15/01/2025
Misokatra ny fisoratana anarana
Tsy misy vola aloha fa maimaimpoana
Mankasitraka ny fikambanana Tsara voatra amin’izao fiarahana miasa izao 🙏🏽
Tontosa anio ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'ny fikambanana Tsara voatra sy ny fikambana GASY VAVY ,izay nahoriko sy tarihiko 🙏🏽
Ny tanjon’ny fiaraha-miasa moa dia ny fifanomezan-tanana amin'ny tantsoroka ho an'ny vehivavy mampiroborobo ny faripiainana amin'ny alalan’ny fampiofanana karakarain’ny Tsara Voatra, toy ny :
- fandraharahana
- fanabeazana ara-tontolo iainana
- fanabeàzana miabo
- fialana amin'ny ratra anaty
Hetsika maro no hanamarika ny fiaraha-miasa
Atombotsika amin’ny fiofanana momba ny fandraharahana izay ataotsika ny Sabotsy 8 Fevroary ho avy izao 💪🏼
Tsy io ihany fa hisy fiofana isam-bolana 😌
Misokatra ny fisoratana anarana ao amin’ny hafatra miafin’ny pejy Gasy Vavy ( marihana etoana fa maimaimpoana izy io) 🥰