Ny Tena Fiainana Ao amin' Andriamanitra \ La Vraie Vie en Dieu Madagascar

Ny Tena Fiainana Ao amin' Andriamanitra \ La Vraie Vie en Dieu Madagascar Fikambanana iraisam-pinoana

MANATRIKA AHO AMIN' IO ORA MASINA IO                                                                                    ...
17/03/2026

MANATRIKA AHO AMIN' IO ORA MASINA IO 19 jona 1989

(Hafatra nomena ho an’ ny fivoriam-bavaka tamin’ ny 14 jolay tao Fribourg, tao amin’ ny ry Maseran’ ny Mpiandry ondry Tsara.)
- Tompo o ?
- Izaho no Tompo. Ho aminareo anie ny Fiadanana. Ry fanahy sarobidy Indrindra, tsapao Aho, tsapao ny Fanatrehako... eo anivonareo rehetra Aho. Avia hanala io voaly izay mitambesatra mafy eo amin’ ny masonareo io ka mijere Ahy ao anatin’ ny Voninahitro. Fantatro hoe toy inona ny fahalemenareo ary tafio-drivotra farany izay kely indrindra aingan’ ny Fahavaloko dia mampangovitra sy mandavo anareo. Kanefa aza kivy ao anatin’ ireny Fotoan’ ny Fikomiana ireny, fa Izaho Tompo no Fialofanareo sy Mpampionona anareo, akaiky kokoa anareo mbola tsy nisy toy izany Aho.
Izaho no Fialofana ho an’ ireo mahantra sy diso fanantenana, Fialofana miaro amin’ ny tafio-drivotra misy ranonoram-baratra izay ampisamboaravoaran’ ny Fahavaloko, Loharano Mandrakizay hoan’ ireo izay mangetaheta, Fialofana mba hiaro anareo amin’ ny hafanana mandoron’ ity tany hay izay iainanareo amin’ izao fotoana izao ity. Mivoha midanadana mba andraisana anareo sy anomezana fitsaharana anareo ny Foko Masina. Izaho no Fitiavana izay mitady ny fo tsirairay mba hampionona azy sy hitia azy. Izaho no Ilay Fitiavana izay tia anareo mandrakizay. Hitanareo ? Midina eo amin’ ny Seza Fiandrianako Aho, miondrika eo aminareo mba hanandratako anareo ho aty Amiko sy hamahanako ny fanahinareo mivantana avy amin’ ireo Fitehirizan’ny Lanitro. Mankaty aminareo Aho ry Zanak’ Ondriko noana, tonga hanangona anareo rehetra ao anatin’ ny hafanan’ ireo Sandriko Aho. Noho ny fitiavana anareo dia hampitomboiko eo aminareo ireo Fahasoavako, ary ireo maty ao aminareo dia Hatsangako amin’ ny Afo Mandoron’ ny Fitiavako. Tonga Aho, miaraka amin’ ny Foko Masina eo an-Tanako mba hanolotra Izany aminareo. Sitrakareo ve ny handray Izany ?
Ry Malalako isany, akaiky ny andro izay hahatanterahan’ ny fahitana rehetra, ho tanteraka tsy ho ela ny fahitana rehetra ary amin’ izao fahavelomanareo izao. Noho izany dia vohay ny fonareo ary miezaha mahazo an-tsaina hoe nahoana ny Fanahin’ ny Fahasoavako no mirotsaka dia mirotsaka toy izany amin’ ity taranaka ity. Akaiky ilay Andro izay haha-iray ihany an’ ireo taranaka rehetra, eo ambanin’ ny Mpiandry ondry tokana, manodidina ny Tabernakla Masina tokana ary Izaho Tompo dia ho Tokana ho azy ireo. Koa mivavaha ry Malalako isany, mivavaha ho an’ io Firaisana io, eo am-panomanana tanteraka an’ io Firaisana io Izaho Tompo. Ankehitriny dia mihahaka ianareo ary tsy mamokatra ireo tany fiandrasam-bibinareo. Heno any an- Danitra iray manontolo ireo fitomanian’ ny Mpiandriko1, satria notapatapahan’ ireo kaina lasa sombitsombiny maromaro ny tehiny ; ny Fiombonana dia nampanidinin’ izy ireo toy ny sila-kazo, mba hanimbana ny firahalahiana eo amin’ izy ireo 2. Kanefa akaiky ilay Andron’ ny Voninahitry ny Vatako ary ho hafaliana re izany ! Ho andro iray mahatalanjona izany ary ho sitrana ireo Ratra izay nahazo Ahy tao an-tranon’ ireo Namako akaiky Ahy indrindra. Amin’ izao fotoana izao Ny Foko Masina dia maniry fitiavana ao anatin ‘ny fahadiovana. Ny hany Ilaiko dia famerim-pitiavana. Tsy nanolotra ny Tenako tam-pitiavana toy ny fanatitra manitra ho sorona va Aho ? Be loatra ve ny Fangatahako ny fahafoizan-tenanareo ho Ahy ? Be Loatra ve ny Fangatahako fahaiza-misaotra kely sy famerim-pitiavana ?
Maniry fitiavana ny Fitiavana. Mangetaheta fitiavana ny Fitiavana. Mangataka valim-pitiavana eo anatrehanareo toy ny mpangataka ny Fitiavana. Aza mikomy amin’ ny Lalàko izay Lalàm-pitiavana ianareo ! O ry malala isany, izany Fitiavako anareo 3 ! Nahoana no nijanona tsy nitsaoka Ahy ny maro aminareo ? Ampahatsiahiviko anareo fa manatrika Aho amin’ io Ora Masina io. Hodidinin’ ireo Serafimako sy Kerobimako Aho mijoro am-pahanginana eo anoloanareo. Izaho Ilay Masin’ ireo masina dia nanome anareo io anarana hoe : Malala io. Na dia nanota Tamiko aza ianareo dia namela anareo Aho ! Voa Famafiko ianareo ! hahita anareo va Aho amin’ ny Ora Fitsaohana ry Malalako isany ? hitsangana hankaty Amiko va ianareo, Izaho izay ho eo miandry anareo ao anatin’ ny Tabernaklako ? Mankanesa aty Amiko… Mankanesa aty Amiko…Aza lavina izay atolotry ny Fanahy anareo amin’ izao andro izao. Mitoera ao amin’ ny Fitiavako ary ekeonareo ny Famindrampoko. Tsarovinareo fa ho levona ny zava-drehetra ary tsy hisy na inona na inona haharitra na dia kely aza, ho foana ny zavatra rehetra indray andro any, fa ny fanahinareo dia hitoetra ho mandrakizay.
Izaho Tompo dia mitahy anareo tsirairay avy ary manome anareo ny Fiadanako mba ahafahanareo manome izany ho an’ ny hafa.
1. Ny Papa Ray Masintsika Joany Paoly II 2. teto dia tsapako nila ho fatin' ny alahelo Andriamanitra 3. Vakin 'ny fitiavana ara-bakiteny i Jesoa

15/03/2026

I DANIELA ANJELIKO, ny niantombohan' ny hafatra, raha misafidy ny HIHAINO FA TSY MAMAKY

MIARAKA AMIN' I PADRE PIO AHO                                                                                           ...
05/03/2026

MIARAKA AMIN' I PADRE PIO AHO 12 jona 1989

- Jesoa o ?
- Izaho no Jesoa.
- Jesoa o, sarotra ilay izy...
(ny tiako lazaina amin’ izany dia ity fanatonana avy amin’ Andriamanitra ity. Tsy mbola azoko an-tsaina foana...)
- Ry Voninkazoko, minoa toy ny zaza.
- O ! mahagaga ilay izy !
-Manodidina Ahy ireo Anjeliko ; tonga miaraka amin’ ireo Anjeliko Aho.
- Mahagaga izany ry Tompo !
- Ampifalio Aho amin’ ny fitadiavanao ny Fahalalana lalandava. Aoka hameno fifaliana anao ireo Didiko dia hotahiana ianao. Ampifalio ny Fanahiko amin’ ny Fitenenanao indraindray manao hoe "Aba". O ry Notahian’ ny Tanako, aoka ho Taratro ianao, aoka ho masina ianao, aoka ho Fiankinan-dohako ny fonao. Izaho Tompo dia miaraka aminao. Tsaroanao ve ny Fanatrehako ? Hazony ao anatin’ ny sainao Aho mba hahatsiarovanao ireo zavatra ataonao, ireo fisainanao ary ireo zavatra teneninao. Aoka ho ao aminao ny Fiadanako.

( taoriana kely )
- Izaho no Jesoa ; avia. Miaraka amin’ i Padre Pio Aho.

(Padre Pio :)
- Sono con te, Vassula ; ascolta il nostro Buon Signore. 1
(tonga mampahery ahy matetika i Padre Pio.)


14 jona 1989

- Jesoa o ?
- Izaho no Jesoa. Ny Sitrapoko dia ny hahatonga lafatra anao ; toy izany koa ve ny anao ?
- Eny ry Tompoko, toy izany ihany koa ny ahy, saingy sarotra ny eo amin’ ny manodidina ahy.
- Ekeo ny manodidina anao sy izay rehetra Nomeko anao. Ny Sitrapoko dia ny hanana anao eo Anilako, ka iankinanao Amiko fa tsy amin’ ny olona hafa na iza na iza. Izaho no Mpampianatra anao sy Mpitantana anao ara-panahy.
- Tompo o, rehefa miteny izany Ianao dia mampandositra sy mampiafina an’ i X. !
- Ry Vassula-ko, avelao Aho hamaky andalana iray ao amin’ ny Teniko aminao.
(nasian’ i Jesoa nosokafako anjoanjo ny Baiboly Masina. Nianjera teo amin’ ny andalana manaraka ao amin’ ny Ekleziasta – na Siraka – izay itaizan’ ny Fahendrena ireo zanany aho, Si 4.11-22.)
- Hitanao ve ? Izaho no Fahendrena ary Izaho no Mpampianatra anao.
- Tompo o, mampanahirana ahy ilay andalana faha-19.
- ny lazaina amin’ io dia raha mandà Ahy tanteraka ianao, nefa aza manahy ianao fa hampiarina anao Aho isaky ny mitady hianjera ianao. Napetrako tao anatin’ ny faritra manokana ao anatin’ ny Foko Masina ianao ry Vassula-ko. Avelao Aho hitaiza anao tanteraka. Tia anao ny Fitiavana. Faly Aho isaky ny mahatsiaro Ahy ianao. Hodinihanao lalina ve izany rehetra izany ? aoka ho ao aminao ny Fiadanako.
- ry Andriamanitro o, ahoana no isian’ izany rehetra izany ? Andriamanitra izay miteny amiko !
- Izaho no Ilay Misy. Ry Voninkazoko, aoka hiaraka Amiko ianao.
- Voninahitra hoan’ Andriamanitra.


15 jona 1989

- Andriamanitro o ?
- Izaho no Andriamanitra. Aoka hahay hanavaka Ahy ianao... miomàna handray Ahy ry Anjeliko. Avereno miaraka Amiko ireto teny ireto :
O ry Fo Masin’ i Jesoa,
Tompoko izay tsaohiko,
atolotro Anao ny sitrapoko ;
ataovy fitaovana
ho an’ ny Fiadananao sy ny Fitiavanao aho ;
ataovy voan’ ireo
Faniriana Mivaivain’ ny Fonao Masina aho.
Amen.
Eny, ary ankehitriny dia afoizo tanteraka ho Ahy ny tenanao. Mila fanahy sorona Aho, koa atolory Ahy ny sitraponao ry Vassula ; miraisa Amiko ianao, Izaho ilay Faratampon’ ny Voan’ ny Fitiavana. Ry sisa Nanamborako, Miorako, Oteliko, hanatsara tarehy ny fanahinao Aho ka hamela anao hizara ny Hazofijalian’ ny Fiadanako sy ny Fitiavako hatramin’ ny farany. Izaho sy ianao, ianao sy Izaho, miray ao amin’ ny Fitiavana.

04/03/2026
mahafinaritra loatra 😊😊😊Nanomboka ny taona 2020 dia nanambatra ny heriny ireo Kristianina avy amin' ireo fikambanana Kat...
17/02/2026

mahafinaritra loatra 😊😊😊
Nanomboka ny taona 2020 dia nanambatra ny heriny ireo Kristianina avy amin' ireo fikambanana Katolika, Ortodoksa ary Protestanta ao an-tanan-dehiben' i Krasnoyarsk ao Sibérie mba hikarakara sakafo isan' andro hoan' ireo tsy manan-kialofana. ho an' ireo mpikambana rehetra ao anatin' io ekipa iraisam-pinoana io, tafiditra ao ireo Maseran' ny Famindrampo an' i Md Charles Borromeo, dia lasa toy izao ny teny faneva manao hoe : “tsy fiantrana no dikan' ny Famindrampo fa fanampiana.”

Since 2020, Christians from Catholic, Orthodox, and Protestant communities in the Siberian city of Krasnoyarsk have joined forces to organize daily ...

NY OLONA TSIRAIRAY IZAY MIZARA ITY ASAKO ITY DIA MIZARA NY HAZOFIJALIAN' NY FIADANAKO SY NY FITIAVAKO5 jona 1989 - Tompo...
15/01/2026

NY OLONA TSIRAIRAY IZAY MIZARA ITY ASAKO ITY DIA MIZARA NY HAZOFIJALIAN' NY FIADANAKO SY NY FITIAVAKO

5 jona 1989

- Tompoko o?

- Izaho no Tompo.

- Voninahitra ho an’ Andriamanitra.
tsy maintsy tanterahiko ilay voady izay nataoko Taminao ry Tompo dia ny tsy hivadika Aminao, ny tsy hitady afa-tsy ireo Tombontsoanao sy izay manome voninahitra Anao bebe kokoa,
satria tonga namonjy Ahy ianao ; avy tany amin’ ny Seza Fiandriananao any an-danitra, nidina hatraty amiko Ianao tao anatin’ ny fahafaham-barakako ; Natsanganao aho mba hizotra eo Anatrehanao ao anatin’ ny fahazavan’ ireo velona.

- Ry Voninkazoko, izay Ahy, omeo voninahitra Aho amin’ ny fitiavanao Ahy ; avia hitsaoka Ahy am-pahanginana. Aoka hanana ny Fiadanako ianao anaka. Hamafisiko eo amin’ ny olombelona rehetra ireo Asan’ ny Lanitro. Midira ao anatin’ ny Foko Masina dia ho hitanao ao ny fitsaharanao. Avia.


10 jona 1989


- Jesoa o ?

- Izaho no Jesoa. Manàna finoana ry Vassula, satria Asan’ ny Fahendreko ireo. Raiso tsara ny Feoko ary aza manahy ny amin’ ny ambiny. Ny olona tsirairay izay mizara ity Asako ity dia mizara ny Hazofijalian’ ny Fiadanako sy ny Fitiavako. Aza avela hamitaka anao na oviana na oviana ireo manam-pahaizana ; ary koa manàna fahatokiana Ahy hatramin’ ny farany. Mitsaoha Ahy, izay no làlana mankaty Amiko

Nanasa ny Kristianina rehetra avy amin' ny antokom-pivavahana rehetra ny Dimbin' i Piera mba hihaona any Jerosalema, toe...
03/12/2025

Nanasa ny Kristianina rehetra avy amin' ny antokom-pivavahana rehetra ny Dimbin' i Piera mba hihaona any Jerosalema, toerana nipoiran' ny finoana sy niantombohan' ny zavatra rehetra, amin' ny taona 2033.

Our Editorial Director reflects on Pope Leo XIV’s announcement and invitation to other Christians to return to Jerusalem to celebrate together the ...

HAFATRA FARANY : AVELAO HANDEHA NY HERINTAONA NA ROA TAONA DIA....25 jolay 2024Ry Vassula-ko,Aoka ho faly ianareo, faly ...
24/08/2025

HAFATRA FARANY : AVELAO HANDEHA NY HERINTAONA NA ROA TAONA DIA....

25 jolay 2024

Ry Vassula-ko,
Aoka ho faly ianareo, faly fa Izaho Iaveh dia eo anilanareo hanoro làlana anareo ; aoka ianareo ho faly ny amin’ ny Fitiavako anareo sy ireo zava-mahagaga izay Nataoko ; nanao tononkira vaovao ho anareo rehetra Aho ; nampidina ny lanitra nankeo aminareo rehetra Aho, ary ianao, ianao izay mbola miafina ao anatin’ ny toerana maizina ka mitomany satria tsy misy na iza na iza mba miraiki-pitia aminao na miahy ny momba anao, aza avela ho faty ny fanahinao ! raha Izaho dia tsy vahiny mandalo eo anilanao Aho, satria tsy maintsy Ampahatsiahiviko anao fa Malalako ianao ary miahy ny aminao Aho ; ho anao ny Tononkirako, ry fanahy malala ; koa aza miteny na oviana na oviana manao hoe : “tsy mihevitra ahy velively Andriamanitra” ; niaraka taminao mandrakariva Aho, teo anilanao ; avia ! avia hijanona fotoana fohy ary aza matahotra, eo anilanao Aho ; avia hametraka ireo tongotrao eo amin’ ny Làlako, ary aza matahotra Ahy, matokia Ahy, ary aoka hosoavina ianao ! sambatra ny olona izay mihaino ireo hiakiakan’ ny malahelo sy mikarakara ireo mahantra sy ireo nafoy ;

Ry Vassula, naneho ny Sitrako taminao Aho ka nitondra anao tany amin’ ireo Làlan’ ny Lanitro mba itomboanao toy ny oliva iray ; Nosokafako ny sainao mba andrenesany ireo Torolàlako sy ianaranao ny Fahendrena ; ankehitriny dia tonga Aho hanome anao fifaliana kely ary amin’ ny Fanavaozako ny fifalianao dia Hazoniko ho vonona ny hanohy hanompo Ahy ny fanahinao ; Fantatro, fantatro hoe hatraiza ny nandinihan’ ny fanahinao lalina ny momba Ahy nandritra izay fotoana izay, ka nangatahanao mba hitoetra ho voaaro eo ambanin’ ny alok’ ireo Elatra, ary dia tanteraka tokoa izany ; Nalofako teo ambanin’ ireo Elatro ianao, Natsoboko tao Amiko, tany amin’ ny toerana lalina indrindra ao am-Poko ianao ; mihainoa Ahy, ampahatsiahivo amin’ ny olona rehetra fa Izaho Iaveh dia fantatra amin’ ny fandrenesana lalandava an’ ireo izay ao anatin’ ny tsy fisiana sy mikatsaka Ahy amin-kafanam-po ; ampahatsiahivo azy ireo fa mihira tononkira vaovao iray ho Azy ireo Aho ; tononkira iray izay mampiseho ny Fitiavako sy ny Famindrampoko, izay mampiseho ny Tsy Fivadihako ;
Tamin’ ny lasa, rehefa niantso Ahy i Moizy sy i Arona dia namaly azy ireo tao anatin’ ny andry rahona Aho, toy izany no fomba Namaliako azy ireo ; ankehitriny dia manao izay andrenesana ny Feoko amin’ ny alalan’ ireo mpitondra teny izay Safidiako aho ; talohan’ ny namoronana ireo tendrombohitra, ary mbola tsy nisy akory ny tany sy ireo mponina eo aminy ary izao tontolo izao dia efa nisaintsaina ny Venti-kevi-Pitiavako ho an’ ny andronareo Aho, eny, Ny Tena Fiainana ao amin’ Andriamanitra, io Foto-kevitra Mirenty io, koa nahoana ianao no mbola misalasala foana ry zava-boahary ? ianao izay misalasala io, tsy mbola renao mihitsy va ireo asa lehibe izay Nataoko tamin’ ny lasa ?

Manome voninahitra Anao aho tamin’ ny Nandrenesanao ahy ; mankasitraka Anao aho tamin’ ny Nitaizanao ahy ; eny, misesika ao an-tsain’ ny fanahiko ny faniriana tsy miato ny mba ho eo Anilanao ry Iaveh Raiko ; mitsikia amiko, mitsikia aminay, ary afaho amin’ ny ratsy izahay.

Ry Zanako mahafinaritra, ao Amiko no misy ny Famindrampo sy ny Fanavotana ; ny mahazo an-tsaina Ahy dia fahalalana omena ho an’ ny fo madio ; ny mahafantatra Ahy dia mampifandray anao Amiko akaiky kokoa ; ravoravo Aho rehefa miantso Ahy ho “Rainao sy Andriamanitrao” ianao ; mihainoa Ahy : akaiky ny fotoana iverenan’ ny Zanako, akaiky kokoa noho ny ieritreretanareo azy ny Andron’ ny aizin-kitroka ; handrapaka ireo ahi-maitso sy hazo ny afo, hihozongozona ny lanitra, tsy hamiratra intsony ny masoandro sy ny volana aman-kintana, tsy hisy ho afaka hitsoaka an’ io Andro io ;
Mibebaha ianareo ! ary miverena Amiko amin’ ny fonareo rehetra ry taranaka indray mihira mba Itsimbinako anareo ; mitodiha aty Amiko ianao ary Izaho izay manankarem-pahasoavana dia hitsimbina anao ; hitsimbina anao Aho raha mibebaka ianao ; mihainoa Ahy ; avelao handeha ny herintaona na roa taona dia hiseho ireo fahitana rehetra izay hitanao anaka, hiseho ireo fahitana izay toy ny boky voahidy tamin’ ny tomboka sy tsy takatry ny saina ; eny, afaka fotoana fohy, fohy noho izay eritreretinao ; maro amin’ ireo izay tsy niraharaha ny Tanako Feno Indrafo no hiezaka hitsoaka, saingy hanenjika azy ireo Aho, tsy hanafay azy ireo akory fa hamindra fo ; Hamela azy ireo Aho ; tsy ho ela dia hampiseho ny Fahavinirako amin’ ireo firenena izay nihodina Tamiko Aho ary hitovy amin’ ny afo mandevona ny Famirapiratro, ny Fofon’ aiko dia ho toy ny havandra madinika mirotsaka sy midonaky ny hafanana ka mandevona izay rehetra lalovany ; hirodana ireo zohy ary horavana ireo trano fiarovana ambanin’ ny tany ka tsy hamela na iza na iza hialoka ao anatiny mba hiavo-tena ; atolory dieny anio ireo vavakareo, atolory izany ho an’ ireo sisa tavela izay ho velona, satria haetry ny avonavon’ olombelona ; ireo hierem-pahafatesana izay ho tavela dia hanome voa tsara1

Andriamanitro o ! tsy mafy loatra ve izany ?

Ry Vassula, mitambesatra mafy loatra Amiko izy ireo ; na dia ny sasany amin’ ireo izay miambina ny Egliziko aza dia tsy nanaraka ireo Torolàlan’ ny Zanako ; tsy Zakako ny lolom-pon’ izy ireo sy ny fiziriziriany rehefa hiasa ho an’ ny firaisana no resahina ; tsy Zakako, tsy vitako ny miaritra ny tsy fahatsiarovan’ izy ireo alahelo na fifaliana manoloana ireo Antson’ ny Famindrampoko ;
Ny Teniko amin’ izao fotoana izao dia tsy misy dikany amin’ izy ireo ; hatramin’ izao andro izao dia sady tsy nahatsapa nenina fatratra noho ny otany izy ireo no tsy nahatsapa tahotra ; fomba ahoana no tsy Ampitodihako ny Tavako hifanandrina amin’ izy ireo rehefa mila hanala-bara-tena amin-kafetsena miaraka amin’ ny governemantany ny sasany ary manao Ahy ho andriamanitra mampihomehy ? Fantatro ny zavatra rehetra mikasika ny hambon’ izy ireo, eny tokoa ! tsy fantatrareo ve fa rehefa miala amin’ ny fahamarinany sy manao fahotana ny olo-marina iray dia mahafaty azy izany ? ary ny mifamadika amin’ izany, rehefa miala amin’ ny haratsiam-panahiny sy mibebaka ny ratsy fanahy dia ho velona izy ? ankehitriny dia miantso ny fitsarana ho eo an-dohany ity taranaka indray mihira ity noho ireo fomba malotony ; kanefa tsy ho ela dia ho tapitra izany rehetra izany, satria ny Fiverenan’ ny Zanako, izay hamavoin’ izao tontolo izao sy halan’ ireo tsongaina maro, dia hidina eo aminareo, ary hihovitrovitra ny tany, kanefa ireo olona izay nitsaoka ny Zanako dia hitsangana rehefa hahita Azy ary hiankohoka ; satria hamindra fo amin’ ireo izay niantso ny Anarany ny Tompo.

1 taranaka vaovao

NY HAFATRA FARANY NOMEN' IZY TOMPO AN' I VASSULA T@HERINTAONA TOY IZAO TALOHAN' NY NAHAFATESANY, ANY ' ITY VIDEO ITY LAY...
25/07/2025

NY HAFATRA FARANY NOMEN' IZY TOMPO AN' I VASSULA T@HERINTAONA TOY IZAO TALOHAN' NY NAHAFATESANY, ANY ' ITY VIDEO ITY LAY IZY....EZAHINA HO ADIKA ETO IHANY

Dans cette vidéo édifiante, nous écoutons les dernières révélations de Vassula Ryden, célèbre pour ses messages spirituels...

AVIA HIHAINO NY RENIKOKAHIE FAHA-34  3 jona 1989 - Mitsodrano anao Aho anaka, avia hihaino ny Reniko. (Ny Virijiny Masin...
11/07/2025

AVIA HIHAINO NY RENIKO

KAHIE FAHA-34

3 jona 1989

- Mitsodrano anao Aho anaka, avia hihaino ny Reniko.

(Ny Virijiny Masina :)

- Ry Vonikazoko, tsapao ny Fanatrehako. Tiako ianao, tsarovinao fa miaro anao toy ny fiarovan’ ny liona vavy an’ ireo zanany Aho. Aoka ho tahiana ianao ary henoy ny Hafatro :

(Hafatry ny Renintsika Masina ho an’ ny fivoriana amin’ ny 9 jona 1989 ao Saint Maurice, Suisse)

- Ry Zanako isany, aza manohitra ny Antson’ Andriamanitra. Mibaboha ianareo, miantehera Aminy ary avelao Izy hampiaiki-dresy ny fonareo. Henoy Izy ary ataovy izay Lazainy anareo. Izaho no Reninareo Masina izay mampahatsiahy anareo fa ny Tenin’ ny Tompo dia Fiainana, ny Tenin’ ny Tompo dia Fahazavana. Maro aminareo no mahare ny Fitalahoam-pitiavany, kanefa raha vao miala an’ itony toerana itony ianareo dia misintona anareo indray ho any aminy izao tontolo izao ka adino ny Fitalahoam-pitiavany amin’ izany. Nangataka taminareo Aho tao anatin’ ny Hafatro Teo Aloha mba hieritreretanaro lalina sy handinihanareo ny feon’ ny fieritreretanareo. Anio dia manontany anareo Aho hoe : nahoana no maro aminareo izay nandre ny Hafatro no tonga mba hihaino hafatra vaovao androany, kanefa ny teo aloha aza sady tsy nodinihina lalina no tsy naverina novakiana ? tia anareo rehetra ny Foko Tsy Voakasik’ ota rankizy isany, ary noho izay antony izay no Angatahako aminareo anio mba hamerina hamaky ny Hafatro Teo Aloha sy hampihatra izany. Tiako ianareo rehetra ; aza adinonareo na oviana na oviana fa ny Foko Tsy Voakasik’ ota dia balisama ho an’ ireo fangirifirianareo. Mitsodrano anareo rehetra Aho, amin’ ny Anaran’ ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Amen.

(Andalan-Tsoratra angatahan’ i Jesoa hovakiantsika sy hodinihintsika lalina : 1 Tim 4.1-16 ; 6.20-21 ; 2 Tim 2.14-26 ; 3.1-17.)

TONGA HAMPIRAY ANAREO REHETRA INDRAY HO AO ANATIN' NY VALAN' ONDRY TOKANA AHO3 jona 1989 - Fo Masin’ i Jesoa o? Mandrots...
06/07/2025

TONGA HAMPIRAY ANAREO REHETRA INDRAY HO AO ANATIN' NY VALAN' ONDRY TOKANA AHO

3 jona 1989

- Fo Masin’ i Jesoa o? Mandrotsaka joijoim-pitahiana eo aminay toy ny ranonorana Ianao. Fo Masin’ I Jesoa o, Omenao Fitoerana Maharitra ireo irery. Nahita Fitoerana iray ny Fianakavianao. Ankalazaina amin’ ny andro mifandimby anie ny Tompotsika, Izy izay mamonjy antsika sy mitarika antsika tsirairay ho ao anatin’ ny Fony Masina. Ankalazaina anie ny Tompotsika izay mitondra ireo enta-mavesatsika sy mizara ireo fahoriantsiaka.

Tompo o ?

- Izaho no Tompo. Tsapao ny Fanatrehako. Aoka hampitombin-tsaina ianao ary mandrenesa Ahy. Mihainoa Ahy :

(Hafatra ho an’ ny fivoriam-bavaka amin’ ny 9 jona 1989 ao amin’ ny eglizin’ ny relijiozin’ ny Kapiosina, ao Saint Maurice, ao Suisse)

- Ho aminareo rehetra anie ny Fiadanana.
Izaho no Tompo Mpamonjinareo sy Ilay mitady ny fonareo. Izaho Ilay mijoro tsy mahalala sasatra ao ambadiky ny varavarana tsirairay, ary mandondona. Izaho Ilay manenjika ireo mpanota sy Ilay mamela ireo hendry hitolagaga. Izaho Ilay mampitombo ireo Fitahiako sy manomana anareo amin-kalemem-panahy hiditra ao amin’ ny Jerosalemako Vaovao.1 Izaho no Trinite Masina Indrindra, Izy Rehetra ao anatin’ ny Anankiray ary Ilay Tsy Miova izay manomana anareo rehetra hiray ao anatin’ ny valan’ ondry masina tokana, miaraka amin’ ny Fikasam-Pamonjeko. Izaho no Ilay mahaela ny fitomboan’ ny hazo lehibe sy mamela an’ ireo kely hitombo.

Aza matahotra ry malala isany, fa hamafy voan’ ny Fitiavana sy Fiadanana vaovao ao anatin’ ity tany hay ity Aho. Hamelona indray ny Zaridainako Aho mba hahitan’ ireo mpankahala fivavahana sy ireo ratsy fanahy sy ahafantaran’ izy ireo fa ny Tanako Masina dia mipetraka eo aminareo rehetra. Hahazo an-tsaina ny Famindrampoko Tsy Misy Fetra ireo fo vato, ary Izaho Ilay Masina dia eo anivonareo. Mihazona ny tananareo havanana Aho ; tsapao ny Fanatrehako ; tsy hahafoy anareo Aho, koa aza matahotra ianareo. Eny, Raisiko amin’ ny tananareo ianareo tsirairay avy ary hampianatra anareo Aho mba ho antsoina hoe zanaky ny Fahazavana ianareo ary hanompo an’ izay marina. Izaho Tompo dia niteny hatramin’ ny fiandohana fa Iriko ho masina ianareo toy ny maha-Masina Ahy.
Satria Izaho no Andriamanitrareo ary ianareo Oloko dia tokony hanaraka ny Lalàko ianareo. Ny Lalàko dia Lalàm-Pitiavana. Mianara mitia Ahy, mianara mitsaoka Ahy. Eo am-pitadiavana ny fonareo Aho. Aza mihaino an’ izao tontolo izao ; henoy ny Antsom-Pitiavako, henoy ireo fitepon’ ny Foko. Ny fitepo tsirairay dia antso ho an’ ny fanahy iray.
Mankanesa aty Amiko eo amin’ ireo Sandriko mivelatra, miantoraha amin’ ny Fanorohako ianareo ; tsapaonareo io Fitiavako anareo io, tsapaonareo io Famindrampoko aminareo rehetra io ! Miverena Amiko dia hanasitrana anareo Aho. Tehirizo amin’ ny fo sy fanahy ireo Teniko ary soraty ao am-ponareo izy ireo. Aza avelanareo ho lasibatry ny rivotra ireo Teniko. Avia hibanjina Ahy amin’ ny masonareo sy tsy hamela na iza na iza hampivily azy ireo hiala eo Amiko. Aoka ho azonareo an-tsaina mazava ireo Fahasoavana izay Atolotro anareo rehefa manatrika Aho Tomponareo...
Ry voninkazo, reseo ny halemenao !

Jesoa Tompo o, ampio aho ho afaka !

Ampifalio Aho Ahy.

- Ampio aho hihaino Anao ry Tompo.

2...manatrika Aho ;
Mangataka aminareo rehetra amim-pomba manetriketrika Aho mba hiaiky ireo fahadisoanareo sy haniry Ahy. Mirotsaka eo aminareo rehetra ny Fanahin’ ny Fahasoavako mba hamoahana anareo amin’ io fanahin’ ny torimaso lalina izay mitambesatra mafy loatra eo aminareo io, sy mba hamelona anareo indray dieny tsy mahavoa ny vatanareo ny fahalovana. Noho izany dia sokafy ny sofinareo ary mihainoa Ahy. Fantatro fa maty tokoa ny ankamaroanareo amin’ izao fotoana izao, na dia mihevi-tena ho velona aza ianareo, saingy noho ny fandavanareo tsy hitolo-batana tanteraka Amiko no anton’ izany.

Matokia Ahy ianareo ary aza manohitra Ahy ; atolory Ahy ny tenanareo ; manolora tena, manolora tena, avelao Aho Andriamanitrareo ho Mpaka an-keriny ny fo kelinareo. Aza matahotra, Fitiavana Aho ary maniry ny hahatsara ny tarehinareo ny Fitiavana. Koa aoka hihaino tsara an’ ireo Teniko ianareo ; mety toa tsotra aminareo angamba izy ireny, kanefa Andriamanitry ny Fahatsorana Aho, Malemy fanahy sy tsy miavona am-po Aho.

Fantatro hoe firy aminareo no tsy mitsahatra ny mieritreritra fa mamerimberin-teny Aho, ny torimaso lalinareo no anton’ izany, ny fahareninareo no anton’ izany, ary noho ny antony tsotra hoe maro aminareo no tsy mampihatra ireo Teniko ;

Tonga Aho, miaraka amin' ny Foko eo an-Tanako ; tonga hanolotra ny Fiadanako sy ny Fitiavako ho anareo Aho. Tonga hampiray anareo rehetra indray ho ao anatin’ ny Valan’ondry tokana Aho. Tonga Aho hanangan-ko velona an’ ity fotoana maty ity ho lasa fotoana velona. Avia hidera Ahy, Izaho Tomponareo izay avy any amin’ ny Seza Fiandrianan’ ny Lanitro no miondrika hatrany aminareo mba hisintona anareo hankaty Amiko sy hanangan-ko velona anareo. Miderà Ahy ianareo rehetra izay miandry ny idinan’ ny Fanahin’ ny Fahasoavako eo aminareo. Mandehana torio ny Hafatro hahatratra ny faran’ ity tany ity. Aoka ho ren’ izy ireo ny Hiakiakam-Pitiavako. Miravoravoa ianareo ary mifalia ankehitriny ianareo rehetra izay noana Ahy satria haha-ampoka anareo Aho. Hamaino ny ranomasonareo rehetra izay voatsindry andro aman’ alina, satria eto Aho hampionona anareo sy hiambina anareo. Miantso anareo rehetra hankaty Amiko amin’ ny fahamasinana ny Foko Masina. Miantehera Amiko ianareo dia hitantana anareo any amin’ ny Tabernakla izay Iandrasako anareo andro aman’ alina Aho. Manolo-tena ho anareo isan’ andro Aho ; avia, avia handray Ahy am-pahamasinana sy ao anatin’ ny fahadiovana. Aza mampalahelo Ahy, aoka ho madio sy masina ianareo rehefa mandray Ahy. Aoka hampitombin-tsaina ianareo ary hanaiky ny Fanatrehako Velona ao anatin’ ilay Hostia fotsy kely, ataovy Tsapako ny fahamasinanareo sy ny fahadiovanareo. O ! Raha mba fantatrareo mantsy hoe toy inona ny Fahasoavana izay Atolotro anareo ! Avia, ampifalio Aho amin’ ny fandinihanareo lalina ny Hafatro, ampifalio Aho amin’ ny fiainanareo ny Hafatro, ampifalio Aho amin’ ny fanovanareo ny fiainanareo.
Sambatra ny olona izay mandinika lalina an’ izay Atolotro azy ankehitriny, mamantatra ny fony sy mandinika ny fanahiny, satria hanandratra azy Aho. Sambatra ireo Pretrako, ireo Evekako sy Kardinaliko izay tonga eo Amiko toy ilay poblikana (Lk 18.9-14) ka manaiky ny helok’ izy ireo, ao anatin’ ireny fo ireny no miorim-paka sy mandroso ny Teniko. Hanaisotra ny voaly eo amin’ ny mason’ izy ireo Aho mba hahafahan’ izy ireo mahita sy mahazo an-tsaina amin’ ny fon’ izy ireo fa ny hany Ilaiko dia Fitiavana, Fitiavana sy Fitsaohana. Saingy indrisy ! maro amin’ ireo minisitra ireo no resin’ ireo fandrenohan’ i Satana ! ahoana no Hahavitako miaritra an’ ireo fomba amam-pitsipika arahin’ izy ireo sy ny saritsarim-panetren-tenan’ izy ireo raha ao anatin’ izy ireo aza tsy misy fitiavana ? firy sisa no tavela mba hitsaoka Ahy ? Iza amin’ izy rehetra ireo no ho voalohany hanome ohatra ho an’ ireo Zanako ka ho tonga aty Amiko amin’ ny fo feno fitiavana, hiankohoka eo amin’ ny Fanatrehako Masina sy hitsaoka Ahy am-pahanginana ? Ny hany Angatahako dia fitiavana ao anatin’ ny fahamasinana ry malala isany. Mitady ny fonareo Aho. Avia atolory Ahy ny fonareo dia Hovontosako amin’ ny Fitiavako izany mba hamenoanareo ny fon’ ireo Zanako ihany koa. Izaho no Ilay Masinareo Indrindra izay mametraka ity fanontaniana tsotra ity aminareo : aiza ny andian’ ondry izay nankinina taminareo fahizay, ilay andian’ ondry izay nireharehanareo ? Midiova ianareo, mibebaha ary ankatoavy ny Papan’ ny Egliziko, i Joany Paoly II, izay tsy mandiso fanantenana anareo, saingy atosikareo sy tsy raharahinareo. Ianareo rehetra izay mbola manohy ny hahatonga azy ho mahatsikaiky dia mitambesatra mafy kokoa mbola tsy nisy toy izany ao anatin’ ny Foko Masina ianareo... Ireo Ahy ihany no mivadika Amiko. Mandrapahoviana no mbola ho toy ny tany lonaka an’ efitra mamitaka ho an’ ny Andian’ ondriko ianareo ? Rendrirendrin’ ny tany hay tsy misy farany ve ?

Ry rahalahy isany, ny hany Angatahako aminareo dia Fitiavana. Tongava mitsaoka Ahy, aza mandany ny fotoananareo mitady Ahy any amin’ ny toerana tsy misy Ahy. Aoka ianareo ho ohatra ho an’ ny Andian’ ondriko. Miandry anareo ny Fitiavana; tongava mitsaoka Ahy, tongava mitsaoka Ahy Andriamanitrareo sy Mpanjakanareo. Miverena Amiko ry Rahalahiko isany, ary Izaho Jesoanareo, amin’ ny Foko Masina midobodoboky ny fitiavana mandrakizay, dia ho onena anareo sy hamela ireo fahotanareo sy hanadino azy ary ka tsy hampahatsiahy na dia iray amin’ izany aza na oviana na oviana. Mitadiava Ahy dieny mbola hita Aho
3, noho ny Famindrampoko, dia ho avy hanokatra ny mason’ ireo jamba Aho, ary ny sofin’ ireo izay Nataoko marenina dia Hosokafako. Havelako hahita ny Fahazavako ianareo, ary handre ianareo ka hahazo ny Teniko, mba iovanareo fo sy ahafahanareo midera Ahy, manandratra Ahy sy manome voninahitra Ahy Andriamanitrareo, avy any amin’ ny fonareo lalina indrindra.
Izaho Tompo dia mametraka ny Tanako eo ambony lohanareo sy mitsodrano anareo rehetra.
Aoka ho iray ianareo.

TOY INONA NY FISENTOAN' NY FOKO MASINA SY NY FANIRIANY IO FIRAISANA IO EO AMBANY FITARIHAN' I PIERAKO15 mey 1989 (miha-m...
03/07/2025

TOY INONA NY FISENTOAN' NY FOKO MASINA SY NY FANIRIANY IO FIRAISANA IO EO AMBANY FITARIHAN' I PIERAKO

15 mey 1989

(miha-mafy ireo fanenjehana)

- Tompo o ?

- Izaho no Tompo. Tsy tonga hitondra fiadanana eto ambonin’ ny tany Aho ; tsy ny hitondra fiadanana no Nahatongavako fa sabatra...(Mt 10.34)Torio am-pitiavana ho an’ ny Fitiavana ny evanjely ry Anjeliko ; hanampy anao Aho. Izaho Jesoa Kristy ity, ary tia anao Aho.



16 mey 1989

- Jesoa o ?

- Izaho no Jesoa. Aza mandiso fanantenana Ahy na oviana na oviana. Maniria Ahy mbola tsy nisy toy izany. Mitomboa ao anatin’ ireo fizahan-toetranao. Aok’ izy ireo hianatra hitia Ahy Andriamanitr’ izy ireo. Aok’ izy ireo hianatra hiankohoka sy hitsaoka Ahy ilay Masin’ izy ireo. Inona no Ilàko ireo vavaka izy ireo avy amin’ ny molotra ? mila fitiavana sy fitsaohana Aho. Mivavaha, ry malalan’ ny Fanahiko, ho an’ ireo Pretrako , Evekako sy Kardinaliko mba hahaizan’ izy ireo manavaka ny Sitrapoko : izaho Tompo dia mila FITIAVANA sy FITSAOHANA ary FIRAISANA, ny rehetra miaraka manodidina ny Tabernakla tokana. Raha nitady ny Tombontsoako izy ireo dia nahazo an-tsaina hoe toy inona ny fisentoan’ ny Foko Masina sy ny Faniriany io firaisana io eo ambany fitarihan’ * I Pierako, Piera izay Izaho dia Izaho no nanome Azy ireo lakilen’ ny Fanjakan’ ny Lanitra. Noho izany dia mivavaha amin-kafanam-po ianareo rehetra mba ahafahan’ izy rehetra ireo mahazo an-tsaina fa Izaho Tompo dia miantso azy ireo hitambatra. Miantso ireo rehetra eo ambanin’ ny Anarako Aho mba hiverina amin’ ny Firaisana Marina, eo ambanin’ i Pieran’ ireo Zanak’ Ondriko. Aoriana kely dia hiantso ireo firenen-kafa rehetra ihany koa Aho mba hanaiky ny Anarako ho Ilay Voahosotra. Hiresaka amin’ ny fon’ izy ireo Aho.



Medjugorje, 22 mey 1989

- Tompo o ?
- Izaho no Tompo.
- tia Anao aho, mitsaoka Anao aho ry Masin' ireo Masina, Jesoa Masina.
-Tiavo Aho ary aoka hitsaoka Ahy ianao ; raiso amin’ izany fomba izany mandrakariva Aho.


Medjugorje, 24 mey 1989

- Jesoa o ?
- Izaho no Jesoa. Ry Malalako, tiavo Aho. Anaka, aoka ho androm-pifaliana ity andro ity. Miravoravoa ianao satria Izaho Tompo dia miaraka aminao tsy an-kiato. Tongava hitsaoka Ahy ianareo, avia hitsapa ny Foko Masina ianareo, avia ary aoka ho iray Amiko ianareo ry Ilaikeliko isany. Mitsodrano ny tsirairay avy aminareo Aho. Miaraka aminareo ny Fitiavana, tia anareo ny Fitiavana.


(Nomena tao Medjugorje ho an’ ny vondrona kelinay io Hafatra io ; nangataka taminay ho tonga hitsaoka Azy i Jesoa tamin’ ny maraina. Taoriana kely, tamin’ ny mitataovovonana dia nanao filazana ilay pretra fa hisy fiaretan-tory fitsaohana ny hariva. Ny hariva dia nihazakazaka nankany am-piangonana izahay satria nantsoin’ i Jesoa ho any.)


Medjugorje, 25 mey 1989

- Tompo o ?
- Izaho no Tompo. Ry Zanakavaviko, aza manoratra ao anatin’ ny hamaikana, sokafy ny sofina ary mihainoa Ahy : Izaho no Fitiavana, saingy tsy dia tiavina loatra ny Fitiavana ; tsy dia azo an-tsaina loatra ny Fitiavana ! Avia. Isika ve ?
- Ho mandrakizay ry Tompo.


2 jona 1989 – Fetin’ ny Fo Masina

- Fo Masin’ i Jesoa o ?
- Izaho no Fo Masin’ i Jesoa. Anio ny Foko Masina dia miantso ireo firenen-drehetra mba handre ny Feoko : Izaho no Fitiavana, Izaho no Fiadanana, Izaho no Lalana, Fahamarinana ary Fiainana. Tsy misy Fialofana hafa ho famonjena ny fanahinareo afa-tsy ao anatin’ ny Foko Masina. Ry Zanakavaviko, soraty miaraka Amiko ilay vavaka Notononiko taminao tamin’ ny taona lasa :
O ry Fo Masin’ i Jesoa, ampianaro ahy ireo Lalanao ; Fo Masin’ i Jesoa o, tariho ao amin’ ny Làlan’ ny Fahamarinanao aho, arovy amin’ ny demony aho ary aza mahafoy ahy mba anaovany ny sitrapony ; Fo Masin’ I Jesoa o, aoka ianao ho Vatolampy hampialoka ahy, satria Ianao no Fialofako ; aoka ny Fitiavanao sy ny Fiadananao no hitantana ahy sy hiambina ahy. Amen

Address

Antananarivo

Telephone

+261324376209

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ny Tena Fiainana Ao amin' Andriamanitra \ La Vraie Vie en Dieu Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Ny Tena Fiainana Ao amin' Andriamanitra \ La Vraie Vie en Dieu Madagascar:

Share