04/09/2026
🦇 Avy amin’ny Fanihy 4 ka lasa maherin’ny 600: porofo mivaingana amin’ny fiverenan’ny karazanjavaman’aina ao amin’ny farihy Tseny
Tamin’ny taona 2015, Fanihy 4 monja no hita tao amin’ilay nosikely eo afovoan’ny farihy Tseny, araka ny voalazan’i Jaoasy, Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Ambanivohitry Tsaratanana I izay ahitana ny farihy Tseny. Ankehitriny kosa, araka ny fanisana nataon’ny ekipanay tamin’ny volana Aogositra lasa teo, dia mahatratra 610 eo ho eo ny isan’izy ireo.
✅Maneho fiovana mivaingana sy vokatra azo tsapain-tanana izany fitomboan’ny isan’ny Fanihy izany, taorian’ny ezaka natao hiarovana sy hitantanana maharitra ny farihy Tseny.
🌿 Nahafahan’ny zava-maniry sy ny ala niverina nitombo tsikelikely ny famelana ny ala hamerina ny tenany ao amin’ny faritra misy ny toeram-ponenan’ny Fanihy io ka namorona tontolo tsara kokoa ho an’ireo karazanjavaman’aina maro.
Fantatra indrindra amin’ny maha toerana tokana ahitana ny karazana trondro Damba menarambo amin’ny tontolo voajanahary ny farihy Tseny. Saingy tsy ny Damba menarambo irery ihany no voaaro amin’ny fiarovana ity farihy ity.
Voaaro miaraka aminy ny tontolo iainana iray manontolo.
_________
🦇 De 4 à plus de 600 chauves-souris : une preuve concrète du retour de la biodiversité au lac Tseny
En 2015, seulement 4 chauves-souris avaient été observées sur le petit îlot situé au milieu du lac Tseny, selon le témoignage de Jaoasy, Maire de la Commune Rurale de Tsaratanana I, où se trouve le lac. Aujourd’hui, selon le comptage réalisé par notre équipe en août dernier, leur nombre atteint désormais environ 610 individus.
✅Cette augmentation remarquable de la population de chauves-souris témoigne de changements concrets et de résultats tangibles, à la suite des efforts déployés pour protéger et assurer la gestion durable du lac Tseny.
🌿 La restauration passive de la zone où se trouve leur gîte a notamment permis à la forêt de se régénérer progressivement, créant à nouveau des conditions plus favorables pour la biodiversité.
Le lac Tseny est surtout connu pour être le seul habitat naturel de l’espèce de poisson Damba Menarambo. Mais protéger ce lac, c’est bien plus que sauver une seule espèce.
Le ac Tseny est surtout connu pour être le seul habitat naturel de l’espèce de poisson Damba Menarambo. Mais protéger ce lac, c’est bien plus que sauver une seule espèce.