Fahagagana isan'andro

Fahagagana isan'andro Mitory Filazantsara amin'ny alalan'ny fampiasana ny haino aman-jery ary ny tambazotra sosialy.

Mizara ny fahagagana isan'andro ho fampahafantarana an'i Jesosy Kristy sy mitondra am-bavaka ihany koa ireo mpikambana eto Madagasikara sy any ivelany

07/08/2026

Afaka manomboka indray ianao anio…

Mazoto miasa eo amin’ny solosainao ve ianao ?

Nandritra ny fotoana nahatsapako ho “be zavatra atao”, dia tsikaritro fa maro ireo varavarankely nisokatra teo amin’ny solosainako… ny varavarankely tsirairay dia manambara ny asa mbola mila tanterahana.

Teo anelanelan’ny tranokalan’ny hotely (nila namandrika ny efitra hatoriana amin’ny hetsika manaraka aho), ny varavarankely maro handikana ny lahatsoratra momba ny Fahagagana Isan’Andro, ny mailaka maro nosokafana izay tokony valiako haingana, ny fandraiketako ny hira izay noforoniko, ary tsy adino, toriteny iray ao amin’ny Youtube izay tena nahaliana ahy, dia natahotra aho sao misy adinoko izany !

Mazava ho azy fa tena zava-dehibe daholo izany rehetra izany. Mandra-pahatonga an’ilay solosaina maty ary niverina nisokatra ka nanjavona daholo ny zavatra rehetra ! Azoko avy hatrany ny zavatra nitranga. Namela varavarankely maro loatra nisokatra aho. Eny, na isika aza matetika, dia mamela ny adin-tsaina hanenika antsika !

Imbetsaka Andriamanitra no nanitsy ahy moramora : “Be loatra…”, fa hainao ve ity eritreritra ity hoe : “Raha te handroso aho, dia mila…” ? Ny torohevitro ho anao dia :

Mitsahara fa avelao Andriamanitra hiditra an-tsehatra !

Raha ny momba ahy, tena nety ny nanidian’ny solosainako ireo varavarankely rehetra. Afaka miainga amin’ny tsy misy indray aho anio. Ary tena nilaiko io fanombohana vaovao io. Satria eo no nanapahako hevitra - eny, izao indray - ny hangataka fahendrena amin’Andriamanitra mialohan’ny hanombohana…

Inona avy ireo varavarankely mila arindrinao ka hanombohanao indray miaraka Aminy ?

“Ankino amin'i Jehovah ny lalanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.” (Salamo 37.5)

Tsara loatra izany andininy izany ! Andeha hino sy hiaina izany isika !

Fahagagana ianao !

06/08/2026
06/08/2026

Ahoana ny nanombohanao ny tontolo andronao ?

Hainao ve ireny andro ireny, rehefa mifoha ianao dia fantatrao avy hatrany fa “nisy nifoha talohako”. Tsy miresaka olona aho eto, fa fahavesarana, alahelo izay tsy azonao akory ! Tsy misy antony mazava, fa nefa eo le fahatsapana.

Nahatsapa izany mihitsy aho tamin’ny ririnina farany teo. Nifoha aho ny maraina sady malaelo. Niezaka nanova ny zavatra sainiko aho mba hanariana dia, fa tsy nahomby izany. Afaka minitra vitsivitsy dia tsy nahazo aina indray aho ary te hiafina. Tsy fantatro anefa ny anton’izany rehetra izany…

Raha mandalo izany fahatsapana izany ianao, dia ho azonao hoe tena manimba ilay izy. Tsarovy Davida, izay nanoratra hoe : “Raha mbola tsy nazava ratsy aza ny andro, dia nitaraina aho; Ny teninao no andrasako. Nialoha ny fiambenana amin'ny alina ny masoko, Mba hisaintsainako ny teninao. Henoy ny feoko araka ny famindram-ponao, Jehovah ô, Velomy aho araka ny fitsipikao.” (Salamo 119.147-149)

Ny olona izay mitaraina toy izany dia olona tsy mahazo aina anaty… Tsy nitombina Davida ! Ary niverimberina matetika izany. Fa na dia teo afovoan’ny alahelony mafy aza, dia tsy nitsahatra nanambara izy hoe :

“Manantenà an'i Jehovah, ry Isiraely; Fa eo amin'i Jehovah no misy famindram-po sy fanavotana be” (Salamo 130.7)

Sy hoe : “Niandry an'i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko, Ary ny teniny no nanantenako.” (Salamo 130.5)

Nanantena an’i Jehovah tamin’ny fony rehetra izy. Vonona ny hiandry ny fahagagany izy na dia teo aza ny havizanany sy ny alahelony… Waow !

Tsy navelan’i Davida nitarika azy ny fahatsapany. Ny mifanohitra amin’izany no nataony, nangoniny izany ary nentiny teo amin’Ilay mihazona ny famonjena, satria fantany fa hitranga ny fahagagana !

Te hampahery anao koa aho anio mba hanolo ny fihetsem-ponao amin’ny fanantenana. Zo-anao izany ! ary mivonóna hiandry ny fahagaganao, satria tsy miova Andriamanitra !

Tsy tokony hitarika anao ny fihetsem-ponao, fa tokony tarihanao ! ENY !

“Fa eo amin'i Jehovah no misy famindram-po sy fanavotana be” (Salamo 130.7)

Fahagagana ianao !

05/08/2026

Aza avela hameno anao ny fanahiana,

Manontany ahy matetika ny olona hoe izaho tokoa ve no manoratra ireo lahatsoratra rehetra ireo, isan'andro isan’andro. Hatreto dia mamaly tamim-pitsikiana aho hoe: "Mazava ho azy, ary mahafinaritra ahy izany!"

Tsotra ny valinteniko. Ny hany fanahiako dia ny fitadiavana fotoana handraisana an-tsoratra ireo hevitra rehetra mihodinkodina ao an-dohako!

Vao haingana anefa aho no nandalo fotoana tena nangidy. Nahatsiaro ho kivy sy nalahelo aho—tsy nisy antony mazava—ary nitohy nandritra ny herinandro maromaro izany. Sarotra ho ahy ny nifehy ny tenako. Inona no nitranga?

Indray maraina, saika nilavo lefona aho: “Ahoana raha tsy manana zavatra hozaraina intsony aho? Ahoana raha lany hevitra aho? Ahoana raha tsy afaka mampahery ny hafa intsony aho ...?"

Fantatrao tsara angamba izany karazana eritreritra manindrona ny saina izany, sa tsy izany? Rehefa avelanao mibahan-toerana izy ireo, dia mitombo haingana ny eritreritra toy izany — ary tena manimba!

Mandra-pahatongan'ny fotoana nahatsiarovako tena ka nilazako hoe: AOKA IZAY! Satria tadidio fa tsy voatery hino ireo eritreritra rehetra ireo ianao ( raha ny marina dia lainga fotsiny ireny)! Tsy manan-jo hifehy ny fiainanao izany! Fotoana izao hametrahana azy ireny eo amin'ny toerana sahaza azy!

Aaa, izany fitiavako ny Baiboly! Raha mba hampiharintsika matetika kokoa moa izany rehefa iny resin’ny eritreritra iny isika.

“Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho.” (Salamo 56:4).

Raha toa ka manangoly anao ny eritreritrao, dia tohero amin'ny alalan'ny Baiboly izany!

Tsy mila matahotra ny ampitso na izaho na ianao, (jereo ny Matio 6:34). Kanefa, matetika loatra isika no mamela varavarana hisokatra ho an'izany tahotra izany! Toy izany koa ve ny aminao? "Mbola afaka handoa ny faktiorako ve aho rahampitso? Hifarana ve ny fifandraisako rahampitso? Ho tiana ve aho indray andro any...?"

Rehefa mavesatra aminao ny ahiahy, dia matokia an'Andriamanitrao izay miasa!

Vonona ve ianao anio handray an-tanana ny eritreritrao sy hanome toerana ho an'ny fahamarinan'Andriamanitra? Avelao ny tahotrao hiaina ny herin'Andriamanitrao izay tsy azo hozongozonina!

Fahagagana ianao!

04/08/2026

Ary raha manova fomba fisainana ianao?

Betsaka ireo olona mijaly noho ny tsy fahitan-tory. Ahoana ny aminao? Ho ahy manokana, zavatra iainako loatra izany. Vao tsy ela, nanontany tena aho hoe ondana tsara ve tsy efa ampy hanatsara zavatra?

Tapakevitra aho ny hanatona tranombarotra voatokana ho amin’izany, nividy ondana feno landihazo. Niteny tamiko ilay mpivarotra hoe : “Ianao ihany dia efa afaka misafidy ny lanjan’ny landihazo tianao atao amin’ny ondanao - amin’izay fotoana izay, mandry amin’ny ondana azo lazaina hoe feno tsara ianao, araka ny safidinao”.

Herinandro vitsivitsy taorian’izay, tonga saina aho fa tsy nisy dikany tamiko akory ilay izy! Tsy nahazo aina ny lohako teo amboniny, ary ratsy torimaso be foana aho…

Voa mafy aho izany, satria ny tena marina tsy nanaraka toromarika aho : tahaka ny tamin’ny nividianako an’ilay ondana ihany no nampiasako azy, tsy namboariko araka ny natoron’ilay mpivarotra ahy akory, sady natevina loatra ho ahy ilay izy! Kanefa, izay indrindra ilay tanjona!

Manontany tena aho indraindray raha mba tahaka izany koa ny fombantsika amin’ny fiainana. Manome antsika fiainana Andriamanitra miaraka amin’ny zavatra azo atao rehetra, saingy tsy trandrahantsika izany. Mipetra-potsiny isika sady miteny hoe : “Misaotra nanome aina, fomba hafa no niheverako azy, saingy izay no zava-misy!”

Kanefa izao no ambaran’Andriamanitra ao amin’ny Teniny :
“mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an'Andriamanitra.“ (Efesiana 4:24). Satria “Ny zavatra rehetra dia hain'ny mino.” (Marka 9:23)

Mety ho tahaka ny ondako koa ve ny fiainanao, hoe “feno loatra”? Mety ho adinonao ny nangataka tamin’I Jesosy mba hanavao ny sainao, ka dia “nanaiky” fotsiny ianao?

Angamba nilavo lefona ianao, kanefa naninjitra ny tanany aminao Jesosy mba hanova anao, ka hampandroso anao! Tiany ho tanteraka avokoa izay rehetra tsy tanteraka amin’ny fiainanao!

Te hangataka amin’ny Fanahy Masina ve ianao mba hanavao ny sainao sy hanova anao anio?

Fahagagana ianao!

03/08/2026

Iainanao ve ny finoanao ?

Ekena tokoa amin’ny maha olombelona ny mangataka tsy tapaka amin’Andriamanitra ny hitahiany antsika sy hanoroany antsika ny lala-marina. Tahaka izay hita ao amin’ny Salamo no vavaka ataontsika :

“Ampahalalao ahy izay lalana tokony halehako,… vonjeo amin'ny fa-havaloko aho;...“ (Salamo 143:9)

Fa inona no hataonao rehefa mamaly anao Andriamanitra ?

Mazava ny ambaran’ny Baiboly mahakasika izany: “Na inona na inona tononinareo amin'ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho azonareo izany.” (Marka 11:24)

“Rehefa mivavaka ianareo, dia minoa”. Raha mivavaka IANAO, minoa fa homen’Andriamanitra izay vahaolana ilainao amin’ny fiainanao ianao. Ny vahaolana REHETRA! Hatrany hatrany! Ka izay no maha zavadehibe ny finoanao fa efa tanteraka izany, ary ny hihetsehanao sahady mba hitrangany !

Tsy tokony hiandry ilay vahaolana ianao, afaka manomboka dieny izao am-pinoana !

Fantatrao ny antony tokony hanombohanao izany ANIO? Ao amin’ny Baiboly ny valiny : “Koa dia hitanareo fa hamarinina amin'ny asa ny olona, fa tsy amin'ny finoana ihany.” (Jakoba 2:24)

“Tsy nohamarinina tamin'ny asa va Abrahama razantsika tamin'ny nanaterany an'Isaka zanany teo ambonin'ny alitara? Hitanao fa niara-niasa tamin'ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin'ny asa;“ (Jakoba 2:21-22)

Mazava fa ny FINOANA SY ASA dia “tsy misara-dalana”.

Raha “mino sy miasa” isika - dia handray soa avy amin’ny fitahiana miafina!

Faly ery Andriamanitra rehefa mahita anao miantomboka amin’ny finoana! Ary koa, mahazo hery ianao!

“Fa maty ny tena, raha tsy misy fanahy, ary maty toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa.” (Jakoba 2:26)

Handeha hiaina ny finoantsika isika - ka ampitaintsika izany finoana izany amin’ny asa!

Fahagagana ianao!

Address

Alarobia Amboniloha
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 08:00 - 17:00
Tuesday 08:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 17:00
Thursday 08:00 - 17:00
Friday 08:00 - 17:00

Telephone

+261321112848

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fahagagana isan'andro posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Fahagagana isan'andro:

Shortcuts

Share