Liberty 32

Liberty 32 Ensemble, construisons un lendemain meilleur. Tous les membres sont des bénévoles.

*** Vision*** : "Des citoyens malgaches exigeants, résistants, porteurs de changement durable."

*** Mission*** :
Liberty 32 est une organisation malgache de bénévoles, à but non lucratif, qui pratique la recherche-engagement, axée sur la participation civique et politique des citoyens, promeut la gouvernance effective et l'Etat de droit, l'empowerment des femmes et des jeunes et la culture du vo

lontariat.

***Structure et adhésion***:

Sur une base individuelle :

- devenez membre volontaire en participant à l’une de nos activités ;

- devenez membre actif en participant à au moins trois de nos activités par trimestre, et en signant une (1) lettre d’engagement renouvelable annuellement et une (1) fiche individuelle de renseignement.

🇲🇬 Miarahaba ny olompirenena Malagasy rehetra tratry ny Asaramanitra 2026 🇲🇬'Ndao isika hiaraka hamolavola ho avy tsara ...
26/06/2026

🇲🇬 Miarahaba ny olompirenena Malagasy rehetra tratry ny Asaramanitra 2026 🇲🇬
'Ndao isika hiaraka hamolavola ho avy tsara kokoa, mba ho tanteraka ilay hiram-pirenena hoe:
"... Hiadana sy ho finaritra
He, sambatra tokoa izahay..."

25/06/2026

🇲🇬 Hankalaza ny faha 66 taona niverenan'ny fahaleovantena isika, andro iray manamarika ny vokatr'ireo tolona natao nahazoana ny fahaleovantena ary manamafy ny fitiavan-tanindrazana eo amin'ny Malagasy iray manontolo.

✊ Ho tohin'ny adidy vitan'ireo zoky sy raiamandreny teo aloha, ndao isika tanora ankehitriny hitondra fanavaozana ho an'ny firenena, mba ho fanilo ho an'ireo taranaka ho avy.

📄 Sombiny amin'ny hafatra nozarain'ireo tanora niseho sehatra tamin'ny hetsika "Rencontre des acteurs engagés" natao tao amin'ny Kianja Mahamasina ny 03 martsa 2026 :

"...Toky nefa no omeko, fa raha ho an’ny tany ho hitsahanao rahampitso hanjakan’ny Demokrasia,
Na hamoizako ny aiko aza hiadiako amin’ireo amboadia,
Dia tsy maintsy ho ampodiako amin’ny toerana mendrika azy ny
fahalalahana,
Ka omena ny tsirairay isam-batan’olona ny tena fahafahana..."

📣 𝐀𝐓𝐑𝐈𝐊'𝐀𝐒𝐀 𝐌𝐀𝐑𝐎𝐋𝐀𝐅𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐇𝐀𝐅𝐀𝐍𝐓𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐊𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍𝐃𝐎𝐇𝐀 𝐍𝐀𝐒𝐈𝐎𝐍𝐀𝐋𝐘 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐋𝐄𝐎 𝐓𝐄𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐌𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐓𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐌𝐎𝐍𝐈𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀🗓️ Ton...
24/06/2026

📣 𝐀𝐓𝐑𝐈𝐊'𝐀𝐒𝐀 𝐌𝐀𝐑𝐎𝐋𝐀𝐅𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐇𝐀𝐅𝐀𝐍𝐓𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐊𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍𝐃𝐎𝐇𝐀 𝐍𝐀𝐒𝐈𝐎𝐍𝐀𝐋𝐘 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐋𝐄𝐎 𝐓𝐄𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐌𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐓𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐌𝐎𝐍𝐈𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀
🗓️ Tontosa anio Alarobia 24 Jona ny atrik'asa nentina nampahafantatra ny Fikaonandoha Nasionaly karakaraina sy hoan'ny Firaisamonimpirenena.
📍Hery velona sy andrim-panjakana maro eto amin'ny firenena no nasaina tamin'izany nentina :
👉🏽 mizara sy mampahalala ny fikaonandoha
👉🏽 manentana amin'ny fanatanterahana sy fanatontosàna izany fikaonandoha manerana ny faritra 24 izany.
Narahin'ireo mpandray anjara sosokevitra sy fanontaniana moa ny fotoana ary nahatsapàna ny fahavonan'ireo hery velona rehetra amin'ny fanavaozana tokoa ny firenena.🇲🇬

🔔 𝙈𝒑𝙞𝒔𝙞𝒏𝙩𝒐𝙣𝒂 𝒍𝙖𝒌𝙤𝒍𝙤𝒔𝙮 (𝒍𝙖𝒏𝙘𝒆𝙪𝒓 𝒅’𝒂𝙡𝒆𝙧𝒕𝙚)Maro no miasa mangina, nefa mitondra fiovana lehibe.👉 Ny lanceur d’alerte dia ol...
23/06/2026

🔔 𝙈𝒑𝙞𝒔𝙞𝒏𝙩𝒐𝙣𝒂 𝒍𝙖𝒌𝙤𝒍𝙤𝒔𝙮 (𝒍𝙖𝒏𝙘𝒆𝙪𝒓 𝒅’𝒂𝙡𝒆𝙧𝒕𝙚)

Maro no miasa mangina, nefa mitondra fiovana lehibe.

👉 Ny lanceur d’alerte dia olona sahy mitatitra tranga tsy ara-dalàna, mampidi-doza, na manohintohina ny tombontsoa an'ny besinimaro.

📌 Ohatra: kolikoly, fanararaotana, fandotoana tontolo iainana…

💬 Mahafantatra iray amin'izy ireny ve ianao, ankaherezo izy ?

☺ Feno tsikitsiky sy hafaliana ny tontolo andron'ireo ankizy nandritry ny hetsika Harendrina ankizy milalao, notontosain...
22/06/2026

☺ Feno tsikitsiky sy hafaliana ny tontolo andron'ireo ankizy nandritry ny hetsika Harendrina ankizy milalao, notontosain'ireo mpikambana Liberty 32 manerana ny Nosy, ny asabotsy 20 jona lasa teo.
🙏 Ity fizarana ity dia ho fankasitrahana ianareo rehetra namaly ny antso mba ho fanohanana ara-bola ny hetsika, ianareo mpirotsaka an-tsitrapo, ireo sekoly, ireo akany, sy fikambanana hafa mpiaramiasa; vita soamantsara ny Harendrina ankizy milalao ho an'ny faritra: Analamanga, Atsinanana, Boeny, Itasy ary Atsimo-Andrefana. Mbola mitohy ny hetsika ny 23 sy 24 jona ho an'ireo faritra hafa koa misaotra indrindra amin'ny fiaraha-mientana.
📢 Ho avy ny sary maromaro nanamarika ny fotoana mahafinaritra niarahana tamin'ireo ankizy, fa tiana ny mampatsiahy fa ny firotsahana an-tsitrapo dia afaka manova ny zavamisy ahafahana mamolavola ho avy tsara kokoa, ndao hiaraka aminay.
📷 Sary Liberty 32 Toliara

"𝗙𝗔𝗡𝗢𝗡𝗧𝗔𝗡𝗜𝗔𝗡𝗔 𝟰𝟬 𝗠𝗘𝗧𝗬 𝗛𝗔𝗡𝗢𝗩𝗔 𝗭𝗔𝗩𝗔𝗧𝗥𝗔"Iarahana amin'i  Andriaharivola Reine Ramananjanahary sy Dr Rafitoson Ketakandriana...
18/06/2026

"𝗙𝗔𝗡𝗢𝗡𝗧𝗔𝗡𝗜𝗔𝗡𝗔 𝟰𝟬 𝗠𝗘𝗧𝗬 𝗛𝗔𝗡𝗢𝗩𝗔 𝗭𝗔𝗩𝗔𝗧𝗥𝗔"

Iarahana amin'i Andriaharivola Reine Ramananjanahary sy Dr Rafitoson Ketakandriana, isan'ireo nanorina ny fikambanana Liberty 32, ny zoma 19 jona izao ao anatin'ny fandaharana Soamiampita.

Ireo Fanontaniana 40 mety hanova zavatra dia fanadihadihana misokatra ho an'ny Malagasy rehetra 16 taona no miakatra hanangonana ny hetahetan'ny olompirenena sy ny sosokeviny ho an'ny fanavaozana an'i Madagasikara.

'Ndao hiara hamantatra bebe kokoa momba izany. Rahampitso 19 jona ao amin'ny SOAMIAMPITA ao amin'ny RADIO DON BOSCO - FM 93.4 Mhz amin'ny 10 hatramin'ny 11 ora.
Sady manaraka ianao no entanina handray anjara amin'ny antso mivantana (020 22 442 09 / 020 22 443 90) na koa amin'ny alalan'ny SMS (033 08 850 02).
Ito ny rohy ahafahanao manaraka ny fandaharana an-jotra: https://radio.mg/don-bosco/

🏮 Harendrina ankizy milalao ! 🇲🇬Hetsika fanaon'ny fikambanana Liberty 32 rehefa manakaiky ny fetin'ny fahaleovantena tah...
17/06/2026

🏮 Harendrina ankizy milalao ! 🇲🇬

Hetsika fanaon'ny fikambanana Liberty 32 rehefa manakaiky ny fetin'ny fahaleovantena tahaka izao.

Entina hanamafisana ny fitiavan-tanindrazan'ireo ankizy amin'ny alalan'ny lalao, angano, hira sy dihy. Indrindra ihany koa ny fizarana arendrina taratasy sy marika kely. 🏮

🤝 Azonao atao ny mandray anjara amin'izany :

🚩Manohana ny hetsika (Mvola : 0341515412) na manantona DLAB
🚩Mandray anjara mivantana amin'ny fankalazana isaky ny distrika.

Ny hetsika dia tarihan'ny mpirotsaka an-tsitrapo ato amin'ny fikambanana eny amin'ny sekoly na akany mpiara-miasa.

📸 Sary tahiry L32

16/06/2026

🎆 Andro vitsivitsy sisa dia hankalaza ny fetin'ny fahaleovantena amin'ity taona 2026 ity ny Malagasy tsy vaky volo.
Na dia efa maro no nanangana ny sainam-pirenena eny anivon'ny fiarahamonina dia mbola tsikaritra fa misy no tsy nahavita ny azy.
👉 Isan'ny singa maneho ny mahaizy azy, ny fiandrianam-pirenena ary ny firaisankina eo amin'ny firenena iray ny hetsika fananganana saina koa manentana ireo izay mbola tsy nampijoro ny sainam-pirenena mba tsy hanadino fa Malagasy iray isika ary mampatsiahy ny Liberty 32 fa adidy sy andraikitra maha olompirenena izany.
📢 Fotoana izao hanavaozana ny firaisankina mba hiadana sy ho finaritra ary ho sambatra tokoa ny Malagasy.

Maro isika no namaly ny antso fanohanana ny hetsika Harendrina Ankizy Milalao, mbola misy andro vitsivitsy ho antsika iz...
15/06/2026

Maro isika no namaly ny antso fanohanana ny hetsika Harendrina Ankizy Milalao, mbola misy andro vitsivitsy ho antsika izay vonona (afaka alefa mvola 0341515412).
Ny daty hanatanterahina ny hetsika moa dia ny 20 JONA 2026 koa indro zaraina amintsika ny toerana hanaovana ny hetsika isaky ny distrika:
- Analamanga: EPP 3G Antohomadinika
- Boeny: Orphelinat
- Atsinanana: EPP Tanandava
- Menabe: EPP Namahora Sud
- Atsimo-andrefana: Cendre Nathanael
- Haute Matsiatra: Akany LEDEF, Akany les enfants du Soleil
- Itasy: LP FJKM Soavinandriana

Misy andraikitry ny olompirenena ve ny fiovan'ny toetrandro?Afaka manova zavatra ve ny politika manoloana izany?Isan'ire...
12/06/2026

Misy andraikitry ny olompirenena ve ny fiovan'ny toetrandro?
Afaka manova zavatra ve ny politika manoloana izany?
Isan'ireo fanontaniana mety mandalo ao an-tsainao manoloana ny fahasimban'ny tontolo iainana sy ny fiovan'ny toetrandro.
"Ny fiatrehana ny fiovaovan'ny toetry ny andro" no lohahevitra horesahina amin'ny SOAMIAMPITA androany amin'ny 10ora, koa manasa anao hanaraka ny fandaharana amin'ny RADIO DON BOSCO - FM 93.4 MHz
Sady manaraka ianao no afaka mandray anjara amin'ny antso mivantana (020 22 442 09 / 020 22 443 90) na koa amin'ny alalan'ny SMS (033 08 850 02).
Ito ny rohy ahafahanao manaraka ny fandaharana an-jotra:
https://radio.mg/don-bosco/

Address

Antananarivo

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00

Telephone

+261341515412

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Liberty 32 posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Liberty 32:

Shortcuts

Share