Mada God's Care - MGC

Mada God's Care - MGC ✨Iraky ny mazava, manaparitaka ny kolontsain'ny lanitra✨

06/08/2026

Eo amin'ny fiainana dia maro ireo olona mifanena amintsika. Misy ireo mitondra fiovana, misy mampianatra lesona sarobidy, ary misy kosa mandalo fotsiny.

Fa misy ihany koa ilay olona iray izay nampiasain'Andriamanitra hanampy anao hanakaiky Azy bebe kokoa. 🥰❤️

Manana olona toy izany ve ianao eo amin'ny fiainanao? Raha eny, dia isaory Andriamanitra noho izy, ary aza misalasala manonona azy ao amin'ny fanehoan-kevitra. 🙏✨

📖 Mpitoriteny 4:9-10
Tsara ny roa noho ny iray; fa misy valiny tsara ny fisasarany.
Raha misy lavo izy, dia arenin'ny namany; fa mahantra ny lavo izay tsy manana namana hanarina azy.






Ny olona mivavaka no olona matanjaka indrindra... ✨Mitady 𝐭𝐨𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚 ahafahana mitokana mivavaka ve ianareo? Afaka mandray ...
02/08/2026

Ny olona mivavaka no olona matanjaka indrindra... ✨

Mitady 𝐭𝐨𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚 ahafahana mitokana mivavaka ve ianareo? Afaka mandray anareo ihany koa izahay eto amin'ny 𝐌𝐆𝐂 🤍

🌈Fotoana toy ny ahoana no tena nahatsapanao ny 𝗵𝗲𝗿𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝘃𝗮𝘃𝗮𝗸𝗮!? 🥰

𝑱𝒂𝒌𝒐𝒃𝒂 5 : 16... 𝑵𝒚 𝒇𝒊à𝒔𝒂𝒏'𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒗𝒂𝒗𝒂𝒌𝒚 𝒏𝒚 𝒎𝒂𝒓𝒊𝒏𝒂 𝒅𝒊𝒂 𝒎𝒂𝒉𝒆𝒓𝒚 𝒊𝒏𝒅𝒓𝒊𝒏𝒅𝒓𝒂.





18/07/2026

📖Andao hianatra Baiboly
🗞️Hiverina amin'ny fototra

👭 Iza ilay namanareo mifampizara aminareo momba ny fahatsaran' Andriamanitra sy ny Teniny?

🗨️ Antsoy kely eo amin'ny fanehoan-kevitra izy androany dia tolory teny fankasitrahana 🤗💌

𝑱𝒐𝒔𝒐𝒂 1:8
𝑨𝒐𝒌𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒉𝒊𝒂𝒍𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏'𝒏𝒚 𝒗𝒂𝒗𝒂𝒏𝒂𝒐 𝒊𝒕𝒚 𝒃𝒐𝒌𝒊𝒏'𝒏𝒚 𝒍𝒂𝒍à𝒏𝒂 𝒊𝒕𝒚, 𝒇𝒂 𝒔𝒂𝒊𝒏𝒕𝒔𝒂𝒊𝒏𝒐 𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐 𝒂𝒎𝒂𝒏'𝒂𝒍𝒊𝒏𝒂, 𝒉𝒊𝒕𝒂𝒏𝒅𝒓𝒆𝒎𝒂𝒏𝒂𝒐 𝒉𝒂𝒏𝒂𝒐 𝒂𝒓𝒂𝒌𝒂 𝒊𝒛𝒂𝒚 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒕𝒓𝒂 𝒗𝒐𝒂𝒔𝒐𝒓𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒆𝒐; 𝒂𝒓𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏'𝒊𝒛𝒂𝒏𝒚 𝒅𝒊𝒂 𝒉𝒂𝒉𝒂𝒍𝒂𝒗𝒐𝒓𝒂𝒓𝒚 𝒏𝒚 𝒍𝒂𝒍𝒂𝒏𝒂𝒐 𝒊𝒂𝒏𝒂𝒐 𝒔𝒂𝒅𝒚 𝒉𝒂𝒎𝒃𝒊𝒏𝒊𝒏𝒂


05/07/2026

IZA AHO ARAKA NY TENIN'ANDRIAMANITRA ?

🔍Mety misy fomba maro samihafa hamaritana anao.
💡Fa andao hamantatra izay lazain' Andriamanitra momba anao araka ny Teniny.

🎬Jereo anie ny ohatra vitsivitsy ato amin' ity horonantsary ity ee 🥰

💬 𝐈𝐙𝐀𝐑𝐀𝐎 𝐇𝐎𝐄 :
𝐈𝐧𝐨𝐧𝐚 𝐢𝐡𝐚𝐧𝐲 𝐤𝐨𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐚𝐫𝐢𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐧𝐭𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐁𝐚𝐢𝐛𝐨𝐥𝐲 ?


📖 MGC, Iraky ny Mazava, Manaparitaka ny kolotsain'ny Lanitra🇲🇬 Teto izahay, sady manaparitaka ny kolotsaina Malagasy 🤍❤️...
28/06/2026

📖 MGC, Iraky ny Mazava, Manaparitaka ny kolotsain'ny Lanitra
🇲🇬 Teto izahay, sady manaparitaka ny kolotsaina Malagasy

🤍❤️💚 VOLAN'NY ASARAMANITRA 🤍❤️💚

🇲🇬 Tao anatin'ny fankalazana ny Asaramanitra dia nanao hetsika ahafahana mahalala an'i Madagasikara sy ireo kilalao Malagasy izahay. Ankoatran'ny Vavaka hoan'i Madagasikara 🇲🇬

🦋 Inona ny kilalao fahiny naverinareo tamin'iny fety iny, na ihany koa tianareo averina☺️?


📷Ny sary dia natao andraketana  ireo fotoana mamy indrindra sa tsy izany? 😁Hita taratra fa faly tokoa ny fo rehefa tafar...
08/03/2026

📷Ny sary dia natao andraketana ireo fotoana mamy indrindra sa tsy izany? 😁

Hita taratra fa faly tokoa ny fo rehefa tafaray isika, ravoravo ny fanahy nandray tenin’Andriamanitra. Indreto sary maneho bebe kokoa ny akon’ny hetsika.
💬Zarazarao anie ny fietseham-ponareo omaly! 😊

📅 07 Martsa
📍 Gymnase Mahamasina
🔰 Lohahevitra: "Ho aiza aho?"



𝐕𝐨𝐧𝐢𝐧𝐚𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐨𝐚𝐧' 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦𝐚𝐧𝐢𝐭𝐫𝐚 ✨🥁Tontosa soa aman-tsara ny hetsika anio.Mankasitraka antsika tonga nanotrona 💐Inona no ...
07/03/2026

𝐕𝐨𝐧𝐢𝐧𝐚𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐨𝐚𝐧' 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦𝐚𝐧𝐢𝐭𝐫𝐚 ✨

🥁Tontosa soa aman-tsara ny hetsika anio.
Mankasitraka antsika tonga nanotrona 💐
Inona no tena nanamarika anareo anio?😁

📅 07 Martsa
📍 Gymnase Mahamasina
🔰 Lohahevitra : "Ho aiza aho?"

🎊 𝐌𝐚𝐧𝐚𝐧𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐡𝐢𝐡𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧𝐚𝐫𝐞𝐨 𝐭𝐬𝐲 𝐡𝐨 𝐞𝐥𝐚⏳️



07/03/2026

🔥J-J🔥

TONGASOA IANAREOOOO ✨️🥳

HO AIZA AHO? Izany ny lohahevitra antsika androany ✨️ Inona ny ho resahana amin'izany? Tongava ahafantaranareo azy. 😁

Miandry anareo izahay aty amin'ny GYMNASE MAHAMASINA 😁



06/03/2026

🔥RAHAMPITSO NY FOTOANA🔥

⚡️Efa makotrokotroka mihitsy izahay ato miandry anareo⚡️

Ny dihy efa vonona, ny hira efa vonona, ny "sakafo" koa efa vonona😁 Ary ianareo? 😉 Rahampitso izany isika no mihaona! 🤩



🔥ROA ANDRO SISA🔥Andao indray mba hifampitafatafa kely eh! 😁Iza amin'isika moa no efa nanatrika hetsiky ny MGC? 🤔 Ao mba ...
05/03/2026

🔥ROA ANDRO SISA🔥

Andao indray mba hifampitafatafa kely eh! 😁
Iza amin'isika moa no efa nanatrika hetsiky ny MGC? 🤔

Ao mba tantarao ary lazao etsy amin'ny commentaires hoe inona no nahafinaritra anao tamin'ireo hetsika ireo 👇😁😁



Address

Ampasanimalo
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mada God's Care - MGC posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Mada God's Care - MGC:

Shortcuts

Share