04/09/2026
Ny finoana Islam dia finoan’ny fandriampahalemana.
Finoana mampirisika ny olona hanompo an’Ilay Tompo Tokana Nahary, Allah الله, ary hanao asa soa.
Finoana mampitony ny fo sy ny fanahy, ary mampianatra ny mpino handray andraikitra amin’ny tenany, ny fianakaviany, ny mpiara-monina aminy, ireo marefo, ny fireneny ary izao tontolo izao.
Ny herisetra dia mifanipaka tanteraka amin’ny fotopampianaran’ny Islam. Noho izany dia tsy tokony horaisina ho marina avy hatrany ireo teny na fihetsika mampifandray ny Islam amin’ny herisetra na amin’ny hoe “Silamo mahery fihetsika”.
Ny fototry ny finoana Islam dia ny finoana an’Ilay Mpahary Tokana. Mahaleotena tanteraka Izy, tsy mila mpiara-miasa, tsy mila mpanelanelana ary tsy mila zavaboary hanampy Azy.
Noho izany, ny fampitambarana an’Ilay Mpahary amin-javatra na olona hafa eo amin’ny fanompoana, na ny fanomezana zavaboary fahefana izay an’ALLAH irery ihany, dia tafiditra amin’ny Shirk, izany hoe fanompoan-tsampy.
Toy izany koa, tokony hitandrina amin’ireo olona izay milaza fa mpanao albadira, na mitsabo vitana na mpimasy na ireo olona lazaina fa manana hery miafina ny mpino sy izay olombelona manantsaina satria fitaka sy fahaverezana izany.
Tsy fampianarana Islamika izy ireny na dia misy litera arabo aza indraindray ampiasain’izy ireo.
Ao amin’ny Islam, tsy tokony hametraka ny fitokisana sy ny fanompoana amin’olona, na amin’ireny heverin’ny sasany fa olomasina, “dadarabe” na mpamosavy na mpitaiza na tromba na zavaboary na hery hafa ankoatra an’ALLAH isika.
Ny olona iray dia afaka mitondra antsika am-bavaka sy mangataka amin’ALLAH ho antsika, fa ALLAH irery no tompon’ny hery, ny fiarovana ary ny famonjena.
Izy no Mahaleotena tanteraka, ary ny zavaboary rehetra no mila Azy.