no vitantsika, ary mitohy ny lalana ✊🏼

Andao hanorina hoavy mamiratra ho an’ireo zaza Malagasy 📚

*****
🏡 Manorina ainga vao ho an’ny fianakaviana Malagasy
☎ 037 26 949 10
📧 [email protected]

02/07/2026

Tanora mandray andraikitra anio no mpitarika rahampitso.✊

✨Ankoatra ny fanaovana asa soa dia mamolavola ireo tanora mpikambana mba ho tompon'andraikitra sy hanakaiky ny fiaraha-monina ihany koa ny Brand new Madagascar.

Andao arahana ao anatin'ity horonantsary ity ny tafatafa natao tamin'ny solotenan'ireo mpikambana.

🏡 Manorina ainga vao ho an’ny fianakaviana Malagasy
☎ 037 26 949 10
📧 [email protected]

27/06/2026

Volana Jona, volan'ny ankizy 🇲🇬
✅Ny ankizy tsirairay dia manana ny tantarany,
✅Ny ankizy tsirairay dia manana ny nofinofiny,
✅Ny ankizy tsirairay dia mendrika ny hanana hoavy mamiratra.

Ny hetsika Areno Madagasikara, ao anaty commission LOVATSARA, dia manohana ireo ankizy sy ray aman-dreny eo amin'ny fanabeazana sy fampianarana.

Mbola maro ireo fanampiana ilain'ny fikambanana hanatanterahana ireo tanjona, ka raisina avokoa ireo tolo-tanana avy amin'ny mpiray tanindrazana.

🏡 Manorina ainga vao ho an’ny fianakaviana Malagasy
☎ 037 26 949 10
📧 [email protected]

26 jona 1960 - 26 jona 202666 taona izay no nahazoantsika fahaleovantena 🇲🇬🎉 Miarahaba antsika Malagasy rehetra nahatrat...
26/06/2026

26 jona 1960 - 26 jona 2026
66 taona izay no nahazoantsika fahaleovantena 🇲🇬

🎉 Miarahaba antsika Malagasy rehetra nahatratra izao fetim-pirenena izao.

Brand New Madagascar dia vondrona tanora mpanao asa soa miray hina hitondra fanampiana ho an’ireo mila fanohanana.📆 Ny s...
22/06/2026

Brand New Madagascar dia vondrona tanora mpanao asa soa miray hina hitondra fanampiana ho an’ireo mila fanohanana.

📆 Ny sabotsy 20 jona 2026 lasa teo no notanterahina ny fivoriana ara-potoana niarahana tamin’ireo tanora mpikambana ato amin’ny Brand New Madagascar.

Nodinihina nandritra izany ny lamin’asa sy ny fomba fitantanana ireo tetikasa rehetra ho atao manomboka amin’izao vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra izao.

Nofidiana nandritra ity fivoriana ity ihany koa ireo tompon’andraikitra vaovao ao amin’ny programme ARENO mba hampandroso hatrany ny tetikasa.

Manamafy ny fahavononana hatrany ny mpikambana mba hanomezana fiainana tsaratsara kokoa ho an’ireo mpisitraka ny hetsika ataon’ny fikambanana ✊🏼

🏡 Manorina ainga vao ho an’ny fianakaviana Malagasy

☎ 037 26 949 10
📧 [email protected]

𝗖𝗢𝗠𝗠𝗜𝗦𝗦𝗜𝗢𝗡 𝗟𝗢𝗩𝗔𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔Mirary fahombiazana ho an’i Rico, Solofo, Pryncia ary Patricia izay hanala fanadinana CEPE anio✊🏼Mba...
16/06/2026

𝗖𝗢𝗠𝗠𝗜𝗦𝗦𝗜𝗢𝗡 𝗟𝗢𝗩𝗔𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔
Mirary fahombiazana ho an’i Rico, Solofo, Pryncia ary Patricia izay hanala fanadinana CEPE anio✊🏼

Mba hahafahan’izy ireo miatrika tsara izao andro lehibe izao dia notoloran’ny fikambanana akanjo mafana sy fanohanana ara-tsakafo ireo ankizy sy ny ray aman-dreny.

📒𝘕𝘺 𝘧𝘪𝘢𝘯𝘢𝘳𝘢𝘬𝘰 𝘢𝘯𝘪𝘰 𝘯𝘰 𝘭𝘰𝘷𝘢 𝘵𝘴𝘢𝘳𝘢 𝘩𝘰 𝘢𝘩𝘺 𝘳𝘢𝘩𝘢𝘮𝘱𝘪𝘵𝘴𝘰

☎ 037 26 949 10
📧 [email protected]

Address

Mamory Ivato
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Brand New Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share