11/08/2026
🚨 [FAMPANDRENSANA OFISIALY - TANDREMO FISOLOKIANA] 🚨
⚠️ Misy vaovao tsy marina aely amin'izao fotoana izao !
Mampandre ny besinimaro ny Fandaharan'asa DEFIS fa misy hafatra hosoka mandeha amin’ny mailaka (e-mail) sy eto amin’ny tambajotra sosialy milaza fa misy « Organisation distribution moto Honda 110 cc et 125 » (Fizarana môtô).
❌ MANDÀ izany vaovao izany ny Fandaharan'asa DEFIS.
Tsy mitombina mihitsy io hafatra io, tsy avy amin'ny
Fandaharan'asa, ary endrika fisolokiana sy fisandohana andraikitra madio.
🛑 Tsara ny manamarika fa:
▪️ TSY MISY fizarana môtô karakarain'ny Fandaharan'asa DEFIS velively.
▪️ Tsy mitombina avokoa ireo lisitra, daty ary fomba fizarana voalaza ao anatin'izany hafatra hosoka izany.
▪️ Ny serasera ofisialy rehetra momba ny Fandaharan'asa DEFIS dia mivoaka hatrany amin’ny pejy sy ny tompon'andraikitra ofisialy ihany.
🛡️ Miantso ny rehetra mba ho mailo hatrany :
Aza manome ny mombamomba anao, aza manefa vola aman'olona na amin'ny fomba inona na amin'ny fomba inona.
🔄 Hamparitao ary zarao ity fampandrenesana ity mba hiarovana amin'ny mpisoloky.