09/03/2026
🌪️ 𝗧𝗼𝗹𝗼𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗼 𝗮𝗻'𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗺𝗽𝗶𝗸𝗮𝗺𝗯𝗮𝗻𝗮 𝗠𝗧𝗘𝗠 𝘁𝗿𝗮𝗯𝗼𝗶𝗻𝗮 (𝗚𝗲𝘇𝗮𝗻𝗶)
Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani, dia naneho indray ny firaisankina sy ny fitiavana mifanampy ny Mpanazava sy Tily Eto Madagasikara. Nisy ny hetsika tolotanana natao ho fanohanana ireo mpikambana traboina, ary tena mampihetsi-po ny fahitana fa maro ireo nandray anjara.
🙏 𝗠𝗶𝘀𝗮𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗶𝗻𝗱𝗿𝗶𝗻𝗱𝗿𝗮 𝗮𝗻𝗮𝗿𝗲𝗼 𝗿𝗲𝗵𝗲𝘁𝗿𝗮 𝗶𝘇𝗮𝘆 𝗲𝗳𝗮 𝗻𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝘆 𝗮𝗻𝗷𝗮𝗿𝗮 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝘁𝗼𝗹𝗼𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 nokarakaraina: tamin’ny alalan’ny fanomezana ara-materialy, fanohanana ara-moraly, na tamin’ny fizarana sy fanentanana. Ny firaisan-kina toy izao no tena mampiavaka antsika tezaina eto amin'ny skotisma.
📍 𝗧𝗮𝘁𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗳𝗼𝗵𝘆 𝗺𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗻𝘆 𝗲𝗳𝗮 𝗻𝗮𝘁𝗮𝗼 :
- Nisy ny fidinan’ny Filohan’ny Komity Lehibe, ny Filoha Nasionaly Mpanazava, ary ny solontenan’ny Foibe Tily Eto Madagasikara tany an-toerana.
- Nifampahery sy niara-nijoro tamin’ireo mpikambana traboina izy ireo, sady nijery akaiky ny zava-misy sy ny filàna maika eny ifotony.
- Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Komitim-paritany sy ireo Filoha mpiray dia MTEM, izay miasa tsy mitsahatra mandrindra sy manampy ireo mpikambana mandrak’ankehitriny.
🤝 Fankasitrahana lehibe ho an’ireo:
- Komitim-paritany any an-toerana,
- Filoha sy mpitarika rehetra miasa an-tsitrapo,
- Ary ireo mpiaramiombona antoka manome fanohanana ara-materialy sy ara-moraly.
💛 Mbola hitohy ny tolotanana. 🤲 Tsy vita andro vitsy ny fanarenana, ary mbola mila fanampiana ireo mpikambana sy fianakaviana voakasika. Hitantsika eo amin'ny ranty ny antontanisa samihafa momba ny zava-misy any an-toerana iainan'ireo mpikambana Mpanzava sy Tily.
👉 Koa manentana antsika rehetra hatrany izahay hanohy ny firaisankina sy ny fanohanana, araka izay tratra. Na kely aza ny anjara biriky dia manampy amin’ny fananganana indray ny fiainan’ireo rahalahy sy anabavintsika.
Miaraka isika, matanjaka isika. ✨ Ataovy mpianatra ny firenena rehetra.