Aoka ho mpitari-dalana ahy Ianao

Aoka ho mpitari-dalana ahy Ianao Fanilon'ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny Teninao☀️

Aza be kajikajy fa lalana tsara lavitra noho izay eritreretinao no hitondran’Andriamanitra anao.
20/06/2024

Aza be kajikajy fa lalana tsara lavitra noho izay eritreretinao no hitondran’Andriamanitra anao.

Ny tena SITRAPON'ANDRIAMANITRA marina dia ilay toerana tena tian’Andriamanitra hitoeranao.Tandremo sao mafy fo ianao ka ...
15/06/2024

Ny tena SITRAPON'ANDRIAMANITRA marina dia ilay toerana tena tian’Andriamanitra hitoeranao.

Tandremo sao mafy fo ianao ka avelan’Andriamanitra ho tanteraka izay rehetra tinao na dia tsy sitrapoNy aza.

19/04/2024
Tsy azo atao maimaika ny vavaka: ilaina ny fotoana hisaintsainana izany, mba ho tony eo anatrehan’Andriamanitra.Ny Fanah...
12/04/2024

Tsy azo atao maimaika ny vavaka: ilaina ny fotoana hisaintsainana izany, mba ho tony eo anatrehan’Andriamanitra.

Ny Fanahy Masina dia afaka mampita ny hevitr’Andriamanitra, ka manomboka mieritreritra toa Azy isika.

"satria araka izay irin'Andriamanitra no ivavahan'ny Fanahy Masina ho an'ny vahoakan'Andriamanitra" Romanina 8:27b DIEM

Ny tahotra sy ny finoana dia hery mibaiko ny tsirairay. Ny iray mitondra any amin'ny lalan-diso, ny iray mankany amin'ny...
09/04/2024

Ny tahotra sy ny finoana dia hery mibaiko ny tsirairay. Ny iray mitondra any amin'ny lalan-diso, ny iray mankany amin'ny tsara. Zava-dehibe ny hanatanjahana ny finoana amin’ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra sy ny vavaka ary ny fanolorana ny fanahiana rehetra Aminy.

"Tompo ô, Ianao no mitahy ny olo-marina; ny fanambinanao no toy ny ampinga miaro azy" Salamo 5:13 DIEM

"Fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza ianareo" Matio 6:8⁉️Nahoana àry no ma...
06/04/2024

"Fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza ianareo" Matio 6:8

⁉️Nahoana àry no maka fotoana hivavahana?

Satria :
✓ tian’Andriamanitra hanatona Azy amim-pahatokiana isika,
✓ hiantehitra Aminy amin’izay ilaintsika rehetra,
✓ ary hanorina fifandraisana Aminy.

Mifankazara amin'Andriamanitra fa Izy dia eo aminao amin'ny fotoana rehetra

Andriamanitra dia :✔ Feno fangorahana✔ Mpamindra fo✔ Fitiavana ✔ Mahatoky ✔ MpandefitraTsy midika anefa izany fa ataony ...
04/04/2024

Andriamanitra dia :
✔ Feno fangorahana
✔ Mpamindra fo
✔ Fitiavana
✔ Mahatoky
✔ Mpandefitra

Tsy midika anefa izany fa ataony tsinontsinona ny mpanota sy ny mpikomy.

Mahay mihaino an'Andriamanitra ve enao ?Miezaka manana fijery tahaka an'Andriamanitra rehefa mijery ny hafa ?Mazotoa mam...
03/04/2024

Mahay mihaino an'Andriamanitra ve enao ?
Miezaka manana fijery tahaka an'Andriamanitra rehefa mijery ny hafa ?

Mazotoa mamaky Baiboly isan'andro💎

20/03/2024

"Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; Fa avy ao aminy no ihavian’ny aina." Ohabolana 4:23

"Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany." Matio 6:33
06/03/2024

"Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany." Matio 6:33

Ity tononkira ity indray no entinay hampahery anao amin'izay erinandro vaovao izao. Mahereza hatrany.Joseph d'Af - Fanot...
04/03/2024

Ity tononkira ity indray no entinay hampahery anao amin'izay erinandro vaovao izao. Mahereza hatrany.

Joseph d'Af - Fanotronany
Isaky ny mihaona amin'Andriamanitra aho
Dia mahatsiaro anao anaty tonom-bavaka
Mientana ny fo ahita anao hisandratra
Ahita anao hifoha, ahita anao hiakatra

Ho hita eny aminao raha mandeha an-dalana
Ny anaran'i Jesosy no indro tazana
Dia hampamirapiratra ny tavany aminao
Ka n'aiza n'aiza aleha, fikasana atao

Ka mirary anao ho tahian'Andriamanitra
Tononiko aminao ny fahatsaran'ny lanitra
Ny fanotronany no hanotrona anao
Ka ny heriny ho herinao

Anananao ny fo hoe zanak'Andriamanitra
Sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra
Ny voninahiny hamirapiratra aminao
Ny fanotronany hanaraka anao

(Ka mirary anao ho tahian'Andriamanitra
Tononiko aminao ny fahatsaran'ny lanitra
Ny fanotronany no hanotrona anao
Ka ny heriny ho herinao) x2

Ohhhhh
(Ka mirary anao ho tahian'Andriamanitra
Tononiko aminao ny fahatsaran'ny lanitra
Ny fanotronany no hanotrona anao
Ka ny heriny ho herinao) x2

Ny fanotronany no hanotrona anao
Ka ny heriny ho herinao

Ny fahatokian'izay manana an'Andriamanitra ho Mpiaro. na dia be aza ny fahavalony1 Salamo nataon'i Davida, fony izy nand...
26/02/2024

Ny fahatokian'izay manana an'Andriamanitra ho Mpiaro. na dia be aza ny fahavalony

1 Salamo nataon'i Davida, fony izy nandositra an'i Absaloma zanany. Jehovah ô, akory izato hamaroan'ny mampahory ahy! Maro no mitsangana hanohitra ahy.
2 Maro no milaza ny fanahiko hoe: tsy manam-pamonjena amin'Andriamanitra izy.
3 Kanjo Hianao, Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy, Voninahitro sy mpanandratra ny lohako.
4 Amin'ny feoko no iantsoako an'i Jehovah, ary any an-tendrombohiny masina no mamaly ahy Izy.
5 Izaho nandry ka natory; nifoha aho, satria Jehovah no manohana ahy.
6 Tsy hatahotra olona alinalina aho, izay milahatra manodidina hamely ahy.
7 Mitsangàna, Jehovah ô; vonjeo aho, Andriamanitro ô; fa efa namely ny takolaky ny fahavaloko rehetra Hianao; ny nifin'ny ratsy fanahy novakivakinao.
8 An'i Jehovah ny famonjena; Ho amin'ny olonao anie ny fitahianao.

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Aoka ho mpitari-dalana ahy Ianao posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share