11/09/2025
" Tena Pervers Narcissique be ny olona miaraka amiko ..."💔
Fa inona tokoa moa ilay hatao hoe " Pervers Narcissique " ? 🤔
❌❌TADIDIO FA TSY VOATERY LEHILAHY FOANA IZY ITY DIENY ETY AM-BOALOHANY ! ❌❌
👉Ny olona Pervers Narcissique dia ilay olona tsy mahalala afatsy izy ihany,izay tiany ihany no hatao , tsy mahalala afa-tsy izay mety aminy ihany ...
👉Izy ilay olona indraindray faly be , indraindray tezitra be tampoka eo, milongilongy tampoka eo koa misy fotoana . Hiteny azy anefa ianao hoe tsy zakako izany fa tsy rarahiny eh !
👉Ny zavatra tena manahirana aminy anefa izy itony tsy mety diso, victime foana izy ary vitany hatramin' ny hoe ianao daholo no antony mahatonga ilay relation anareo tsy milamina.
🌸Raha sendra tojo anio olona PERVERS NARCISSIQUE io ianao eo amin' ny fiainanao dia TONGA DIA AJANONY , aza mieritreritra akory hoe sao tsy mety na sao vao maika hanankorotana ny fiainanao ny ialanao aminy fa AJANONY dieny izao !