19/04/2026
🌱 PLAE - CEFFEL : Fiaraha miasa manamafy ny fahaiza-manao ho an'ny vokatra tsara kokoa🌱
Tanteraka tao amin’ny Kaominina Fiadanana, Distrika Fandriana, Faritra Amoron’i Mania, ny fiofanana ho an’ny "Paysans Leaders" sy ny vondrom-behivavy, nandritra ny 3 andro (14–16 Aprily).
👩🏽🌾Mpiofana miisa 30 no nandray anjara tamin’ny famokarana legioma sy anana ary
28 mpiofana kosa niatrika ny famokarana hazo fihinam-boa.
Ireo fiofanana ireo dia notarihin’ny mpampiofana avy amin’ny CEFFEL, ka nifantoka tamin’ny:
✔️ Fanazavana fototra momba ny famokarana
✔️ Fampiharana mivantana eny an-toerana
✔️ Fampahafantarana teknika maharitra sy mahomby
🔎 Tsy nijanona tamin’ny teoria ihany fa nahitana fampiharana avy hatrany sy tombana ny fahaiza-manao, ary nofaranana tamin’ny fananganana drafitr’asa hoentin’ny mpiofana manohy ny asa any amin’ny faritra iasany.
💡 Tanjon’ity fiofanana ity ny hanamafisana ny fahaleovantenan’ny tantsaha sy ny vehivavy eny ifotony, mba hahafahany mampihatra teknika maoderina sy mahomby, ka hampitombo ny vokatra sy ny fidiram-bola.