Tamihako

Directions Contact the organization

Tamihako Tanora Miahy ny Hasina sy ny Kolontsaina : TAMIHAKO

Instagram : https://www.instagram.com/tamihako/

🇲🇬 Tanora Miahy ny Hasina sy ny Kolontsaina dia fikambanana miezaka manandratra ny soatoavina malagasy amin'ny lafiny rehetra mba hiverenan'ny fifikirana amin'ny maha-Malagasy indray.

🇬🇧 🇺🇸Tanora Miahy ny Hasina sy ny Kolontsaina is an Association composed of young Malagasy volunteers aiming to promote Malagasy Culture.

🎶🇲🇬 Tami-valiha ❤️Mitohy hatrany ny fianarana valiha eto anivon’ny fikambanana Tamihako! 🎵Anisan’ny hetsika ataon’ny fik...
13/10/2026

🎶🇲🇬 Tami-valiha ❤️

Mitohy hatrany ny fianarana valiha eto anivon’ny fikambanana Tamihako! 🎵

Anisan’ny hetsika ataon’ny fikambanana ny mianatra sy manome lanja ireo zavamaneno malagasy, satria anisan’ny harena sarobidy mampiavaka antsika ny kolontsaina sy ny zavakanto nentim-paharazana. ❤️

Fianarana iarahana amin’i Ny Antsaly, izay isaoranay mandrakariva amin’ny fandavan-tena sy ny fitiavana atolony amin’ny fampitana ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy. 🙏

📌 Ho an’ny mpikambana eto amin’ny Tamihako aloha ny fianarana valiha amin’izao fotoana izao. Rehefa misokatra ho an’ny rehetra izany dia hampahafantarinay eto amin’ny pejy hatrany. 🫶🏼

Tontosa soa aman-tsara ny fitsidihan’ny mpikambana eto anivon’ny fikambanana TAMIHAKO ny Rovan’Antsahadinta, iray amin’i...
11/10/2026

Tontosa soa aman-tsara ny fitsidihan’ny mpikambana eto anivon’ny fikambanana TAMIHAKO ny Rovan’Antsahadinta, iray amin’ireo tendrombohitra masina 12 eto Imerina.

Antsahadinta dia naorin’i Mpanjaka Andriamangarira tamin’ny taona 1725 tany ho any. Taty aoriana, tamin’ny andron’Andrianampoinimerina, no nanorenana ny rova izay lasa lova manan-tantara lehibe eto Imerina.

Ny mampiavaka ity rova ity moa dia:

1️⃣ Ny fisian’ilay fasan-dakana, izay misy ny fasan’i Mpanjaka Andriamangarira, mpanjaka mpanorina an’Antsahadinta.

2️⃣ Ireo hazo roa mitambatra Malaimisaraka dia ny hasina sy ny aviavy, izay mifandray amin’ny lovantsofina sy ny tantara manodidina ity toerana ity.

3️⃣ Ny fisian’ny amontana, izay anisan’ireo hazo mampiavaka ny manodidina ny rova sy ny lova ara-kolontsaina eto Antsahadinta.

Isan’ny hetsika karakarain’ny fikambanana moa ny fitsidihana ireo toerana manan-tantara sy manana ny hasiny. Nitombo indray araka izany ny fahalalana mahakasika ny tantara sy ny kolontsaina Malagasy. 🌸

MANDRIA FA HARIVA EEE, HOY NY AVY ANY ANTSAHADINTA! 🇲🇬

11/08/2026

📹 Resadresaka niarahana tamin’i Radany Marovany - Tapany voalohany

Andao ary hamantatra bebe kokoa mahakasika an’i Radany Marovany isika e ☺️

Mankasitraka azy nanaiky hizara taminay. 🙏🏻

06/08/2026

Ary fantatrao ve i Radany Marovany? 🌸🇲🇬

Ankafizo indray dia araho ny pejy fa ho ampahafantarinay anao tsy ho ela hoe iza moa i Radany Marovany… 🎊

03/08/2026

Andao hiaraka hankafy ity Afindrafindrao, hiangalian’i Ny Antsaly sy i Fandresena Sarobidy ity isika. 🫶🏼

Mahavelom-bolo foana ny mahita ilay tanora mankafy sy manandratra avo ny zavakanto tena Malagasy . 🇲🇬

01/08/2026

[ Tanora manandratra avo ny kolontsaina Malagasy ]🇲🇬

Iza moa ny Ny Antsaly? 🎶

Mpiangaly valiha, tanora manandratra avo hatrany ny kolontsaina Malagasy. ❤️

Amin’ity resadresaka ity, handeha ho fantarina bebe kokoa ny momba azy , ny fitiavany ny valiha ary ny anjara toeran’ny valiha amin’ny fampiroboroboana ny kolontsaina Malagasy. 🇲🇬✨

Tratry ny Asaramanitra e ! 🇲🇬Ny andron'ny 26 jona dia andro lehibe eo amin'ny tantaran'i Madagasikara izay hahatsiarovan...
26/06/2026

Tratry ny Asaramanitra e ! 🇲🇬

Ny andron'ny 26 jona dia andro lehibe eo amin'ny tantaran'i Madagasikara izay hahatsiarovana ny nahazoana ny fahaleovantena.

Mirary soa ny Malagasy rehetra tsy an-kanavaka amin'izao andro fety izao. Enga anie isika mba hahay hiray hina sy hifanohana ary samy hikatsaka izay hahasoa ity firenena ity!

Dia ho tany sambatra tokoa i Madagasikara!

[ Tamihako - Fandraisana mpikambana vaovao ]Tanora 18 taona no mihoatra ve ianao? Te hitondra ny anjara birikinao ho fan...
18/05/2026

[ Tamihako - Fandraisana mpikambana vaovao ]

Tanora 18 taona no mihoatra ve ianao? Te hitondra ny anjara birikinao ho fanasoavana ny hafa? Indrindra ho fanandratana avo hatrany ny kolontsaina Malagasy?

🌸 Andao hiara-dalana amin’ny fikambanana Tamihako

‼️ Fepetra:
- 18 taona no miakatra
- Misy fotoana malalaka rehefa faran’ny herinandro
- Te hanandratra avo ny maha- Malagasy
- Te hanampy ny hafa
- Te hifampizara amin’ny tanora namana

👉 Raha te hiditra ho mpikambana ianao dia manasa anao hanoratra ao amin’ny hafatra miafina ny:

- Anarana Feno
- Asa / Fianarana atao
- Laharana finday / adiresy mailaka
- Tanjona amin'ny fidirana ho mpikambana

✅ Fara-fisoratana anarana: 30 may 2026

Koa andao ary hifanome tanana ! 🇲🇬

Ireo izay voaray ho amin’ny dingana manaraka dia mandalo resadresaka amin’ny tompon’andraikitry ny fikambanana aorian’io.

Akory e! 🥰Mbola misokatra ny fisoratana anarana ho an’ity atrikasa «  Crochet » karakarain’ny fikambanana ity…Tandremo s...
30/04/2026

Akory e! 🥰

Mbola misokatra ny fisoratana anarana ho an’ity atrikasa « Crochet » karakarain’ny fikambanana ity…
Tandremo sao tara o!
Andao hianatra zava-baovao sady hiala voly kely miaraka 🤗🥰🥳

[ Atrikasa «  Crochet » ]Andao hiaraka hiala voly sy hianatra zava-baovao e ! 💜Ny fikambanana Tamihako dia manasa anareo...
15/04/2026

[ Atrikasa « Crochet » ]

Andao hiaraka hiala voly sy hianatra zava-baovao e ! 💜

Ny fikambanana Tamihako dia manasa anareo amin’ny Atrikasa « crochet » izay natokana indrindra ho an’ireo izay mbola tsy mahay mihitsy nefa te hianatra.

Fotoana: Sabotsy 09 may 2026
- 8ora - 12 ora na
- 1 ora - 5 ora hariva

Toerana: Analamahitsy ( Atoro anao amin’ny fisoratana anarana)

Fandraisana anjara : 40 000 ar

Tafiditra ao anatin’izany: ny fitaovana sy ny ody ambavafo

‼️Voafetra ihany ny toerana 😊

Ny tombony azo dia ho fanohanana hatrany ny tetikasa TamiKilonga eto anivon’ny fikambanana…

Sady hahay zava-baovao ianao izany no hiala voly ary koa hanampy ny hafa… 👌🥰

💌 Raha mila fanazavàna fanampiny sy hisoratra anarana dia manasa anao hanoratra amin’ny pejy Tamihako na hiantso ny laharana +261 34 57 046 05

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tamihako posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Tamihako:

Shortcuts

Share