17/07/2026
Bozilahy, harena sarobidy mila arovana đłâš
Ny "Adansonia suarezensis" na Bozilahy dia karazana baobab tsy fahita firy sy mivelatra any aminâny tapany avaratrâi Madagasikara ihany, ao aminâny faritra Diana. Tandindonin-doza izy noho ny fahasimbanâny toeram-ponenany, ny fanitarana ny fambolena ary ny doro tanety.
Ao aminâny Faritra Arovana vaovao Bobaomby, manatanteraka asa mivaingana ho fiarovana azy i toy ny fanarenana ny karazany, famokarana zanakazo, fambolen-kazo, fanaraha-maso ara-ekolojika sy ny fanentanana eny an-tsekoly ary fandraisan'anjaran'ny olona ifotony aminâny fiarovana azy.
Manana anjara asa lehibe aminâny fifandanjanâny tontolo iainana ny Bozilahy. Zava-dehibe araka izany ny asa rehetra atao mba tsy hanjavonanâity karazana manan-danja ity. Andao hiara-hientana hiaro ity harena tsy manam-paharoa ity. đ€đ
_______
Bozilahy, trĂ©sor Ă sauver đłâš
Le Bozilahy (Adansonia suarezensis) est une espĂšce de baobab rare, prĂ©sente uniquement dans la partie nord de Madagascar, dans la rĂ©gion Diana. Elle est aujourdâhui menacĂ©e par la dĂ©gradation de son habitat, lâexpansion agricole et les feux de brousse.
Dans la nouvelle Aire ProtĂ©gĂ©e de Bobaomby, Madagasikara Voakajy met en Ćuvre des actions concrĂštes pour assurer sa conservation, notamment la restauration de lâespĂšce, la production de plants, les activitĂ©s de reboisement, le suivi Ă©cologique, la sensibilisation dans les Ă©coles ainsi que lâimplication des communautĂ©s locales dans sa protection.
Le Bozilahy joue un rĂŽle essentiel dans lâĂ©quilibre des Ă©cosystĂšmes. Il est donc crucial de poursuivre tous les efforts engagĂ©s afin dâĂ©viter la disparition de cette espĂšce emblĂ©matique. Ensemble, mobilisons-nous pour protĂ©ger ce patrimoine naturel unique. đżđâ
Crédit photo: © INDRI - Réussir le changement à Madagascar
-kazo