05/08/2026
Ahoana no hiresahan'ny ray aman-dreny momba ny fiainam-pitiavana sy ny fananahana amin'ny zanany?
Maro ny ray aman-dreny no maniry hiresaka amin'ny zanany momba ity lohahevitra ity, saingy tsy sahy satria matahotra sao diso teny na sao tsy hainy ny hamaly ny fanontanian'ny zanany.
Tsarovy anefa fa tsy mila tonga lafatra ianao vao afaka miresaka amin'ny zanakao.
Ireto misy torohevitra vitsivitsy:
✅ Misafidiana fotoana milamina sy tsy misy manelingelina.
✅ Mihainoa aloha ny zanakao, ary avelao izy haneho ny fanontaniany sy ny ahiahiny.
✅ Valio amin'ny teny tsotra sy mifanaraka amin'ny taonany ny fanontaniany.
✅ Raha misy zavatra tsy fantatrao dia aza menatra milaza hoe: "Andao hiara-hitady ny valiny."
✅ Ataovy resaka mitohy fa tsy resaka indray mandeha ihany.
Ny tanjona dia tsy ny hampatahotra ny zanaka, fa ny hanampy azy hitombo ao anatin'ny fahalalana, ny fahatokisana ary ny andraikitra.
Ny fifampiresahana ao an-tokantrano no iray amin'ireo fanomezana lehibe indrindra azon'ny ray aman-dreny omena ny zanany.
💬 Fanontaniana: Araka ny hevitrao, inona no mahatonga ny ray aman-dreny maro mbola menatra miresaka amin'ny zanany momba ireo lohahevitra ireo?
Comment les parents peuvent-ils parler de la vie affective et à la sexualité avec leurs enfants ?
De nombreux parents souhaitent aborder ce sujet avec leurs enfants, mais n'osent pas par peur de ne pas trouver les bons mots ou de ne pas savoir répondre à leurs questions.
Pourtant, il n'est pas nécessaire d'être un expert pour dialoguer avec son enfant.
Quelques conseils :
✔ Choisissez un moment calme.
✔ Écoutez votre enfant avant de répondre.
✔ Utilisez des mots simples et adaptés à son âge.
✔ Si vous ne connaissez pas une réponse, dites simplement : « Cherchons la réponse ensemble. »
✔ Faites de ce sujet un dialogue régulier, et non une seule conversation.
L'objectif n'est pas d'effrayer les enfants, mais de les aider à grandir avec des informations fiables, le respect de soi et des autres, ainsi qu'un sens des responsabilités.
Le dialogue est l'une des plus belles preuves d'amour qu'un parent puisse offrir à son enfant.
💬 Question du jour : Selon vous, qu'est-ce qui aide le plus à instaurer un dialogue de confiance entre parents et enfants ?