02/10/2026
😂 Sangisangy fotsiny izany eh...
😆 Zavatra mampihomehy izany..
👉 Saingy ahoana raha mateti-pitranga?
Raha mandratra (na ivelany na anatiny) ilay lazaina fa sangy fotsiny?
Na koa hoe mampatahotra ilay mpianatra?
📻 Izay indray no arahintsika anatin'ny fandaharana SOAMIAMPITA amin'ity zoma 02 oktobra 2026 ity ao amin'ny RADIO DON BOSCO - FM 93.4 MHz, momba ny lohahevitra hoe:
"HERISETRA MIVERIMBERINA ENY AN-TSEKOLY"
🗨 Ahoana ny hevitrao? Rehefa toy ny ahoana no tsy azo heverina ho sangisangy intsony ny toe- javatra iray?
Araho ny fandaharana, ahafahantsika mifampizara miaraka amin'ny avy ao amin'ny Droits humains Océan Indien à Madagascar - Dis-Moi amin'ny 10ora.
Azonao atao ny mandray anjara anatin'ny fandaharana amin'ny alalan'ny SMS (033 08 850 02) na koa antso mivantana (020 22 442 09 / 020 22 443 90). Azonao arahina an-jotra ihany koa fandaharana ao amin'ny tranokala https://radio.mg/don-bosco/