30/04/2026
Réflexion & ASTUCE DU MERCREDI (tara kely 😉)
Amin'ny maha Ray aman-dreny dia tsy mitsahatra isika mandinika, mitady valiny mba hahafahantsika manampy ny zanantsika.
Misy ilay hoe TDA " Trouble du Déficit de l'Attention" izany hoe manana fahasahiranana mifantoka ilay zaza dia misy indray ity atao hoe TOC " Trouble Obsessionnel-Compulsif" rehefa misy zavatra mandalo ao an-tsainy na zavatra manelingelina azy dia tsy maintsy alaminy aloha iny izay vao afaka manohy ny ataony raha tsy izany tena tsy mahazo aina izy 🤨
Matetika miaraka na mifangaro ny TDA sy TOC ... tena hoe fanina isika ry ireto ah 😵💫
🎥 Ity misy vidéo fizarana kely, voasoratra ny tanany (pentina kely fotsiny io an) eo apanaovana devoirs dia tena manelingelina be azy ilay izy dia tsy maintsy nataony izay nahafaka tsara ilay izy teo noho eo raha tsy izany dia sarotra be ny apifantoka azy indray.
💡 Astuce du mercredi :
FAHARETANA sy FANDINIHANA : omeo fotoana ny zaza hanao sy hamoaka izay zavatra tsapany mba hahafahany miverina mifantoka tsara avy eo, ra terena izy eo dia tena tsy misy miditra intsony izay apanaovinao azy.
💬 Ianareo ve efa misy nahatsikaritra fihetsika toy izany?