Fahagagana isan'andro

Call Directions Website Contact the organization

Fahagagana isan'andro Mitory Filazantsara amin'ny alalan'ny fampiasana ny haino aman-jery ary ny tambazotra sosialy.

Mizara ny fahagagana isan'andro ho fampahafantarana an'i Jesosy Kristy sy mitondra am-bavaka ihany koa ireo mpikambana eto Madagasikara sy any ivelany

09/10/2026
09/10/2026

Eny sy Tsia

Haintsika tsara angamba ny tantaran’i Jona. Fintiniko kely hoe nirahin’Andriamanitra hitondra hafatra ho an’ny mponina tao Ninive izy fa nanda. Mihomehy aho indraindray hoe Andriamanitra ange efa azoko antoka fa nahalala fa handà i Jona fa Izy tsy voafetran’ny “Tsia” ataontsika matetika fa ampiasainy mihitsy aza izany handratsana antsika hanaovantsika ny sitrapony.

Ie, dia nandà i Jona. Lasa nitsoaka izy. Iny koa anisany nampihomehy ahy hoe hitsoaka an’Andriamanitra aiza moa? Hoy ny mpanao Salamo hoe : “Aiza no hialako amin'ny Fanahinao? Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao?” Salamo 139:7 😁 Ary rehefa manalavitra an’Andriamanitra dia misy zavatra mitranga, i Jonah izao dia natelin’ny trondro be. Tao anatiny tao izy nandritry ny telo andro, azonao an-tsaina ve? Manasa anao aho hamaky io bokin’i Jona iray manontolo io fa maro ny lesona azo tsoahina ao.

Fa ny anio dia hoe na inona na inona fandavantsika ny antson’Andriamanitra dia na ho ela na ho aingana dia tsy maintsy tanteraka izany. Efa nanomana ny rehetra Andriamanitra ary be famindram-po sy fiantrana. Manerana izao rehetra izao ary mifehy izao rehetra izao. Impiry moa aho nandre ny antsony fa dia nolaviko noho ny antony marobe fa inty aho manoratra ho anao anio nefa….tsara Jesosy! Lazao Azy fotsiny hoe : “Inty aho, iraho aho” (Isaia 6:8)

Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

08/10/2026

Faharetana….

Nisy fotoana aho nanao m**o. Dia maika ery aho hoe nanaraka ny torolalana rehetra ary nanantena ahazo vokatra tsara arak’izay. Nolazaina tao anatin’izay fa nila adiny roa mahery eo mba hampitombina tsara ny m**o sy ahazoana ilay endrika tsara. Tsindrindaona foana aho hoe vita ve, amin’ny firy izao…..

Dia nandritry ny fiandrasana tsy maintsy natrehiko, na tiako na tsia, dia mahatsiaro aho hoe misy fotoana koa ny valim-bavako miandry. Tsy hoe tsy homena ahy ilay izy fa mba ahazoako vokatra tsara dia mila mianatra mankato aho, manompo am-pifaliana tsy mimenomenona, manaiky izay fandaminana efa voalahatra….Toy ny zanakao ihany, tsy hoe vao teraka izy dia omenao ventin-kanina fa misy dingana arahina mba tsy hanimba na mety hamono azy mihitsy. Ny fandavanao tsy hoe mariky ny tsy fitiavana fa mampianatra tsikelikely hitombo.
“Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan'ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin'ny hery avy any amin'ny avo.” Lioka 24:49

Efa teo ny teny fikasana fa nila nianatra niandry aloha ny mpianatra ahafahany mahazo hery. Ary hatramin’izao vanim-potoana hiainantsika izao dia mitombo tsy hankiato ny vokatra noho ny faharetana sy ny fankatoavan’izy ireo.

Koa ianao koa aza maimaika. Rehefa voarainao ny teny fikasana momba ny ilainao dia mitoera ao amin’ny fanatrehan’Andriamanitra fa ho tafiny hery ianao handraisanao ny valim-bavaka andrandrainao.

Satria…..Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

07/10/2026

Tsy adinony ianao

Misy fotoana aho rehefa mandray olona dia matetika olona maratra noho ny nataon’ny hafa taminy ny olany. Olana ara-pifandraisana ao am-piasana, ao an-tokantrano, eny amin’ny fiaraha-monina…..Marina tokoa aloha fa tantintsika ihany angamba hoy aho ny hoe tsy ampy ny eo am-pelatanana fa rehefa miampy olana ara-pifandraisana io tena mavesatra. Sa ahoana hoy ianao? Na ny olona no diso na mety ianao koa anefa no nanao fahadisoana fa mandratra izy io raha tsy sitranina aingana.

Izaho rahateo efa nandalo izany ary haiko tsara tahaka ny ahoana ny nambarako tamin’izany hoe : Jesosy a, ity sy ity vitako ihany fa ity iray ity tena tsy tantiko…..Ohatrany tazako Jesosy mitsiky miteny hoe : calme fotsiny ianao anaka ☺️

Nandinika ny natao an’i Josefa aho. Tian’ny rainy izy fa halan’ny rahalahiny fatratra ary niafara tamin’ny famarotana azy ho andevo moa izany. Tonga tany indray dia nahita asa ihany fa nadalain’ilay vadin’ny mpampiasa azy indray izy dia voatery niala teo….ary nigadra. Enjana ihany izany an!!! Tany indray izy nanampy olona fa raha mba nanafatra izy hoe rehefa tafavoaka ianao dia tsarovy aho fa e e e….adinon’ilay olona elaela izy - roa taona be izao moa - ambara-pitrangan’ny fotoana izay azo lazaina hoe fotoan’Andriamanitra.

Fa mialohan’izay, iza isika no tsy efa niaina izany na hoe ampahany amin’ireo? Halan’ny olona tsy ahoana tsy ahoana eo….hamoronan’ny olona lainga handavoana anao…..nanao soa fa dia adinon’ny olona ny natao….

Fa hoy ny teny : “Nefa Jehovah nomba an'i Josefa sy namindra fo taminy ka nampahita fitia azy teo imason'ny mpitandrina ny trano-maizina.” Genesisy 39:21 sy “...satria Jehovah nomba an'i Josefa, ary izay nataony dia nambinin'i Jehovah.” (and 23 b). Taiza io? Tao am-ponja.

Rehefa mitoetra mahatoky ianao, ary tsy mifantoka amin’ny hoe valifaty na mitady tombontsoa manokana dia momba anao sy manambina ny ataonao Jehovah. Eny fa na any amin’ny toerana mety heverinao fa tena “maizina” aza, toerana toy ny hoe tsy ahitana lalana hivoahana.

Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

06/10/2026

Tovozy amin’izao…

Ny fahagagana voalohany nataon’i Jesosy dia tany Kana, nandritry ny fampakaram-bady iray. Nanova ny rano ho divay Izy ary tsy divay tsotsotra fa tena tsara ka nampiaiky ny olona nasaina mihitsy.

Zavatra roa no hitarihan’ny Fanahy Masina ho avoitra anio handraisantsika fampaherezana:

Jaona 2:5: “Fa hoy ny reniny tamin'ny mpanompo: Ataovy izay asainy ataonareo”. Misy iraka asain’ny Tompo ataonao, izay manosika ny fahagagana hitranga dia ny fankatoavanao. Mety zavatra efa hainao, mety zava-baovao mihitsy fa ataovy fotsiny izay asainy ataonao. Nisy mpanompon’Andriamanitra nizara hoe nisy vehivavy tonga teo aminy nangataka asa dia hoy ny Fanahy Masina tamin’ny alalany hoe : “Mivarota voanjo sy mangahazo aloha”- Mety tsy izay loatra no nandrasan’ity vehivavy ity fa nankatoa izy ary taty aoriana dia tena nivadika ho toeram-pisakafoanana lehibe no tantanany.
Jaona 2:7-8 : “Dia hoy Jesosy taminy: Fenoy rano ny siny. Dia nofenoiny hatramin'ny molony. Ary hoy Jesosy taminy: Tovozy amin'izao, ka ento ho eo amin'ny mpandahatra ny fanasana. Dia nentiny.” Afaka nandà izy ireo hoe ho afabaraka amin’izany fa divay no tediavina koa rano no haroso, sady sao hamparary kibo eo sns sns….Inona tokoa re no mety navalintsika teo e? 🤭 Fa dia nataon’izy ireo ary nitranga ny fahagagana.

Tamin’ny fotoana ahoana ny rano no niova ho divay? Tamin’ny fotoana nino ny Teny sy nankatoa izany ireo mpanompo.

Anio, inona ny Teny efa voarainao? Efa nisaintsaina sy nandetika izany tam-ponao ve ianao ka mino fa ho tanterahin’Andriamanitra izany? Mety tsy arak’izay eritreretinao ny valiny azonao aloha fa ataovy ihany izay asainy atao fa ny fonao mankatoa no lakilen’ny fahagagana hitranga eo amin’ny fiainanao. Aleloia!

Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

05/10/2026

Mba ho tanteraka ny fifalianao

Izahay mivady dia tsy nandalo ilay dingan’ny “sipasipa” ☺️. Izy moa nianatra tao Afrika atsimo ary izaho teto Madagasikara. Nifandray an-davitra izahay nandritry ny volana maromaro, ieee nisaraka koa 😋, fa nifamerina indray avy eo 🥰. Nanaraka fianarana baiboly moa izy ary anisan’ny ambetin-teniny ny hoe vao vita ny fianarany dia mivady ary manohy ny iraka ao Afrika Atsimo. Ny volana novambra 2013 dia nilaza izy fa hody eto Madagasikara ary mila vita ny fisehoanay amin’ny ray aman-dreny satria vita ny fianarany. Planina hafa anefa ny an’Andriamanitra satria dia tsy fisehoana fotsiny no hatao fa fanamasinana mihitsy. Mitsiky aho eto manoratra mahatsiaro ireo fotoana ireo 😍, mora tantaraina fa tena nandalo sedra be mihitsy….

Rehefa manomana moa ianao, ary anatin’ny fotoana fohy dia fohy satria rehefa niara-nidinika izahay dia ny volana Febroary no hatao, izany hoe 3 volana ihany no nananana hanomana dia natao ny kajikajy rehetra, sy nanokana fotoana hitondra am-bavaka izany. Raha ny teo an-tanana dia tena lavitry ny tetibola mihitsy nefa nino fa tsy fotoananay io fa fotoanan’Andriamanitra. Ary rehefa toy izay dia Izy no mamatsy : nisy nanome ny akanjonay mivady na tamin’ny soratra na tamin’ny mariazy – ieeee!!! Marihiko fa tsy nangataka taman’olona izahay annnn….fa tena fahagagana miampy fahagagana. Fa tsy izay ihany fa na ny peratra, ny sakafo, ny fiara….dia natolotra anay maimaim-poana daholo. Voninahitra ho an’Andriamanitra irery ihany!!!

Zaraiko aminao izany inoanao fa manompo Andriamanitra velona isika. Indro omeko anao ity andinin-tsoratra masina ity, raiso am-pinoana anio fa hioty ny vokatra ianao : “Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin'ny anarako ianareo; mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo.” Jaona 16:24

Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

Address

Alarobia Amboniloha
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 08:00 - 17:00
Tuesday 08:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 17:00
Thursday 08:00 - 17:00
Friday 08:00 - 17:00

Telephone

+261321112848

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fahagagana isan'andro posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Fahagagana isan'andro:

Shortcuts

Share