27/05/2026
Nivoaka iny ny lisitr’ireo Barea 🇲🇬 24 mirahalahy nantsoin’ny mpanazatra Corentin Martins hiatrika ireo lalao ara-pirahalahiana ny fiandohan’ny volana jona 2026 ho avy izao. Raha atao topimaso dia mitovitovy amin’ny niatrika niatrika ny fampivondronana farany teo tany Torkia ihany izy io, saingy misy ihany ny fiovana kely.
Ny voalohany dia ny fahatongavan’i Ilam Djaliane, mpiandry harato milalao ao amin’ny N3 any Frantsa. Tsy dia mbola fantatra loatra izy, saingy hinoana fa manana ny fahaiza-manaony matoa natsoin’ny mpanazatra. Hita ihany koa ary mahafaly ny fiverenan’ireo mpilalao roa manan-danja : Loïc Lapoussin, sy Louis Démoléon izany.
Ity fanazarantena any Maraoka ity dia tsy fanomanana tsotra fotsiny. Fitsapana lehibe farany alohan’ny fifanintsanana CAN 2027 manomboka amin’ny volana septambra izy io. Efa hita taratra amin’ireo izany ny endriky ny ekipantsika hiatrika ireo lalao ao amin’ny vondrona L misy antsika. Tsy maintsy hiezaka ny mpanazatra sy ny ekipany hanatsara sy hanamafy ny firaisankina sy fahaiza manaon’ireo mpilalao eo ampelatanany.
Manandanja tokoa ireo lalao ara-pirahalahiana roa miandry ny Barea ireo. Ny voalohany dia, ny any Rabat, manoloana ireo Lion’i Atlas 🇲🇦, ekipa handray anjara amin’ny Mondial 2026 ho avy izao ary manana mpilalao avo lenta toa an’i Achraf Hakimi, Yassine Bono sy ry Brahim Diaz. Mpifanandrina matanjaka tsara ho fandrefesana ny lenta sy haavo teknikatsika amin’izao. Ny lalao faharoa dia ny fihaonana amin’ny Cranes an’i Oganda 🇺🇬, laharana faha‑88 amin’ny filaharana FIFA. Ekipa malaza amin’ny heriny ara-batana, ny hamafiny ary ny fifehezana ara-taktika. Fomba filalao tena hafa tanteraka amin’ny fomba filalaon’ny Maraokana.
Ireo lalao ireo dia hanampy betsaka ny ekipa teknika handrefesana ny fahafahan’ny Barea miaraka eny ambony kianja amin’ny karazana mpifanandrina sy taktika samihafa, izay tena ilaina amin’ny fifanintsanana. Hanana fotoana tsara ihany koa izy ireo aorian’izay hijerena izay mbola tsy ampy hanatsarana ny lesoka mety hiseho.
Manantena fanohanana matotra avy ami’ny ny vahoaka malagasy, fa indrindra isika mpanohana sy BM12. Alefa Barea ! 😍
🖊️BM12
- - - - -
Le sélectionneur Corentin Martins a dévoilé la liste des 24 Barea 🇲🇬 retenus pour les matchs amicaux de la fenêtre FIFA de juin 2026. À première vue, le groupe ressemble beaucoup à celui du dernier rassemblement en Turquie. Pourtant, quelques nouveautés attirent l’attention.
La première est l’arrivée d’Ilam Djaliane, gardien évoluant en N3 en France. Peu connu du grand public, il s’est distingué par sa régularité et son sens du placement. Le staff semble convaincu qu’il possède le potentiel pour intégrer durablement la sélection. On note également le retour de deux joueurs importants : Loïc Lapoussin, dont l’impact physique et la polyvalence manquaient au milieu, et Louis Démoléon, défenseur solide qui apporte de la stabilité dans l’axe.
Ce stage au Maroc représente bien plus qu’une simple préparation. Il s’agit du dernier test grandeur nature avant les éliminatoires de la CAN 2027, qui débuteront en septembre. À ce stade, l’ossature de l’équipe se dessine clairement. Le sélectionneur cherchera à affiner les automatismes, trouver les meilleures associations et renforcer la cohésion d’un groupe qui devra affronter un groupe de qualification particulièrement relevé.
Deux matchs amicaux, mais deux défis majeurs attendent les Barea. Le premier, à Rabat, face aux Lions de l’Atlas 🇲🇦, mondialistes et dotés de joueurs de classe internationale tels qu’Achraf Hakimi, Yassine Bono ou Brahim Diaz. Un adversaire de très haut niveau, idéal pour mesurer nos progrès. Le second match opposera Madagascar aux Cranes de l’Ouganda 🇺🇬, 88e au classement FIFA. Une équipe réputée pour son engagement physique, son intensité et sa discipline tactique, très différente du style marocain.
Ces rencontres permettront d’évaluer la capacité des Barea à s’adapter à des profils d’adversaires variés, un élément essentiel pour aborder sereinement les qualifications. Elles offriront aussi l’occasion d’observer les nouveaux choix du coach, de tester des schémas plus ambitieux et de confirmer les leaders du groupe.
On espère des performances solides, mais surtout des signes encourageants pour la suite. Soutenons nos zébus avec ferveur et confiance. Alefa Barea ! 😍
🖊️BM12